FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/8 p. 3-4
  • Nahoana no Misy ny Krizim-pitokisana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Misy ny Krizim-pitokisana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famantarana ny fotoana
  • Azo Averina Amin’ny Laoniny ny Fatokisana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Aoka Isika Hanamafy ny Fatokisantsika ny Fahamarinan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Jehovah no Tokony ho Tokintsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Ianao no Tokinay
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/8 p. 3-4

Nahoana no Misy ny Krizim-pitokisana?

‘MISY olona tena mba azo itokisana ve ankehitriny?’ Mety ho efa nandre olona kivy nametraka io fanontaniana io ianao. Na mety ho ny tenanao mihitsy aza no nametraka ilay fanontaniana, fony ianao nikorontana ara-pihetseham-po noho ny zava-niseho teo amin’ny fiainanao.

Tsy azo lavina fa maneran-tany dia misy ny tsy fahampiam-pitokisana an’ireo fikambanana sy ny olona hafa. Matetika no marim-pototra io tsy fahampiam-pitokisana io. Misy olona tena manantena ve fa hihazona ny fampanantenana rehetra nomeny talohan’ny nifidianana azy ny ankamaroan’ireo mpanao politika? Nasehon’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny 1990 teo amin’ny mpianatra 1 000, tany Alemaina, fa, raha ny 16,5 isan-jaton’izy ireo no natoky fa ho afaka hamaha ny olana eo amin’izao tontolo izao ireo mpanao politika, dia avo roa heny noho izany kosa no naneho fisalasalana mafy ny amin’izany. Nilaza ny ankamaroany fa sady tsy natoky ny fahaizan’ireny mpanao politika ireny hamaha olana izy ireo, no tsy natoky koa ny fahavononan’izy ireny hanao izany.

Nitaraina toy izao ny gazety Stuttgarter Nachrichten: “Maro loatra ny mpanao politika mihevitra voalohany indrindra ny tombontsoan’ny tenany, ary avy eo angamba vao ny an’ireo mpifidy azy.” Manaiky izany ny olona any amin’ny tany hafa. Hoy ny gazety The European, momba ny tany iray: “Marim-pototra ny tsy fatokisan’ny tanora an’ireo mpanao politika, ary miombon-kevitra aminy ireo efa be taona kokoa.” Nomarihiny fa ‘manala hatrany ireo antoko politika tsy ho eo amin’ny fitondrana ny mpifidy’. Nanampy teny toy izao ilay gazety: “Izay olona miara-mandany fotoana amin’ny tanora [any] dia mahamarika avy hatrany ny tsy fananan’izy ireo fitokisana sy ny tsy fisian’ny fitarihana tsapany.” Tsy afaka ny hahefa zavatra firy anefa ny fitondram-panjakana demokratika iray, raha tsy itokisan’ny vahoaka. Izao, indray mandeha, no fanamarihana nataon’i John F. Kennedy, Prezidàn’ny Etazonia teo aloha: “Ny fatokisan’ny vahoaka no fototra iorenan’ny fitondram-panjakana mahomby.”

Raha ny fatokisana ny tontolon’ny vola no asian-teny, dia nahatonga olona maro ho be fisalasalana ireo fitambotsorana tampoka ara-toe-karena sy ireo tetika natao hampanankarena vetivety nefa nandamòka. Rehefa niovaova be tsy azo nofehezina ireo tsenam-bola tamin’ny Oktobra 1997, ny gazetiboky iray dia niresaka momba “ny tsy fahampiam-pitokisana mampitolagaga sy tsy azon’ny saina ekena indraindray”, ary koa momba “ny fielezan’ny tsy fatokisana”. Nilaza koa izy io fa “tsy misy intsony ny fatokisana [any amin’ny tany aziatika iray], hany ka ny fisian’ilay fitondram-panjakana mihitsy (...) no toa tandindomin-doza”. Izao zavatra miharihary izao no ambarany, raha fintinina: “Miankina amin’ny fatokisana ny toe-karena.”

Tsy nahavita nampisy fatokisana koa ny fivavahana. Manazava amin’alahelo toy izao ilay gazety ara-pivavahana alemà atao hoe Christ in der Gegenwart: “Mihena hatrany ny fatokisan’ny sarambaben’ny olona ny Eglizy.” Teo anelanelan’ny 1986 sy ny 1992, ny isan’ny Alemà izay natoky be ny eglizy, na, fara faharatsiny, natoky bebe ihany azy io, dia nihena ho 33 isan-jato, raha 40 isan-jato izany teo aloha. Raha ny marina, dia nilatsaka ho ambanin’ny 20 isan-jato io isa io tany Alemaina atsinanana teo aloha. Mifamadika amin’izany kosa fa ny 56 isan-jato izay tsy natoky firy ny eglizy na tsy natoky azy io mihitsy, dia niakatra ho 66 isan-jato, tany Alemaina andrefana teo aloha, ary 71 isan-jato tany Alemaina atsinanana teo aloha.

Ankoatra ny sehatra ara-politika sy ara-bola ary ara-pivavahana, izay andry telo iankinan’ny fiaraha-monin’olombelona, dia nanjary niharihary teo amin’ny sehatra hafa koa ny tsy fahampiam-pitokisana. Ny fampiharana ny lalàna no ohatra hafa iray. Ireo hirika azo ialana mahakasika ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava, sy ny fahasahiranana eo amin’ny fampiharana ara-drariny ny lalàna, ary ireo didim-pitsarana mampisalasala avoakan’ny fitsarana, dia nanozongozona mafy ny fatokisan’ny olona. Araka ny gazetiboky Time, “ny fahadisoam-panantenan’ny olon-tsotra sy ny polisy dia tonga hatramin’ny tsy fatokisana ny rafitra iray izay matetika dia matetika no manafaka olona mampidi-doza, fotoana fohy monja aorian’ny nanaovana am-ponja azy ireny”. Nihena koa na dia ny fatokisana ny polisy aza noho izy ireo ampangaina ho mandray tsolotra sady mampiasa herisetra.

Mahakasika ny politika iraisam-pirenena, dia manasongadina ny fisian’ny tsy fahampiam-pitokisana ny tsy fahombiazan’ireo fihaonana natao hikatsahana fandriampahalemana, sy ny tsy fanajana ireo fampitsaharana poa-basy. I Bill Richardson, ambasadaoron’i Etazonia any amin’ny Firenena Mikambana, dia nanondro tamin’ny fomba voafaritra tsara ny vato misakana lehibe indrindra eo amin’ny fampiorenana fandriampahalemana any Moyen-Orient, tamin’ny filazana fotsiny hoe: “Misy ny tsy fahampiam-pitokisana.”

Etsy an-danin’izany, eo amin’ny lafiny isam-batan’olona, dia maro no tsy matoky na dia ireo havany sy sakaizany akaiky aza, izay, raha ny ara-dalàna, dia ny olona itodihana voalohany indrindra rehefa tojo zava-manahirana ny tena. Izy ireo mantsy no mety hahatakatra ny fihevitry ny tena ka hanome fampiononana. Izany dia mitovy tsy misy valaka amin’ilay toe-javatra nolazalazain’i Mika mpaminany hebreo toy izao: “Aza matoky namana hianareo, aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; fa ambeno ny varavaran’ny vavanao na dia amin’izay andefimandrinao aza.” — Mika 7:5.

Famantarana ny fotoana

Voalaza ho niteny toy izao ilay psikôlôgy alemà atao hoe Arthur Fischer: “Tamin’ny lafiny rehetra dia nihena be dia be, raha ny marina, ny fatokisana ny fivoaran’ny fiaraha-monina sy ny hoavin’ny tena manokana. Tsy mino ny tanora hoe ho afaka hanampy azy, ireo fikambanana eo anivon’ny fiaraha-monina. Tonga hatramin’ny tsy fatokisana izay rehetra mety ho fikambanana izy ireo, na fikambanana ara-politika izany, na ara-pivavahana, na hafa.” Tsy mahagaga àry raha miresaka momba ny “kolontsain’ny tsy fatokisana” an’ireo fahefana sy fikambanana ary manam-pahaizana efa teo hatramin’ny ela, ilay sôsiôlôgy atao hoe Ulrich Beck.

Ao amin’ny kolontsaina toy izany, dia mirona hihatakataka sy handa izay mety ho fahefana ary hiaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipiny manokana ny olona, ka handray fanapahan-kevitra tsy miankina amin’ny torohevitra na fitarihan-dalana avy amin’ny hafa. Manjary fatra-piahiahy ny sasany, ary mety tsy hiraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa mihitsy aza, rehefa mifampiraharaha amin’ireo izay heveriny ho tsy azony itokisana intsony. Izany fihetsika izany dia mahatonga rivo-piainana ratsy, toy ilay voalazalaza ao amin’ny Baiboly hoe: “[Amin’ny andro farany, NW ] dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. (2 Timoty 3:1-5; Ohabolana 18:1). Tena famantarana ny fotoana tokoa ny krizim-pitokisana amin’izao andro izao, eny, famantarana ny “andro farany”.

Eo amin’ny tontolo iray azon’ny krizim-pitokisana, ary misy olona sesehena sahala amin’ireo voalazalaza etsy aloha, dia tsy misy olona afaka ny ho finaritra tanteraka amin’ny fiainana. Kanefa, mifanaraka amin’ny zava-misy ve ny hiheverana fa hiova ny toe-javatra? Azo resena ve ny krizim-pitokisana misy amin’izao andro izao? Raha izany no izy, dia amin’ny fomba ahoana ary rahoviana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara