FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/5 p. 26-29
  • Fiovana Faritany teo Amin’ny Faha-80 Taona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiovana Faritany teo Amin’ny Faha-80 Taona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanova ny fiainanay ny fahamarinana ara-baiboly
  • Ohatra nanatanjaka anay
  • Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tany Est-Anglie
  • Fotoan’ny ady sy fianakaviana iray
  • Ny fanapahan-kevitray hifindra eto Espaina
  • ‘Satria Manana Izany Fanompoana Izany Isika, dia Tsy Ketraka’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ry Renim-pianakaviana, Mianara avy Amin’i Eonika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/5 p. 26-29

Fiovana Faritany teo Amin’ny Faha-80 Taona

NOTANTARAIN’I GWENDOLINE MATTHEWS

Rehefa feno 80 taona aho, dia nanapa-kevitra ny hangorona ny fanananay rehetra ka hampiditra izany tao anaty kamiaonety nohofana iray izaho sy ny vadiko, ary niala tany Angletera ho eto Espaina. Tsy nahay teny espaniola izahay, nefa handeha ho atỳ atsimo andrefan’i Espaina, lavitra be ny toerana falehan’ireo mpizaha tany miteny anglisy. Maro tamin’ireo namanay no nihevitra anay ho adala, nefa tadidiko tamim-pifaliana fa 75 taona i Abrahama fony izy niala tany Ora.

ARAKA ny hitanay, ireo taona nolaninay teto Espaina, hatramin’ny nahatongavanay teto tamin’ny Aprily 1992, dia anisan’ireo nahafa-po indrindra teo amin’ny fiainanay. Alohan’ny hanazavako ny antony nifindranay anefa, dia mamelà ahy hitantara aminareo hoe tamin’ny ahoana ny fanompoana an’i Jehovah nandritra ny fiainanay no nitarika anay hanao fanapahan-kevitra lehibe toy izany.

Nanova ny fiainanay ny fahamarinana ara-baiboly

Notezaina tao anatin’ny tokantrano tia fivavahana, tany atsimo andrefan’i Londres, any Angletera, aho. Fanaon’i Neny ny nitondra ahy sy ny rahavaviko tany amin’ny toeram-pivavahana samihafa, noho izy tsy nitsahatra nitady fahafaham-po teo amin’ny ara-panahy. Tsy niaraka taminay ny raiko, izay narary lava noho ny raboka. Tia namaky Baiboly be anefa izy, ka notsipihiny foana izy io, isaky ny nahita andalan-teny nanome fianarana ho azy izy. Iray amin’ireo fananana ankafiziko indrindra io Baiboly efa tonta, izay nisy vidiny lehibe taminy io.

Tamin’ny 1925, fony aho 14 taona, dia nisy trakitra natsofoka tao ambanin’ny varavaranay, nanasa anay hanatrika lahateny ampahibemaso iray, hatao ao amin’ny lapan’ny tanànan’i West Ham. Nanapa-kevitra ny hanatrika an’ilay lahateny ny reniko sy ny mpiara-monina iray, ka nanaraka azy ireo izaho sy ny rahavaviko. Namafy ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly tao am-pon’i Neny ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”.

Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nody mandry teo amin’ny faha-38 taonany i Dada. Fahavoazana mafy dia mafy ny nahafatesany, satria nahatonga anay ho torotoro fo sy nahafongana ny fanananay izany. Tamin’ny fotoam-pivavahana fandevenana, natao tao amin’ny Eglizy Anglikana teo an-toerana, dia tafintohina i Neny nandre an’ilay pretra nilaza fa any an-danitra ny fanahin’i Dada. Fantany avy ao amin’ny Baiboly fa matory ao am-pasana ny maty, ary ninoany mafy fa indray andro any dia hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany i Dada. (Salamo 37:9-11, 29; 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5; Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:3, 4). Noho izy niaiky fa tsy maintsy niaraka tamin’ny olona izay nampianatra ny Tenin’Andriamanitra, dia tapa-kevitra ny hifankahalala bebe kokoa tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, i Neny.

Tsy nanam-bola hatao saran-dalana izahay, ka noho izany dia nandeha an-tongotra adiny roa avy any an-trano, ho any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, isan-kerinandro. Taorian’izay dia nivikiviky nody, nandritra ny adiny roa indray izahay. Nanisy vidiny lehibe an’ireny fivoriana ireny anefa izahay, ka tsy nanapaka na oviana na oviana ny iray taminy, na dia rehefa nandrakotra ny tanàna aza ilay zavona malaza ratsin’i Londres. Tsy ela i Neny dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ka natao batisa. Natao batisa koa aho tamin’ny 1927.

Na dia teo aza ny fahasahirananay ara-bola, dia nampianatra ahy mandrakariva i Neny hoe zava-dehibe ny manome ny laharam-pahamehana ho an’ireo zavatra ara-panahy. Iray amin’ireo andininy tiany indrindra ny Matio 6:33, ary tena ‘nikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana’ tokoa izy. Tamin’ny fotoana nahafatesany, aloha be noho ny kansera, tamin’ny 1935, dia teo am-panaovana fandaharana izy mba hamaliana ilay fiantsoana ny mpanompo manontolo andro izay ho afaka hifindra tany Frantsa mba hanompo.

Ohatra nanatanjaka anay

Tamin’ireny vanim-potoana tany am-boalohany ireny, dia naniry hilaza ny heviny manokana ny sasany tamin’ireo mpanatrika fivoriana tany Londres, ka nampipoaka fifamaliana sy fifandirana mafy ireny olona ireny. Nilaza foana anefa i Neny hoe fanehoana fivadihana ny fandaozana ny fandaminan’i Jehovah, raha heverina amin’izay rehetra efa nianaranay avy tamin’izy io. Nanosika anay hanohy hanompo tamin’ny tsy fivadihana ny fitsidihana nataon’i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany.

Ny tsaroako ny amin’ny Anadahy Rutherford, dia hoe lehilahy tsara fanahy sy mora hatonina izy. Fony aho mbola zatovo, dia nitsangantsangana ny Kongregasionan’i Londres, ka nandeha tany izy. Hitany aho — tovovavy somary saro-kenatra — niaraka tamin’ny fakan-tsary, ka nanontany ahy izy raha ho tiako ny haka sary azy. Tonga fahatsiarovana nankafiziko io sary io.

Tatỳ aoriana, dia nandentika tato an-tsaiko ny fahasamihafana eo amin’ireo izay mitari-dalana eo amin’ny kongregasiona kristiana sy ny lehilahy malaza eo amin’izao tontolo izao, ny fitrangan-javatra iray. Mpandroso sakafo tao amin’ny trano lehibe iray tao Londres aho. Nasaina hisakafo tao i Franz von Papen, iray tamin’ireo solontenan’i Hitler. Tsy nety nanala ny sabany izy rehefa nisakafo, ka voafingan’izy io aho, ary niparitaka ilay lasopy nentiko. Nilaza tamim-pahatezerana izy fa raha tany Alemaina aho no nanao tsirambina toy izany, dia ho voatifitra. Niala lavitra azy aho nandritra ny fotoana sisa rehetra tamin’ilay fisakafoana!

Ny fivoriambe niavaka iray, nandrenesako ny feon’ny Anadahy Rutherford, dia natao tao amin’ny Alexandra Palace tamin’ny 1931. Tao izahay dia nandray tamin-kafanam-po ilay anarantsika vaovao hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10, 12). Roa taona taorian’izay, tamin’ny 1933, dia nirotsaka tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana aho, araka ny iantsoana ny fanompoana manontolo andro. Ny fitahiana hafa iray tadidiko tamin’ireny fotoana ireny dia ny nahafahana nifanerasera tamin’ireo lehilahy tanora nahafinaritra maro, izay tonga misionera any amin’ny faritra lavitra amin’ny tany, tatỳ aoriana. Anisan’ireny i Claude Goodman sy i Harold King, sy i John Cooke, ary i Edwin Skinner. Ireny ohatra nampiseho fahatokiana ireny dia nahatonga ahy haniry ny hanompo any an-tany hafa.

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tany Est-Anglie

Tany Est-Anglie (atsinanan’i Angletera) no nanendrena ahy ho mpisava lalana, ary nitaky hafanam-po sy zotom-po ny fitoriana tany. Mba hamitana ny faritaninay midadasika, dia tsy maintsy nandeha am-bisikileta isan-tanàna sy isam-bohitra izahay, ary nipetraka tao amin’ny efitra nohofana. Saika tsy nisy kongregasiona mihitsy tamin’ilay faritra, ka noho izany, izaho sy ilay namako dia niara-nidinika ireo anjara rehetra tamin’ireo fivoriana mahazatra fanao isan-kerinandro. Teny amin’ny fanompoanay, dia nametraka boky sy bokikely an-jatony maro izay nanazava ireo fikasan’Andriamanitra, izahay.

Fitsidihana tsy hay hadinoina ilay natao tao amin’ny trano vadim-piangonana iray. Tao no niresahanay tamin’ny presbyteran’ny Eglizy Anglikana teo an-toerana. Tany amin’ny ankamaroan’ireo faritra, dia nahemotray ho amin’ny farany ny fitsidihanay ny presbytera anglikana, satria matetika izy no miteraka zava-manahirana ho anay rehefa fantany fa mitory ny vaovao tsara eo amin’ilay faritra izahay. Tao amin’io tanàna io anefa, dia niresaka zavatra tsara momba an’ilay presbytera daholo ny olona. Nitsidika ireo narary izy, nampindrana boky ho an’ireo tia namaky teny, ary nitsidika an’ireo mpiangona tao aminy mihitsy aza izy, mba hanazavana ny Baiboly tamin’izy ireny.

Inona tokoa fa rehefa nitsidika azy izahay, dia tena sariaka be izy, ka nanaiky handray boky maromaro. Nanome toky anay koa izy fa na iza na iza eo an-tanàna naniry hahazo ny sasany tamin’ireo bokinay, nefa tsy nanam-bola, dia haloany ny vidiny. Renay fa ny fanandraman-javatra tsy nahafinaritra hitany tamin’ny Ady Lehibe Voalohany dia nahatonga azy ho tapa-kevitra hampandroso ny filaminana sy ny fiahiana ny hafa, tao amin’ny paroasiny. Talohan’ny nandehananay, dia nitso-drano anay izy, ary nampirisika anay mba hanohy ny asa tsara ataonay. Ny teny fanaovam-beloma nataony taminay dia ny Nomery 6:24, manao hoe: “Ny Tompo anie hitahy anareo sy hiaro anareo”. — King James Version.

Maty i Neny, roa taona taorian’ny nanombohako ny asan’ny mpisava lalana, ka niverina tany Londres aho, sady tsy nanam-bola no tsy nanana fianakaviana. Nandray ahy ho any aminy sy nanampy ahy hiatrika ny fahafatesan’i Neny, ary nampirisika ahy hanohy ny fanompoana manontolo andro, ny Vavolombelona ekosey iray. Noho izany, dia niverina tany Est-Anglie aho, niaraka tamin’i Julia Fairfax, mpisava lalana namako vaovao. Namboarinay ny tranofiara tranainy iray, mba hanaovana trano azo nafindrafindra; nampiasa traktera na kamiaonety izahay mba hamindrana azy io avy amin’ny toerana iray, ho amin’ny toerana iray hafa. Nanohy nitory izahay, niaraka tamin’ny mpivady zokinjokiny iray, i Albert sy i Ethel Abbott, izay nanana tranofiara kely koa. Nanjary toy ny ray aman-dreniko i Albert sy i Ethel.

Fony izahay nanao ny asan’ny mpisava lalana tao Cambridgeshire, dia nifankahita tamin’i John Matthews aho, anadahy kristiana tsara iray, izay efa nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra. Nivady izahay tamin’ny 1940, tsy ela taorian’ny nanombohan’ny ady lehibe faharoa.

Fotoan’ny ady sy fianakaviana iray

Fony izahay vao nivady, ny tranonay dia tranofiara kely iray, izay nitovitovy tamin’ny haben’ny lakozia kely iray. Nivezivezy tamin’ny moto matanjaka iray izahay rehefa nanao ny fanompoanay. Herintaona taorian’ny nivadianay, dia voasazy hiasa tany amin’ny toeram-pambolena i John, rehefa tsy nety nanao raharaha miaramila noho ireo hevitra miorina amin’ny Baiboly nekeny mafy. (Isaia 2:4). Na dia nidika ho faran’ny asan’ny mpisava lalana nataonay aza izany, dia hita ho fitondran’Andriamanitra ny sazin’i John, satria nitoe-jaza aho, ka ho afaka hamelona anay izy.

Nandritra ny fotoan’ny ady izahay dia nankafy fivoriana manokana, izay natao na dia teo aza ny fahasahiranana. Tamin’ny 1941, dia nandeha moto ho any Manchester, any amin’ny 300 kilaometatra i John sy izaho, izay bevohoka ny zanakay voalohany. Teny an-dalana izahay dia nandalo tanàna maro nilatsahan’ny baomba, ka nanontany tena raha azo natao tao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ilay fivoriana. Azo natao izany. Feno hipoka Vavolombelona avy any amin’ny faritra maro amin’i Angletera ny The Free Trade Hall, ary novitaina tanteraka ny fandaharana rehetra.

Tamin’ny famaranan-teny tao amin’ny lahateniny, ilay mpandahateny farany tamin’ny fivoriambe dia nilaza tamin’ny mpanatrika fa tokony hiala avy hatrany amin’ilay faritra izy ireo, satria ampoizina ny hisian’ny zera baomba. Tonga ara-potoana ilay fampitandremana. Tsy dia lavitra an’ilay efitrano izahay, rehefa nandre ny feon’ny fanairana sy ireo basy marovava fitifirana fiaramanidina. Rehefa nitodika izahay, dia nahita fiaramanidina maro be nanjera baomba tao afovoan-tanàna. Avy teny lavitra no nahatazananay ilay efitrano vao avy nipetrahanay, izay tao anatin’ny afo sy ny setroka; potika tanteraka izy io! Soa ihany fa tsy nisy maty ireo anadahinay na rahavavinay kristiana.

Rehefa nitaiza ireo zanakay izahay, dia tsy afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana, nefa kosa nanokatra ny tranonay ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy mpisava lalana izay tsy nanan-toerana hilasiana. Indray mandeha, dia nisy mpisava lalana enina nipetraka tao aminay nandritra ny volana vitsivitsy. Tsy isalasalana fa ny fotoana niarahana tamin’ny olona toy izany dia iray amin’ireo antony nisafidianan’i Eunice, zanakay vavy, hanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1961, raha mbola vao 15 taona monja izy. Mampalahelo fa tsy nanohy nanompo an’i Jehovah i David zanakay lahy, rehefa lehibe, ary maty tao anatin’ny tarehin-javatra nampalahelo nandritra ny ady i Linda, zanakay vavy iray hafa.

Ny fanapahan-kevitray hifindra eto Espaina

Ny ohatra navelan’i Neny sy ny fampaherezany dia nanaitra tato amiko ny faniriana ho tonga misionera, ary tsy hadinoko mihitsy io zava-kendrena io. Noho izany, dia faly izahay tamin’ny 1973 rehefa niala tany Angletera ho eto Espaina i Eunice, mba hanompo any amin’izay ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa. Mazava ho azy fa nalahelo izahay rehefa nahita azy nandeha, nefa nirehareha koa izahay satria naniry ny hanompo any an-tany hafa izy.

Nitsidika an’i Eunice izahay nandritra ny taona maro, ka nanjary nahafantatra tsara an’i Espaina. Raha ny marina, dia nitsidika azy tany amin’ny toerana efatra anisan’ny nanendrena azy izaho sy i John. Avy eo, arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nihakely ny herinay. Nianjera i John, ka nisy vokany lehibe teo amin’ny fahasalamany izany; izaho dia manana zava-manahirana eo amin’ny fo sy ny tiroida. Ankoatra izany, dia samy voan’ny aretin’ny vanin-taolana izahay. Na dia tena mila ny fanampian’i Eunice aza izahay, dia tsy nirinay ny hialany tamin’ny asa nanendrena azy noho ny aminay.

Noresahinay tamin’i Eunice ny safidinay, ary nivavaka izahay mba hahazoana fitarihan-dalana. Vonona ny hody izy mba hanampy anay. Nanapa-kevitra anefa izahay fa ny vahaolana tsara indrindra dia ny fifindranay sy i John hiara-mipetraka aminy atỳ Espaina. Raha tsy afaka ny ho misionera ny tenako, dia fara faharatsiny mba afaka manampy ny zanako vavy sy ireo mpisava lalana roa namany eo amin’ny fanompoana manontolo andro aho. Tamin’izay fotoana izay, dia nentinay sy i John ho toy ny zanakay i Nuria sy i Ana, mpisava lalana roa naman’i Eunice hatramin’ny 15 taona teo ho eo. Ary faly izy ireo nandray anay hiara-mipetraka aminy, na aiza na aiza mety hanendrena azy ireo.

Enin-taona mahery izay no lasa hatramin’ny nanaovanay io fanapahan-kevitra io. Tsy niharatsy kokoa ny fahasalamanay, ary tena nanjary mahaliana kokoa ny fiainanay. Tsy tena mbola afaka miteny espaniola loatra aho, nefa tsy mahasakana ahy tsy hitory izany. Mahatsiaro tena ho toy ny any aminay izaho sy i John, ao amin’ny kongregasiona kelinay eto Extremadura, atsimo andrefan’i Espaina.

Ny fipetrahana teto Espaina dia nampianatra ahy be dia be momba ny maha-iraisam-pirenena ny asa fitoriana ilay Fanjakana ataontsika, ary izao aho dia mahatakatra mazava kokoa hoe amin’ny ahoana no hoe “ny tanimbary dia izao tontolo izao”, araka ny nolazain’i Jesosy Kristy. — Matio 13:38.

[Sary, pejy 28]

Fanaovana ny asan’ny mpisava lalana tamin’ireo taona 1930

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara