FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/2 p. 5-7
  • Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay asehon’ny porofo
  • Fivavahana be mpahalala
  • “Revo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona”
  • Fanarahana amin’ny fomba hentitra ny Baiboly
  • Iza no mpitarika azy ireo?
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ireo Antokom-pinoana Madinika — Inona moa Izy Ireny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/2 p. 5-7

Antokom-pinoana Madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

NAMPANGAINA ho mpiboboka divay sy ho tendan-kanina, ho mpandika ny Sabata, ho vavolombelona sandoka sy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra ary ho irak’i Satana, i Jesosy Kristy. Nampangaina ho nitaona ny olona tsy hankato ny mpitondra koa izy. — Matio 9:34; 11:19, DIEM; Mt 12:24; 26:65; Jaona 8:13; 9:16; 19:12.

Tonga lasibatry ny fiampangana lehibe toy izany koa ireo mpianatr’i Jesosy taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Notaritarihin’ny vahoaka tany amin’ireo lehiben’ny tanàna ny antokon’olona iray anisan’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Niantsoantso toy izao izy ireo: ‘Ireo lehilahy ireo dia namadika izao tontolo izao’. (Asan’ny Apostoly 17:6). Tamin’ny toe-javatra hafa iray, ny apostoly Paoly sy i Silasy namany dia nentina tany amin’ireo manam-pahefana ary nampangaina ho nampitabataba aoka izany ny tanànan’i Filipy. — Asan’ny Apostoly 16:20.

Tatỳ aoriana i Paoly dia nampangaina ho “tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny” sy ho nitady “handoto ny tempoly”. (Asan’ny Apostoly 24:5, 6). Ireo lohandohany tamin’ireo Jiosy tany Roma dia nilazalaza araka ny marina ny toe-javatra nisy ireo mpanara-dia an’i Jesosy, rehefa niaiky toy izao: “Fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” — Asan’ny Apostoly 28:22.

Miharihary fa io antokon’olona vaovao naorin’i Jesosy Kristy io dia noheverin’ny sasany ho antokon’olona mpivavaka nanana fiheverana sy fanao tafahoatra, izay nanohitra izay nekena tamin’izany andro izany ho fihetsika ara-dalàna teo amin’ny tany ama-monina. Tsy isalasalana fa olona maro amin’izao andro izao no ho nihevitra ireo Kristiana ho antokom-pinoana madinika manimba iray. Matetika ireo mpiampanga dia mpikambana ambony sy nohajaina teo amin’ny mpiara-monina, ary izany dia toa nanampy lanjany an’ireo filazana tsy nisy porofo. Maro no nino ireo fiampangana an’i Jesosy sy ireo mpianany. Kanefa, araka ny azo inoana fa fantatrao, dia samy diso ireny fiampangana ireny! Ny filazan’ny olona izany zavatra izany dia tsy nahatonga azy ireny ho marina akory.

Ahoana ny amin’izao andro izao? Ho araka ny marina ve ny hanondroana ny Vavolombelon’i Jehovah ho antokon’olona mpivavaka manana fiheverana sy fanao tafahoatra izay manohitra izay ekena ho fihetsika ara-dalàna eo amin’ny tany ama-monina? Antokom-pinoana madinika ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Izay asehon’ny porofo

Nanazava toy izao ny mpitondra fanjakana iray tao amin’ny tanànan’i St. Pétersbourg, any Rosia: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia naseho anay ho toy ny karazana antokom-pinoana madinika miafinafina mitoetra ao amin’ny maizina sy mandripaka ankizy ary mamono ny tenany.” Tsy ela anefa izay, dia nanjary nahafantatra tsara kokoa ny tena toetran’ny Vavolombelona ny vahoakan’i Rosia. Rehefa avy niara-niasa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nifandray tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray ilay mpitondra fanjakana io ihany, dia nanao izao fanamarihana izao: “Izao aho dia mahita olona ara-dalàna sy mitsikitsiky, tsara kokoa mihitsy noho ny olona maro fantatro aza. Tia fihavanana sy tony izy ireo, ary mifankatia fatratra.” Nanampy teny toy izao izy: “Tena tsy takatro ny antony ilazan’ny olona lainga toy izany mikasika azy ireo.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manao fivoriana misy fombafomba, ary tsy saronana ao amin’ny miafina ny fanompoam-pivavahana ataon’izy ireo. Nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra tsy Vavolombelona atao hoe Julia Mitchell Corbett: “Rehefa manao fivoriana izy ireo, mazàna mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro, ao amin’ny Efitrano Fanjakana (tsy antsoina hoe fiangonana ny toeram-pivorian’izy ireo), ny ankamaroan’ny fotoanany dia lanin’izy ireo amin’ny fianarana sy fanaovana fandinihana momba ny Baiboly.” Misy famantarana voasoratra mazava tsara ny toeram-pivorian’izy ireo. Misokatra ho an’ny rehetra ireo fivoriana, ary asaina hanatrika izany ny daholobe. Vao mainka raisina tsara ireo vahiny tsy nasaina.

