Ny Fahasambarana Sarotra Tratrarina Aoka Izany
NY FAHATEZERANA, sy ny fanahiana, ary ny fahaketrahana, dia foto-kevitry ny fandinihana siantifika hatramin’ny ela. Tao anatin’ireo taona faramparany anefa, ireo mpahay siansa malaza indrindra, dia nampifantoka ny fikarohany tamin’ny fanandraman-javatra mampahery sy faniry ananan’ny olombelona — ny fahasambarana.
Inona no mety hahatonga ny olona ho sambatra kokoa? Raha tanora kokoa ve izy, na manankarena kokoa, na salama kokoa, na lavalava kokoa, na mahiahia kokoa? Inona no fanalahidin’ny tena fahasambarana? Olona maro no mahita fa sarotra, na tsy azo atao mihitsy aza, ny mamaly izany fanontaniana izany. Amin’ny fiheverana ny tsy fahombiazana miely patrana aoka izany, eo amin’ny fitadiavana fahasambarana, dia mety hahita ny sasany fa mora lavitra ny mamaly ny hoe inona no tsy fanalahidin’ny fahasambarana.
Nandritra ny fotoana lavalava, ireo psikôlôgy (manam-pahaizana momba ny saina) malaza dia nanoro hevitra ny hananana toe-tsaina tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena ihany ho ny fanalahidin’ny fahasambarana. Nampirisika ireo olona tsy sambatra izy ireo mba hifantoka tanteraka amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’ny tenan’izy ireo manokana. Nampiasaina tamin’ny fitsaboana aretin-tsaina ny fehezanteny mandrobo toy ny hoe “Mifantoha amin’ny tenanao”, “fantaro ny fihetseham-ponao anaty”, “fantaro ny tenanao”. Kanefa ny sasany amin’ireo manam-pahaizana manokana izay nanohana io fomba fisaina io indrindra no miaiky ankehitriny fa ny fihetsika tsy mifantoka afa-tsy amin’ny tena toy izany, dia tsy mitondra fahasambarana maharitra. Azo antoka fa hitondra fanaintainana sy tsy fahasambarana ny fitiavan-tena. Tsy fanalahidin’ny fahasambarana ny fitiavan-tena.
Ny fanalahidin’ny tsy fahasambarana
Ireo mitady ny fahasambarana amin’ny fikatsahana fahafinaretana, dia mitady izany any amin-javatra tsy tokony hisy azy. Diniho ny ohatr’i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely fahiny. Ao amin’ny Mpitoriteny, boky ao amin’ny Baiboly, dia manazava toy izao izy: “Na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra.” (Mpitoriteny 2:10). Nanao trano ho azy manokana i Solomona, namboly voaloboka, nanao zaridaina, sy saha, ary nanao kamorin-drano ho azy manokana. (Mpitoriteny 2:4-6). Nanontany izy indray mandeha hoe: “Iza no mihinana, ary iza no misotro tsara kokoa noho izaho?” (Mpitoriteny 2:25, NW ). Niala voly tamin’ny alalan’ireo mpihira sy mpahay mozika tsara indrindra izy, ary koa nankafy ny fifaneraserana tamin’ireo vehivavy tsara tarehy indrindra teo amin’ilay tany. — Mpitoriteny 2:8.
Ny hevi-dehibe dia hoe tsy niahotra i Solomona raha ny amin’ireo asa mahafinaritra. Inona no hevitra notsoahiny taorian’ny nahazoany fahafinaretana be dia be teo amin’ny fiainana? Nilaza izy hoe: “Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro.” — Mpitoriteny 2:11.
Mitoetra ho araka ny marina hatramin’izao andro izao ireo fanatsoahan-kevitr’ilay mpanjaka hendry ireo. Raiso, ohatra, ny tany manankarena toa an’i Etazonia. Nandritra ireo 30 taona farany, ny Amerikana dia saika nampitombo tanteraka ho avo roa heny ny habetsahan’ny fananany ara-nofo, toy ny fiarakodia sy ny televiziona. Kanefa, araka ny manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana ara-tsaina, dia tsy sambatra kokoa velively akory ny Amerikana. Araka ny loharanon-kevitra iray, “nandritra izany fe-potoana izany ihany, dia nitombo be ny tahan’ny fahaketrahana. Nitombo avo telo heny ny famonoan-tena eo amin’ny zatovo. Nitombo avo roa heny ny tahan’ny fisaraham-panambadiana”. Vao tsy ela izay, dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra mitovy amin’izany koa ireo mpanao fikarohana, taorian’ny nandinihana ny fifandraisan’ny vola sy ny fahasambarana eo anivon’ireo mponina tany amin’ny tany 50 samy hafa. Raha lazaina tsotra dia tsy afaka mividy ny fahasambarana ianao.
Mifanohitra amin’izany kosa, ny fikatsahana harena dia azo antsoina araka ny tokony ho izy hoe fanalahidin’ny tsy fahasambarana. Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10.
Tsy ny harena, na ny fahasalamana, na ny fahatanorana, na ny hatsaran-tarehy, na ny fahefana, na ny fitambaran’ireo rehetra ireo mihitsy akory, no afaka manome antoka ny fahasambarana maharitra. Fa nahoana? Satria tsy manana ny hery hanakanana ny zava-dratsy tsy hitranga isika. Tena mifanentana ny nanamarihan’i Solomona Mpanjaka hoe: “Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.” — Mpitoriteny 9:12.
Zava-kendrena iray sarotra tratrarina
Tsy misy fikarohana siantifika na toy inona na toy inona habetsahany, afaka mahita raikipohy na tetik’olombelona ho amin’ny fahasambarana. Nilaza ihany koa i Solomona hoe: “Ary hitako atỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” — Mpitoriteny 9:11.
Maro amin’ireo izay miray hevitra amin’ireo teny etsy ambony ireo no nanatsoaka hevitra fa ny fiandrasana fiainana sambatra marina, dia tsy fijerena ny tena zava-misy. Nilaza ny mpanabe fanta-daza iray fa “ny fahasambarana dia toe-piainana foronin’ny saina fotsiny”. Ny hafa mino fa ny fanalahidin’ny fahasambarana, dia tsiambaratelo mifono zava-miafina, ary koa fa ny fahaizana manambara ireo tsiambaratelo dia mety ho voafetra ho an’ireo olona vitsivitsy nahazo fanomezam-pahasoavana momba ny fahaiza-mamantatra ireo zava-miafina fotsiny.
Mbola manohy manandrana ireo fomba fiaina samihafa foana ny olona eo amin’ny fikatsahany ny fahasambarana. Na dia eo aza ny tsy fahombiazan’ireo olona talohan’izy ireo, dia maro amin’ny andro ankehitriny no mbola manohy mikatsaka harena, fahefana, fahasalamana, na fahafinaretana, ho toy ny fanafodin’ny tsy fahasambaran’izy ireo. Mitohy ilay fikatsahana, satria olona maro no mino ao anatiny lalina ao fa ny fahasambarana maharitra dia tsy toe-piainana foronin’ny saina fotsiny akory. Manantena izy ireo fa tsy nofinofy sarotra tratrarina akory ny fahasambarana. Koa mety hanontany ianao hoe: ‘Ahoana no mety hahitako azy io?’