Planeta Kely, Kintana Manan-drambo, Planeta Tany — Hifandona Ve?
‘Vao maraina be tamin’ny 30 Jona, dia nisy fisehoan-javatra tena tsy fahita voamarika tao amin’ny vohitra iray teto Siberia. Nahita tenan-javatra namirapiratra be teny ambonin’ny faravodilanitra ireo tantsaha; namirapiratra aoka izany izy io, hany ka tsy tantin’ny maso. Teo amin’ny faravodilanitra, tandrifin’ilay tenan-javatra nazava be, dia nahitana rahona kely mainty. Rehefa nihanidina ilay tenan-javatra namirapiratra, dia toa torotoro ka lasa vovoka. Rahon-tsetroka mainty nidadasika no niforona teo amin’ilay toerana nisy azy, ary nisy fipoahan-javatra mafy, toy ny feon’ny vato lehibe maro nikodiadia. Nihovotrovotra ireo trano, ary nisy lelafo nisampantsampana nitselatra niakatra avy teo amin’ilay rahona. Nihazakazaka teny amin’ny arabe ireo mponina nihorohoro. Nitomany ireo vavy antitra; nihevitra ny rehetra fa tonga ny fara andro.’ — Famintinana ny tatitra navoakan’ilay gazety hoe Sibir, any Irkoutsk, Rosia, tamin’ny 2 Jolay 1908.
TSY takatr’ireo mponina ireo akory fa tenan-javatra avy teny amin’ny habakabaka no vao avy nipoaka teo ambony lohan’izy ireo. Amin’izao andro izao, 90 taona mahery atỳ aoriana, ny iray amin’ireo vinavina hafahafa indrindra momba ny faran’ny planetantsika dia mahakasika loza aman’antambo ateraky ny planeta kely na ny kintana manan-drambo iray. Re matetika ny fanafohezan-teny toy ny NEO midika hoe tenan-javatra manakaiky ny tany, sy ny PHO, tenan-javatra mety hampidi-doza, rehefa misy vinavina momba ny fara andro hoe ho potika ny tany amin’ny alalan’ny fifandonany amin’ny tenan-javatra eny amin’ny habakabaka. Niolomay erỳ ny Hollywood (orinasa amerikanina mpanao sarimihetsika) namadika ireny tahotra ireny ho fomba hahazoan-tombony ara-bola, ka nanao sarimihetsika toy ny Deep Impact (Fifandonana Mafy) sy ny Armageddon.
Azo inoana tokoa ve fa mety ho ringan’ny vaingan’afo avy eny amin’ny habakabaka ianao na ny zanakao? Tokony hanampo ny hisian’ny vongam-by sy vongan-dranomandry hiraraka toy ny baomba eo an-tokotaninao ve ianao, tsy ho ela? Raha mipetraka akaikin’ny moron-dranomasina ianao, moa ve ny tranonao ho ravan’ny fitosahan’onja goavana hateraky ny planeta kely nibirioka, tafalatsaka ao an-dranomasina?
Mihodinkodina eo anivon’ny potipoti-javatra mivoivoy
Tsy ny masoandro, sy ireo planeta sivy, ary ny satelitan’izy ireo ihany akory no mahaforona ny rafi-masoandro misy antsika. Mihodikondina ao anatin’ny rafi-masoandro koa ny kintana manan-drambo (fitambaran-dranomandry sy vovoka), sy ny planeta kely na planeta madinika, ary ny meteôrôida (sombim-planeta kely, amin’ny ankapobeny). Efa fantatry ny mpahay siansa hatramin’ny ela be fa misy zavatra avy any ambony tsy taka-maso miraraka etỳ an-tany. Ampy ho antsika ny mijery ny voho milempondempon’ny volana, mba hahatakarantsika fa mipetraka eo anivon-javatra maro mifamoivoy isika. Ho tonga toy ny vohon’ny volana koa ny an’ny planetantsika, raha tsy teo ny atmôsfera sy ny famerenana amin’ny laoniny tsy an-kijanona ny vohon’ny tany. Ny fihetsehan’ny plakin’ny tany sy ny fikaohan-tany no manao izany famerenana amin’ny laoniny izany.
Tombanan’ireo mpahay siansa fa tain-kintana hatramin’ny 200 tapitrisa no hita maso eny amin’ny atmôsferan’ny tany isan’andro. Kely ny ankamaroan’ireo tenan-javatra miditra ao amin’ny atmôsfera ireo, ary saika may tanteraka, ka tsy voamarika akory. Tsy potika anefa ny sasany amin’ireny tenan-javatra ireny mandritra ny fidirana mahamay mamakivaky ny atmôsfera, ary noho ny rivotra, dia mihena ny hafainganam-pandehany ka lasa 320 kilaometatra isan’ora eo ho eo. Izay sisa tavela amin’izy ireny dia mipaka amin’ny tany, ka antsoina hoe meteôrita. Koa satria latsaka any amin’ny ranomasimbe, na any amin’ny faritra tsy misy mponina ny ankamaroan’izy ireny, dia mahalana no nitera-pahavoazana ho an’ny olona. Tombanana fa mampitombo ny lanjan’ny tany ho an-jatony taonina maro isan’andro ireny tenan-javatra rehetra miditra atỳ amin’ny atmôsfera misy antsika ireny.
Fanampin’izany, dia tombanan’ireo astrônôma fa mety hisy planeta kely 2 000 eo ho eo, manana savaivo iray kilaometatra mahery, hanapaka na hanatona ny lalana fihodinan’ny tany. Tokotokony ho 200 amin’izy ireny monja no hitan’izy ireo ka voarany maso ny diany. Afa-tsy izany koa, dia misy planeta kely tombanana ho iray tapitrisa, manana savaivo 50 metatra mahery, izay manatona akaiky ny lalana fihodinan’ny tany, ka mety hitera-doza. Mety ho tonga eto an-tany ny planeta kely toy izany ka hiteraka fanimbana. Tokotokony ho folo tapitrisa taonina ny angôvo ao amin’ny planeta kely iray kelikely toy izany. Izany dia mitovy amin’ny angôvon’ny baomba niokleary iray lehibe. Na dia afaka miaro antsika amin’ny fifandonana kely kokoa aza ny atmôsferan’ny tany, dia tsy afaka misakana ny fifandonana amin’ireo planeta kely manana angôvo folo tapitrisa taonina, na mahery. Misy mpikaroka milaza fa, raha ny antontan’isa no jerena, dia afaka manampo fifandonana iray amina planeta kely manana angôvo folo tapitrisa taonina, indray mandeha isaky ny zato taona eo ho eo isika, amin’ny antsalany. Araka ny voalazan’ny fanombantombanana sasany, ny hatetiky ny fifandonan’ny tenan-javatra manana savaivo iray kilaometatra eo ho eo, dia indray mandeha isaky ny 100 000 taona.
Lavaka sy fipoahana ary fifandonana izay samy manambara zavatra
Tsy sarotra ny mino fa namely ny planetantsika ny tenan-javatra lehibe izay niraraka avy tany ambony tsy taka-maso, taloha. Azo atao ny mahita ny porofon’ireny fifandonana ireny, dia ireo lavaka maherin’ny 150, izay namela marika teo amin’ny vohon’ny tany. Hita miharihary ny sasany amin’izy ireny, fa ny hafa kosa tsy hita raha tsy avy eny ambony sambon-danitra na zanabolana, ary mbola misy hafa efa voalevina hatry ny ela be, na any amin’ny fanambanin’ny ranomasina.
Anisan’ny malaza indrindra amin’ireny lavaka ireny ilay fantatra hoe Chicxulub, izay niteraka holatra [toy ny hoe naratra] manana savaivo 180 kilaometatra, teo amin’ny vohon’ny tany. Ao akaikin’ny tendro avaratry ny Saikinosy Yucatán, any Meksika, no misy io lavaka goavana io, ary inoana fa izy io no toerana nifandonan’ny kintana manan-drambo na ny planeta kely nanana savaivo nirefy folo kilaometatra, tamin’ny tany. Misy milaza fa ny fiovan’ny toetr’andro naterak’io fifandonana io no nahalany tamingana ny dinôzôro ary koa ny biby an-tanety sy an-dranomasina hafa.
Tany Arizona, Etazonia, dia nisy meteôrita vy iray nanao ilay lavaka mahatalanjona antsoina hoe Meteor Crater, izay manana savaivo efa ho 1 200 metatra, ary 200 metatra ny halaliny. Ho firy ny isan’ny maty raha milatsaka ao amin’ny tanàna iray ny meteôrita iray toy izany? Asehon’ny fampirantiana iray be mpahalala ao amin’ny Tranombakoka Amerikanina Momba ny Fandinihana Zavaboary, any New York, fa raha milatsaka ao Manhattan izany, dia ho potika tanteraka io distrika be mponina io.
Tamin’ny 30 Jona 1908, dia nisy planeta kely iray, na sombin-kintana manan-drambo, nanana savaivo tombanana ho 100 metatra latsaka, nirohondrohona namakivaky ny atmôsfera ary nipoaka teo amin’ny 10 kilaometatra, teo ambonin’i Tunguska, faritra tsy misy mponina firy any Siberia, araka ny voalaza terỳ amin’ny teny fampidirana. Nandrava faritra nirefy 2 000 kilaometatra toradroa ilay fipoahana, izay notombanana ho nanana angôvo 15 tapitrisa taonina, ka nampianjera hazo sy nampirehitra ala ary nahafaty serfa. Firy ny olona nety ho faty raha tandrifin’ny faritra be mponina no nipoahan’izy io?
Tamin’ny Jolay 1994, dia nifantoka tany amin’i Jupiter ny teleskôpy rehetra naneran-tany, rehefa nisy sombin’ilay kintana manan-drambo atao hoe Shoemaker-Levy 9 nidona mafy taminy. Hilentika lalina ao an-tsain’ireo izay nahita nivantana ireo fifandonana ny holatra nihelina teo amin’i Jupiter. Ny fijerena an’i Jupiter niharam-pamelezana nisesy dia nahatonga an’ireo manam-pahaizana manokana sy olon-tsotra hanontany tena hoe inona no ho nitranga raha ny tany, fa tsy i Jupiter, no nokendren’ilay kintana manan-drambo?
Izay ho fisehoan-javatra aorian’ny loza
Natahotahotra ihany ireo mpahay siansa rehefa nandinika ireo vokany mahatsiravina entin’ny fifandonan’ny kintana manan-drambo na ny planeta kely iray amin’ny planetantsika. Toy izao no nakany sary an-tsaina ny vokany avy hatrany hateraky ny fifandonana iray lehibe: Voalohany aloha, dia hisy vato sy vovoka hipoaka. Ny potipoti-javatra avy amin’izany dia ho lasa tain-kintana hiraraka, ka hivadika ho mena mivaivay ny lokon’ny lanitra ary hirehitra ny ala sy ny tany lava volo, ka hahafaty ny ankamaroan’ny zavamiaina an-tanety. Hihantona ela kokoa eo amin’ny atmôsfera ny vovoka sisa tavela, ka hisakana ny hazavan’ny masoandro, ary hampidina be tampoka ny hafanana sy hampiato ny fôtôsentezy eto ambonin’ny tany izay ho maizina. Raha ho foana ny fôtôsentezy dia tsy hanan-kohanina ireo biby mihinana biby hafa, ao amin’ny ranomasimbe, ka ho faty ny ankamaroan’ireo zavaboary ao an-dranomasina. Araka ny sary novinavinain’izy ireo, dia orana asidra maneran-tany sy fahasimban’ny sosona ôzônina no hanapitra tanteraka ny fiainan’ny tontolo iainana.
Raha any amin’ny ranomasimbe no milatsaka ny planeta kely iray, dia hiteraka fitosahan’onja, na tsunamis, ka mety ho goavana ny faharavana. Ho lasa lavitra dia lavitra ny toerana nisian’ilay fifandonana ny tsunamis, ka hiteraka fandravana miely patrana any amin’ny faritra amorontsiraka an’arivony kilaometatra avy eo. Hoy ilay astrônôma atao hoe Jack Hills: “Ho lemaka feno fotaka sisa no hiafaran’ny toerana nisy ireo tanàn-dehibe.”
Tsy maintsy mitandrina anefa isika momba ireny fanambarana ireny. Fanombantombanana fotsiny ny ankamaroan’ireny teôria ireny. Miharihary fa tsy misy na iza na iza amintsika nahita na nandinika planeta kely iray nifandona tamin’ny tany. Afa-tsy izany koa, ny fampitam-baovao adalam-baovao manaitaitra amin’izao andro izao, dia mailaka hamoaka matoan-dahatsoratra manaitra, miorina amin’ny fanazavana tsy ampy na tsy marina mihitsy aza. (Jereo ilay faritra voafefy etsy ambony.) Raha ny marina, dia voalaza fa kely dia kely ny mety hahafaty ny olona iray vokatry ny fianjeran’ny tenan-javatra avy eny amin’ny habakabaka noho ny mety hahafaty azy vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Inona no tokony hatao?
Inoan’ny manam-pahaizana maro fa ny tetikady tsara indrindra hisorohana ny loza, raha misy kintana manan-drambo na planeta kely manatona, dia ny fandefasana bala afomanga mba hisakanana ilay mpanani-bohitra na, fara faharatsiny, hamiliana lalana azy. Raha kely izany planeta izany, ary raha tsikaritra taona maro alohan’ny fotoana voakajy hifandonany amin’ny tany, dia mety ho ampy hisakanana azy izany.
Raha tenan-javatra lehibe kokoa anefa no mety hifandona amin’ny tany, dia manolotra soso-kevitra ny hampiasana fiadiana niokleary ireo mpahay siansa. Amin’izany toe-javatra izany, dia inoana fa hanosika moramora an’ilay planeta kely ho any amin’ny lalana tsy mampidi-doza antsika ny fipoahana niokleary voakendry tsara, ka hamely rivotra ilay planeta kely amin’izay. Arakaraka ny haben’izany planeta izany sy ny fahakekezany amin’ny tany no hahamafy ny fipoahana niokleary hilaina hatao.
Ny olana dia izao: tsy misy na iray aza amin’ireo fepetra fiarovana ireo mety handaitra, raha tsy misy fampiomanana mialoha tsara. Misy fikambanana toy ny Spacewatch sy ny Near Earth Asteroid Tracking izay misahana ny astrônômia, natokana tanteraka ho amin’ny fikarohana planeta kely. Olona maro no mihevitra fa misy zavatra bebe kokoa tokony hatao amin’io lafiny io.
Ekena tokoa fa voafetra ny fahalalana ananan’ny olombelona tsy lavorary, raha ny toerana sy ny fihetsehan’ireny tenan-javatra eny amin’ny habakabaka ireny no asian-teny. Tsy misy antony tokony hampanahy mafy anefa, na hatahorana tafahoatra noho ny fandrahonana ny hoavin’ny zavamiaina eto an-tany. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, ny antoka tsara indrindra fa tsy hisy planeta kely na kintana manan-drambo havela handrava ny tany sy ny fiainana rehetra eo aminy.a Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29; Isaia 45:18.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mila fandinihana fanampiny momba ny fiheveran’ny Baiboly io loha hevitra io ianao, dia jereo ny pejy faha-26-27 amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Desambra 1998.
[Efajoro, pejy 27]
Ny 1997 XF11
Tamin’ny 12 Martsa 1998, dia nisy vaovao ratsy niely toy ny tselatra nanodidina ny gilaoby nanao hoe: Manatona ny tany ny planeta kely iray, manana savaivo mirefy iray kilaometatra sy sasany, ary amin’ny 26 Oktobra 2028, “andro alakamisy io”, no tokony hahatongavany. Nomena anarana hoe 1997 XF11 ilay planeta kely, ary i Jim Scotti, astrônôma ao amin’ny fikambanana Spacewatch, ao amin’ny Oniversiten’i Arizona, no nahita azy io tamin’ny 6 Desambra 1997. Nampiasa ireo fanazavana efa taloha sy fandinihana vao haingana kokoa ny mpahay siansa tao amin’ny Foibe Harvard-Smithsonian Momba ny Fizikan’ny Kintana, ka namoaka fanazavana izay nampiasain’ny sasany mba hilazana mialoha fa mety ho any amin’ny 50 000 kilaometatra eo ho eo avy eto an-tany no hisy ny lalan’ilay planeta kely: kely dia kely izany elanelana izany, araka ny refy faritan’ireo astrônôma, ka midika hoe “tsy maintsy hisy fifandonana amin’ny tany”. Namoaka sary tondraka naka tahaka ny fianjeran’ny planeta kely iray eto an-tany ireo televiziona. Avy eo, ny ampitson’iny ihany, dia lasa ny loza. Nisy fanazavana sy kajy vaovao nampiseho fa handalo any amin’ny 1 000 000 kilaometatra ilay planeta kely, ka tsy hahavoa ny tany. Mbola akaiky ihany izany raha oharina amin’izay mety ho planeta kely voadinika teo aloha, izay mitovy habe amin’ny 1997 XF11, nefa tsy misy tokony hatahorana. Mailaka ny fampitam-baovao namoaka matoan-dahatsoratra toy ny hoe “Diso Kely ny Kajin’izy Ireo”.
[Sary, pejy 26]
1. Kintana manan-drambon’i Halley
2. Kintana manan-drambo Ikeya-Seki
3. Planeta kely 951 Gaspra
4. Meteor Crater: lavaka manana savaivo efa ho 1 200 metatra, ary 200 metatra ny halaliny
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of ROE/Anglo-Australian Observatory, sary nalain’i David Malin
NASA photo
NASA/JPL/Caltech
Sary nalain’i D. J. Roddy sy i K. Zeller, U.S. Geological Survey
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
NASA photo