FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/12 p. 28
  • Vatolampy iray tsy manam-paharoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vatolampy iray tsy manam-paharoa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Areopago
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Havoanan’i Marsa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Atena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Dionysio
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/12 p. 28

Vatolampy iray tsy manam-paharoa

EO ANDREFAN’NY “Acropole” malaza any Atena, izay havoana kely no mampisaraka azy aminy no ijoroan’ny vato sokay misy rirany antsoin’ny Grika hoe Areopago. Marina fa tsy mahagaga akory ny refin’izy io: eo amin’ny 300 metatra ny lavany, 120 metatra mahery kely ny sakany lehibe indrindra, ary eo amin’ny 115 metatra ny haavony. Tsy manam-paharoa anefa io vatolampy io noho ny tantara miavaka, tsy ara-pivavahana sy araka ny Baiboly, mifamatotra aminy.

Ny dikan’ny anarana hoe Areopago ara-bakiteny dia hoe “Havoan’i Arès” na “Havoan’i Marsa”, ka ny hoe Mars dia ny mifanitsy amin’ny teny romana amin’ny hoe Arès, andriamanitra grikan’ny ady. Araka ny angano, dia teo amin’io havoana io no natao ny fitsarana voalohany tamin’ny raharaha hafahafa iray momba ny famonoana olona nampifanohitra ireo andriamanitra: Arès dia nampangaina ho namono ny zanak’i Poséidon, andriamanitry ny ranomasina. Araka izany, io vatolampy io dia nanjary nitana toerana lehibe teo amin’ny raharaha ara-pitsarana sy ara-politikan’i Atena fahizay. Tamin’ny farany izy io dia tonga ny foiben’ny fitsarana voalohany ny tanàna, dia tribonaly nantsoina hoe Fitsarana na Filan-kevitry ny Areopago, na Areopago fotsiny.

Tsy fantatra marina ny hoe oviana io tribonaly io no tena nanomboka niasa. Nefa tany amin’ny taonjato fahafito alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia efa nanan-kery lehibe teo amin’ny raharahan’ny tanàna izy io, ka ireo mpikambana teo aminy dia nofidina tamin’ireo olo-mangan’ny vahoaka, ny antokon’ny andriana sy ny mpanan-karena. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nesorina taminy ny ankamaroan’ireo fahefany ka nomena ireo mpitsara tao amin’ny tanàna sy ireo fivoriamben’ny vahoaka. Ny fahefany hitsara dia noferana ho amin’ny raharaha momba ny heloka bevava, ara-pivavahana sy ara-panabeazana.

Lazain’ny tantara, ohatra, fa tamin’ny andron’i Periclès (495-429 al. fan. ir.) ny areopagista dia nitsara ireo mpandoto ny “hazo oliva masina”, dia hazo nanome ny diloilo fanaovana fanompoam-pivavahana masina. Ireo anisan’ny Areopago dia noheverina ho toy ny mpiambina sy mpitana ny fitsipika ara-pitondrantena sy ny fivavahana, ireo izay niaro ny tanàna tamin’ny “andriamanitra hafa” tsy nirina rehetra. Ireo izay mianatra tantara koa dia azo antoka fa hahatsiaro fa io fitsarana tany Atena io dia nanameloka indrindra an’ilay filozofa nalaza atao hoe Socrate (470-399 al. fan. ir.) tamin’izao fiampangana manaraka izao: “fanimbana ny tanora”, “tsy fanajana ireo andriamanitry ny tanàna ary fanarahana fanompoam-pivavahana vaovao”.

Rehefa nitsara famonoana olona ny Areopago, dia mandrakariva izany no nataony ankalamanjana, mba “tsy hahavoaloto ireo mpitsara sy ny mpiampanga raha iray trano amin’ilay meloka. Ny fomba fitsarana dia nitaky ny hipetrahan’ilay mpiampanga teo ambonin’ny vato iray nantsoina hoe tsy fisian’ny indrafo ary ny voampanga teo amin’ny hafa iray nantsoina hoe teny ratsy. Amin’izao androntsika izao, dia mbola azo atao ny mahita eo an-tampon’ilay havoana, vato fotsy roa lazaina fa toa hoe teo amin’ny toerana nanaovana ny fitsarana. Ny raharaha hafa dia azo inoana fa notsaraina tao anatin’izay nantsoina hoe Fialofan’ny mpanjaka (Stoa Basileios), teo amin’ny agora, na tsena tao amin’ny havoana kely nanerinerina teo amin’ny Areopago.

Kanefa ny fantatra indrindra amin’ireo fisehoan-javatra ara-tantara nitranga teo amin’ny Areopago dia ilay tantarain’ny Baiboly ao amin’ny Asan’ny apostoly toko faha-17. Rehefa nandalo tany Atena ny apostoly Paoly dia nanao lahateny manan-tantara “teo afovoan’ny Areopago”. — Asan’ny apostoly 17:22.

Rehefa nitsidika an’i Atena i Paoly dia “taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy”. Izany dia nanosika azy hifanakalo hevitra tamin’ny olona maro teo amin’ny agora, mba hanambara ny vaovao tsara ny amin’i “Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty”. Mazava ho azy fa nanintona ny sain’ny olona io hafatra io, indrindra fa ireo filozofa epikoreana sy stoisiana. Nitarika azy ho any amin’ny Areopago ireo mba hanazavany azy ireo ny amin’ny “andriamani-baovao” sy ny “fampianarana vaovao” noresahiny. — Asan’ny apostoly 17:16-34.

Nohararaotin’i Paoly ny fotoana mba hiarovana tamin-kerim-po sy tanjaka ny vaovao tsara ny amin’i Jesosy. Ny lahateny notononiny tamin’izay dia ohatra faka tahaka ny amin’ny fandrindran-kevitra sy valin-teny enti-manohitra. Ireo fanaporofoan-kevitra raketiny dia mahery amin’izao andro izao toy ny fony izy naseho voalohany tamin’ny Ateniana. Amin’izao androntsika izao, eo am-pototry ny lafiny andrefana amin’ilay havoana dia misy takelaka alimo (bronze) fahatsiarovana an’io fisehoan-javatra io. Ny tsirairay avy dia afaka mamaky ny lahatenin’i Paoly amin’ny teny grika “onciale”, izany hoe amin’ny sora-baventy be. Io takelaka io dia manaporofo mangina ny tantara lava sy tsy manam-paharoan’io vatolampy io, nefa koa ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara