Krismasy — Fety Tsotra sa Andro Masina?
ANTSOINA hoe Ingahibe Noely izy any Sina. Fantatra amin’ny hoe Papa Noely izy any amin’ny Royaume-Uni. Mampiasa ilay anarana hoe Dadabe Fanala ny olona any Rosia, ary any Etazonia izy dia nopetahana anarana hoe Santa Claus.
Mihevitra ny maro fa sary velona mampiseho ny Krismasy io lahiantitra miramirana izay mampideradera kibo be sy volombava fotsy mangatsakatsaka io. Fantatry ny rehetra koa anefa fa i Dadabe Noely dia tsy tena misy, angano miorina amin’ny lovantsofina nampifandraisina tamin’ny eveka iray tamin’ny taonjato fahefatra tao Myra (any Torkia ankehitriny).
Ireo fomba amam-panao sy lovantsofina dia nampihatra fitaomana mahery foana teo amin’ireo fankalazana, ary tsy maningana amin’izany ny Krismasy. Ohatra iray monja amin’ireo vakoka mifamatotra amin’ny fety iray tiam-bahoaka ny angano momba an’i Dadabe Noely. Na dia milaza aza ny olona sasany fa miorina amin’ireo fisehoan-javatra voarakitra ao amin’ny Baiboly ireo fomba amam-panao amin’ny Krismasy, dia niandoha avy amin’ny mpanompo sampy ny ankamaroan’ireny fomba amam-panao ireny, raha ny marina.
Ohatra fanampiny ny hazo Noely. Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Ny fanompoam-pivavahana tamin’ny hazo, izay fahita teo amin’ireo Eoropeana mpanompo sampy, dia tsy maty taorian’ny fiovan’izy ireo ho amin’ny Kristianisma [ka hita] tao amin’ireo fomba amam-panao skandinavy, dia ilay fampihaingoana ny trano sy ny sompitra tamin’ny hazo maitsoririnina tamin’ny Taom-baovao mba hampitahorana ny devoly, ary ilay fananganana hazo iray ho an’ny vorona mandritra ny fotoan’ny Krismasy.”
Lovantsofina tiam-bahoaka hafa iray, fanao amin’ny Krismasy, ny fandrandranana hazo houx na hazo maitsoririnina hafa, ka atao miendrika faribolana. Io koa dia tena niandoha avy tamin’ny fivavahan’ny mpanompo sampy. Nampiasa rantsana houx mba hampihaingoana tempoly ny Romana fahiny nandritra ny Satiornaly, andro firavoravoana fito andro tamin’ny aty ririnina. Natokana ho an’i Saturne, ilay andriamanitry ny fambolena sy ny fiompiana, izy io. Ny tena nanamarika an’io andro firavoravoan’ny mpanompo sampy io dia ny fikoranam-be tsy voafehy sy ny fanaranam-po tamin’ny filan-dratsy.
Ho an’ny sasany, dia toa mety hamohafoha fitiavana erỳ ilay fifanorohana eo ambany rantsana gui (aseho sary eto), izay fomba amam-panao amin’ny Krismasy. Mampahatsiaro ny Moyen Âge anefa izany. Ireo Mpimasy tany Grande-Bretagne fahiny, dia nino fa manana hery mahagaga ny gui; ka noho izany, dia nampiasaina ho fiarovana tamin’ireo demonia sy ny ozona famosaviana ary ny karazan-doza hafa, izy io. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nipoitra ilay finoanoam-poana hoe mitarika ho amin’ny fanambadiana ny fifanorohana eo ambanin’ny hazo gui. Mbola be mpanaraka ihany io fanao io eo amin’ny olona sasany, manodidina ny fotoan’ny Krismasy.
Ireo dia vitsivitsy ihany amin’ireo lovantsofina momba ny Krismasy ankehitriny, izay niharan’ny herin’ny fampianaran’ny mpanompo sampy na niandoha avy amin’izany tsotra izao. Mety hanontany tena anefa ianao ny amin’ny fomba nitrangan’izany rehetra izany. Ahoana no nahatonga ny fety iray ho voasingotsingotry ny fomba amam-panao tsy kristiana, kanefa lazaina ho manome voninahitra ny fahaterahan’i Kristy? Mbola zava-dehibe kokoa ny hoe, ahoana no fiheveran’Andriamanitra ilay raharaha?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Pejy faha-3: Dadabe Noely: Thomas Nast/Dover Publications, Inc., 1978; gui eo amin’ny pejy faha-3, ary sary eo amin’ny pejy faha-4: Discovering Christmas Customs and Folklore nataon’i Margaret Baker, navoakan’ny Shire Publications, 1994