FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/1 p. 13-18
  • Aza Mitsahatra Miara-mandeha Amin’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mitsahatra Miara-mandeha Amin’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fiaina tsy miovaova
  • Halaviro ny fandriky ny fatokian-tena
  • Aza avela hifehy anao ny tahotra olona
  • Halaviro ny fanamaivanana torohevitra
  • Fiatrehana amim-pahombiazana ireo fanahiana eo amin’ny fiainana
  • Mandehana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Aoka isika handeha amin’ny finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ireo Soa Azo Amin’ny Fahatahorana Ilay Andriamanitra Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Afaka miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/1 p. 13-18

Aza Mitsahatra Miara-mandeha Amin’Andriamanitra

“[Aza mitsahatra mandeha, NW ] araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo.” — GALATIANA 5:16.

1. a) Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana no niarahan’i Enoka nandeha tamin’Andriamanitra ary hafiriana? b) Hafiriana no niarahan’i Noa nandeha tamin’Andriamanitra, ary andraikitra navesatra inona avy no nananany?

LAZAIN’NY Baiboly amintsika fa “[tsy nitsahatra, NW ] niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka”. Na dia teo aza ny teny nanafintohina sy ny fitondran-tena ratsin’ny olona nanodidina azy, dia nitozo niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy, mandra-pahafatiny teo amin’ny faha-365 taonany. (Genesisy 5:23, 24; Joda 14, 15). “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” koa i Noa. Sady nanao izany izy no namelona ny ankohonany sy niatrika tontolo iray teo ambany fitaoman’ireo anjely mpikomy mbamin’ny taranak’izy ireo nahery setra; manginy fotsiny ny fikarakarany ireo tsipirian-javatra rehetra tafiditra tamin’ny fanamboarana sambo fiara goavana iray, izay lehibe noho ny sambo mpandeha an-dranomasina tamin’ny andro fahiny. Tsy nitsahatra niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy taorian’ny Safo-drano, eny fa na dia tamin’ny fotoana nampipoitra indray ny fikomiana tamin’i Jehovah tao Babela aza. Eny tokoa, tsy nitsahatra niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa, mandra-pahafatiny teo amin’ny faha-950 taonany. — Genesisy 6:9; 9:29.

2. Inona no hevitry ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’?

2 Rehefa milaza ny Baiboly fa “niara-nandeha” tamin’Andriamanitra ireny lehilahy nanam-pinoana ireny, dia amin’ny heviny ara-panoharana no ampiasany an’ilay teny. Ny heviny dia hoe ny fitondran-tenan’i Enoka sy i Noa dia nanome porofon’ny finoany mafy an’Andriamanitra. Nanao izay nandidian’i Jehovah azy izy ireo ary nampifanaraka ny fiainany tamin’izay fantany momba Azy, avy tamin’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny taranak’olombelona. (Ampitahao amin’ny 2 Tantara 7:17.) Tsy vitan’ny hoe tany an-tsainy fotsiny izy ireo no nanaiky ny zavatra nolazain’Andriamanitra sy nataony, fa nanao zavatra nifanaraka tamin’izay rehetra notakiny koa izy ireo — tsy ny sasany tamin’izany ihany fa izy rehetra mihitsy, araka izay farany azony natao tamin’ny naha-olombelona tsy tanteraka azy. Araka izany, i Noa, ohatra, dia nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy indrindra. (Genesisy 6:22). Tsy may ny hanao zavatra ankoatra an’ireo fitarihan-dalana nomena azy i Noa no sady tsy nitaredretra noho ny fanaovana tsirambina. Noho izy nanana fifandraisana akaiky tamin’i Jehovah, ka tsy nisalasala nivavaka tamin’Andriamanitra sy nankamamy ny fitarihan-dalana nomeny, dia niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy. Izany ve no ataonao?

Fomba fiaina tsy miovaova

3. Inona no zava-dehibe indrindra ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra vita fanoloran-tena sy batisa?

3 Mampihetsi-po ny mahita olona manomboka miara-mandeha amin’Andriamanitra. Arakaraka ny irosoany manao dingana mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah no anomezany porofon’ny finoany. Raha tsy eo tokoa mantsy ny finoana dia tsy hisy olona ho afaka hampifaly an’Andriamanitra. (Hebreo 11:6). Endre ny fifaliantsika fa isan-taona, raha ny salanisa tao anatin’ny dimy taona farany no jerena, dia maherin’ny 320 000 ny olona nanolo-tena ho an’i Jehovah ka nanaiky hatao batisa tao anaty rano! Na ho azy ireny na ho antsika rehetra anefa, dia zava-dehibe koa ny tsy hitsaharana hiara-mandeha amin’Andriamanitra. — Matio 24:13; Apokalypsy 2:10.

4. Nahoana no tsy tafiditra tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny ankamaroan’ireo Isiraelita nandao an’i Egypta, na dia nampiseho finoana ihany aza izy ireo?

4 Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nitaky finoana tamin’ny fianakaviana isiraelita ny fankalazana ny Paska tany Egypta sy ny famafazana ra teo amin’ny tolàm-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranony. (Eksodosy 12:1-28). Nihozongozona anefa ny finoan’ny maro rehefa nahita fa efa akaiky kely ilay tafik’i Farao tao aoriany, teo amin’ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 14:9-12). Asehon’ny Salamo 106:12 fa “nino ny tenin[’i Jehovah]” indray izy ireo rehefa avy namakivaky soa aman-tsara ilay tany maina fanambanin’ny ranomasina, ary nahita ny fiantontan’ny rano namongotra ny tafika egyptiana. Fotoana fohy taorian’izay anefa, fony izy ireo tany an’efitra, ireo Isiraelita dia nanomboka nitaraina momba ny rano fisotro sy ny sakafo ary ny fomba fitantanan-draharaha. Nampahatahotra azy ireo ny tatitra ratsy nataon’ny 10 tamin’ireo mpisafo tany 12, izay niverina avy tany amin’ilay Tany Nampanantenaina. Tao anatin’izany tarehin-javatra izany, hoy ny Salamo 106:24, dia “tsy mba nino ny tenin[’Andriamanitra]” izy ireo. Naniry hiverina tany Egypta izy ireo. (Nomery 14:1-4). Na toy inona na toy inona finoana nananany, dia tsy niharihary izany raha tsy rehefa nahita fampisehoana ny herin’Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka, izy ireo. Tsy nanohy niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy ireo. Ho vokany, dia tsy niditra tany amin’ny Tany Nampanantenaina ireny Isiraelita ireny. — Salamo 95:10, 11.

5. Amin’ny ahoana no mifandray amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny 2 Korintiana 13:5 sy ny Ohabolana 3:5, 6?

5 Mananatra antsika toy izao ny Baiboly: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo.” (2 Korintiana 13:5). Ny hoe “mitoetra amin’ny finoana” dia midika hoe mifikitra amin’ny fitambaran’ireo zavatra inoan’ny Kristiana. Tena zava-dehibe izany raha tiantsika ny hahomby eo amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra, mandritra ny androm-piainantsika manontolo. Mba hiaraha-mandeha amin’Andriamanitra, dia tsy maintsy maneho finoana koa isika, ka hatoky tanteraka an’i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6). Maro ny fandrika mety hahavoa an’ireo tsy manao toy izany. Inona no sasany amin’izy ireny?

Halaviro ny fandriky ny fatokian-tena

6. Inona no fantatry ny Kristiana rehetra momba ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, ary manao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo momba ireo fahotana ireo?

6 Ireo rehetra nianatra ny Baiboly sy nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ary natao batisa, dia mahafantatra fa melohin’ny Tenin’Andriamanitra ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. (1 Tesaloniana 4:1-3; Hebreo 13:4). Eken’ny olona toy izany fa marina izany. Mikasa ny hiaina araka izany izy. Na dia izany aza anefa, dia mbola ny iray amin’ireo fandrik’i Satana mandaitra indrindra ihany ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Nahoana?

7. Teo amin’ny Lemak’i Moaba, ahoana no nahalatsaka ireo lehilahy isiraelita tamin’ny fitondran-tena izay fantatr’izy ireo fa ratsy?

7 Ireo latsaka tamin’ny fitondran-tena maloto toy izany dia mety ho tsy nikasa ny hanao izany tany am-boalohany. Angamba marina koa izany raha ny amin’ireo Isiraelita tany amin’ny Lemak’i Moaba. Tamin’ireo lehilahy isiraelita izay efa sasatry ny fiainana tany an’efitra, ireo vehivavy moabita sy midianita nisarika azy, dia nety ho toa sariaka sy tia nandray vahiny, teo am-boalohany. Inona anefa no nitranga rehefa neken’ireo Isiraelita ny fanasana hiaraka tamin’ny olona nanompo an’i Bala fa tsy i Jehovah, dia olona izay namela ny zanany vavy (na dia avy amin’ireo fianakaviana nitana toerana ambony aza) hanao firaisana tamin-dehilahy tsy vadiny? Rehefa nanomboka nihevitra ny fifaneraserana toy izany ho faniry ireo lehilahy avy tao amin’ny tobin’ny Isiraely, dia voasarika hanao zavatra fantany fa ratsy, ary namoizany ny ainy izany. — Nomery 22:1; 25:1-15; 31:16; Apokalypsy 2:14.

8. Amin’izao androntsika izao, inona no mety hitarika ny Kristiana iray ho amin’ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

8 Inona no mety hahatonga olona iray ho latsaka ao anatin’ny fandrika mitovy amin’izany amin’izao andro izao? Na dia mety hahafantatra ny maha-lehibe ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy aza izy, raha tsy takany koa fa mampidi-doza ny fatokian-tena, dia mety hamela ny tenany hiditra ao anatin’ny tarehin-javatra iray izay hahatonga ny fahaizany misaina ho resin’ny fanangolena hanao ratsy, izy. — Ohabolana 7:6-9, 21, 22; 14:16.

9. Fampitandremana araka ny Soratra Masina inona avy no afaka miaro antsika amin’ny fahalotoam-pitondran-tena?

9 Raha tsorina, ny Tenin’Andriamanitra dia mampitandrina antsika mba tsy hahavoafitaka antsika hihevitra fa tena matanjaka isika, ka tsy hanimba antsika ny fifaneraserana ratsy. Tafiditra amin’izany ny fijerena fandaharana ao amin’ny televiziona izay manasongadina ny fiaimpiainan’olona ratsy fitondran-tena, mbamin’ny fijerena gazetiboky manaitaitra faniriana maloto. (1 Korintiana 10:11, 12; 15:33). Na dia ny fifaneraserana amin’ireo namana mpino aza, raha ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy, dia afaka ny hitarika ho amin’ny zava-manahirana lehibe. Mahery ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Noho izany, dia mampiseho fiahiana feno fitiavana ny fandaminan’i Jehovah ka nampitandrina antsika tsy ho irery tsy misy mpahita miaraka amin’ny olona tsy lahy toa antsika na tsy vavy toa antsika, ka tsy vadintsika na mpianakavintsika. Mba tsy hitsaharantsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra, dia mila manalavitra ilay fandriky ny fatokian-tena isika, ka hanaraka ny torohevitra fampitandremana nomeny antsika. — Salamo 85:8.

Aza avela hifehy anao ny tahotra olona

10. Amin’ny ahoana no fandrika ny “tahotra olona”?

10 Misy loza hafa iray ampahafantarina ao amin’ny Ohabolana 29:25, izay milaza hoe: “Mamandrika ny tahotra olona”. Ny fandrika ataon’ny mpihaza dia mazàna no misy tadivavarana mangeja ny tenda na tady maningotra ny tongotry ny biby iray. (Joba 18:8-11). Ny tahotra olona dia afaka mangeja toy izany koa ny fahafahan’ny olona iray hiteny an-kalalahana sy hitondra tena amin’ny fomba mampifaly an’Andriamanitra. Ara-dalàna ny faniriana hampifaly ny hafa, ary tsy kristiana ny tsy firaharahana mihitsy ny fihevitry ny hafa. Ilaina anefa ny fahaiza-mandanjalanja. Matoa ny olona iray manjary manao izay andraran’Andriamanitra na tsy manao izay andidian’ny Tenin’Andriamanitra, noho ny fanahiana ny amin’izay mety ho fihetsiky ny hafa, dia efa voafandrika izay io olona io.

11. a) Fiarovana inona no azo atao mba tsy hamelana ny tahotra olona hifehy ny tena? b) Ahoana no nanampian’i Jehovah ny mpanompony izay niady mafy tamin’ny tahotra olona?

11 Tsy miankina amin’ny toetoetra maha-izy ny tena akory no ahafahana miaro tena amin’izany fandrika izany, fa miankina amin’ny ‘fatokiana an’i Jehovah’. (Ohabolana 29:25b). Na dia toetra maha-izy ny olona iray aza ny hasarotan-kenatra, dia afaka ny ho be herim-po sy hiorina mafy izy noho ny fatokiana an’Andriamanitra. Raha mbola hodidinin’ireo fanerena amin’itỳ fandehan-javatr’i Satana itỳ isika, dia hilaintsika ny mitandrina amin’ny fandriky ny tahotra olona. Na dia nanana laza tsara ho nanompo tamin-kerim-po aza i Elia, dia azon-tahotra ka vaky nandositra rehefa nandrahona ny hampamono azy i Jezebela. (1 Mpanjaka 19:2-18). Tao anatin’ny fanerena, dia azon-tahotra ny apostoly Petera ka nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy Kristy. Ary taona maro tatỳ aoriana, dia navelany hahatonga azy hitondra tena nifanohitra tamin’ny finoana, ny tahotra. (Marka 14:66-71; Galatiana 2:11, 12). Samy nanaiky fanampiana ara-panahy anefa i Elia sy i Petera, ka nanohy nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fomba azo nekena, noho ny fatokiany an’i Jehovah.

12. Ohatra amin’ny andro maoderina inona avy no mampiseho ny fomba nanampiana olona tsy hamela ny tahotra hampiahotra azy tsy hampifaly an’Andriamanitra?

12 Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao no nianatra koa ny fomba handresena tahotra mamandrika. Niaiky toy izao ny tovovavy Vavolombelona iray any Guyana: “Mafy ny ady hanoherana ny faneren’ny mitovy taona amin’ny tena, any an-tsekoly.” Nanampy teny toy izao anefa izy: “[Mafy] toy izany koa ny finoako an’i Jehovah.” Rehefa nanaraby azy noho ny finoany ny mpampianatra azy, ka nanao izany teo imason’ny kilasy manontolo, dia nivavaka mangina tamin’i Jehovah izy. Tatỳ aoriana, dia nitory manokana tamim-pahaiza-mandanjalanja tamin’ilay mpampianatra izy. Nandritra ny fitsidihany ny tanàna niaviany any Bénin, ny tovolahy iray izay nianatra ireo zavatra takin’i Jehovah, dia tapa-kevitra ny hanary ny sampy iray izay niangalian-drainy ho azy. Fantatr’ilay tovolahy fa tsy manana aina ilay sary, ka tsy natahotra azy io izy. Fantany koa anefa fa mety hanao izay hahafaty azy ireo mponina tezitra tao amin’ilay vohitra. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ary tamin’ny alina dia naka ilay sampy ary nitondra azy tany anaty kirihitra ka nanary azy io. (Ampitahao amin’ny Mpitsara 6:27-31.) Rehefa nanomboka nanompo an’i Jehovah ny vehivavy iray any amin’ny Repoblika Dominikana, dia nasain’ny vadiny nisafidy hoe izy sa i Jehovah. Nandrahona ny hisaraka taminy ilay lehilahy. Hahatonga azy handao ny finoany ve ny tahotra? Hoy ny navaliny: “Raha fivadihana tamim-bady dia mahamenatra ahy, fa raha fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra kosa dia tsy misy mahamenatra ahy!” Tsy nitsahatra niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy, ary tatỳ aoriana dia niaraka taminy tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah ilay vadiny. Noho ny fatokiana tanteraka an’ilay Raintsika any an-danitra, isika koa dia afaka manalavitra ny famelana ny tahotra olona hampiahotra antsika tsy hanao izay fantatsika fa hampifaly an’i Jehovah.

Halaviro ny fanamaivanana torohevitra

13. Fandrika inona no ampitandremana antsika ao amin’ny 1 Timoty 6:9?

13 Na dia atao hahazoana biby sendra mandalo amin’ny toerana iray aza ny fandrika sasany ampiasain’ny mpihaza, ny fandrika hafa dia misarika biby amin’ny alalan’ny jono manintona natao hamitahana. Toy izany ny harena, ho an’ny olona maro. (Matio 13:22). Ao amin’ny 1 Timoty 6:8, 9, dia mampirisika antsika hianina amin’ny hanina sy ny fitafiana, ny Baiboly. Mampitandrina toy izao izy avy eo: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.”

14. a) Inona no mety hanakana olona iray tsy handray am-po ilay torohevitra ny amin’ny tokony hianinana amin’ny hanina sy ny fitafiana? b) Amin’ny ahoana ny famaritana diso ny atao hoe harena no mety hahatonga olona iray hanamaivana ilay fampitandremana ao amin’ny 1 Timoty 6:9? d) Amin’ny fomba ahoana ny “filan’ny maso” no mety hanajamba ny sasany tsy hahita ilay fandrika miandry azy?

14 Na dia eo aza izany fampitandremana izany, dia maro no voafandrika satria tsy ampihariny amin’ny tenany ilay torohevitra. Nahoana? Mety ho ny avonavona ve no manosika azy ireny hikiribiby hifikitra amin’ny fomba fiaina iray izay mitaky mihoatra noho ny ‘hanina sy ny fitafiana’, izay ampirisihan’ny Baiboly antsika mba hianinana? Mety ho manamaivana ilay fampitandreman’ny Baiboly ve izy ireny satria mifototra amin’izay ananan’ny tena mpanefohefo no amaritany ny atao hoe harena? Mampifanohitra fotsiny ny fahatapahan-kevitra hanan-karena sy ny fianinana amin’ny hanina sy ny fitafiana, ny Baiboly. (Ampitahao amin’ny Hebreo 13:5.) Mahatonga azy ireny hanao an-kilabao ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana marina ve ny “filan’ny maso”, izay tsy inona fa faniriana hahazo izay hitan’ny maso, na dia hanaovana sorona ny fikatsahana zavatra ara-panahy aza? (1 Jaona 2:15-17; Hagay 1:2-8). Sambatra lavitra tokoa ireo mandray am-po marina ny torohevitry ny Baiboly ka miara-mandeha amin’Andriamanitra, amin’ny fanaovana ny fanompoana an’i Jehovah ho vaindohan-draharaha eo amin’ny fiainany!

Fiatrehana amim-pahombiazana ireo fanahiana eo amin’ny fiainana

15. Tarehin-javatra inona avy no tsy mahagaga raha miteraka fanahiana ho an’ny maro amin’ny vahoakan’i Jehovah, ary tsy maintsy mailo ny amin’ny fandrika inona isika rehefa ao anatin’ny fanerena toy izany?

15 Fahita kokoa noho ny fahatapahan-kevitra hanan-karena ny fanahiana fatratra ny amin’izay hahazoana ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana. Maro amin’ny mpanompon’i Jehovah no zara raha manam-pananana. Miasa mafy mandritra ny ora maro izy ireo mba hahazoana, na dia ny fitafiana tena ilaina sy ny toerana hatorian’ny fianakaviany amin’ny alina, ary fara faharatsiny, sakafo ho amin’iny andro iny, fotsiny aza. Ny hafa dia miady mafy amin’ny zava-manahirana, noho ny aretina na ny fahanterana mahazo ny tenany na ny mpianakaviny. Mora erỳ ny mamela ireny tarehin-javatra ireny hangeja ny tombontsoa ara-panahy tsy ho eo amin’ny fiainany! — Matio 13:22.

16. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hiatrika ireo fanerena eo amin’ny fiainana?