“Nahazo laza ho manao ny marina sy ho mahalala fomba ary ho miasa mafy ny Vavolombelona”, hoy ny teny nanampin’i Corbett tao amin’ilay bokiny hoe Religion in America. Olona maro izay tsy Vavolombelona no miaiky avy hatrany fa tsy misy zavatra sampontsampona na hafahafa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fitondran-tenan’izy ireo dia tsy manohitra izay ekena ho fihetsika ara-dalàna eo amin’ny tany ama-monina. Milaza araka ny marina ny The New Encyclopædia Britannica fa ny Vavolombelona “dia manantitrantitra ny amin’ny fitambaran-dalàna ara-pitondran-tena ambony eo amin’ny fitondran-tenany manokana”.

Ho valin’ny tatitra iray nisy fitsarana an-tendrony ny Vavolombelona tao amin’ilay fampisehoana vaovao an-tsary hoe 60 Minutes, dia nanoratra toy izao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay talen’ny fampahalalam-baovao sy ny fandaharana manokana ho an’ny trano fandefasana ny televiziona iray any Etazonia: “Raha maro kokoa ny olona miaina araka ny fomba arahin’ny finoanareo, dia tsy ho amin’izao endriny izao itỳ firenena itỳ. Ny tenako dia mpanangom-baovao izay mahafantatra fa ny fandaminanareo dia miorina amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana mafy ny Mpamorona. Iriko ho fantatrareo fa tsy ny Mpanangom-baovao rehetra akory no manana fitsarana an-tendrony toy izany.”

Fivavahana be mpahalala

Ara-drariny ve ny ilazana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia antokon’olom-bitsy mpivavaka izay manana fiheverana tafahoatra? Amin’ny lafiny iray, dia vitsy an’isa ny Vavolombelon’i Jehovah raha oharina amin’ny fivavahana sasany. Tsarovy anefa izay nolazain’i Jesosy hoe: “Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” — Matio 7:13, 14.

Na ahoana na ahoana, ny Vavolombelona dia tsy antokom-pinoana madinika vitsy mpanaraka, izay manana fiheverana tafahoatra velively. Tamin’ny 1993, dia olona maherin’ny 11 tapitrisa no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy nataon’ny Vavolombelona. Zava-dehibe kokoa noho ny isan’izy ireo anefa ny fari-pitondran-tenan’izy ireo sy ny fihetsiny fakan-tahaka izay nahazoan’izy ireo teny fiderana maneran-tany. Tsy isalasalana fa izany dia antony iray nahatonga ny tany sasany hanome azy ireo fanekena ara-dalàna ho fivavahana iray fantatra sy tsy misy fisandohana.

Miavaka ny didim-panjakana iray vao haingana, navoakan’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona. Manambara izy io fa ny Vavolombelona dia tokony hanana fahalalahana eo amin’ny fisainana sy ny feon’ny fieritreretana ary ny fivavahana, ary manana zo hiresaka ny finoany sy hampianatra izany amin’ny hafa izy ireo. Tsy ho nitranga velively izany raha fantatra ho mampiasa fomba feno fitaka sy tsy mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ekena ny Vavolombelon’i Jehovah mba handraisana mpikambana vaovao, na raha mampiasa fomba fanararaotana mba hifehezana ny sain’ireo mpanara-dia azy, izy ireo.

Olona maro dia maro maneran-tany no mahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo olona an-tapitrisany maro tsy Vavolombelona izay miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelona, na efa niara-nianatra taminy tamin’ny fotoana iray, dia anontanianay hoe: Nisy fanandramana nanasana atidoha anareo ve? Nampiasa fomba fifehezana ny saina taminareo ve ny Vavolombelona? “Tsia” no tsy isalasalana fa ho valin-teninao amim-pahatsorana. Miharihary fa raha nampiasaina ireo fomba ireo, dia ho nisy olona niharam-pahavoazana sesehena nanohitra izay mety ho fombàna ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Revo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona”

Matetika ireo anisan’ny antokom-pinoana madinika no mampitokana ny tenany amin’ny havana aman-tsakaiza, sy ny tany ama-monina amin’ny ankapobeny mihitsy aza. Izany ve no izy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? “Tsy anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho”, hoy ny nosoratan’ny mpanangom-baovao iray any amin’ny Repoblika Tchèque. Nanampy teny toy izao anefa izy: “Miharihary fa manana tanjaka ara-tsaina tsy misy toy izany izy ireo [Vavolombelon’i Jehovah]. (...) Manaiky ireo manam-pahefana ara-panjakana izy ireo, saingy mino izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mandamina ireo zava-manahirana ny olombelona rehetra. Fa mariho ange itỳ e — tsy mirehidrehitra foana tsy amin’antony izy ireo. Izy ireo dia olona revo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona.”

