Tena Mankasitraka Ireo Fitahian’i Jehovah ve Ianao?
NANKANY amin’ny farmasia mba hividy fanafody sery i Kenichi, rangahy iray efa zokinjokiny. Rehefa nihinana ilay fanafody izy, dia tsy zakany ilay izy ary niteraka hidihidy sy fery nandranoka nanerana ny vatany. Tsy nahagaga raha nanomboka nisalasala i Kenichi raha naneho fiheverana tsara ny amin’izay nilainy ilay mpivarotra fanafody.
Ny sasany dia mety hihevitra an’i Jehovah Andriamanitra mitovy amin’ny fomba fihevitr’i Kenichi ilay mpivarotra fanafody. Misalasala izy ireo raha tena mihevitra antsika isam-batan’olona ilay Andriamanitra tsitoha, dia i Jehovah. Na dia manaiky aza izy ireo fa tsara Andriamanitra, dia tsy miaiky kosa hoe miahy antsika manokana izy. Marina indrindra izany rehefa tsy mandeha tsara ny zavatra ataony na rehefa arahina zava-manahirana sarotra ny fifikirany amin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly. Noho ny tsy fananany fahaiza-manavaka, dia mihevitra ireo zava-manahirana azy ho toy ilay hidihidy sy fery tsy nampoizin’i Kenichi, izy ireo, toy ny hoe Andriamanitra no diso. — Ohabolana 19:3.
Tsy tokony hampitahaina amin’ny olombelona tsy tanteraka i Jehovah. Voafetra ny fahalalana sy ny fahaizan’ny olombelona. Tsy mahita amin’ny fomba feno ny zavatra tena ilain’ny hafa izy ireo toy ilay mpivarotra fanafodin’i Kenichi. Mifanohitra amin’izany, fa tsy misy na inona na inona tsy hitan’ny mason’i Jehovah. Matetika i Jehovah no manampy antsika, na dia tsy fantatsika sy tsy ankasitrahantsika aza izany, satria isika manana fironana hifantoka amin’izay tsy ananantsika sy hanadino ireo fitahiana maro ananantsika. Tokony hiezaka hahita ireo fitahiana raisintsika avy amin’i Jehovah kosa isika, fa tsy ho mailaka hanome tsiny an’i Jehovah noho izay zava-manahirana atrehintsika.
Araka ny Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary, ny hoe “fitahiana” dia azo faritana ho “zavatra iray mitarika ho amin’ny fahasambarana”. Takatrao ve fa marina indrindra izany ny amin’ireo fitahiana avy amin’i Jehovah?
Mpanome izay ilaina iray tsy manan-tsahala
Rehefa milaza ny vehivavy iray fa mpanome izay ilaina tsara ny vadiny, dia te hilaza izy amin’ny ankapobeny fa mikarakara tsara ny zavatra ilain’ny fianakaviana izy, amin’ny fanomezana sakafo ampy sy fialofana, ary fitafiana mba hahasambatra sy hahasoa ny fianakaviana. Mpikarakara tsara antsika toy izany ve i Jehovah? Diniho akaiky kokoa ny Tany planetantsika, izay fonenan’ny olona. Misy 150 000 000 kilaometatra ny elanelany amin’ny masoandro, dia ny elanelana mety tsara ho amin’ilay mari-pana antonona ka mahatonga ny fiainana eto an-tany hety. Ny fihilanan’ny gilaobintsika ho 23,5 degre dia novolavolaina tamin’ny fomba lavorary, mba hanome vanin-taona maro samihafa izay manome vokatra tondraka. Ho vokany, ny tany dia afaka mamelona olona mihoatra ny dimy arivo tapitrisa. Tena Mpanome izay ilaina mahatalanjona tokoa i Jehovah!
Ambonin’izany, ny Baiboly dia manome toky antsika fa i Jehovah dia manam-piheverana lalina antsika isam-batan’olona sy mihevitra izay hahasoa antsika. Eritrereto fotsiny izao: Fantatr’i Jehovah amin’ny anarany avy ireo kintana an’arivo tapitrisany maro, ary na dia ny tsintsina iray latsaka amin’ny tany aza dia tsy miafina aminy. (Isaia 40:26; Matio 10:29-31). Tena mihoatra lavitra noho izany ny fiahiany ny olombelona izay tia azy sy novidina tamin’ny ra sarobidin’ny Zanany malala, dia i Jesosy Kristy! (Asan’ny Apostoly 20:28). Mety tsara ny fanambaran’ilay lehilahy hendry hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” — Ohabolana 10:22.
Ireo fitahiana izay mampanan-karena antsika
Manan-javatra sarobidy izay tokony hahavelom-pankasitrahana lalina antsika isika. Inona izany? Mampahafantatra azy io ny Baiboly rehefa milaza toy izao: “Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.” (Salamo 119:72; Ohabolana 8:10). Na dia mety ho sarobidy toy inona aza ny volamena tsara indrindra, ny lalàn’i Jehovah dia faniry kokoa. Ny fahalalana araka ny marina ny lalàny, omban’ny fahaiza-mahataka-javatra sy ny fahaiza-manavaka izay omen’i Jehovah ireo mpitady ny fahamarinana tso-po, dia zavatra tokony hoheverina ho sarobidy. Izy ireo dia manampy antsika hiaro tena, hiatrika tarehin-javatra sarotra, hisetra zava-manahirana amim-pahombiazana, ka ho afa-po sy ho sambatra.
Marina izany na dia amin’ireo tena mbola zaza aza. Diniho ny fomba nandaminan’ny zazavavy kely iray ny zava-manahirana nahazo azy, tamin’ny alalan’ny fanarahana ny lalàn’i Jehovah. Nipetraka tany akaikin’i Tokyo ilay zazavavy atao hoe Akemi. Nampihatra ny foto-pitsipiky ny Baiboly ny rainy sy ny reniny teo am-pitaizana azy, ary tamin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra izy ireo dia nanampy ny zanany vavy hamboly fitiavana an’i Jehovah sy ny namana. Nitsinjo mialoha ireo zava-manahirana ho hitan’ny zanany any am-pianarana izy ireo, ka nanomana azy tsara araka izay azony natao. Rehefa niditra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra anefa i Akemi, dia nihevitra azy ho “hafa” ny sasany tamin’ny mpiara-mianatra taminy, satria nivavaka izy talohan’ny sakafo ary nifady tamim-pitandremana ny fanao sasany tsy araka ny Soratra Masina. Tsy ela izy dia nanjary lasibatry ny antokona mpampijaly kely izay nitondra azy tany amin’ny takona taorian’ny fianarana ary nanisy tehamaina azy, nanolana ny sandriny ary nihomehy azy.
Tsy namaly i Akemi kely, no sady tsy nipararetra teo anoloan’ireo mpampijaly azy. Niezaka nampihatra izay nianarany kosa izy. Ho vokatry ny fitondran-tena tsara sy ny herim-pony, dia nahazo ny fanajan’ny maro tamin’ireo mpiara-mianatra izy. Nitondra ilay raharaha tany amin’ny mpampianatra izy ireo, ary nanomboka tamin’io andro io, i Akemi dia tsy nisy nampijaly intsony tany an-tsekoly.
Inona no nanampy an’i Akemi handia soa aman-tsara iny toe-javatra sarotra iny? Ny fahalalana araka ny marina sy ny fahaiza-mahataka-javatra ary ny fahendrena avy amin’i Jehovah izay nalentiky ny ray aman-dreniny tao aminy. Nahafantatra tsara ny fiaretan’i Jesosy izy, ary izany dia nanosika azy hanahaka ny ohatra navelany. Ny Baiboly dia nanampy azy hahita fa ny olona sasany dia manao ratsy noho ny tsy fahalalana, ary izany dia nampirisika azy mba hankahala ny ratsy nataon’ireny mpampijaly kely ireny fa tsy hankahala ny tenan’ilay olona. — Lioka 23:34; Romana 12:9, 17-21.
Mazava ho azy, fa tsy hisy ray aman-dreny haniry hahita ny zanany hiharan’ny fihomehezana sy ny fitondrana ratsy. Na dia izany aza, dia azonao alaina sary an-tsaina ny hafaliana tsapan’ny ray aman-drenin’i Akemi rehefa nahare ny tsipiriany rehetra tamin’izay nitranga izy ireo. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah marina ny zanaka toy izany. — Salamo 127:3; 1 Petera 1:6, 7.
Fiandrasana amim-paharetana an’i Jehovah
Alohan’ny handraisanao ireo fitahian’i Jehovah anefa, dia tsy maintsy miandry ny fotoana hanaovany zavatra ianao indraindray. Mahafantatra ny toe-javatra misy anao i Jehovah ary manome izay zavatra ilaina tsirairay amin’ny fotoana hahazoanao soa be indrindra avy aminy. (Salamo 145:16; Mpitoriteny 3:1; Jakoba 1:17). Mety ho tia voankazo ianao, kanefa ahoana raha mandroso anao voankazo izay mbola tsy azo hanina ny mpampiantrano anao? Na paoma izany, na voasary, na zavatra hafa, dia ho tianao kokoa raha masaka sy be ranony ary mamy ny voankazonao. Mitovy amin’izany koa, i Jehovah dia manome izay zavatra ilainao amin’ny fotoana mety — tsy aloha loatra ary tsy diso aoriana loatra.
Tsarovy ny tantaran’i Josefa. Tsy fahadisoany akory, nefa dia tao amin’ny lakalin’ny tranomaizin’ny Egyptiana izy. Ny mpitondra kapoakan’i Farao, mpiara-migadra taminy, dia nanantena ny hafahana ary nampanantena ny hitondra ny raharahan’i Josefa teo anatrehan’i Farao. Taorian’ny nanafahana azy anefa, dia hadinony tanteraka ny momba an’i Josefa. Toa nafoy tanteraka i Josefa. Kanefa, roa taona katroka tatỳ aoriana, dia nafahana avy tao an-tranomaizina ihany izy tamin’ny farany ary natao mpanapaka lefitra tao Egypta tatỳ aoriana. Niandry an’i Jehovah i Josefa fa tsy hoe tsy nanana faharetana. Noho izany, dia voatahy izy satria voatsimbina ny ain’ny Isiraelita sy ny an’ny Egyptiana. — Genesisy 39:1–41:57.
Loholona ao amin’ny kongregasiona iray any avaratr’i Japon i Masashi. Tsy tany amin’ny lakalin’ny tranomaizina izy, kanefa tsy maintsy niandry an’i Jehovah. Nahoana? Hatramin’ny niorenan’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, sekoly ho fampiofanana ireo minisitra kristiana mahafeno fepetra, tany Japon, dia nataony ho tanjona ny hanatrika azy io. Nivavaka mafy momba io tombontsoa io izy. Nasaina ilay mpisava lalana namany, kanefa, na dia teo aza ny faniriany mafy, dia tsy nasaina i Masashi. Diso fanantenana be izy.
Na dia izany aza, dia nanao dingana mba handresena ny fihetseham-pony izy. Nianatra ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower izy, ka nifantoka tamin’ny foto-kevitra toy ny fananana fanetren-tena sy ny fifehezana ny fihetseham-pon’ny tena. Nanitsy indray ny fisainany izy, ka nahita fahafaham-po kokoa teo amin’ny asa nanendrena azy. Avy eo, tamin’ny fotoana tsy nampoiziny indrindra dia nahazo fanasana hanatrika ilay sekoly izy.
Noho izy namboly toetra tsara toy ny faharetana sy ny fanetren-tena, dia nandray soa bebe kokoa tamin’ilay sekoly izy. Tatỳ aoriana, i Masashi dia nomena tombontsoa ho mpiandraikitra mpitety faritany manompo ireo rahalahiny. Eny, fantatr’i Jehovah izay nilain’i Masashi ary nomeny azy izany tamin’ny fotoana nandraisany soa be indrindra.
Tadiavo ireo fitahiany
Araka izany, i Jehovah dia tsy mitovy amin’ilay mpivarotra fanafody. Na dia mety tsy hahay hanavaka ny fikarakaran’i Jehovah sy ny fiahiany aza isika, dia tonga amin’ny endriny samihafa ny hatsaram-panahiny — amin’ny fotoana sy amin’ny fomba izay hitondra soa be indrindra ho antsika. Noho izany, dia manohiza mitady ireo fitahiany. Tadidio fa manana antony maro tokony hahavelom-pisaorana anao sahady ianao. Nandray fitahiana ianao tamin’ny fahazoana ireo zavatra fototra ilainao mba hiainana eto an-tany. Nomena ny fahalalana an’i Jehovah sy ireo lalany lavorary ianao. Nomena fahaiza-mahataka-javatra ianao. Ary nahazo fahaiza-manavaka ianao. Ireo rehetra ireo dia samy manampy anao hahita soa sy fahasambarana.
Mba hahazoanao ny fitahian’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa aza, dia manohiza mianatra ny Baiboly tsy tapaka. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo fampianarana toy ny vatosoa ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry. Hahatonga anao hanankarena ara-panahy marina, ka tsy hanan-java-mahory, ireo. Eny, hidika ho fahasambarana sy fahafaham-po ho anao dieny ankehitriny ireo ary fiainana tsy manam-petra ao amin’ny tontolo vaovao hoavy. — Jaona 10:10; 1 Timoty 4:8, 9.
[Sary, pejy 23]
Sarobidy noho ny volamena ny fitahian’i Jehovah