Natao ho Potika Tanteraka ve ny Planeta Tany?
MANAKAIKY ny faran’ny taonjato faha-20, ary efa higadona ny taonjato faha-21. Ao anatin’izany toe-javatra izany, dia olona mihamitombo isa, izay mazàna no zara raha nihevitra, na tsy nihevitra mihitsy ireo faminaniana milaza loza, no manontany tena raha misy fisehoan-javatra lehibe hanaitra an’izao tontolo izao efa manangasanga.
Mety ho efa nahamarika lahatsoratra an-gazety sy gazetiboky momba izany ianao — na boky iray manontolo mihitsy aza, momba io foto-kevitra io. Ny hoe inona no hitranga amin’ny fanombohan’ny taonjato faha-21 dia mbola tsy maintsy andrasantsika vao ho fantatra. Milaza ny olona sasany fa herintaona monja no elanelan’ny fahatratrarana ny faran’ny taona 2000 (na iray minitra avy eo amin’ny 2000 mankeo amin’ny 2001), ka azo inoana fa tsy dia hisy vokany lehibe loatra. Mampanahy kokoa ny maro ny hoavy lavitra ho an’ny planetantsika.
Ny filazana mialoha iray fandre matetika kokoa ankehitriny dia ny hoe amin’ny fotoana iray — na atsy ho atsy, na any aoriana be any — ny planeta Tany mihitsy dia natao ho potika tanteraka. Hevero ny vitsivitsy monja amin’ny filazana mialoha manjombona toy izany.
Ao amin’ilay bokiny hoe The End of the World—The Science and Ethics of Human Extinction, natonta voalohany tamin’ny 1996, ilay mpanoratra sady filôzôfa atao hoe John Leslie dia nilaza fomba telo mety hiafaran’ny fiainan’ny olombelona eto an-tany. Voalohany, dia nanontany izy hoe: “Mety hidika ho faran’ny taranak’olombelona ve ny ady lehibe niokleary?” Avy eo dia nanampy teny izy hoe: “Ny zavatra azo inoana kokoa fa hitranga (...) dia ny fahafonganana ateraky ny vokatry ny taratra: kansera, fihenan’ny rafi-kery fanefitra mahatonga ny areti-mifindra hihanaka be, na fahasembanana maro mahazo ny zazakely hatrany am-bohoka. Eo koa ny mety hahafatesan’ireo zavamiaina bitika dia bitika, izay zava-dehibe amin’ny fahasalaman’ny tontolo iainana.” Ny zavatra fahatelo mety hitranga nasehon’Atoa Leslie dia ny hoe mety hodonin’ny kintana manan-drambo iray, na ny planeta kely iray ny tany: “Raha ny amin’ireo kintana manan-drambo sy planeta kely izay manana lalana mety hifanindry amin’ny an’ny Tany, dia toa misy 2 000 eo ho eo izy ireny, mirefy 1 ka hatramin’ny 10 kilaometatra ny savaivony. Eo koa ireo mbola vaventy kokoa izay somary vitsivitsy (tsy hety ny hanombantombanana ny isany), sy ireo izay madinika kokoa nefa maro kokoa.”
Filazalazana mazava ny “Fara Andro”
Na koa, diniho ny mpahay siansa iray atao hoe Paul Davies, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Adelaide, any Aostralia. Nolazalazain’ny Washington Times ho ny “mpanoratra momba ny siansa fanta-daza indrindra maneran-tany”, izy. Tamin’ny 1994 izy dia nanoratra ilay hoe The Last Three Minutes, izay nantsoina hoe “ny renin’ireo boky rehetra momba ny fara andro”. Nantsoina hoe “Fara Andro” ny toko voalohany tamin’io boky io, ary milazalaza ny fisehoan-javatra heverina hitranga raha mandona ny planeta Tany ny kintana manan-drambo iray. Vakio ny tapany amin’io filazalazana mampihoron-koditra nataony io:
“Mihovitrovitra noho ny hery mitovy amin’ny horohoron-tany iray alina, ilay planeta. Mamafa ny vohon’ny gilaoby manontolo ny herin’ny rivotra diso toerana, ka mandrodana ny trano rehetra, mamotipotika ny zava-drehetra lalovany. Ny faritra fisaka manodidina an’ilay toerana voadona dia misavoana kilaometatra maro, toy ny tendrombohitra miempo, ka mampiseho ny atin’ny Tany avy eo amin’ny lavaka iray 150 kilaometatra ny habeny. (...) Misy tsangam-bovoka goavana feno poti-javatra mivelatra miendrika fikopaka ao anatin’ny habakabaka, ka manamaizina ny masoandro manerana ny planeta manontolo. Izao ny tara-masoandro dia nodimbasan’ny hazavana mampidi-doza sy mamono mason’ny tainkintana an’arivo tapitrisany maro, manakila ny tany atỳ ambany amin’ny hafanany mandoro, ary ireo zavatra nisavoana koa amin’izay dia miverina avy any ambony tsy taka-maso any mankeo amin’ny atmôsfera.”
Avy eo ny Profesora Davies dia mampifandray io fisehoan-javatra heverina hitranga io amin’ilay filazana mialoha hoe handona ny tany ny kintana manan-drambo atao hoe Swift-Tuttle. Nanampy fampitandremana izy hoe na dia mety ho tsy azo inoana fa hitranga atsy ho atsy aza izany zavatra izany, araka ny heviny, “na ho ela na ho haingana, i Swift-Tuttle, na ny zavatra iray mitovy aminy dia tena handona ny Tany”. Ny fanatsoahan-keviny dia miorina amin’ny vinavina iray izay toa manondro fa 10 000 ny isan’ireo zavatra manana savaivo 0,5 kilaometatra na mihoatra, mikisaka amin’ny lalana mifanindry amin’ny lalan’ny Tany.
Mino ve ianao fa tena izy izany fahitan-javatra mampahatahotra izany? Mahagaga fa olona maro no mino izany. Mamono ny eritreriny tsy hihevitra momba izany anefa izy ireo, amin’ny fanomezan-toky ny tenany hoe tsy hitranga amin’ny fotoana hahavelomany izany. Nahoana anefa ny planeta Tany no tokony hopotehina mandrakizay — na tsy ho ela izany, na rehefa afaka an’arivony taona maro? Azo antoka fa tsy ny tany mihitsy akory no antony lehibe mahatonga ny fahasahiranana ho an’ireo monina eo aminy, dia ny olona na ny biby izany. Tsy ny olombelona ihany aza ve no tompon’andraikitra tamin’ny ankamaroan’ireo zava-manahirana tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ, anisan’izany ny mety hahatonga ‘fanimbana tanteraka ny tany’? — Apokalypsy 11:18.
Fanarenana ny tsy fahaizan’ny olombelona mitantana
Ahoana ny amin’ny zavatra azo inoana kokoa fa hitranga, dia ny hoe mety hanimba tanteraka ny tany ny olombelona, noho ny tsy fahaizany mitantana sy ny fierenany? Miharihary fa misy ampahany amin’ny tany efa potika be noho ny fandripahana ala be dia be sy ny fandotoana tsy voafehy ny atmôsfera ary ny fandotoana ny renirano. Izany dia voafintina tsara, 25 taona lasa izay, tao amin’ilay boky hoe Only One Earth, nosoratan’i Barbara Ward sy i René Dubos manao hoe: “Ny faritra lehibe telo misy fandotoana, izay tsy maintsy dinihintsika — ny rivotra sy ny rano ary ny tany — dia mazava ho azy fa anisan’ny foto-javatra telo lehibe, tena ilaina amin’ny fiainantsika eto amin’ny planeta.” Ary tsy nihatsara ny toe-javatra amin’ny ankapobeny taorian’izay, sa ahoana?
Rehefa mandinika ny fanimbana na ny famotehana ny tany mety hataon’ny olona noho ny tsy fahampiam-pisainany isika, dia afaka mahita fampaherezana amin’ny fandinihana ny hery mahatalanjona ananan’ny planeta Tany mba hiverenana amin’ny laoniny sy hamokarana indray. Rehefa nilazalaza an’io fahaiza-miarina mahagaga io i René Dubos, dia nanao izao fanamarihana mampahery izao, ao amin’ilay bokiny hoe The Resilience of Ecosystems:
“Olona maro no matahotra hoe tara loatra ny fahafantarana ny fahasimban’ny tontolo iainana, satria ny ankamaroan’ireo fanimbana efa natao tamin’ny ekôsistema no tsy azo arenina intsony. Araka ny hevitro, dia tsy azo hamarinina izany fijerena lafy ratsin-javatra izany, satria ny ekôsistema dia manana hery lehibe hiarenana avy amin’ny zavatra manimba hitany.
Manana fomba fiasa mandeha ho azy maromaro mba hanasitranany ny tenany ny ekôsistema. (...) Izy ireny dia mahatonga ny ekôsistema handresy ny vokatry ny fikorontanana, amin’ny famerenana tsikelikely amin’ny laoniny fotsiny ilay fifandanjan’ny tontolo iainana tany am-boalohany.”
Mety ho vita izany
Ny ohatra iray miavaka tao anatin’ireo taona faramparany dia ny fanadiovana tsikelikely an’i Tamise, renirano malaza iray any Londres. Ilay boky hoe The Thames Transformed (Niova i Tamise), nosoratan’i Jeffery Harrison sy i Peter Grant, dia manome porofo ny amin’io zava-bita niavaka io izay mampiseho izay mety ho vita rehefa miara-miasa ny olombelona mba hahazoana tombontsoa iombonana. Nanoratra toy izao tao amin’ny sasin-tenin’ilay boky ny duc d’Édimbourg, any Grande-Bretagne: “Indro, rehefa ela ny ela, ny fahombiazana iray teo amin’ny tantara, amin’ny ambaratonga lehibe aoka izany ka mendrika ny hampahafantarina ny besinimaro, na dia mety hampirisika ny olona sasany hihevitra aza izany fa tsy dia ratsy loatra araka ny nampinoana azy ireo akory ny zava-manahirana ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. (...) Afaka manovo fampaherezana avy amin’izay vita tamin’i Tamise izy rehetra. Ny vaovao tsara dia hoe azo atao izany ary afaka ny hahomby koa ny ezak’izy ireo.”
Ao amin’ilay toko hoe “Ilay Fanadiovana Lehibe”, i Harrison sy i Grant dia nanoratra tamin-kafanam-po momba izay vita tao anatin’ireo 50 taona farany: “Sambany teto an-tany vao nisy renirano iray tena voaloto sy nampiasaina tamin’ny indostria, tafaverina tamin’ny laoniny, hany ka maro be ireo voron-drano sy trondro niverina tao. Ny fitrangan’izany fiovana izany haingana aoka izany, tao anatin’ny toe-javatra izay toa tsy nisian’ny fanantenana tamin’ny voalohany, dia manome fampaherezana, na dia ho an’ireo mpiaro ny zavamiaina any an’ala mpijery ny lafy ratsin-javatra indrindra aza.”
Avy eo izy ireo dia nilazalaza ny amin’ilay fiovana: “Niharatsy tsy an-kijanona ny toetran’ilay renirano nandritra ireo taona, ka ny loza ratsy indrindra nahazo azy angamba dia tonga nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, rehefa nisy fahasimbana na potika ireo rafitra lehibe naorina mba ivarinan’ny diky sy ny rano maloto. Tena tao anatin’ny faharatsiany indrindra i Tamise nandritra ireo taona 1940 sy 1950. Saika nitovy tamin’ny tatatra fivarinan-diky tsy misarona ilay renirano; mainty ny lokon’ny rano, tsy nisy oksizena, ary nandritra ny main-tany, ny fofona maimbon’i Tamise dia re hatrany amin’ny faritra lavitra. (...) Ireo trondro be dia be tao taloha, tamin’ny farany dia voatery niala, afa-tsy ny amalona vitsivitsy izay tsy maty noho izy ireny afaka mifoka rivotra mivantana avy eo amin’ny vohon-drano. Ireo vorona tany amin’ireo faritr’ilay rano eo anelanelan’i Londres sy i Woolwich, izay faritra anatiny sy be trano, dia nihena ka tsy nisy afa-tsy ganaganadia sy gisadia azo nisaina tamin’ny rantsantanana sisa. Ary ny nahafahan’izy ireo nivelona dia ireo zavatra latsaka avy tamin’ny poti-tsakafo teo amin’ny fitodian-tsambo, fa tsy tahirin-tsakafo voajanahary akory. (...) Iza no ho nino tamin’izany fotoana izany hoe efa hitranga ange ilay fitsimbadihan-javatra manaitra mafy? Tao anatin’ny folo taona, io faritra tamin’io renirano io ihany dia niova, ka nanjary fialofan’ny karazana voron-drano maro, anisan’izany ireo ganaganadia 10 000 sy ireo vorona mpandehandeha an-drano 12 000, ilay toerana saika tsy nisy vorona iny.”
Mazava ho azy fa tsy milazalaza afa-tsy fiovana iray tamin’ny faritra kely iray amin’ny gilaoby izany. Na izany aza dia afaka maka lesona avy amin’io ohatra io isika. Mampiseho izy io fa tsy ilaina ny mihevitra hoe natao ho potika ny planeta Tany satria fotsiny hoe misy ny tsy fahaiza-mitantana sy fierenana ary tsy fahampiam-piheveran’ny olombelona. Ny fampianarana araka ny tokony ho izy sy ny fiaraha-miezaka mba hahazoana tombontsoa iombonan’ny olombelona, dia afaka manampy ny tany mba hiarina, na dia eo aza ny fanimbana lehibe tamin’ny tontolo iainana sy ny vohon’ny tany. Ahoana kosa ny amin’ny mety hisian’ny fahapotehana noho ireo hery avy any ivelany, toy ny kintana manan-drambo mivezivezy iray na planeta kely iray?
Ny lahatsoratra manaraka dia mirakitra ny fanalahidy ho an’ny valiny mahafa-po amin’ny fanontaniana sarotra toy izany.
[Teny notsongaina, pejy 5]
Ny fampianarana araka ny tokony ho izy sy ny fiaraha-miezaka dia afaka manampy ny tany ho tafarina, na dia eo aza ny fanimbana lehibe natao taminy