Fotoam-pifaliana — Ny Fizarana ny Diplaoman’ny Kilasy Faha-104-n’i Gileada
“ANDRO mahafaly ny andro anio, ary faly avokoa isika rehetra.” Tamin’ireo teny ireo no nanokafan’i Carey Barber, anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny lanonana fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-104-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tamin’ny 14 Martsa 1998. Nasaina hanomboka ilay fotoana ireo mpanatrika niisa 4 945, tamin’ny fihirana ny hiran’ilay Fanjakana faha-208, mitondra ny lohateny hoe “Hiram-pifaliana Iray”.
Torohevitra azo ampiharina mba hahasambatra hatrany
Nanome torohevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba hihazonana ilay toe-tsaina falifaly, izay namonto ilay andro fizarana diplaoma, ny tapany fanokafana ilay fandaharana tamin’ny fitohitohizana lahateny dimy fohy, niorina tamin’ny Baiboly.
I Joseph Eames, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, no nanao ny lahateny voalohany. Ilay loha hevitra hoe “Tahafo ny Toe-tsain’ireo Tsy Mivadika”, niorina tamin’ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny 2 Samoela toko faha-15 sy faha-17, no novelabelariny. Voatantara ao ny amin’i Absaloma, zanakalahin’i Davida, izay nitetika handrombaka ny fanjakana nomen’Andriamanitra ny rainy, tamin’ny fitaomana ny olona hikomy. Nisy anefa ireo nitoetra ho tsy nivadika tamin’i Davida Mpanjaka, voahosotr’i Jehovah. Inona no fianarana azon’ireo misionera vaovao raisina avy amin’izany? “Na aiza na aiza anendrena anareo ho misionera, dia manehoa tsy fivadihana amin’ny fampandrosoana ny toe-tsaina maneho fiaraha-miasa sy fanajana ny fahefana teokratika. Ampio ny hafa hanao toy izany koa”, hoy ny famaranan-tenin’ny Rahalahy Eames.
Nanarakaraka avy eo tamin’ilay fandaharana i David Sinclair, izay nanoritra zavatra takina folo, voatonona ao amin’ny Salamo faha-15, mba hahatonga ny tena ho anisan’ny vahiny ao ‘an-dain’i Jehovah’ (NW ). Nitondra ny lohateny hoe “Mitoera ho Vahiny ao An-dainareo Misionera” ny lahateniny, izay nampirisika ireo mpianatra nahazo diplaoma mba hampihatra io salamo io any amin’ny toerana hanendrena azy ho misionera, satria vahiny izy ireo any. Nasongadin’ny Rahalahy Sinclair fa zava-dehibe ny hiainana mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra. Ny vokany? Hoy ny Salamo 15:5: “Izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.”
Nanarakaraka avy eo i John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary nisarika ny saina ho amin’ny vokatra mankahery entin’ny fihirana any amin’ny fivoriana kristiana izy. Inona anefa no hiram-pifaliana tsara indrindra hiraina maneran-tany amin’izao andro izao? Ny vaovao tsaran’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra. Inona no vokatr’izany fihirana, na fitoriana momba ilay Fanjakana, rehetra izany? Milaza izany amin’ny teny fohy sy mazava ny andininy faharoa amin’ilay hira faha-208, manao hoe: “Olona maro no tia an’i Jah noho ny fampianarantsika. Izy ireo koa dia miredona hiram-pifaliana ho azy.” Eny, mpianatra vaovao tokony ho 1 000 no atao batisa isan’andro. Hoy ny famaranan-tenin’ny Rahalahy Barr: “Tsy mahatalanjona ve, ry rahalahy, ny mieritreritra fa ianareo dia irahina ho any amin’ny faritany hahitanareo karazan’olona miandry fotsiny ny handre ny hira fideranareo?”
“Henoy ny Tenin’ny Za-draharaha”. Izany no lohatenin’ny lahateny nanaraka nataon’i James Mantz, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana. Nasehony mazava fa misy zavatra sasany tsy azo ianarana, raha tsy iainan’ny tena mihitsy. (Hebreo 5:8). Na dia izany aza, ny Ohabolana 22:17 dia mampirisika antsika mba ‘hanongilan-tsofina ka hihaino ny tenin’ny hendry’, na ireo za-draharaha. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ireo teo alohany ireo mpianatra nahazo diplaoma. “Hain’izy ireny ny miady varotra amin’ny mpivarotra eo an-toerana. Hainy hoe aiza ny faritra tsy tokony haleha, satria mampidi-doza ara-bakiteny na ara-pitondran-tena. Hainy hoe inona no maha mora tohina ny olona eo an-toerana. Hain’ny misionera ela nihetezana izay ilainareo mba hahasambatra anareo sy hahombiazanareo any amin’ny toerana anendrena anareo”, hoy ny Rahalahy Mantz.
Nivaofy ilay loha hevitra hoe “Ankasitraho ny Fanendrena Teokratika Azonareo”, i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada. Nohazavainy fa nahazo fanendrena avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy masina na ny fisehoan-javatra mahagaga ny misionera sasany, toy ny apostoly Paoly, i Timoty, sy i Barnabasy, fa ny “mpanompo mahatoky sy malina” kosa no manendry ny misionera niofana tao Gileada ho any amin’ny toerana iray eo amin’ny saha maneran-tany. (Matio 24:45-47, NW ). Nampitahainy tamin’ny toerana nanendren’i Gideona ireo miaramilany handeha hiady tamin’ny Midianita, ny toerana anendrena ny misionera. (Mpitsara 7:16-21). “Ankasitraho ny fanendrena teokratika azonareo misionera. Tsy misy hafa amin’ny miaramilan’i Gideona ‘nijanona teo amin’ny fitoerany avy’, dia hevero ho ny toerana tokony hisy anareo izay anendrena anareo. Manàna finoana fa afaka mampiasa anareo i Jehovah, tsy misy hafa amin’ny nampiasany ireo telonjato lahy niaraka tamin’i Gideona”, hoy ny fampirisihan’ny Rahalahy Liverance.
Mitondra fahasambarana ny fifantohana amin’ny olona
Nanome izao fanazavana izao Ny Tilikambo Fiambenana indray mandeha: “Aleo tsy mampifantoka ny fahaliananao sy ny fiainanao amin’ny milina na ny zavatra hafa eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia zavatra tsy ananantsika antoka fa haharitra, fa tsaratsara kokoa sy fahendrena kokoa ny mihevitra lalina ny olona sy mitady ny tena fifaliana amin’ny fanaovan-javatra ho azy ireny.” Mifanaraka amin’izany, ny Rahalahy Mark Noumair, mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada, dia niara-nidinika tamin’ny mpianatra sasany momba ny zavatra hitan’izy ireo teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ary dia nilaza izy hoe: “Hahatonga anareo ho misionera tsara ny fanehoanareo fiheverana manokana ny hafa.”
Fanalahidin’ny fahasambarana eo amin’ny saha any an-tany hafa
Inona avy no fanalahidin’ny fahombiazana sy ny fahasambarana eo amin’ny asa misionera? Nanadinadina rahalahy, anisan’ny Komitin’ny Sampana samy hafa, nanatrika ny kilasy fahasivin’ilay sekoly ho azy ireo, ny Rahalahy Charles Woody, ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, sy ny Rahalahy Harold Jackson, misionera taloha tany Amerika Latina sady mpanampy ny Komitin’ny Fampianarana. Indreto ny santionany tamin’ny torohevitra natolotr’izy ireny:
Nanao fanamarihana toy izao i Albert Musonda avy atsy Zambia: “Rehefa ny misionera no manatona sy miarahaba voalohany ireo rahalahy, dia miteraka toe-tsaina tsara dia tsara izany, satria ho akaiky an’ilay misionera ireo rahalahy, ary ho akaiky azy ireo ilay misionera.”
Nanipy hevitra i Rolando Morales avy any Goatemalà hoe toy izao no havalin’ny misionera vaovao amin-katsaram-panahy sy amim-pahaiza-mandanjalanja, rehefa toloran’ny olona sariaka zava-pisotro: “Vaovao eto amin’itỳ tany itỳ aho. Iriko tokoa ny ho afaka hisotro an’iny, saingy mbola tsy manana ny hery fiarovana voajanahary toy ny an’ny vatanao ny vatako. Antenaiko fa ho afaka handray azy iny aho indray andro any, ary ho faly tokoa aho hanao izany.” Inona avy no soa azo avy amin’ny karazam-balin-teny toy izany? “Tsy ho tafintohina ny olona, ary ho tsara fanahy amin’ny hafa ny misionera.”
Inona no afaka manampy ny misionera hiaritra any amin’ny toerana anendrena azy? Izao no fanamarihana nataon’ny Rahalahy Paul Crudass, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-79-n’i Gileada sady manompo atsy Liberia efa hatramin’ny 12 taona: “Fantatro fa malahelo ny zanany ny ray aman-dreny. Misy fotoana anefa iezahan’ny misionera hizatra amin’ilay tany sy ny faritra iainana sy ny kolontsaina ary ny olona. Mety ho te handeha izy. Raha mahazo taratasy avy any aminy izy, manao hoe: ‘Malahelo be anao izahay; tsy fantatray izay hatao fa tsy eo ianao’, dia mety ho ampy azy izany mba hahatonga azy hangorona entana ka hody. Tena zava-dehibe raha mitadidy an’izany ireo havana tonga eto androany.”
Taorian’ny fanadinadinana, dia nanao ny lahateny farany tamin’ilay fandaharana i Theodore Jaracz, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Izao no loha hevitra novelabelariny: “Ataovy ho Loha Laharana Hatrany eo Amin’ny Fiainanao Ilay Fanjakana”. Ahoana no ahafahan’ny misionera mifantoka hatrany amin’ny asany ka tsy ho voahelingelina amin’izany? Nampirisika azy ireo izy mba hanana fandaharam-potoana ho an’ny fianarana manokana ny Baiboly, izay hanampy azy ireo hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Ary nanao izao fampahatsiahivana tonga ara-potoana izao izy: “Misy misionera sasany nanao tsirambina ny fianarana manokana, satria nanjary variana loatra tamin’ny fitaovana elektronika kely maoderina, ny fifandraisana elektronika, sy ny ordinatera. Tokony hahalala onony isika amin’ny fampiasana fitaovana na inona na inona, ka tsy handany fotoana be loatra amin-javatra izay mety haka amin’ny fotoana fanaovantsika fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra.”
Taorian’ny lahateny nataon’ny Rahalahy Jaracz no natao ny fanolorana ireo diplaoma sy ny famakiana taratasy fankasitrahana iray avy amin’ilay kilasy. Toy izao no nilazan’ilay solontenan’ilay kilasy ny fihetseham-pon’ny rehetra: “Hitanay ny porofo azo tsapain-tanana ny amin’ilay fitiavana nolazain’i Jesosy fa hampiavaka ny mpianany, ary nanome toky anay izany fa na aiza na aiza misy anay, dia eo ny fandaminana be fitiavana, toy ny reny, manohana anay sady mampiseho fandraisana mafana. Vonona handeha hatrany amin’ny faran’ny tany izahay, satria mahazo izany fanohanana izany.” Izany ka teny famaranana nampihetsi-po ho an’ilay andro nahafaly fizarana diplaoma ho an’ilay kilasy faha-104-n’i Gileada.
[Efajoro, pejy 24]
Antontan’isa Momba Ilay Kilasy
Isan’ny tany nanana solontena: 9
Isan’ny tany nanendrena: 16
Isan’ny mpianatra: 48
Isan’ireo mpivady: 24
Salan’ny taona: 33
Salan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16
Salan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12
[Sary, pejy 25]
Ny Kilasy Faha-104 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-Baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana
1) Romero, M.; Howarth, J.; Blackburne-Kane, D.; Hohengasser, E.; West, S.; Thom, S. 2) Colon, W.; Glancy, J.; Kono, Y.; Drews, P.; Tam, S.; Kono, T. 3) Tam, D.; Zechmeister, S.; Gerdel, S.; Elwell, J.; Dunec, P.; Tibaudo, H. 4) Taylor, E.; Hildred, L.; Sanches, M.; Anderson, C.; Bucknor, T.; Hohengasser, E. 5) Howarth, D.; Ward, C.; Hinch, P.; McDonald, Y.; Sanches, T.; Thom, O. 6) Drews, T.; Tibaudo, E.; Elwell, D.; Dunec, W.; Blackburne-Kane, D.; Ward, W. 7) Anderson, M.; Zechmeister, R.; McDonald, R.; Bucknor, R.; Glancy, S.; Gerdel, G. 8) Romero, D.; Hinch, R.; Hildred, S.; Taylor, J.; Colon, A.; West, W.
[Sary, pejy 26]
Rahalahy izay nandray anjara tamin’ny fampianarana ny kilasy faha-104: (avy eo ankavia) W. Liverance, U. Glass, K. Adams, M. Noumair