FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb15 p. 118-p. 119 feh. 4
  • “Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Manova Fiainana ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mila Mpampionona Isika Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Ray toy Inona no Ilain’ny Ankizy?
    Mifohaza!—2004
  • Hitako fa tsara Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2015
yb15 p. 118-p. 119 feh. 4

REPOBLIKA DOMINIKANINA

“Tsy Nilavo Lefona Mihitsy Aho”

Luis Montás

  • TERAKA 1906

  • BATISA 1947

  • TANTARANY Nanana andraikitra tao amin’ny antoko politikan’i Rafael Trujillo izy. Nianatra Baiboly izy ary tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy mandra-pahafatiny tamin’ny 2000.

Sary, pejy 118

HAVAN’I Trujillo i Luis, ary izy no mpitantam-bola tao amin’ilay antoko politika hoe Partido Dominicano (Antoko Politika Dominikanina). Tsy tiany maizina ny fitondran’i Trujillo, ka nataony foana izay hialana tamin’ny asany. Tsy namela azy mihitsy anefa ilay mpitondra jadona.

I Trujillo no nampamono ny zokin’i Luis roa lahy. Indroa àry i Luis no nifofo ny ain’io mpitondra jadona io, saingy tsy fantatry ny fanjakana mihitsy izany. Nitady fanampiana tany amin’ny mpimasy mihitsy aza izy. “Hoatran’ny bibidia” mantsy, hono, io mpitondra jadona io, “ary mihevi-tena ho ambony noho ny olona rehetra.” Tao an-tranon’ny mpimasy iray izy, indray andro, ary hitany teo ambony latabatra ilay boky hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo.” Novakiny ilay izy dia nentiny nody satria nahaliana azy. Niaiky izy, tatỳ aoriana, hoe nahita an’ilay fahamarinana notadiaviny hatry ny ela.

Tonga teto Ciudad Trujillo i Luis, indray mandeha, ary nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahazo boky sy gazety be dia be koa izy. Namaky an’ireo izy ny alina tontolo, ary nangataka ny hampianarina Baiboly tatỳ aoriana. Nanapa-kevitra ny hiala tao amin’ny fitondran’i Trujillo izy, rehefa nanao fandrosoana. Vao fantatr’i Trujillo izany, dia notambatambazany i Luis hoe hatao ambasadaoron’ny Repoblika Dominikanina any Porto Rico. Tsy nanaiky anefa i Luis, na dia fantany aza hoe mety henjehina izy.

Hoy i Luis: “Nihatra tamiko daholo izao karazana fampijaliana rehetra izao. Nanao vela-pandrika isan-karazany koa ny fanjakana. Efa tsy nahaliana ahy intsony anefa ny zavatra imatimatesan’ity tontolo ity.” Lasa mpitory ny vaovao tsara i Luis. Tsy niolakolaka mihitsy izy rehefa nitory, ka nantsoin’ireo pretra katolika hoe “Ingahy mpitory.” Natao batisa izy tamin’ny 5 Oktobra 1947, enim-bolana monja taorian’ilay nanatrehany fivoriana voalohany.

Natao haza lambo i Luis taorian’ny batisany. Nogadraina izy ary natokan-toerana. Imbetsaka izy no nisy nitady hamono. Tsy nampihontsina azy anefa izany. Vao mainka aza izy nanararaotra nitory rehefa nosamborina sy nentina tany amin’ny fitsarana. Hoy izy: “Tsy nilavo lefona mihitsy aho fa niaro ny finoako foana. Mbola faly foana aho isaky ny mahatsiaro an’izany.”

Mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika i Luis, ary tsy niafina tamin’ny olona izany. Hoy, ohatra, ny gazety dominikanina hoe El Siglo momba azy: “Olona mato-tsaina no nahafantarana an’Atoa Luis Montás tao San Cristóbal. Hafa mihitsy izy satria lehilahy nangoraka olona sady tsara fanahy. Ny asa kristianina nataony anefa no tena nahatsiarovana azy tao San Cristóbal.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara