FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/3 p. 25
  • Andriamanitra no Mampitombo any Alaska

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra no Mampitombo any Alaska
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitondra Fitahiana Maro Be ny Zavatra Kely Nafoinay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Nahazo Fitahiana Maro Noho ny Fananana Toe-tsain’ny Misionera
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ahoana no Ahafahako ho Tonga Sakaizan’Andriamanitra?
    Mifohaza!—1997
  • Misy Amin’ny Mpianakavy Voan’ny Aretina Mitaiza
    Mifohaza!—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/3 p. 25

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Andriamanitra no Mampitombo any Alaska

AO AMBANIN’NY orampanala sy ranomandry, ny voa bitika iray dia miandry ny fotoana hitomboana ho amin’ny fahalehibeazana. Mandritra ny fahavaratra, izay tsy maharitra afa-tsy telo volana monja any Alaska, ny voan-daisoa iray mirefy telo milimetatra ny savaivony dia mety hitombo ka hahatratra efa ho hatramin’ny 40 kilao! Eny, io tany io, izay noheverin’ny maro tany am-boalohany ho tany ngazana sy mamanala, dia afaka mamokatra be dia be.

Marina indrindra izany raha ny amin’ny saha ara-panahy, any Alaska. Any amin’io tanin’ny ririnina lava be io, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy mamafy ny voan’ilay Fanjakana. Tahaka ny any amin’ireo faritra hafa amin’ny tany, Andriamanitra dia mampitombo ny voa ao anatin’ireo fo mamokatra. — 1 Korintiana 3:6, 7.

● Raha tao anatin’ny fiara mpitatitra mpianatra ny Vavolombelona tanora iray, atao hoe Vanessa, dia nandinika an’i Ann, mpiara-mianatra iray, izay nipetraka irery foana. Toa nalahelo erỳ ny fijery an’i Ann, hany ka nanasa azy hipetraka teo akaikiny, i Vanessa. Tsy mahagaga raha nalahelo i Ann! Maty noho ny fihetsehan’ny aretim-po ny reniny, ary fotoana fohy taorian’izay, dia matin’ny kansera ny rainy. Izany no antony niarahan’i Ann nipetraka tamin’ny havana tany Alaska.

Indray asabotsy, raha teny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha i Vanessa, dia nivily tao an-tranon’ilay olom-pantany vaovao ary nametraka taminy ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Ny alatsinainy nanaraka, tany am-pianarana, dia nitady an’ilay Vavolombelona tanora, i Ann. Nanana fanontaniana ara-baiboly maro izay voavalin’i Vanessa, i Ann. “Aiza ianareo no miangona?”, hoy izy nanontany. Iny hariva iny, dia nanatrika ny fivoriany voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana i Ann.

Tsy ela dia nahita ‘ray’ sy ‘reny’ maro, araka ny efa nampanantenain’i Jesosy, ilay kamboty 17 taona. (Matio 19:29). Ary fisehoan-javatra nahafaly re izany nahita an’i Ann, sambatra sy miramirana, nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika ‘‘Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”!

● Any amin’ireo toerana lavitra amin’iny faritra midadasik’i Arktika misy an’i Alaska iny — izay misy efitra an-jatony kilaometatra maro mampisaraka ireo vohitra — ny fiaramanidina bimoteur an’ny Fikambanana Watch Tower dia nampiasaina mba hamafazana ny voan’ilay Fanjakana any amin’ireo fiaraha-monina maherin’ny 150. Miankina amin’ny fifandraisana an-taratasy anefa ny fitomboana ara-panahy amin’ny alalan’ny fianarana Baiboly tsy tapaka. Koa satria zava-tsarotra ho an’ny olona maro ny manoratra taratasy, ny mpampianatra Baiboly iray dia mila ny hahay hamoron-javatra mba hihazonana ho velona ny fahalianan’ny mpianatra. Ahoana no mety hanatanterahana izany?

Nitarika fampianarana Baiboly nandroso tamin’i Edna, i Kathy, na dia nifanalavitra teo amin’ny 600 kilaometatra mahery teo aza ny fonenan’izy ireo! Tsy nandika fotsiny ireo fanontaniana tao amin’ilay boky fianarana i Kathy, fa nanomana taratasy fianarana miaraka amin’ny fanontaniana, ary namela toerana hanoratana ireo valiny. Rehefa avy nofenoin’i Edna ireo valiny, dia namaly i Kathy ary nampiditra fanamarihana rehefa nila ny hohazavaina ny hevitra iray. Hoy i Kathy: “Nanokana ny alarobia hariva aho ho an’ny ‘fianaranay’, ary niezaka nanaja izany aho, toy ny ho nataoko tamin’ny fotoana fampianarana Baiboly hafa. Nandefasako valopy nisy ny adiresiko sy hajia koa i Edna. Koa satria afaka tapa-bolana vao tonga ny taratasy, dia toa somary niadana ihany ny fianarana tamin’ny alalan’ny taratasy.”

Alao sary an-tsaina ny fientanam-po, rehefa nifanatri-tava i Kathy sy Edna tamin’ny fivoriamben’ny distrika tany Anchorage, rehefa afaka folo volana nianarana tamin’ny alalan’ny taratasy! Nahafaly ireo Vavolombelona koa ny nahita ireo mpianatra Baiboly sy ireo olona liana hafa, avy amin’ireo vohitra mitokana maro any Alaska, ho anisan’ny mpanatrika.

Na dia toa miadana aza indraindray ny fitomboana, ny “tsimoka” sasany dia mitsiry haingana rehefa tratran’ny fahazavan’ny fahamarinana. Amin’ny antsalany, dia mihoatra ny zato ireo mpidera vaovao an’i Jehovah no atao batisa, isan-taona, any Alaska! Hoy izahay hoe: “Misaotra Jehovah ô”, noho ny fampitomboana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara