FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/1 p. 3-5
  • Manova Fiainana ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manova Fiainana ny Fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-kendrena eo amin’ny fiainana 
  • Fianakaviana vaovao
  • “Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
  • Nahita Fanafodin’ny Famoizam-po Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mampanantena Valisoa Mahatalanjona ho An’i Daniela i Jehovah
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/1 p. 3-5

Manova Fiainana ny Fahamarinana

MAMPALAHELO, nefa marina, fa olona maro be aoka izany amin’izao andro izao no manana fiainana sarotra, mampamoy fo mihitsy aza. Azon’ny olona toy izany atao ve ny mahita fahasambarana? Ny sasany dia mpanao heloka bevava ary manao an-keriny ny mpiara-monina aminy. Afaka ny ho tonga mpikambana manao ny marina ao amin’ny fiaraha-monina ve izy ireo? Eny no valin’ireo fanontaniana roa ireo. Afaka miova ny olona. Azo ovana ny fiainana. Nampiseho ny fomba hanatanterahana izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra toy izao: “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” — Romana 12:2.

Ny hoe “sitrapon’Andriamanitra” dia mety hampahatsiahy izay nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany, 20 taona mahery talohan’ny nanoratan’i Paoly ireo teny etsy ambony. Hoy i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Ny tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “ny marina”, dia ny filazalazana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra — indrindra fa ny filazalazana momba ny sitrapon’Andriamanitra — izay voatahiry ho antsika ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:17). Tena manafaka ny olona tokoa ve ny fahamarinana ara-baiboly? Tena manova ny fiainana tokoa ve ny fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Tena izany tokoa. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto.

Zava-kendrena eo amin’ny fiainana 

Tsy ela izay, dia lehilahy tena tsy sambatra i Moisés, any Gibraltar. Hoy izy: “Mpimamo aho ary natory teny amin’ny arabe. Namoy fo aho. Isaky ny alina aho dia nangataka tamin’Andriamanitra mba hamindra fo tamiko ka tsy hampaharitra ahy andro iray hafa. Nitomany aho rehefa nanontany an’Andriamaitra hoe nahoana aho no nisy raha tsy nisy nilana ahy, tsy an’asa, tsy nanana fianakaviana, ary tsy nisy olona nanampy ahy toy izao? Inona no antony tokony hahavelomako?” Avy eo, dia nisy zavatra nitranga.

Nanohy ny teniny i Moisés hoe: “Fantatro fa nihaino ny vavaka nataoko Andriamanitra, rehefa nihaona tamin’i Roberto, izay Vavolombelon’i Jehovah, aho. Nanome ahy Baiboly iray sy ilay boky fianarana ny Baiboly hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? i Roberto.a Isan’andro dia niara-nianatra ny Baiboly teo amin’ilay dabilio fatoriako tamin’ny alina izahay. Iray volana tatỳ aoriana, dia nitondra ahy tany amin’ny fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana i Roberto. Tsy ela dia nanova ny fomba fijeriko zavatra ny fahamarinana ara-baiboly. Tsy matory eny ivelany intsony aho, no sady tsy misotro na mifoka. Niova ny fiainako, ary sambatra aho. Manantena ny hatao batisa tsy ho ela sy ny ho iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah manompo azy aho.”

Fiovana re izany! Rehefa tsy manana fanantenana ny olona, ny antony matetika dia ny tsy fananany fahalalana. Tsy mahalala ny momba an’Andriamanitra na ireo fikasany mahatalanjona izy ireo. Raha ny amin’i Moisés, rehefa nahazo izany fahalalana izany izy, izany dia nanome azy tanjaka sy herim-po mba hanovana ny fiainany. Raha ny amin’i Moisés, dia voavaly ilay vavaka nataon’ny mpanao salamo tamin’Andriamanitra hoe: “Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin’ny tabernakelinao.” — Salamo 43:3.

Tany Belize, i Daniel dia nanana fanandraman-javatra nitovy tamin’izany. Tsy natory teny amin’ny arabe i Daniel — nanana asa ambony izy. Kanefa, nandritra ny 20 taona izy dia niady tamin’ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina sy ny alkaola ary nanana fiainana maloto ara-pitondran-tena. Na dia notezaina tao amin’ny fivavahana Katolika aza i Daniel dia tsy nahita ny hevitry ny fiainana, sy nisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Nitady fanampiana tany amin’ny fiangonana samy hafa izy. Hitany tany anefa fa ny maro tamin’ireo namany izay mpiangona, ary na dia ny sasany tamin’ireo namany anisan’ny klerjy aza, dia nidoroka zava-mahadomelina na alkaola. Tamin’izay fotoana izay koa, ny vadiny dia nadiva hisaraka taminy.

Tao anatin’ny famoizam-po, i Daniel dia niditra tao amin’ny foibe fanarenana iray. Na dia izany aza, dia fantany fa hiverina tsy ho ela amin’ny zava-mahadomelina izy aorian’ny hivoahany, raha tsy nahazo fanampiana. Karazana fanampiana inona anefa? Tamin’ny May 1996, roa andro taorian’ny nivoahany avy tao amin’ny foibe fanarenana, i Daniel dia nanatona Vavolombelon’i Jehovah iray ary nanaitra azy io tamin’ny fiangaviana hoe: “Mba ampianaro Baiboly aho, aza fady.” Nandamina ny hiara-mianatra Baiboly indroa isan-kerinandro tamin’i Daniel ilay Vavolombelona, ary tsy ela i Daniel dia nanomboka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ka nanolo ireo namany taloha tamin’ny namana kristiana izay tsy nidoroka zava-mahadomelina na zavatra misy alkaola ary nanalavitra ny fahalotoam-pitondran-tena. Hitan’i Daniel tamin’izany fa marina ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Tsy ela, dia hoy izy: “Sambany eo amin’ny fiainako aho izao vao mahafantatra izany hoe manana feon’ny fieritreretana madio izany.” Voaova ihany koa ny fiainan’i Daniel.

Tany Porto Rico, dia nisy lehilahy hafa iray nanao fiovana niavaka. Tany am-ponja izy ary noheverina ho tena mampidi-doza, satria efa nahafaty olona maromaro. Afaka nanova azy ve ny fahamarinana ara-baiboly? Eny. Ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia afaka nanome azy gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! sasantsasany ary vetivety avy eo dia nangataka hafa koa ilay tovolahy. Natomboka ny fianarana ny Baiboly, ary raha vao nanomboka nanohina ny fony ny fahamarinana ara-baiboly, dia hitan’ny rehetra ireo fiovana nataony. Ny iray tamin’ireo porofon’ny fiovany voalohany dia hita rehefa nanapaka ny volony lava sy nanaratra ny volombavany nisaritaka izy.

Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra dia mamela ny helok’ireo mpanota izay tena mibebaka ary manova ny fomba fiainany. Nanoratra toy izao i Paoly: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? (...) Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo”. (1 Korintiana 6:9, 11). Tsy isalasalana fa ireo teny ireo dia nampionona an’io lehilahy io, toy ireto teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15 ireto: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.” Hoy izy: “Maniry ny ho eo aho rehefa mitranga ny fitsanganana amin’ny maty, mba hahafahako hangataka famelan-keloka amin’ireo olona novonoiko.”

Fianakaviana vaovao

Indray andro i Luis, mpitory ny filazantsara manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Arzantina, dia nampifankahalalaina tamin’ny tovolahy iray izay nanana tantara nampalahelo. Nilaozan’ny ray aman-dreniny hatramin’ny vao teraka izy ary notezaina tany amin’ny trano fitaizana isan-karazany. Rehefa tokony ho 20 taona teo ho eo izy, dia nahafantatra ny toerana nisy ny reniny ary nanapa-kevitra ny hipetraka tany akaikiny. Niasa mafy izy, nanangona vola be, ary nankany amin’ilay tanàna nisy ny reniny. Namela azy hiara-mipetraka taminy ny reniny mandra-paha-lanin’ny volany ary avy eo dia nangataka azy handeha. Io fanilihana azy io dia nahatonga azy haniry hamono tena.

Kanefa, i Luis dia afaka nizara ny fahamarinana ara-baiboly tamin’io tovolahy io. Tafiditra tao amin’izany fahamarinana izany ny fanomezan-toky hoe: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Hitan’ilay tovolahy fa nanana Ray any an-danitra izay tsy nandao azy na oviana na oviana izy. Sambatra izy ankehitriny anisan’ny fianakaviana vaovao, dia ny fianakavian’i Jehovah.

Ny lehilahy hafa iray tao amin’io tany io ihany dia nilaza tamin’ny iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tia ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izy. Nahoana? Satria nanavotra ny fanambadiany izy io. Indray andro io lehilahy io, rehefa niala tany am-piasana, dia nahita tao anaty fitoeram-pako, gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray nitondra ny lohateny hoe “Fisaraham-panambadiana”, tamin’ny sora-baventy. Koa satria niharan-java-nanahirana ny fanambadiany ary efa nanomboka nangataka fisarahana ara-dalàna izy mivady, dia naka ilay gazety izy ary nanomboka namaky azy. Nentiny tany an-trano ilay izy ary novakiny niaraka tamin’ny vadiny. Niezaka nampihatra ny torohevitra niorina tamin’ny Baiboly tao amin’ilay gazety ilay mpivady. (Efesiana 5:21–6:4). Tsy ela dia nihatsara ny fifandraisan’izy ireo. Nanafoana ilay fangataham-pisarahana izy ireo ary ankehitriny dia mpivady tafaray miara-mianatra ny Baiboly.

Tany Orogoay, ny lehilahy hafa iray nantsoina hoe Luis dia tsy sambatra velively. Ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina, ny spiritisma, ny fanompoan-tsampy, ny fidorohana zavatra misy alkaola — ireo dia sasany amin’ireo zavatra izay nahatonga ny fiainany hisafotofoto. Farany, dia kivy tanteraka i Luis, ka nanjary tsy nino an’Andriamanitra. Nanome azy ny boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création?b ny iray tamin’ireo namany. Izany dia nahatonga azy hifandray vetivety tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa tsy ela i Luis dia niverina tamin’ny alkaola sy ny zava-mahadomelina. Rehefa tao anatin’ny fotoam-pahoriana lehibe izy, dia nipetraka tao amin’ny fanariam-pako iray, nivavaka, ary nanolotra ilay vavaka tamin’ny “rain’i Jesosy Kristy”, satria tsy nahazo antoka ny amin’ny anaran’Andriamanitra izy.

Nangataka tamin’Andriamanitra izy mba hampiseho aminy raha nisy zava-kendrena ny naha-teto an-tany azy. “Ny ampitso avy hatrany”, hoy i Luis, “dia nanome ahy boky izay tsy nampiasainy intsony ny olona fantatro iray. Ny lohateniny? Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!”c Nanampy azy hamaly ny fanontaniany ilay boky. Nivavaka indray i Luis mba hahazo fanampiana mba hahita ilay fivavahana izay hampiseho aminy ny fomba hanompoana an’Andriamanitra. Toy inona moa ny fahagagany rehefa naneno ny sonnerie, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitsangana teo ivelany! Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo avy hatrany i Luis. Nanao fandrosoana haingana izy ary mahatsapa ankehitriny fa voatahy ny tenany, satria Vavolombelona vita batisa. Manana fiainana madio ara-pitondran-tena izy ary manampy ny hafa ihany koa mba hahita zava-kendrena eo amin’ny fiainany. Ho azy, dia marina ilay teny ao amin’ny Salamo 65:2 manao hoe: “Ry mpihaino vavaka ô, hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.”

Any Filipina, i Allan dia mpianatra no sady mpitolona taloha. Izy dia tao amin’ny fikambanana iray izay ny zava-kendreny dia ny “handrava ny fitondram-panjakana mba hahafahan’ireo taranaka ho avy hanana fitovian-jo”. Indray andro anefa, dia nifampiresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nianatra avy tao amin’ny Baiboly ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Tafiditra tao amin’izany fikasana izany ilay fampanantenana ara-tsindrimandry hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy (...). Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:10, 11). Hoy i Allan: “Tsy ela dia hitako fa ny antokonay dia nitolona ho amin’izay nampanantenaina efa ela be tao amin’ny Baiboly. Ny zavatra rehetra izay nirinay mafy dia homena eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Ankehitriny i Allan dia manohana ny Fanjakan’Andriamanitra ary manampy ny hafa hanana finoana ny fahamarinana ara-baiboly.

Eny, voaova ny fiainan’ny olona rehefa manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, izy ireo. Eny tokoa, ho avy ny fotoana, rehefa ho nampifanaraka ny fiainany tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ny taranak’olombelona tafita velona rehetra. Ho fiovana toy inona moa izany! Amin’izay dia ho tanteraka ilay faminaniana manao hoe: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 11:9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

c Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara