Andevon’ny Olona sa Mpanompon’Andriamanitra?
“TOKONY hoderaina ihany ny Vavolombelon’i Jehovah.” Izany no nambaran’ilay boky alemà hoe Seher, Grübler, Enthusiasten (Mpahita, Mpisaintsaina, Mpirehitra Fatratra). Na dia somary manakiana ny Vavolombelona aza izy io, dia miaiky toy izao: “Amin’ny ankapobeny, izy ireo dia manana fiainana madio, mitovy amin’ny an’ny saranga anelanelany. Sady mazoto sy tsy manao tsirambina ny asany izy ireo no olom-pirenena milamina sy mpandoa hetra manao ny marina. Tsy mikatsaka harena tafahoatra izy ireo. (...) Mendri-piderana ny filaminana misy amin’ireo fivoriambeny. Mitovy amin’ny an’izay fivavahana hafa rehetra ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena ananan’izy ireo; raha mikasika ny fanompoana tontosainy, dia mihoatra noho ny an’ny hafa rehetra ny zava-bitan’izy ireo. Izay mahatonga azy ireo ho ambony noho ny fiangonana na antokom-pivavahana kristiana hafa amin’ny androntsika anefa, dia ny fahatapahan-kevitra tsy azo hozongozonina tanteraka itorian’ny ankamaroan’izy ireo ny foto-pinoany ao anatin’ny toe-javatra rehetra, ary na dia mety hahitany loza aza izany.”a
Na dia eo aza ny fiheverana tsara toy izany, dia nisy hevitra sasany nipoitra, niezaka nampiseho tamin’ny fomba hafa tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah. Any amin’ny firenena maro be maneran-tany, dia manao ny fanompoam-pivavahany malalaka efa hatramin’ny am-polony taona maro, tsy nisy fanakantsakanana, ny Vavolombelona. Olona an-tapitrisany maro no mahafantatra azy ireo, manaja azy sy manaiky fa manana zo hanaraka ny fivavahany izy ireo. Nahoana àry no misy fisalasalana momba ny hoe iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ny antony iray angamba dia satria nanjary voarohirohy tamin’ny fametavetana ankizy, famonoan-tena tambabe sy fanafihan’ny mpampihorohoro, ny antokom-pivavahana hafa maromaro tato ho ato. Mazava ho azy fa tsy eo amin’ireo mpivavaka fotsiny no hahitana fitondran-tena tsy araka ny tokony ho izy toy izany, fa hatraiza hatraiza. Noho izany, dia manjary be fisalasalana momba ny fivavahana ny olona maro, ary mankahala mihitsy aza ny sasany.
Loza ateraky ny fanarahana olona
Ny hoe “sekta” dia nofaritana ho “antokon’olona iray manaraka foto-pinoana iray miavaka na mpitarika iray”. Mitovy amin’izany koa, ireo izay anisan’ny “antokom-pinoana madinika” iray dia maneho “fifikirana lehibe amin’ny olona iray na hevitra na zavatra iray”. Raha ny marina, ireo mpikambana amin’ny fivavahana rehetra izay mifikitra mafy amina mpitarika olombelona sy ny hevitr’izy ireny, dia mety ho tonga andevon’ny olona. Ny fifandraisana mafy mifantoka amin’ny mpitarika iray dia mety hitarika ho amin’ny fiankinana ara-pihetseham-po sy ara-panahy mampidi-doza. Mety hitombo ny loza rehefa tezaina ao anatin’ny manodidina tery saina ny olona iray, hatramin’ny fahazazany.
Ireo izay manana fanahiana toy izany momba ny fivavahana iray dia mila fanazavana azo itokiana. Mety ho nilazana ny sasany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia anisan’ny fikambanana ara-pivavahana izay manandevo, manjakazaka sy mamepetra tafahoatra ny fahafahan’ireo mpikambana ao aminy, ka mahatonga azy ireny ho olona tsy manaraka ny fomba eken’ny fitambaran’olona manontolo.
Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy marim-pototra izany fanahiana izany. Noho izany, dia manasa anao handinika manokana ny fahamarinan’izany izy ireo. Rehefa avy nandinika tamim-pitandremana ianao, dia manatsoaha hevitra. Mpanompon’Andriamanitra araka ny voalazany ve ny Vavolombelona sa tena andevon’ny olona, raha ny tena izy? Avy aiza ny loharanon’ny tanjaka ananany? Ny lahatsoratra roa eo amin’ny pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-23 dia hanome valiny mahafa-po amin’izany fanontaniana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ao anatin’ny fanontana voalohany tamin’ny 1950 ny fanambarana etsy ambony. Ny fisiany ao amin’ny fanontana nohavaozina tamin’ny 1982 àry dia mampiseho fironana hahatakatra tsara kokoa ny fihevitry ny Vavolombelon’i Jehovah.