‘Satria Manana Izany Fanompoana Izany Isika, dia Tsy Ketraka’
NOTANTARAIN’I RONALD TAYLOR
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1963, dia teo am-piadiana ho an’ny fiainako aho. Teo am-pandehandehanana teny amoron-dranomasina aho no tafiditra tao anatin’ny lempona niletsy iray, ka tafalatsaka tampoka tao amin’ny rano lalina be. Noho izaho tsy nahay nilomano, dia saika maty an-drano aho, nefa metatra vitsivitsy avy teo amoron-drano fotsiny. Efa nilentika intelo aho ary efa nitelina ranomasina be dia be vao tsinjon’ny sakaiza iray ny toe-javatra nampahonena nisy ahy, ka nitaritarika ahy nankeny amorony izy. Noho ny fanaovana famelomana haingana avy etỳ ivelany (respiration artificielle), dia velona ihany aho.
TSY vao voalohany tamin’io no nahatsapako ny maha-zava-dehibe ny tsy hanariana toky na oviana na oviana — na dia toa mahavery fanantenana aza ny toe-javatra. Efa hatramin’ny fahakeliko aho no tsy maintsy niady ho an’ny fiainako ara-panahy.
Nandritra ireo fotoana nanjombona tamin’ny ady lehibe faharoa no nifampikasohako voalohany tamin’ny fahamarinana kristiana. Izaho dia iray tamin’ireo ankizy an’arivony maro nafindra toerana avy tao Londres mba ho afa-mandositra ny loza nentin’ny fanafihana tampoka tamin’ny fandatsahana baomba. Noho izaho vao 12 taona monja, dia tsy tena nidika ho zavatra betsaka tamiko ny ady; saika toy ny fanandraman-javatra iray nanaitaitra kosa aza izy io.
Ny mpivady zokiolona iray tao Weston-super-Mare, any avaratra andrefan’i Angletera, no nikarakara ahy. Tsy ela taorian’ny nahatongavako tao an-tranon’ilay mpivady, dia nisy mpitory mpisava lalana nanomboka nitsidika anay. Izany dia ny fianakaviana Hargreaves; mpisava lalana manokana avokoa izy efatra: i Reg, i Mabs, i Pamela sy i Valeri. Nanaiky ny fahamarinana ireo ray aman-dreny nitaiza ahy, ary rehefa avy nianatra ilay boky hoe La Harpe de Dieu aho, dia nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah koa. Iray volana sy tapany monja tatỳ aoriana dia efa nasaina nandray anjara tamin’ny asa fitoriana aho.
Mbola tadidiko foana izany andro voalohany nivoahana teny amin’ny asa fanompoana izany. Tsy nisy fanomanana na inona na inona, fa nomena bokikely vitsivitsy aho ary nilazana hoe: “Miasa amin’itỳ ilan-dalana itỳ izany ianao.” Ary tamin’izany fomba izany no nandiavako ny andro voalohany nitoriana. Tamin’izany fotoana izany, dia matetika izahay no nitory tamin’ny fampiasana ireo kapila nirakitra toriteny mafonja nalefa tamin’ny grafofaonina. Tamiko, ireo fotoana nahafinaritra indrindra dia rehefa afaka nitondra ny grafofaonina isan-trano aho ary nandefa ireo lahateny noraisina feo. Noheveriko fa tena tombontsoa ny nampiasaina tamin’izany fomba izany.
Nanao fanambarana be dia be aho tany an-tsekoly, ary tadidiko ny nametrahako fitambaram-boky niorina tamin’ny loha hevitra avy tao amin’ny Baiboly tamin’ilay tale. Fony aho 13 taona, dia natao batisa tany amin’ny fivoriambe tsy lavitra, tao Bath, aho. Ny fivoriambe hafa iray natao tamin’ny fotoan’ny ady tsy hohadinoiko na oviana na oviana, dia ilay natao tany Leicester tamin’ny 1941, tao amin’ny Efitrano De Montfort. Niakatra teny ambonin’ny lampihazo aho mba handray ny bokiko Ireo Ankizy (anglisy), izay nirakitra hafatra manokana avy tamin’ny Rahalahy Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany. Ny lahateny nandrisika natao ho an’ireo tanora rehetra nanatrika dia nanamafy bebe kokoa ny faniriako hanompo an’i Jehovah mandrakizay.
Araka izany, dia nandany roa taona sambatra nitomboana tao amin’ny fahamarinana aho, niaraka tamin’ny ray aman-dreny nitaiza ahy. Nony 14 taona anefa aho dia tsy maintsy niverina tany Londres ary tsy maintsy nanomboka niasa mba hivelomana. Na dia tafakambana tamin’ny fianakaviako ara-nofo indray aza aho, ankehitriny dia tsy maintsy nijoro nahaleo tena teo amin’ny ara-panahy, satria tsy nisy nanaiky ny zavatra ninoako ny tao an-trano. Tsy ela dia nanome ny fanampiana nilaiko i Jehovah. Roatokom-bolana monja taorian’ny nahatongavako tao Londres dia tonga nitsidika tao an-trano ny rahalahy iray mba hangata-dalana tamin-draiko hitondra ahy tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Ilay rahalahy dia i John Barr, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tonga iray tamin’ireo ‘raiko’ ara-panahy izy nandritra ireo taona sarotra naha-zatovo ahy. — Matio 19:29.
Nanomboka niaraka tamin’ny Kongregasiona Paddington izay nivory tao Craven Terrace teo akaikin’ny Betelan’i Londres, aho. Koa satria aho kamboty ara-panahy, dia i “Papa” Humphreys, rahalahy voahosotra zokiolona iray, no notendrena hikarakara manokana ahy. Fitahiana lehibe marina tokoa ny nahafahana nifanerasera tamin’ireo rahalahy sy anabavy maro voahosotra, izay nanompo tao amin’izany kongregasiona izany. Izahay izay nanana fanantenana ny hiaina eto an-tany, nantsoina hoe Jonadaba, dia vitsy dia vitsy. Raha ny marina, dia tsy nisy afa-tsy izaho irery no “Jonadaba” tao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izay niarahako. Na dia tsy nanana fifaneraserana betsaka tamin’ireo nitovy taona tamiko aza aho, dia nanome fianarana mahasoa maro ho ahy izany fifaneraserana sarobidy tamin’ireo rahalahy matotra izany. Angamba ny fianarana lehibe indrindra dia ny hoe tsy tokony hiala na oviana na oviana amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Tamin’izany fotoana izany, dia nanana fahazarana izahay nanokana ny faran’ny herinandro manontolo tamin’ny asa fitoriana. Notendrena aho hikarakara ny “fiara nisy fanamafisam-peo”, izay, raha ny marina, dia bisikilety nisy kodiarana telo namboarina mba hitana fitaovam-panamafisam-peo sy bateria iray amin’ny fiara. Isaky ny asabotsy, dia nandeha tamin’ilay bisikilety nisy kodiarana telo aho ary nankeny amin’ny zoron-dalana samy hafa, ka teny dia nandefa kapila nisy mozika ary avy eo dia nandefa ny iray tamin’ireo lahatenin’ny Rahalahy Rutherford. Nampiasaina hanaovana asa teny an-dalana tamin’ny alalan’ireo kitapo lamba nisy ireo gazetintsika koa ny asabotsy. Ny alahady dia natokana ho an’ny asa isan-trano, nanolorana ireo bokikely sy boky mifono baoritra.
Ny fifaneraserako tamin’ireo rahalahy be taona kokoa sady be zotom-po dia namelona tao amiko ny faniriana ny ho tonga mpisava lalana. Io faniriana io dia nohatanjahina rehefa nihaino ireo lahateny ho an’ny mpisava lalana tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika aho. Ny fivoriambe iray nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainako dia ilay natao tany amin’ny Efitrano Earl’s Court tao Londres tamin’ny 1947. Roa volana tatỳ aoriana, dia nirotsaka tamin’ny asan’ny mpisava lalana aho ary niezaka mafy hatramin’izay. Ny fifaliana tsapa avy tamin’ny fitarihana fampianarana Baiboly mandroso dia nanamafy fa izany no fanapahan-kevitra nety.
Vady espaniola sy fanendrena tany Espaina
Tamin’ny taona 1957, fony mbola mpisava lalana tao amin’ny Kongregasiona Paddington aho dia nihaona tamin’ny anabavy espaniola tsara tarehy iray antsoina hoe Rafaela. Rehefa afaka volana vitsivitsy dia nivady izahay. Ny tanjona nanananay dia ny hiara-manao ny asan’ny mpisava lalana, nefa nandeha nankany Madrid aloha izahay mba hahafahako hihaona tamin’ny ray aman-drenin’i Rafaela. Izany dia fitsidihana iray nampiova ny fiainako. Fony tao Madrid izahay dia nanontany ahy ny Rahalahy Ray Dusinberre, mpiandraikitra ny sampana tao Espaina, raha toa ka noheverinay ny hanompo tany Espaina, izay nila aoka izany rahalahy manana fanandraman-javatra.
Ahoana no ahafahanay mandà izany fanasana izany? Araka izany, dia niara-nanomboka ny fanompoanay manontolo andro tao Espaina izahay tamin’ny 1958. Tamin’izany fotoana izany, ilay tany dia teo ambanin’ny fanapahan’i Franco, ary tsy nekena ho ara-dalàna ny asanay, ka izany dia nahatonga ny asa fitoriana ho tena sarotra. Ankoatra izany, ny roa taona voalohany dia tena sahirana be aho nianatra ny fiteny espaniola. Tsy tarehin-javatra tokony hanariana toky indray tamin’izay, na dia nitomany noho ny fahakiviana tanteraka aza aho tamin’ny fotoana sasany, vokatry ny tsy fahafahana nampita hevitra tamin’ireo rahalahy tao anatin’ny kongregasiona.
Lehibe aoka izany ny nilana mpiandraikitra, hany ka na dia zara aza raha afaka niteny espaniola aho, dia efa nikarakara antokon’olom-bitsy iray tao anatin’ny iray volana. Noho ny asanay natao niafina, dia nalamina ho antokon’olom-bitsy maromaro, nisy mpitory 15 ka hatramin’ny 20, azo lazaina ho niasa toy ny kongregasiona kely, izahay. Tamin’ny voalohany dia nampihendratrendratra ny nitarika ireo fivoriana satria tsy azoko foana ny hevitry ny valin-tenin’ny mpanatrika. Nipetraka tany aoriana anefa ny vadiko, ary raha toa ka tsinjony fa sanganehana aho, dia nahetsiny kely ny lohany mba hanamafisana fa marina ilay valin-teny.
Tsy talentako ny fianarana fiteny vahiny, ary matetika aho no te hiverina tany Angletera, ka tany aho dia ho afaka nanao ny zavatra rehetra moramora kokoa. Hatrany am-piandohana anefa dia nanonitra ny fahakiviako noho ny fiteny, ny fitiavana sy ny fisakaizana nasehon’ireo rahalahy sy anabavy malala espaniola. Ary i Jehovah dia nitahy ahy tamin’ny tombontsoa manokana, izay nahatonga izany rehetra izany ho toa mendrika ny fiezahana nanaovana azy. Tamin’ny 1958, dia nasaina aho hanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenena natao tao New York tamin’ny naha-solontena avy tany Espaina. Taorian’izany aho, dia nandray fampiofanana tsy hay tombanana tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, tamin’ny 1962, voalamina tao Tanger, any Maroc, ho anay.
Ny zava-manahirana hafa iray natrehiko, ankoatra ny fiteny, dia ny fanahiana lava ny hoentin’ny polisy any am-ponja. Tamin’ny naha-vahiny ahy, dia fantatro fa ny hoe voasambotra dia hidika avy hatrany ho fandroahana ahy hiala tao amin’ilay tany. Mba hampihena ny mety hitrangan’izany, dia niasa tsiroaroa izahay. Raha teo am-panaovana fanambarana ny iray, dia nihaino izay rehetra mety ho famantarana loza ilay hafa. Rehefa avy nitsidika varavarana iray na roa izahay, matetika tany amin’ny rihana farany ambony amin’ny trano avo iray, dia nandeha tany amin’ny vondron-trano roa na telo lavitra teo mba hitsidika trano roa na telo hafa indray. Nampiasa malalaka ny Baiboly izahay, ary tsy nitondra afa-tsy bokikely vitsivitsy nasitrika tao anatin’ny kapaotinay mba hatolotra amin’ireo olona liana.
Rehefa avy nandany herintaona tao Madrid izahay dia notendrena hankany Vigo, tanàn-dehibe iray any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Espaina, izay tsy nisy Vavolombelona mihitsy. Ny volana voalohany na toy izany, dia nanoro hevitra ny Fikambanana mba hanaovan’ny vadiko ny ankabeazan’ny fanambarana — mba hiheverana fa izahay dia nitsidika tamin’ny naha-mpizaha tany. Na dia teo aza ny fomba natao mba tsy hanintonana ny saina firy, dia nanintona ny saina ny fitoriana nataonay. Tao anatin’ny iray volana, dia nanomboka niampanga anay tamin’ny radio ireo pretra katolika. Nampitandrina ireo mpiangona tao aminy izy ireo fa nisy mpivady iray nandeha isan-trano, niresaka momba ny Baiboly — boky saika mbola voarara tamin’izany fotoana izany. Amin’ilay “mpivady tadiavin’ny polisy” dia vahiny ilay lehilahy ary espaniola ny vadiny, ka izy no nanao saika ny resaka rehetra!
Nodidian’ireo pretra fa ny firesahana fotsiny tamin’io mpivady nampidi-doza io dia fahotana izay tsy ho voavela raha tsy tamin’ny fanaovana konfesy tamin’ny pretra ihany. Ary araka ny nanampoizana azy, rehefa namarana ny resaka nahafinaritra nataonay tamin’ny ramatoa iray izahay, dia nilaza taminay tamim-pialan-tsiny izy fa tsy maintsy nandeha nikonfesy. Rehefa nandao ny tranony izahay, dia hitanay izy nandeha haingana nankany am-piangonana.
Fandroahana
Roa volana monja taorian’ny nahatongavanay tao Vigo dia nanao be midina ny polisy. Tsara fanahy ilay polisy nisambotra anay ka tsy nasiany rojo vy ny tananay teny an-dalana nankany amin’ny paositry ny polisy. Tao izahay dia nahita endrika nahazatra, ilay mpitendry masinina izay nanaovanay fanambarana vao haingana. Nazava fa saikatsaikatra izy nahita anay nentina toy ny mpanao heloka bevava, ary niolomay nanome toky anay fa tsy izy no niampanga anay. Na dia izany aza, dia nomelohina ho nahatandindomin-doza ny “firaisan-tsaina ara-panahin’i Espaina” izahay, ary iray volana sy tapany taorian’izay, dia noroahina niala tao amin’ilay tany.
Fahadisoam-panantenana izany, nefa tsy nanan-kevitra ny hanary toky izahay. Mbola nisy asa betsaka tokony hatao teo amin’ny Saikinosy Ibérique. Rehefa avy nandany telo volana tany Tanger izahay dia notendrena hankany Gibraltar — faritany hafa iray mbola tsy niasana. Toy ny ilazan’ny apostoly Paoly azy, raha mihevitra ho sarobidy ny fanompoantsika isika, dia tsy hitsahatra hiasa ary hovalian-tsoa. (2 Korintiana 4:1, 7, 8). Hita fa marina izany tamin’ny tarehin-javatra nisy anay. Teo amin’ny trano voalohany notsidihinay tao Gibraltar, dia nanomboka fampianarana Baiboly niaraka tamin’ny fianakaviana iray manontolo izahay. Tsy ela dia samy nitarika fampianarana Baiboly 17 avy izahay. Maro tamin’ireo olona niara-nianatra taminay no tonga Vavolombelona, ary tao anatin’ny roa taona, dia nisy kongregasiona iray nisy mpitory 25 tao.
Toy ny tany Vigo anefa, dia nanomboka nanao fampielezan-kevitra hanoherana anay ny klerjy. Ny eveka anglikana tao Gibraltar dia nampitandrina ny lehiben’ny polisy fa olona “tsy irina” izahay, ary tamin’ny farany dia nisy vokany ny fitaomana nampihariny. Tamin’ny Janoary 1962 dia voaroaka tao Gibraltar izahay. Taiza no nalehanay nanaraka izany? Mbola nilana mpitory betsaka tany Espaina, koa niverina tany izahay, tamin’ny fanantenana fa efa voalamina ka tsy nokarakarain’ny polisy intsony ny tahirin-taratasy momba anay teo aloha.
I Séville talaky masoandro no fonenanay vaovao. Tao izahay dia nanana fifaliana niara-niasa akaiky tamin’ny mpivady mpisava lalana hafa iray, ry Ray sy Pat Kirkup. Na dia tanàna nisy mponina dimy hetsy aza i Séville, dia tsy nisy afa-tsy mpitory 21 tao, koa be dia be ny asa tokony hatao. Ankehitriny dia misy kongregasiona 15 sy mpitory 1 500 ao. Herintaona tatỳ aoriana dia nahazo fanomezana nahafinaritra tsy nampoizina izahay; nasaina hanompo tao amin’ny asa fitetezam-paritany tao amin’ny faritr’i Barcelone izahay.
Niavaka ihany ny asan’ny fizaran-tany tao amin’ny tany izay tsy nanekena ho ara-dalàna ny asanay. Isan-kerinandro izahay dia nitsidika antokon’olom-bitsy, ka ny ankamaroany dia tsy nanana afa-tsy rahalahy nahay tena vitsy. Ireny rahalahy niasa mafy ireny dia nila ny fampiofanana sy ny fanohanana rehetra izay azonay nomena azy ireo. Tianay io fanendrena io! Rehefa avy nandany taona maromaro tao amin’ireo faritra izay tsy nisy afa-tsy Vavolombelona vitsy kely na tsy nisy Vavolombelona mihitsy izahay, dia faly tamin’ny fitsidihana rahalahy sy anabavy maro be erỳ. Ankoatra izany, dia mora kokoa ny asa fitoriana tao Barcelone, ary olona maro no naniry hianatra ny Baiboly.
Fiadiana tamin’ny fahaketrahana
Enim-bolana monja tatỳ aoriana anefa, dia niova tamin’ny fomba nampangitakitaka ny fiainako. Saika nanjary loza ny niafaran’ny fialan-tsasatray voalohany teny amoron-dranomasina, fony aho niharan’ilay voina voalaza terỳ aloha. Nihatsara haingana ihany aho teo amin’ny ara-batana vokatr’ilay fahatairana mafy tamin’ny saika nahafaty an-drano, kanefa namela soritra tsy azo kosehina teo amin’ny rafi-pitatitro izy io.
Nandritra ny volana vitsivitsy, dia niezaka mafy aho mba tsy hitsahatra tamin’ny asan’ny fizaran-tany, nefa tamin’ny farany aho dia tsy maintsy niverina tany Angletera mba hanaraka fikarakarana ara-pitsaboana. Rehefa afaka roa taona, dia nihatsara tamin’ny fomba nety ny fahasalamako, ka afaka niverina tany Espaina izahay, ary nanomboka indray ny asan’ny fizaran-tany tany. Nandritra ny fotoana fohy fotsiny anefa izany. Nanjary narary mafy ny ray aman-drenin’ny vadiko, ary niala tamin’ny fanompoana manontolo andro izahay mba hikarakarana azy ireo.
Nanjary nihasarotra ny fiainana rehefa azon’ny fikorontanana ara-tsaina aho tamin’ny 1968. Nisy fotoana samy nieritreretanay sy i Rafaela fa tsy hihatsara intsony aho. Toy ny hoe maty an-drano, fa tamin’ny fomba hafa indray aho! Ankoatra ny hoe nanototra ahy tamin’ny fihetseham-po tsy manorina ilay fahaketrahana, dia namoizako ny heriko rehetra koa izy io. Nijaly noho ny famelezan’ny faharerahana tafahoatra, izay nanery ahy saika handry foana, aho. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy ny rahalahy rehetra no nahazo ny hevitr’io karazan-java-manahirana io; mazava ho azy fa fantatro fa i Jehovah dia nahazo izany. Fahafaham-po lehibe ho ahy ny namaky ireo lahatsoratra nahafinaritra tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izay sady tena mahatakatra ny fihetseham-po no manampy ireo izay ketraka.
Nandritra izany fotoan-tsarotra rehetra izany, dia loharanom-pampaherezana tsy tapaka ny vadiko. Ny fiezahana hiara-mandresy ireo zava-manahirana dia tena manatanjaka ny fatoram-panambadiana. Nody mandry ny ray aman-drenin’i Rafaela, ary taorian’ny 12 taona, dia nihatsara ny fahasalamako ka nihevitra izahay fa afaka niverina tamin’ny fanompoana manontolo andro indray. Tamin’ny 1981, dia sady gaga no faly izahay nasaina hanompo tamin’ny asan’ny fizaran-tany indray.
Nisy fiovana teokratika lehibe nitranga tany Espaina hatramin’ny fanandraman-javatra hitanay teo aloha tao amin’ny asa fanompoana nitetezana faritany. Nalalaka izao ny fitoriana, hany ka tsy maintsy nifankazatra tamin’ny toe-javatra vaovao nisy aho. Kanefa, dia tombontsoa lehibe ny niasa tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany indray. Ny nanaovanay ny asan’ny mpisava lalana na dia teo aza ireo toe-javatra sarotra dia nahafahanay nampahery ireo mpisava lalana izay nanan-java-nanahirana. Ary matetika izahay no afaka nanampy ny hafa hiditra amin’ny laharan’ny mpisava lalana.
Taorian’ny 11 taona nanaovana ny asa fitetezam-paritany tao Madrid sy Barcelone, dia nanery anay hiova tamin’ny asa nanendrena indray ny fahasalamanay narefo. Notendrena ho mpisava lalana manokana tany amin’ny tanànan’i Salamanque izahay, ka tao aho dia nilaina tamin’ny naha-loholona. Nandray anay tsara avy hatrany ireo rahalahy tao Salamanque. Herintaona tatỳ aoriana, dia nitsapa ny fiaretanay ny fahasahiranana lehibe hafa iray.
Nanjary tena tsy ampy ra tamin’ny fomba tsy hay nohazavaina i Rafaela, ary ireo tsikera dia nampiseho fa voan’ny kanseran’ny tsinaibe izy. Ankehitriny dia izaho no tsy maintsy ilay matanjaka ary nanome ny fanohanana rehetra izay azoko natao ho an’ny vadiko. Ny fihetsikay voalohany dia ny tsy finoana, narahin’ny tahotra avy eo. Ho tafavoaka velona tamin’izany ve i Rafaela? Amin’ny fotoana toy itony, dia ny fitokiana feno amin’i Jehovah no nanampy anay hanohy. Faly aho milaza fa nahomby ny fandidiana an’i Rafaela, ary manantena izahay ny tsy hiverenan’ilay kansera.
Na dia tantely amam-bahona aza ny fiainanay nandritra ireo 36 taona nolaninay tany Espaina, dia nahafaly ny niaina nandritra io fotoana nisian’ny fitomboana ara-panahy io. Nahita ny antokon’olom-bitsy nisy mpitory 800 nitombo ho tafika misy mpitory 100 000 mahery izahay ankehitriny. Ireo zava-tsarotra nahazo anay dia voatakon’ireo fifaliana maro: fanampiana ny hafa hanaiky ny fahamarinana sy hihamatotra ara-panahy, fiarahana miasa amin’ny maha-mpivady, sy fahatsapana fa nampiasa ny fiainanay tamin’ny fomba tsara indrindra azonay natao izahay.
Nilaza toy izao i Paoly tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintiana: “Satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka.” (2 Korintiana 4:1). Rehefa manao jery todika amin’ny lasa aho dia heveriko fa nisy anton-javatra maromaro nisakana ahy tsy hanary toky teo amin’ny fiainako. Ny oha-pahatokian’ireo rahalahy voahosotra izay nihevitra ahy nandritra ireo taona nitomboako, dia nanome fototra tsara dia tsara. Ny fananana vady izay niara-nanana tanjona ara-panahy nitovy tamin’ny ahy dia fanampiana mahatalanjona; rehefa nahatsapa fahaketrahana aho, dia nampahery ahy i Rafaela ary toy izany koa no nataoko ho azy. Ny fahaizana mandray ny toe-javatra amin’ny vazivazy koa dia soa lehibe iray. Ny hoe afaka mihomehy miaraka amin’ireo rahalahy — sy mihomehy ny tenananay — dia mahatonga ireo zava-manahirana ho toa tsy dia goavana.
Ambonin’ny zavatra rehetra anefa, dia mitaky ny tanjaka avy amin’i Jehovah ny fiaretana eo anoloan’ireo fisedrana. Tadidiko foana ny tenin’i Paoly manao hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” Noho i Jehovah manohana anay, dia tsy mila ny hanary toky mihitsy izahay. — Filipiana 4:13.
[Sary, pejy 23]
Ronald sy Rafaela Taylor tamin’ny 1958
[Sary, pejy 24, 25]
Fivoriana teo ambanin’ny fandrarana tany Espaina (1969)