Manana “Fo Mankatò” ve Ianao?
REHEFA tonga mpanjakan’ny Isiraely fahiny i Solomona, dia nahatsiaro tena ho tsy ampy fahaizana. Noho izany, dia nangataka fahendrena sy fahalalana tamin’Andriamanitra izy. (2 Tantara 1:10). Nivavaka toy izao koa i Solomona: “Omeo ahy mpanomponao [fo mankatò, NW ] ho entiko mitsara ny olonao”. (1 Mpanjaka 3:9). Raha nanana ‘fo nankatò’ i Solomona, dia ho nanaraka ireo lalàna sy foto-pitsipik’Andriamanitra izy ka ho nahazo ny fitahian’i Jehovah.
Tsy enta-mavesatra akory ny fo mankatò, fa loharanom-pifaliana kosa. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Azo antoka fa tokony hankatò an’Andriamanitra isika. Raha dinihina tokoa mantsy, dia i Jehovah no Mpamorona Lehibe nanao antsika. Azy ny tany sy izay rehetra eo aminy, na dia ny volafotsy sy ny volamena aza. Koa tsy afaka ny tena hanome an’Andriamanitra zavatra ara-nofo na inona na inona isika, na dia avelany hampiasa ny fananantsika ara-bola aza isika mba hanehoantsika ny fitiavantsika azy. (1 Tantara 29:14). Antenain’i Jehovah ny hitiavantsika azy sy ny hiarahantsika mandeha aminy amim-panetren-tena, amin’ny fanaovana ny sitrapony. — Mika 6:8.
Rehefa nanontaniana i Jesosy Kristy hoe inona no didy lehibe indrindra tao amin’ny Lalàna, dia hoy izy: ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany.” (Matio 22:36-38). Fomba iray anehoana izany fitiavana izany ny fankatoavana an’Andriamanitra. Tokony hivavaka àry ny tsirairay amintsika mba hanomezan’i Jehovah antsika fo mankatò.
Nanana fo nankatò izy ireo
Maro be ireo ohatra ao amin’ny Baiboly momba ireo izay nanana fo nankatò. Nilaza tamin’i Noa, ohatra, i Jehovah mba hanao sambo fiara goavana iray ho fitsimbinana aina. Asa goavana izay naka 40 na 50 taona teo ho eo izany. Na dia nampiasana ireo fitaovam-piasana matanjaka maoderina sy ireo milina hafa misy ankehitriny aza ilay izy, dia mbola ho zava-bita miavaka ara-teknika ihany ny fandrafetana izany zavatra goavana afaka mitsinkafona izany. Ambonin’izany, dia tsy maintsy nampitandrina olona izay tsy isalasalana fa naneso sy nanaraby azy, i Noa. Nankatò hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra anefa i Noa. Hoy ny Baiboly: “Nanao araka izany indrindra izy.” (Genesisy 6:9, 22, NW; 2 Petera 2:5). Naneho ny fitiavany an’i Jehovah i Noa, tamin’ny fankatoavany tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro. Izany ka ohatra tsara dia tsara ho antsika rehetra!
Hevero koa i Abrahama, patriarika. Nilazan’Andriamanitra izy mba hiala tao Oran’ny Kaldeanina, izay tanàna nanankarena, mba hankany amin’ny tany tsy fantatra iray. Nankatò tsy nisy fisalasalana i Abrahama. (Hebreo 11:8). Nandritra ny andro sisa niainany, dia nonina an-day izy mianakavy. Rehefa taona maro no naha mpivahiny azy tany amin’ilay tany, izy sy i Saraha vadiny nankatò, dia notahin’i Jehovah tamin’ny fahazoana zanakalahy nantsoina hoe Isaka. Tsy maintsy tia erỳ io zanaky ny fahanterany io i Abrahama izay efa 100 taona! Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nangatahin’i Jehovah i Abrahama mba hanao sorona an’i Isaka ho fanatitra dorana. (Genesisy 22:1, 2). Na dia ny fieritreretana fotsiny hoe hanao izany aza, dia tsy maintsy efa nampijaly an’i Abrahama. Na izany aza, dia nanohy nankatò izy satria tiany i Jehovah, ary ninoany fa ho avy amin’ny alalan’i Isaka ilay taranaka nampanantenaina, na dia ho voatery hanangana azy amin’ny maty aza Andriamanitra. (Hebreo 11:17-19). Rehefa nadiva hamono ny zanany anefa i Abrahama, dia nosakanan’i Jehovah izy tamin’ny filazana hoe: “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.” (Genesisy 22:12). Noho ny fankatoavany, dia nanjary fantatra ho “Sakaizan’Andriamanitra”, i Abrahama izay natahotra an’Andriamanitra. — Jakoba 2:23.
I Jesosy Kristy no ohatra tsara indrindra ananantsika raha ny amin’ny fankatoavana. Nandritra ny fiainany talohan’ny naha olombelona azy, dia nahita fahafinaretana izy nanompo tamim-pankatoavana ny Rainy any an-danitra. (Ohabolana 8:22-31). Fony olombelona i Jesosy, dia nankatò an’i Jehovah tamin’ny zavatra rehetra, ka nahita fahafinaretana foana tamin’ny fanaovana ny sitrapony. (Salamo 40:8; Hebreo 10:9). Araka izany, dia afaka nilaza marina toy izao i Jesosy: “Tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” (Jaona 8:28, 29). Farany, mba hiarovana ny fiandrianan’i Jehovah sy hanavotana ny taranak’olombelona mankatò, dia nanome ny ainy an-tsitrapo i Jesosy, ka nandia fahafatesana faran’izay nampietry sy faran’izay nampanaintaina. Eny tokoa, “rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana”. (Filipiana 2:8). Izany ka ohatra ny amin’ny fanehoana fo mankatò!
Tsy ampy ny mankatò tapany
Tsy izay rehetra nilaza fa nankatò an’Andriamanitra akory no tena nankatò azy tokoa. Hevero i Saoly Mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Nanome toromarika azy Andriamanitra mba handringana tanteraka ny Amalekita ratsy fanahy. (1 Samoela 15:1-3). Na dia nandringana azy ireo tamin’ny naha firenena aza i Saoly, dia notsimbininy ny mpanjakany sy ny sasany tamin’ny ondry aman’osy ary ombiny. Nanontany toy izao i Samoela: “Nahoana hianao no tsy nihaino ny feon’i Jehovah”? Hoy i Saoly namaly izany: “Efa nihaino ny feon’i Jehovah ihany aho (...). Nefa nangalan’ny olona [Isiraely] ondry aman-osy sy omby ny babo, dia izay soa (...) mba hovonoina hatao fanatitra ho an’i Jehovah”. Rehefa nanantitrantitra ny ilana fankatoavana amin’ny fomba feno i Samoela, dia namaly hoe: “Sitrak’i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehovah? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ondrilahy. Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’i Jehovah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.” (1 Samoela 15:17-23). Firifiry akory moa ny zavatra nafoin’i Saoly noho izy tsy nanana fo nankatò!
Na dia i Solomona Mpanjaka hendry izay nangataka fo mankatò tamin’ny vavaka aza, dia tsy nanohy nankatò an’i Jehovah. Mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, fa nanambady vehivavy hafa firenena izay nahatonga azy hanota tamin’Andriamanitra, izy. (Nehemia 13:23, 26). Namoy ny fankasitrahan’Andriamanitra i Solomona satria tsy nanohy nanana fo nankatò. Fampitandremana ho antsika tokoa izany!
Tsy midika akory izany hoe mitaky fahalavorariana avy amin’ny olombelona mpanompony, i Jehovah. ‘Tsaroany fa vovoka isika’. (Salamo 103:14). Azo antoka fa samy manao fahadisoana isika rehetra indraindray, kanefa Andriamanitra dia afaka mahita raha tena manana faniriana amim-pahatsorana hampifaly azy tokoa isika na tsia. (2 Tantara 16:9). Raha solafaka noho ny tsy fahalavorarian’olombelona isika, kanefa mibebaka, dia afaka mangataka famelan-keloka miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy isika, matoky fa “hamela heloka dia hamela heloka tokoa” i Jehovah. (Isaia 55:7; 1 Jaona 2:1, 2). Mety hilaina koa ny fanampian’ireo loholona kristianina feno fitiavana, mba hahasitrana antsika ara-panahy ka hanana finoana salama sy fo mankatò. — Titosy 2:2, fanamarihana ambany pejy; Jakoba 5:13-15.
Feno ve ny fankatoavanao?
Amin’ny maha mpanompon’i Jehovah antsika, dia tsy isalasalana fa ny ankamaroantsika dia mihevitra fa manana fo mankatò. Mety hanjohy hevitra isika hoe: Tsy efa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana ve aho? Tsy efa miorina mafy ve aho rehefa mipoitra ny raharaha lehibe toy ny tsy fombana ny atsy na ny aroa? Ary tsy efa manatrika fivoriana kristianina tsy tapaka, araka ny nampirisihan’ny apostoly Paoly ve aho? (Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 17:16; Hebreo 10:24, 25). Marina fa ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fitambarany dia mankatò amim-pahatsorana amin’ny raharaha lehibe toy izany.
Ahoana anefa ny amin’ny fitondran-tenantsika eo amin’ireo raharaha andavanandro, angamba eo amin’ireo raharaha toa madinika? Nilaza toy izao i Jesosy: “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” (Lioka 16:10). Tsara àry raha manontany tena toy izao ny tsirairay amintsika: Manana fo mankatò ve aho amin’ireo zavatra na raharaha madinika izay tsy fantatry ny hafa akory?
Nasehon’ny mpanao salamo fa, na dia tao an-tranony tsy nahitan’ny hafa azy aza izy, dia ‘nandeha tamin’ny fahitsian’ny fony’. (Salamo 101:2). Rehefa mipetraka ao an-tranonao ianao, dia mety handefa ny televiziona ka hanomboka hijery sarimihetsika. Eo dia efa mety hotsapaina ny fankatoavanao. Mety hanjary haloto ara-pitondran-tena izay raketin’ilay sarimihetsika. Hanohy hijery ve ianao ka hanamarina ny ataonao amin’ny filazana fa izany no karazana sarimihetsika aseho amin’izao andro izao? Sa ny fonao mankatò hanosika anao hanaraka ilay baikon’ny Soratra Masina mba ‘tsy hamela hotononina eo aminareo akory ny fijangajangana sy ny fahalotoana’? (Efesiana 5:3-5). Hanapìka ny tele ve ianao, na dia mahaliana be aza ilay tantara? Sa ianao hiova canal rehefa manjary misy herisetra ny fandaharana iray? “Jehovah mizaha toetra ny marina”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo, ‘fa ny ratsy fanahy sy ny [tia herisetra, NW ] kosa dia samy halan’ny fanahiny’. — Salamo 11:5.
Mitondra fitahiana ny fo mankatò
Mazava ho azy fa misy lafiny maro eo amin’ny fiainana azontsika andinihan-tena amin’ny fomba mahasoa mba hahitana raha tena mankatò an’Andriamanitra amin’ny fo tokoa isika. Ny fitiavantsika an’i Jehovah dia tokony hanosika antsika hampifaly azy sy hanao izay lazainy amintsika ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Ny fo mankatò dia hanampy antsika hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Marina tokoa fa, raha mankatò amin’ny fomba feno isika, dia ‘samy hankasitrahana eo imason’i Jehovah ny tenin’ny vavantsika sy ny fisainan’ny fontsika’. — Salamo 19:14.
Noho ny fitiavan’i Jehovah antsika, dia mampianatra antsika hankatò izy mba hahasoa antsika. Ary hahita soa lehibe isika raha mihaino amin’ny fo manontolo ny fampianaran’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18). Noho izany, dia aoka isika hanaiky amim-pifaliana ny fanampiana omen’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany. Tsara aoka izany ny fampianarana antsika, hany ka toy ny hoe mandre feo avy eo ivohontsika isika milaza hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21). Rehefa ampianarin’i Jehovah isika amin’ny alalan’ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina ary ireo fivorian’ny kongregasiona, dia enga anie isika hihaino tsara sy hampihatra izay ianarantsika, ka ‘hankatò amin’ny zavatra rehetra’. — 2 Korintiana 2:9, NW.
Hiteraka fifaliana be sy fitahiana maro ny fo mankatò. Hitondra fiadanan-tsaina ho antsika izy io, satria ho fantatsika fa ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra isika, no sady mampifaly ny fony. (Ohabolana 27:11). Ho fiarovana antsika ny fo mankatò rehefa alaim-panahy hanao ratsy isika. Azo antoka àry fa tokony hankatò ilay Raintsika any an-danitra isika ary tokony hivavaka hoe: ‘Omeo fo mankatò ny mpanomponao’.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Avy amin’ny Self-Pronouncing Edition of the Holy Bible, misy ny King James sy ireo Fandikan-teny nasiana fanitsiana