Ny Agôra, Ilay Foibe tao Atena Fahiny
NISAHOTAKA ny fitambaran’ireo avara-pianarana tao Atena! Mandrakariva dia tany amin’io agôra, na tsenan’ny tanàna grika io no nampahafantarana ireo hevi-baovao tamin’ny besinimaro. Hafa tanteraka anefa ny tamin’itỳ indray mitoraka itỳ. Vao tonga tao an-tanàna ny lehilahy jiosy iray, dia toa ‘nitory andriamani-baovao’. Nilaza zavatra niavaka izy tamin’ireo “izay tafavory tany an-tsena”. “Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina?”, hoy ny fanontanian’ireo Epikoreanina nieboebo, sy ireo Stoika maotina be. Eny, ny agôra tao Atena tokoa no ilay toerana fanaovana loa-bary an-dasy momba ny foto-dresaka tsy tambo isaina. Na izany aza, dia tafahoatra kosa ny fampidirana andriamani-baovao! — Asan’ny Apostoly 17:17, 18.
Fatra-piahiahy toy izany no fihetsik’ireo Atenianina rehefa nanomboka nitory voalohany tao amin’ny agôran’i Atena, ny apostoly Paoly. Niresaka ny amin’i Jesosy Kristy sy ny fitsanganana amin’ny maty izy. Fa inona no naha hafa dia hafa ny fampidirana izany hevi-baovao izany tao amin’ny agôra, ho an’ilay kolontsain’i Atena izay toa nalala-tsaina ihany?
Nahazo ny kianjany i Atena
Ny tena niavaka, raha ny marina, dia ilay agôra mihitsy, sy ny anjara asa lehibe notanan’izy io teo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainana ara-pivavahan’ireo Atenianina. Faritra somary misolampy kely tokony ho 10 hektara any avaratrandrefan’ny Acropole, ny agôran’i Atena. Toa tany am-piandohan’ny taonjato fahenina al.f.i., fony fahavelon’i Solon, mpitondra fanjakana sy mpanao lalàna atenianina, no nanokanana io sombin-tany io ho faritra hisian’ilay kianjan’ny tanàna. Ny fiorenan’ny demokrasia tao Atena, izay nanantitrantitra be ny fiainana sivily, dia nampirongatra ny asa fanorenan-trano nandritra ireo taona fiandohan’ny taonjato nanaraka. Izany dia nanome ho an’ny agôra aina vaovao sy anjara asa lehibe kokoa.
Ny fototr’ilay teny grika hoe a·go·raʹ dia avy amin’ny matoanteny iray midika hoe “miangona, miara-mivory”. Mifanentana tsara amin’ny fampiasana ny agôra ho toeram-pivoriana lehibe indrindra tao an-tanàna izany. Nanjary foibe iray ho an’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainana ara-tsosialy, ny agôra. Izy io no toerana nisy ny fitantanan-draharaha sivily sy ny fitsarana, toerana foiben’ny varotra sy ny fandraharahana, sehatr’ireo fampisehoana tantara mampangitakitaka grika, toerana fampirantiana fahaizana atletika, ary toeram-pivoriana nankafizin’ireo avara-pianarana mba hanaovana ady hevitra.
Ho tianao ve ny hizaha izay sisa tavela amin’ireo tempoly sy andry mitafo sy sarivongana sy tsangambato ary tranom-panjakana tao amin’ny agôran’i Atena? Mba hiezahana handinika ny fiainan’ny agôra tamin’ny lasa, dia andeha hilaozantsika ny tabataba sy ny fifanaretsahana ao amin’ny tanàn-dehibe amin’ny andro ankehitriny, ka aoka isika hihazo ireo lalan-kely rakotra vatokely, eny anelanelan’ny fahanginan’ireo sisan-javatra vita tamin’ny marbra, ireo vato voasokitra sy ireo vavahady mianjera rakotry ny bozaka sy zavamaniry dia.
Tempoly, toerana masina, sy andriamanitra mpiaro
Manaitra ny sain’ireo mpitsidika ny hamaroan’ireo tempoly sy toerana masina ary toerana voatokana ho an’andriamanitra maro samihafa. Izany rehetra izany dia nahatonga ny agôra ho foiben’ny fanompoam-pivavahana lehibe indrindra manarakaraka ny Acropole. Nandritra ny vanim-potoana niroboroboan’ny haitaon’i Atena fahiny, dia nitsofohan’ny fivavahana ny lafiny rehetra tamin’ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy nidika izany fa nomena tempoly fialofana tao amin’ny agôra ireo andriamanitra maro samihafa nantsoina hoe “andriamanitra mpiaro” an’ireo sampan-draharaham-panjakana sy ireo sampan’asa nitantan-draharaha.
Anisan’ny niavaka tamin’ireny zavatra naorina ireny ny Tempolin’i Héphaïstos. Nampiarahina tamin’i Héphaïstos, i Athéna andriamanibavy. Samy andriamanitra nivavahana teto izy ireo, ho andriamanitra mpiaro ny zavakanto sy ny taozavatra. Ireo zavatra vita tamin’ny metaly sy tamin’ny tanimanga izay nofongarina avy tany anaty tany teo amin’ny manodidina, dia nampahafantatra an’io tempoly io ho ny an’i Héphaïstos, ilay andriamanitry ny zavakanto nilana fampiasana afo. Angamba tamin’ny taonjato fahafito am.f.i. no nanovana io tempoly voaro tsara io ho Eglizy Ôrtôdôksa Grika Saint-Georges, na dia tsy ampiasaina ho toy izany intsony aza izy io amin’izao andro izao.
Mazava ho azy fa nila andriamanitra mpiaro azy manokana ny agôra. Izany dia i Zeosy Agoraios, ilay nolazaina fa mpampientana ny fahaiza-mikabary. Nanokanana alitara iray nisy haingony voasokitra tao amin’ny marbra sarobidy avy any Pentélique, izy io. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 14:11, 12.) Ny alitaran’ny Renin’ireo Andriamanitra izay eo akaiky eo, dia otronin’ny laharana tsangambato mahavariana ho an’ireo olo-manga, eo amin’ny andaniny roa.
Etsy lavidavitra kokoa no ahitantsika tempoly kely iray, araka ny angaly ionianina. Nampahafantarin’ilay manam-pahaizana momba ny jeôgrafia, atao hoe Pausanias, fa izy io dia Tempolin’i Apollon Rainy. Nahoana? Satria, araka ny angano grika fahiny, dia izy no rain’i Ion, ilay nanorina ny firazanana ionianina, anisan’izany ny Atenianina.a Izany no nahatonga an’i Apollon ho iray amin’ireo andriamanitra mpiaro ny fikambanana mitantana ny raharaham-panjakana, indrindra fa mifandray amin’ireo fikambanam-pirahalahiana maro samihafa izay nisy tao amin’ilay tanàna.
Eo avaratra avy hatrany no ahitantsika ny vatosokay sisa tsy rava tamin’ny tempoly kely kokoa iray, naorina tany antenatenan’ny taonjato fahefatra al.f.i. Teto no nivavahana tamin’i Zeosy sy i Athéna Phatrios, ireo andriamanitra lehibe indrindra teo amin’ireo fikambanam-pirahalahiana ara-pivavahana nentim-paharazana. Ireo mpikambana tamin’izy ireny dia saiky olom-pirenena atenianina avokoa. Etsy ampitan’ny arabe no ahitantsika ireo sisan’ny alitara iray ho an’ireo Andriamanitra Roa Ambin’ny Folo.
Tao amin’ny Stôa an’i Zeosy Eleutherios, eo akaiky eo, dia nomem-boninahitra indray ilay lehiben’ny andriamanitra grika, ka tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia tamin’ny naha andriamanitry ny fahafahana sy ny fanavotana azy. Izany andry mitafo, na stôa izany, dia toerana fitsangantsanganam-bahoaka sy fanaovam-pivoriana. Voalaza fa ilay filôzôfa malaza atao hoe Socrate, dia nihaona tamin’ireo namany tao amin’io stôa io, ka teo izy ireo dia afaka nipetrapetraka sy niresaka na nandehandeha. Nisy zavatra maro natokana sy natolotra mba handravahana io stôa io, toy ireo ampingan’ny mpiady izay maty noho ny fiarovana an’i Atena. Ireny zavatra ireny dia nifandray mivantana tamin’ny fanavotana ilay tanàna tsy ho azon’ny fahavalony, na tamin’ny fitandroana ny fahafahan’izy io.
Lalana Panathénées
Manapaka ny agôra misompirana, ny arabe malalaka iray rakotra vatokely antsoina hoe Lalana Panathénées. Ny anarany sy ny toetra manokana mampiavaka azy io dia nalaina avy tamin’ny Panathénées, ilay andro firavoravoam-pirenena tao Atena. Nandritra io andro firavoravoana io, dia nentina nanaraka io arabe io ny voalin’i Athéna, andriamanibavy, avy eo amin’ny Trano Filaharana (eo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna) mankany amin’ny Acropole. Ireo sary sokitra mandravaka ny Parthénon (tempolin’i Athéna) dia manampy antsika hahita sary an-tsaina ny renty sy ny hafatratr’ilay filaharana tamin’ny andro firavoravoana — mpitaingin-tsoavaly, kalesy fanaovana fifaninanana hazakazaka, ireo omby sy ondry hatao sorona, ireo zatovo lahy sy vavy mitondra ny fitaovana hampiasaina amin’ilay sorona. Nitazana ilay filaharana ireo olom-pirenena tao Atena sy ireo vahininy, ka ho azy ireo indrindra no nanaovan’ireo mpanao maritrano fandaharana mialoha ampy rehefa nanao drafitra ny agôra, izy ireo. Ohatra, ireo andry mitafo mbamin’ny lampivato eo anoloany sy ireo ambaratonga mankeo aminy, dia napetraka tamim-pahaizana mba hifanaraka amin’ny lalan’ilay filaharana. Afaka mahazaka mpitazana maro be ireo ambaratonga sesehena voasokitra eo anoloan’izy ireny.
“Feno sampy”
Raha jerena amin’izany tempoly sy sarivongana ary tsangambato maro be tafaraka izany, dia tsy mahagaga raha “taitra tao anatiny ny fanahin[’i Paoly], raha nahita ny tanàna feno sampy”. (Asan’ny Apostoly 17:16). Tsy maintsy ho nanafintohina an’i Paoly izay hitany fony izy niditra ny agôra. Maro be aoka izany ireo sarivongana filahiana mampiseho ny andriamanitra Hermesy, hany ka lavarangana iray manontolo mihitsy no nilaina mba hampialofana azy ireo. Nantsoina hoe Stôa an’i Hermesy izany lavarangana izany. Ahitana sarina croix gammée izay famantarana ny fahavokarana sy ny aina, ny akanjon’i Hermesy eo amin’ireo sariny miloko hafa. Teo ny sarivongan’i Venus Genetrix, ilay andriamanibavin’ny fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ary koa ny sarivongan’i Dionysos izay misy lakroa maromaro mampiseho ny filahiana. Nanamarika ny naha “masina” ny agôra ny vato baorina iray niaraka tamin’ny koveta iray nisy rano “voahasina” mba hanadiovana ara-pomba izay rehetra niditra.
Raha heverina amin’izany rivo-piainana ara-pivavahana be izany, dia takatsika mora foana ny antony naha faran’izay nampidi-doza ny toeran’i Paoly. Nahiahina ho ‘nitory andriamani-baovao’ izy, ary ny lalàna tamin’izany fotoana izany dia nilaza fa ‘tsy misy olona tokony hanana andriamanitra manokana, na andriamanitra vaovao; ary tsy tokony hivavaka manokana amin’andriamanitra vahiny na iza na iza izy, raha tsy nahazoan-dalana ampahibemaso izany’. Tsy mahagaga àry raha nentina tany amin’ny Areopago ilay apostoly mba hoadinadinina. — Asan’ny Apostoly 17:18, 19.
Foibem-pitantanan-draharaha
Trano boribory iray nantsoina hoe Tholos no nisy ny foiben’ny fitondram-panjakana atenianina. Maro ny mpitari-draharahan’ilay tanàna natory tao amin’io trano io nandritra ny alina mba hisian’ny manam-pahefana tompon’andraikitra azo ampiasaina foana. Nisy fitambarana vato mizana sy fitaovam-pamaran-javatra ara-dalàna notehirizina tao amin’ilay Tholos. Teo amin’ny manodidina teo no nisy ireo trano ho an’ireo sampan-draharaha maro samihafa amin’ny fitantanan-draharaha. Ny Tranon’ny Filan-kevitra dia naka toerana teo amin’ny tany marin-tampona nokaohina teo amin’ny ilan-kavoana avaratrandrefan’ny Tholos. Tao ireo anisan’ny Filan-kevitra 500 no nanao fivoriana niasan’izy ireo tamin’ny naha komity sy nanomanany lalàna ho an’ny Antenimiera.
Tranom-panjakana lehibe hafa iray ny Stôa an’ny Mpanjaka. Tao no niasa ny Mpitsaran’ny Mpanjakan’i Atena — iray amin’ireo mpitsara telo lehibe indrindra tao amin’ilay tanàna. Tao no nisahanany ireo andraikitra maro momba ny fitantanan-draharaha mifandray amin’ny fivavahana sy ny lalàna. Azo inoana fa tao i Socrate no nasaina niseho, rehefa nampangaina ho tsy nanaja andriamanitra. Vita sokitra teo amin’ireo rindrin’ilay trano nifanatrika tamin’izy io, ireo lalàna nentim-paharazan’ny Atenianina. Nasiana vato teo anoloan’io trano io ka teo no nitsangana ireo archons, na mpitsara lehibe, isan-taona mba hanao fianianana momba ny asany.
Ny Stôa an’i Attale
Ny trano mateza indrindra ao amin’ny agôra, dia ny Stôa an’i Attale. Fony izy tovolahy, i Attale, Mpanjakan’i Pergamosy (taonjato faharoa al.f.i.) dia nianatra tao amin’ireo sekolin’i Atena, toy ny nataon’ny tarana-mpanjaka maromaro hafa teo amin’ny tontolo mediteraneanina. Rehefa niakatra teo amin’ny seza fiandrianany izy, dia nanao io fanomezana miezinezina io — ny Stôa an’i Attale — ho an’ilay tanàna nisy ny sekoly nianarany.
Ny tena nampiasana indrindra ny Stôa an’i Attale, dia mba hanomezana toeram-pitsangantsanganana mihaja sy mitafo ho an’ireo fiarahana sy fifanakalozana tsotra. Ny gorodony sy ireo lampivatony dia nanome toerana tsara dia tsara mba hitazanana ireo filaharana, kanefa tsy maintsy ho ny lazany tamin’ny naha toeram-pitsangantsanganana koa no nahatonga azy ho toerana be fivarotana. Azo inoana fa nampanofan’ny Fanjakana tamin’ny mpivarotra ireo trano fivarotana mba hahatonga ilay trano hampidi-bola.
Rehefa naverina tamin’ny laoniny toy ny tany am-boalohany ny Stôa an’i Attale, dia ahitana ohatra tsara dia tsara momba ny sary jeômetrika. Ireo refiny ankapobeny, ireo tsy fitoviana mahafinaritra eo amin’ny mari-drefy nampiasaina teo amin’ny filaharan’ireo andry ambany sy ambony, ilay fiasan’ny hazavana sy ny aloka mahaliana, ary ny hasarobidy sy ny hakanton’ireo fitaovana nanamboarana azy, izany rehetra izany no mahatonga azy io ho tsy manam-paharoa. Fomba maro samihafa no nampiasaina mba tsy hahamonamonaina firy ny fitovian-javatra, ka natao indrindra izany tamin’ny fampiasana loha andry karazany telo samy hafa — araka ny angaly grika tranainy sy tsotra indrindra, sy ny angaly ionianina ary ny angaly ejipsianina.
Toerana fanaovan-javatra ara-kolontsaina
Trano iray izay nampiasaina ho sehatry ny fihetsiketsehana ara-kolontsaina maro tao Atena ny Trano Fanaovana Konseritra. Izy io dia fanomezan’i Vipsanius Agrippa, vinantolahin’i Auguste, Emperora Romana. Ilay faritra eo anoloany dia vita rarivato tamin’ny marbra miloko isan-karazany. Ny fipetrahan’ny mpanatrika izay mahazaka olona sahabo ho 1 000, dia mahatratra 25 metatra ny halavany, ka tany am-boalohany izy io dia nanan-tafo tsy nisy tohany avy ato anatiny. Io no anisan’ny fanandramana feno fahasahiana indrindra teo amin’ny fanaovan-tafo fantatra teo amin’ny tontolo fahiny! Azo inoana anefa fa ny ankamaroan’ireo fialam-boly naseho tao dia nampisalasala ho an’ireo Kristianina marina izay nanana fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony. — Efesiana 5:3-5.
Azo inoana fa nitsidika ny Tranombokin’i Pantainos, ireo olona tia karokaroka tamin’ny andro fahiny. Ny rindriny dia feno talantalana niefitrefitra nitehirizana ireo horonana nisy sora-tanana vita tamin’ny papyrus sy hodi-biby. Ny efitra lehibe indrindra tamin’ilay tranomboky dia nitodika niankandrefana, ary tazana avy teo amin’ny laharana andry ny tokotany iray nisy andry nitafo — toerana nahafinaritra mba handehandehanana, mba hamakian-teny na mba hisaintsainana. Nisy soratra nitondra ny fitsipika roan’ilay tranomboky, hita. Toy izao izy ireo: “Tsy misy boky azo entina miala eto”, sy ny hoe “Misokatra manomboka amin’ny ora voalohany ka hatramin’ny fahenina [ny tranomboky]”.
Ny agôra amin’izao andro izao
Tato anatin’ireo taona faramparany dia efa saiky nofongarina tanteraka ny agôra. Ny American School of Classical Studies no nanao izany. Ilay agôra dia mandry feizay eo amin’ny aloky ny Acropole manerinerina, ka nanjary toerana ankafizin’ireo mpizaha tany izay maniry hanopy maso amin’ny tantaran’i Atena fahiny.
Ny Monastiraki, ilay tsenan’entana tonta eo akaiky eo — indray mandingana avy eo amin’ny agôra sy ny Acropole — dia dingana iray mankamin’ny tontolo mahasondriana hafa iray koa. Manaitra kanefa mahafinaritra ny mpitsidika ny mahita ao amin’izy io, ny toetra mampiavaka ny vakomanitra grika sy ireo fanaovan-javatra sy ady varotra fahita any amin’ny tsena tatsinanana any Moyen-Orient. Ary mazava ho azy fa ho hitan’ireo mpitsidika ao ny Vavolombelon’i Jehovah izay falifaly manao zavatra mitovy tanteraka amin’ilay nataon’ny apostoly Paoly maherin’ny 1 900 taona lasa izay — dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ‘amin’izay tafavory ao an-tsena’.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay anarana hoe Ionianina dia avy amin’ny hoe Javana, zanak’i Jafeta sy zafikelin’i Noa. — Genesisy 10:1, 2, 4, 5.
[Efajoro, pejy 28]
Varotra tao Atena
Ny agôra dia tsy vitan’ny hoe foibe ara-tsaina sy foibe ho an’ireo raharaha sivily tao Atena, fa tsena lehibe indrindra tao an-tanàna koa. Nanjary foibem-barotra nalaza i Atena noho ny sandan’ny vola vy nananany sy noho ireo mpitsarany marina fatratra, izay nomen-dalana hanamarina fa araka ny marina sy ara-drariny avokoa ireo fifanakalozana ara-barotra.
I Atena dia nanondrana divay sy diloilon’oliva sy tantely ary marbra mbamin’ny entana vokarin’ny indostria, toy ny seramika sy ireo metaly efa nandalo fanamboarana. Ho takalon’izany, dia varimbazaha indrindra indrindra no nohafarany. Hentitra ireo fari-pitsipika momba ny raharaha ara-barotra, satria tsy namokatra entam-barotra ampy mba hamelomana ny mponina teo aminy i Attique (ilay faritra manodidina an’i Atena). Ny tsenan’i Pirée (ilay seranan-tsambon’i Atena) dia tsy maintsy nanana sakafo vaovao ampy foana, mba hamatsiana ilay tanàna sy ny tafika. Ary ireo mpivarotra dia tsy navela hanangona entana mba hamidy lafo kokoa amin’ny fotoam-pahasahiranana.