Ary tsy miara-monina ka mampisaraka ny tenany amin’ny havany sy ny olon-kafa, izy ireo. Manaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa andraikiny araka ny Soratra Masina ny ho tia sy hikarakara ny fianakaviany. Miara-monina sy miara-miasa amin’olona avy amin’ny firazanana sy ny fivavahana rehetra izy ireo. Rehefa mamely ireo loza, dia mamaly haingana izy ireo amin’ny fandefasana vatsy sy amin’ny fanampiana ho fanasoavana ny hafa.

Mbola zava-dehibe kokoa fa mirotsaka ao amin’ny fandaharam-pampianarana iray izay tsy misy toa azy, izy ireo. Fivavahana firy moa no manana fandaharana voalamina iray mba hitsidihana manokana ny olona tsirairay eo amin’ny fiaraha-monina misy azy? Manao izany any amin’ny tany maherin’ny 200 sy amin’ny fiteny maherin’ny 200 ny Vavolombelon’i Jehovah! Mazava fa “revo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona” ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanarahana amin’ny fomba hentitra ny Baiboly

Ekena aloha fa ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitovy amin’ireo omen’ny fiangonana. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa i Jehovah no ilay Andriamanitra tsitoha, ary i Jesosy dia Zanany fa tsy tapany iray amin’ny andriamanitra telo izay iray. Ny finoan’izy ireo dia mifamatotra mafy amin’ny finoana fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra fanampiana ho an’ny taranak’olombelona mijaly. Mampitandrina ny olona ny amin’ny fahantomoran’ny fandravana an’itỳ fandehan-javatra simba itỳ izy ireo. Mitory ny fampanantenan’Andriamanitra paradisa an-tany iray ho an’ny taranak’olombelona mankato izy ireo. Tsy mankamasina ny lakroa izy ireo. Tsy mankalaza Krismasy izy ireo. Mino izy ireo fa mety maty ny fanahy (âme) ary tsy misy ny afobe mirehitra. Tsy hihinana ra izy ireo, ary tsy hanaiky fampidiran-dra koa. Mifady ny fidirana amin’ny politika sy ny fandraisana anjara amin’ny ady izy ireo. Moa ve ianao efa mba nanontany tena hoe nahoana ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah no hafa be toy izany?

Manazava ny gazety iray any Massachusetts, ny Daily Hampshire Gazette, fa “ny fanazavana [omen’ny Vavolombelon’i Jehovah] ny hevitry ny Baiboly dia mandrara fanaovan-javatra maro izay heverin’ny hafa fa mety (...), ho fiezahana hanaraka ny ohatr’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany sy ny tenin’ny Baiboly”. Manaiky ny The Encyclopedia of Religion fa “izay rehetra inoan’izy ireo dia miorina amin’ny Baiboly. Izy ireo dia ‘manaporofo amin’ny teny’ (izany hoe: manome teny nalaina tao amin’ny Baiboly mba hanamarinana) saiky ny filazan-javatra inoana tsirairay, manaiky tsy misy fisalasalana ny fahefan’ny Baiboly izay manongotra tanteraka ireo lovantsofina”. Milaza toy izao ilay boky hoe Religion in America: “Tsy niroa saina mihitsy ilay antokon’olona teo amin’ny fifantohany tamin’ny fianarana ny Baiboly, ary ny fampianarany dia tohanan’ny fomba fakan-teny be tsipiriany any amin’ny andinin-teny.”

Iza no mpitarika azy ireo?

Noho io fanarahany akaiky ny fampianaran’ny Baiboly io indrindra no tsy ahitana eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fankamasinana sy fanindrahindrana toy ny sampy an’ireo mpitarika olombelona, izay mampiavaka aoka izany ireo antokom-pinoana madinika amin’izao andro izao. Lavin’izy ireo ilay hevitra momba ny fiavahan’ny klerjy amin’ny lahika. Ny The Encyclopedia of Religion dia milaza amin’ny fomba mety toy izao ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Voarara ny fisian’ny kilasin’ny klerjy sy ireo anaram-boninahitra mampiavaka.”

Manaraka an’i Jesosy Kristy ho Mpitarika azy sy ho Lohan’ny kongregasiona kristiana izy ireo. I Jesosy no niteny hoe: “Hianareo (...) aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” — Matio 23:8-12.

Mazava fa tsy antokom-pinoana madinika ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny tsy naha-tendan-kanina sy mpiboboka divay an’i Jesosy. Ekena fa tsy voataona hiteny ratsy an’i Jesosy avokoa akory izay rehetra niharan’ny herin’ireo tatitra tsy marina momba an’i Jesosy sy ny mpianany. Nety ho nahazo fanazavana diso fotsiny ny sasany. Raha manana fanontaniana mikasika ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay zavatra inoany ianao, nahoana raha mifankahalala aminy tsaratsara kokoa? Misokatra midanadana ho an’izay rehetra mitady ny fahamarinana ny varavaran’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo.

Ny tenanao koa dia afaka mandray soa avy amin’ny fikarohana amim-pitandremana ataon’izy ireo mba hahazoana fahalalana marina ny Baiboly, ary afaka mianatra ny fomba fanolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.” — Jaona 4:23.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara