Fanatanjahana ny Finoantsika ny Tenin’Andriamanitra
MARO kokoa ny olona mamaky ny Baiboly mihoatra noho ny boky hafa rehetra. Nefa firy no naneho finoana ny hafatr’izy io? Ny Baiboly mihitsy dia manazava fa “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”. (2 Tesaloniana 3:2). Mazava fa tsy hoe vao teraka isika dia efa manam-pinoana. Tsy maintsy ambolena izy io. Na ireo izay manana finoana amin’ny fetrany sasany aza dia tsy tokony hihevitra azy io ho zavatra azo atao tsirambina. Mety ho simba sy ho faty ny finoana. Noho izany, dia ilaina ny ezaka mba hitoerana ho ‘matanjaka amin’ny finoana’. — Titosy 2:2.
Noho ny antony tsara àry no nifidianan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay foto-kevitra hoe “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, ho an’ireo fivoriamben’ny distrika nitohitohy nandritra ny taona 1997/1998. Vavolombelona an-tapitrisany maro sy olona hafa koa, araka izany, no nahazo tombontsoa hiara-mivory mba hanatanjaka ny finoan’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Tenin’Andriamanitra no Fahamarinana — Fototry ny Finoantsika
Izany no foto-kevitry ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe. Nanomboka tamin’ny teny fiderana ny mpanatrika rehetra izany. Porofon’ny fanajana ny Baiboly ny fanatrehana ilay fivoriambe. Na izany aza, dia nisy fanontaniana mampieritreritra napetraka, mahakasika ny hatsaran’ny finoantsika: ‘Moa ve isika afaka miaro ireo zavatra inoantsika, amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra ho fahefana? Moa ve isika mampiseho fankasitrahana ny sakafo ara-panahy, ka tsy mihevitra na oviana na oviana ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ary ny fivoriana, ho toy ny zavatra azo atao tsirambina? Moa ve mitombo ny fitiavantsika sy ny fahalalantsika araka ny marina ary ny fahaizantsika manavaka?’ Nampirisika ny rehetra mba hihaino amim-pitandremana ilay mpandahateny, tamin’ny fanamarihana fa “itỳ Fivoriamben’ny Distrika ‘Finoana ny Tenin’Andriamanitra’ itỳ dia nomanina mba hanampiana antsika handini-tena sy hijery ny halehibe sy ny hatsaran’ny finoantsika isam-batan’olona”.
Ilay lahateny fototra dia nitondra ny lohateny hoe “Fandehanana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Fahitana”. (2 Korintiana 5:7). “Tsy hoe fetezana hinohino foana akory ny finoan’ireo izay tonga Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny mpandahateny. Tena marina tokoa izany! Tsy jamba ny finoana marina. Miorina amin’ny zavatra tena misy izy io. Hoy ny Hebreo 11:1 (NW ): “Ny finoana dia ny fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza.” Nanamarika toy izao ilay mpandahateny: “Raha maniry marina ny handeha amin’ny finoana isika, dia mila finoana izay tsara fototra.” Noho isika mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana, dia tsy mila tsipiriany mahakasika ny fomba sy ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah ireo lafiny rehetra amin’ny fikasany, isika. Izay efa fantatsika momba azy dia manome toky antsika tanteraka ny amin’ny heriny hanatanteraka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ny fikasany.
Ilay lahateny hoe “Ny Tanora Kristiana — Mpikambana Tena Ilaina ao Amin’ny Kongregasiona” dia nampahatsiahy ireo tanora ny maha-sarobidy azy ireo eo anatrehan’i Jehovah. Nampirisihina izy ireo mba hitombo ara-panahy amin’ny fikatsahana zava-kendrena toy ny famakiana ny Baiboly manontolo sy ny famenoana ireo fepetra ho an’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Raharaha manokana hotapahina miaraka amin’ny ray aman-drenin’ny tena ny fanohizana fianarana fanampiny, nefa raha atao izany, dia tokony ho zava-kendrena mandrakariva ny hahatonga ny tena ho ampy fitaovana mba hanompoana an’Andriamanitra amim-pahombiazana kokoa. Afaka miasa ho amin’ny zava-kendrena tsara ny fianarana tsy ara-pivavahana raha toa isika ka ‘manao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa’ izay mifandray amin’ny finoana. — Filipiana 1:9, 10, NW.
Taorian’izay dia nisy fitohitohizan-dahateny telo nitondra ny foto-kevitra hoe “Ny Fari-pitsipik’iza no Arahinao?” Manosika antsika hanaraka akaiky ireo fari-pitsipiky ny Baiboly ny finoana ny Tenin’Andriamanitra. Mankatò ireo lalàna sy foto-pitsipik’i Jehovah ny Kristiana. Ohatra, ny Soratra Masina dia mananatra antsika mba tsy hiteny ratsy sy tsy hitabataba. (Efesiana 4:31, 32). Nanontany ilay mpandahateny hoe: “Rehefa sorisorena na sosotra ianao, moa ve ianao mitabataba sy miteny ratsy ny vadinao na ny zanakao?” Mazava ho azy fa tsy fomba kristiana izany. Manana fari-pitsipika momba ny fisehoantsika ivelany manokana koa Andriamanitra. Tokony hitafy “amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaotinana” ny Kristiana. (1 Timoty 2:9, 10). Ilay teny hoe “fahamaotinana” dia milaza fanajan-tena, fahaiza-mitandro voninahitra sy tsy fivazivaziana ary fahalalana ny antonona. Atosiky ny fitiavana ny hafa isika ary tarihin’ireo foto-pitsipiky ny Baiboly sy ny fahafantarantsika izay tokony hatao.
Ireo lahateny roa nanaraka dia nahatafiditra ny fandinihana isan’andininy ny Hebreo 3:7-15 sy 4:1-16. Ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly ireo dia mampitandrina antsika ny amin’ny loza vokatry ny fahatongavana ho “mafy fo noho ny famitahan’ny ota”. (Hebreo 3:13). Ahoana no ahafahantsika mahomby eo amin’ny ady atao amin’ny ota? Manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah. Marina tokoa fa “velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka (...) mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo”. — Hebreo 4:12.
Ny lahateny farany tamin’ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe dia ilay hoe “Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra”. Nanasongadina ny maha-azo itokiana sy ny maha-marina ary ny maha-azo ampiharina ny Baiboly, izy io. Tena nampientana erỳ ny nandre ilay mpandahateny nanambara ny famoahana ilay bokikely vaovao 32 pejy mitondra ny lohateny hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra! Io zavatra vita an-tsoratra io dia nomanina manokana ho an’ireo olona izay, na dia nahita fianarana aza, dia tsy manana fahalalana firy momba ny Baiboly. Nifarana tamin’izao teny izao ilay lahateny: “Mila ny mandinika ny Tenin’Andriamanitra manokana ny olona. Matoky izahay fa raha ny tenany manokana no manao izany, dia hanjary hahatakatra izy fa io boky tsy manam-paharoa io, izany hoe ny Baiboly, dia tena boky ho an’ny olona rehetra tokoa!”
Tahafo Ilay “Mpandavorary ny Finoantsika”
Io foto-kevitry ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe io dia nisarika ny saina ho amin’i Jesosy Kristy, ilay “Mpandavorary ny Finoantsika”. Mila ny ‘manaraka akaiky ny diany’ isika. (Hebreo 12:2, NW; 1 Petera 2:21, NW ). Olona maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no ilazana hoe ‘Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao!’ Kanefa izany fotsiny ve no tafiditra amin’ny finoana? Manambara ny Baiboly fa “maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa”. (Jakoba 2:26). Fanampin’ny finoana an’i Jesosy, noho izany, dia tsy maintsy manao ny asa nataony isika, indrindra amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nifantoka tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny fandaharana ny maraina. Sahala amin’i Paoly, dia tokony ho dodona hanambara ny vaovao tsara momba ny fanavotana isika. (Romana 1:14-16). Nitory tamin’ny olona hatraiza hatraiza i Jesosy. Na dia mamokatra aza ny fanompoana isan-trano mahazatra ataontsika, dia olona maro kokoa hatrany no tsy ao an-tranony rehefa mitsidika isika. (Asan’ny Apostoly 20:20). Maro no any an-tsekoly, miasa, miantsena, na manao dia lavitra. Noho izany, dia mila mitory eny amin’ireo toeram-bahoaka ary na aiza na aiza mety hahitantsika olona koa, isika.
Ilay lahateny hoe “Aoka Ianao Hamaka Tsara sy ho Tafatoetra ao Amin’ny Fahamarinana” dia nampahatsiahy antsika ny amin’ireo mpianatra vaovao maro be natao batisa — 1 000 isan’andro amin’ny antsalany! Iankinan’ny aina ho an’ireny vaovao ireny ny hanjary hamaka tsara sy ho tafatoetra amin’ny finoana. (Kolosiana 2:6, 7). Nanazava ilay mpandahateny fa mitroka rano sy sakafo ny faka ara-bakiteny, no sady manome famaharana na fanohanana ho an’ilay zavamaniry koa. Toy izany koa, amin’ny alalan’ny fahazarana mianatra tsara sy ny fiarahana mahasoa, ireo mpianatra vaovao dia afaka ny hanjary hamaka tsara sy ho tafatoetra ao amin’ny fahamarinana.
Nety indrindra ho an’ireo mpirotsaka hatao batisa io torohevitra io. Eny, tamin’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe, dia nisy mpianatra vaovao maro be natao batisa ho fanarahana ny ohatr’i Jesosy. Ilay lahateny hoe “Mitarika ho Amin’ny Batisa ny Finoana ny Tenin’Andriamanitra” dia nampahatsiahy an’ireo mpirotsaka hatao batisa fa marika mifanentana amin’ny fahafatesan’izy ireo raha ny amin’ny fomba fiaina feno fitiavan-tena teo aloha, ny fandrobohana azy ireo tanteraka ao anaty rano. Mampiseho ny fahaveloman’izy ireo mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny fananganana azy avy ao anaty rano.
Niorina tamin’ny bokin’i Joda ao amin’ny Baiboly ilay lahateny hoe “Miezaha Mafy Hiaro ny Finoana”. Nampirisihina isika mba hiaro ny finoantsika amin’ny fanoherana ireo hery mitaona manimba, toy ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fikomiana ary ny fivadiham-pinoana. Avy eo, ireo ray aman-dreny — indrindra fa ireo ray — dia nahazo fiheverana manokana tamin’ilay lahateny hoe “Omeo Izay Ilainy ny Ankohonanao”. Adidy araka ny Soratra Masina ny fanomezana izay ilain’ny fianakaviana eo amin’ny ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetseham-po. (1 Timoty 5:8). Mitaky fotoana sy fifampiresahana ary fifandraisana akaiky izany. Azo antoka fa faly i Jehovah Andriamanitra amin’ireo asa tsara rehetra ataon’ireo ray aman-dreny kristiana mba hitaizana ny zanak’izy ireo ao amin’ny fahamarinana.
Nanorina fankasitrahana an’ireo fivoriana kristiana ny fitohitohizan-dahateny nanaraka hoe “Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”. Manome fialan-tsasatra amin’ireo fanahian’itỳ tontolo itỳ, izy ireny. Any amin’ireo fivoriana, isika dia manana fahafahana hifampahery, ary afaka maneho ny fitiavantsika an’ireo mpiray finoana amintsika. (Hebreo 10:24, 25). Mandranitra ny fahaizantsika amin’ny maha-mpampianatra koa ireo fivoriana, ary mampitombo ny halalin’ny fahatakarantsika ny fikasan’Andriamanitra. (Ohabolana 27:17). Enga anie isika tsy hampisaraka ny tenantsika amin’ny kongregasiona na oviana na oviana, ary aoka isika hahatsiaro ny tenin’i Jesosy hoe: “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.” — Matio 18:20.
Ny lahateny farany ho an’ilay andro dia hoe “Zahan-toetra ny Finoanareo Ankehitriny”. Ny finoana tsy nozahan-toetra dia tsy nanaporofo ny vidiny, ary mitoetra ho tsy fantatra ny fahatsarany. Izany dia mitovy amin’ny seky izay mbola tsy nalaina ny vola misoratra eo aminy. Tena manana vidiny mitovy amin’izay voasoratra eo aminy tokoa ve izy io? Toy izany koa, tsy maintsy zahan-toetra ny finoantsika mba hanaporofoana fa manana fototra sy tena tsara tokoa izy io. (1 Petera 1:6, 7). Hoy ilay mpandahateny: “Indraindray, ny fampahalalam-baovao sy ny manam-pahefana dia voafitaky ny klerjy sy ny mpivadi-pinoana, ka miampanga lainga antsika ary mampiseho amin’ny fomba diso ny finoantsika sy ny fomba fiainantsika kristiana. (...) Moa ve isika hamela an’ireo izay hajambain’i Satana hampahatahotra antsika sy hanakivy antsika ary hanao izay hahamenatra antsika noho ny vaovao tsara? Moa ve isika hamela ny lainga momba ny fahamarinana hanakantsakana ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivoriana sy ny asa fitoriantsika? Sa isika hijoro tsara sy ho be herim-po ary ho tapa-kevitra kokoa noho ny hatramin’izay ny hanohy hanambara ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany?”
Aoka Ianao ho Velona Amin’ny Finoana
Ny foto-kevitry ny andro fahatelo tamin’ilay fivoriambe dia niorina tamin’ny tenin’i Paoly hoe: “Amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra; fa ‘ny marina amin’ny finoana no ho velona’.” (Galatiana 3:11). Iray tamin’ireo zava-nisongadina ny maraina ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Ny Teny Ara-paminanian’i Joela ho An’ny Androntsika”. Manondro ny fotoana misy antsika ny bokin’i Joela, ary miteny amin’ny fahatsapana fahadodonana hoe: “Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Joela 1:15). Sahala amin’ireo valala tsy mety reraka, ireo Kristiana voahosotra dia tsy namela na inona na inona hanakantsakana ny fanambarana ilay Fanjakana amin’izao fotoan’ny farany izao.
Manome fanantenana koa ny bokin’i Joela, amin’ny filazana hoe: “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. (Joela 3:5). Izany dia midika mihoatra noho ny fampiasana ny anaran’i Jehovah. Ilaina ny fibebahana avy amin’ny fo, ary izany dia mahatafiditra ny fanalavirana ny fanaovan-dratsy. (Joela 2:12, 13). Tsy misy fotoana hangatahana andro satria tsy ho ela i Jehovah dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo firenena, sahala amin’ny nataony tamin’i Moaba sy Amona ary ny toerana be tendrombohitr’i Seïra, tamin’ny andron’i Josafata mpanjakan’ny Joda. — 2 Tantara 20:1-30; Joela 4:2, 12.
Nampirisihin’ilay lahateny hoe “Manehoa Finoana Amin’ny Fiandrasana An’i Jehovah”, ny rehetra. Ao anatin’izao fotoan’ny farany efa lasa lavitra ankehitriny izao, dia afaka manao jery todika ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Jehovah maro isika, ary liana mafy amin’ireo zavatra mbola ho tanteraka. Tsy maintsy manohy manana faharetana ny vahoakan’i Jehovah, amin’ny fitadidiana fa hitranga ny zavatra rehetra nampanantenain’i Jehovah. — Titosy 2:13; 2 Petera 3:9, 10.
Nifarana tamin’ilay fampisehoana tantara hoe “Hazòny ho Tsotra ny Masonao”, ny fandaharana ny maraina. Io fampisehoana tantara momba ny zavatra tena misy io dia nampirisika antsika mba handinika ny fihetsitsika manoloana ny fikatsahana zavatra ara-nofo. Na aiza na aiza isika no miaina, raha tiantsika ny hanana fiainana afaka amin’ny fanahiana, dia tsy maintsy manaraka ny torohevitr’i Jesosy mba hihazona ny masontsika ho tsotra, mifantoka mazava amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, isika. — Matio 6:22, NW.
Nitondra ny lohateny manaitra hoe “Ny Finoana sy ny Hoavinao” ny lahateny ampahibemaso. Nanome porofo ny amin’ny tsy fahaizan’ireo mpitondra olombelona mandamina ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao, izy io. (Jeremia 10:23). Miverimberina foana ny tantaran’ny olombelona — amin’ny ambaratonga miitatra kokoa sy mbola manimba kokoa ihany. Inona no heverin’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny hoavy? Mino isika fa manana hoavy mamirapiratra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olombelona mahatoky. (Matio 5:5). Hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra, mba ho tombontsoan’ireo rehetra manana finoana ny Teniny, izay mampirisika hoe: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.” — Isaia 55:6.
Nampitranga fanontaniana lehibe mahakasika ny androntsika i Jesosy. Nanontany izy hoe: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va Izy?” (Lioka 18:8). Ilay lahateny farany dia namerina nijery ny fandaharan’ny fivoriambe ary nampiseho ny fomba nanomezan’izy io porofo tsy azo lavina fa misy ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, na dia miaina eo amin’ny tontolo tsy manam-pinoana sy tsy miraharaha fivavahana aza isika.
Na izany aza, isika tsirairay dia afaka manontany tena hoe: ‘Moa ve aho anisan’ireo manam-pinoana tsy azo hozongozonina an’Andriamanitra sy ny Teniny?’ Tokony hanampy antsika hamaly izany fanontaniana izany amin’ny hoe eny ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”. Ary tena mankasitraka an’i Jehovah mihitsy isika noho ny nanatanjahany ny finoantsika azy sy ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly!
[Sary, pejy 24]
Mpiasa an-tsitrapo maro no niasa tamim-pifaliana mba hanomezana filasiana ho an’ireo solontena an’arivony maro
[Sary, pejy 25]
Nampiasaina naneran-tany ny kianja malalaka tahaka itỳ
[Sary, pejy 25]
L. A. Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana, manambara ny fivoahan’ilay bokikely vaovao
[Sary, pejy 26]
Maro no natao batisa ho fanamarihana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah
[Sary, pejy 27]
Nihira tamim-pifaliana ny hiran’ilay Fanjakana ireo mpamonjy fivoriambe. Sary kely anatiny: ilay fampisehoana tantara hoe “Hazòny ho Tsotra ny Masonao”