16 Milaza amintsika amim-pitiavana momba ny fanamaivanana ho hita eo ambany fitantanan’ny Fanjakana Mesianika, i Jehovah. (Salamo 72:1-4, 16; Isaia 25:7, 8). Manampy antsika hiatrika ireo fanerena eo amin’ny fiainana ankehitriny koa izy, amin’ny fanomezana antsika torohevitra momba ny fomba hihazonana ho araka ny tokony ho izy, ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana. (Matio 4:4; 6:25-34). Manome toky antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitantarana ny fomba nanampiany ireo mpanompony tamin’ny lasa. (Jeremia 37:21; Jakoba 5:11). Manatanjaka antsika izy, amin’ny fampahafantarana fa, na toy inona na toy inona fahoriana mianjady amintsika, dia mitoetra ho tsy miova ny fitiavany an’ireo mpanompony tsy mivadika. (Romana 8:35-39). Hoy ny ambarany amin’ireo mametraka ny fitokiany amin’i Jehovah: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. — Hebreo 13:5.

17. Manomeza ohatra ny amin’ny fomba nahafahan’ny olona sasany niara-nandeha tamin’Andriamanitra hatrany, na dia teo aza ny fahoriana mafy nodiaviny.

17 Hatanjahin’izany fahalalana izany ny Kristiana marina ka tsy mitsahatra miara-mandeha amin’Andriamanitra. Tsy mba mivily ho amin’ny lalan’izao tontolo izao izy ireo. Fahita eo anivon’ny mahantra any amin’ny tany maro ny filôzôfian’izao tontolo izao manao hoe: Tsy halatra ny fakana zavatra avy amin’ny olona manana kokoa mba hamelomana ny fianakavian’ny tena. Mandà izany fomba fijery izany anefa ireo mandeha amin’ny finoana. Tsy ataony ambanin-javatra ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary mitodika any aminy izy mba handraisana valisoa noho ny fitondran-tenany mahitsy. (Ohabolana 30:8, 9; 1 Korintiana 10:13; Hebreo 13:18). Hitan’ny vehivavy mpitondratena iray any India fa nanampy azy hiatrika ny olana nianjady taminy ny fahavononana hiasa, omban’ny fahaiza-mahita hevitra. Tsy sorena noho ilay toe-piainana nisy azy akory izy. Takany kosa fa hotahin’i Jehovah ny ezaka ataony mba hahazoana ireo zavatra ilain’ny tenany sy ny zanany, raha ataony voalohan-toerana eo amin’ny fiainany ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. (Matio 6:33, 34). Olona an-tapitrisany maro maneran-tany no mampiseho fa fialofana sy batery fiarovana ho azy i Jehovah, na toy inona na toy inona fahoriana mety hodiaviny. (Salamo 91:2). Marina ve izany raha ny aminao?

18. Inona ny fanalahidin’ny fanalavirana ireo fandriky ny tontolon’i Satana?

18 Hisy foana ny fandrika tokony hohalavirina raha mbola miaina eto amin’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ koa isika. (1 Jaona 5:19). Ampahafantarin’ny Baiboly izy ireny ary asehony amintsika ny fomba hanalavirana azy. Afaka miatrika amim-pahombiazana an’ireny fandrika ireny ireo tia marina an’i Jehovah sy manana tahotra mahasoa — tahotra ny tsy hahazo sitraka aminy. Raha “[tsy mitsahatra mandeha, NW ] araka ny Fanahy” izy ireo, dia tsy ho resin’ireo fomban’izao tontolo izao. (Galatiana 5:16-25). Misy fahatsinjovan-javatra mahatalanjona ho an’ireo rehetra mampifantoka marina ny fiainany amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah: Ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra, ka hanana fifandraisana akaiky aminy mandrakizay. — Salamo 25:14.

Ahoana ny Valin-teninao?

◻ Nahoana no mety ho fandrika ny fatokian-tena?

◻ Inona no afaka miaro antsika tsy hofehezin’ny tahotra olona?

◻ Inona no mety hahatonga antsika tsy hampihatra torohevitra momba ny loza amin’ny fikatsahana harena?

◻ Inona no afaka manampy antsika hanalavitra ny fandriky ny fanahiana eo amin’ny fiainana?

[Sary, pejy 16]

Maro no tsy mitsahatra miara-mandeha amin’Andriamanitra mandritra ny androm-piainany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara