FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/8 p. 5-7
  • Azo Averina Amin’ny Laoniny ny Fatokisana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azo Averina Amin’ny Laoniny ny Fatokisana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no vokatr’izany? Fifandraisana nihenjana
  • Iza no azontsika itokisana?
  • Famerenana amin’ny laoniny ny fatokisana
  • Nahoana no Misy ny Krizim-pitokisana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Aoka Isika Hanamafy ny Fatokisantsika ny Fahamarinan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Jehovah no Tokony ho Tokintsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/8 p. 5-7

Azo Averina Amin’ny Laoniny ny Fatokisana!

NA DIA famantarana “ny andro farany” aza ny krizim-pitokisana misy amin’izao fotoana izao, dia nanjary niharihary koa ny tsy fisiam-pitokisana, efa an’arivony taona maro lasa izay. (2 Timoty 3:1, NW ). Tao amin’ny toerana iray tsy nampoizina — tao amin’ny paradisa iray — no nipoiran’izy io voalohany. Milaza toy izao momba ilay toerana ny Baiboly: “Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” — Genesisy 2:8, 9.

Ireo andininy eo aoriana kokoa, dia manazava hoe inona no ifandraisan’izany amin’ilay krizim-pitokisana misy amin’izao andro izao. Izao no vakintsika: “Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Nanana antony nisalasalana ny amin’izay nolazain’i Jehovah ve i Adama?

Tohizintsika toy izao ny vaky teny: “Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha? Fa hoy ravehivavy tamin’ny menarana: Ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany; fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa no efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo, na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” — Genesisy 3:1-6.

Rehefa tsy niraharaha ilay fampitandremana mazava nataon’Andriamanitra i Adama sy i Eva, dia nampiseho tsy fananam-pitokisana an’i Jehovah. Nanome taratry ny toetran’i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra, dia ilay niresaka tamin’i Eva tamin’ny alalan’ny bibilava ara-bakiteny, izy ireo. Tsy ampy fatokisana ny fomba fitondran’i Jehovah, i Satana. Noho izany antony izany, sy noho ny fony niavonavona sady fatra-paniry laza, dia nikomy tamin’Andriamanitra izy, ary nitarika ny olombelona hanao toy izany koa. Notaominy izy ireo hihevitra fa tsy azo itokisana Andriamanitra.

Inona no vokatr’izany? Fifandraisana nihenjana

Mety ho efa voamarikao fa sarotra amin’ny olona tsy matoky ny hafa ny mihazona hatrany ny fisakaizana. Toy izao no nosoratan’i Publilius Syrus, mpanoratra latina, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.: “Ny fatokisana no hany fehy mampiray ny mpinamana.” Tamin’ny alalan’ny asa fikomiana nataony, dia nasehon’i Adama sy i Eva fa tsy natoky an’Andriamanitra izy ireo. Noho izany, dia azo inoana fa tsy nanana antony natokisana azy ireo koa Andriamanitra. Vokatr’ilay faharavan’ny fitokisana, na fatokisana, dia nafoin’ireo olombelona voalohany ny fisakaizany tamin’Andriamanitra. Tsy misy filazana mihitsy fa hoe mbola niresaka tamin’izy ireo indray i Jehovah taorian’ny nanamelohany azy noho ny fikomiany.

Simba koa ny fifandraisana teo amin’i Adama sy i Eva. Nampitandrina an’i Eva toy izao i Jehovah: “Fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.” (Genesisy 3:16, izahay no manao sora-mandry.) Hoy ny The Jerusalem Bible: “Izy dia hanjakazaka aminao.” Tsy nampihatra tamim-pitiavana ny mahaloha azy teo amin’ny vadiny i Adama, tsy araka ny nanirian’Andriamanitra azy, fa nanjary tompony kosa izy izao, nanjakazaka taminy.

Taorian’ny nanotan’izy ireo, dia nanandrana nanilika ny tsiny tamin’ny vadiny, i Adama. Araka ny heviny, dia noho ny nataon’i Eva no nahavoaroaka azy mivady tao amin’ilay saha tonga lafatra, ka nahatonga azy teo amin’ny tany iray lava volo, voaheloka hiasa toy ny andevo tao anatin’ny toe-piainana tsy tonga lafatra velively, alohan’ny hiverenan’izy ireo ho amin’ny vovoka. (Genesisy 3:17-19). Azontsika heverina tokoa fa loharanom-pifandirana teo amin’izy mivady izany zavatra izany. Nety ho tafahoatra ny fihetsik’i Adama, tamin’ny filazana fa tsy mba hihaino izay tenin’i Eva intsony mihitsy ny tenany. Nety ho nihevitra izy fa, raha ny marina, dia ara-drariny ny hilazany aminy hoe: ‘Manomboka izao, dia izaho no lehibe!’ I Eva kosa, tetsy an-danin’izany, dia nety ho nahita fa tsy nanao ny anjara asany tamin’ny nahaloham-pianakaviana azy i Adama, hany ka tsy natoky azy intsony izy. Na ahoana na ahoana, dia nafoin’ny olombelona ny fisakaizany tamin’Andriamanitra, ary simba ny fifandraisana teo amin’izy samy izy, rehefa naneho tsy fananam-pitokisana an’Andriamanitra izy ireo.

Iza no azontsika itokisana?

Tsy ary mendrika ny fatokisantsika avokoa ny olona rehetra, araka ny asehon’ny ohatra ny amin’i Adama sy i Eva. Ahoana no azontsika amantarana hoe iza no mendrika ary iza no tsy mendrika izany fatokisantsika izany?

Manoro hevitra antsika toy izao ny Salamo 146:3: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Ary izao no vakintsika ao amin’ny Jeremia 17:5-7: “Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony.” Etsy an-danin’izany kosa, dia “hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny”.

Ekena aloha fa tsy hoe tsy mety foana ny matoky olona. Ireo andinin-teny ireo dia ta hampiseho fotsiny fa tsy diso fiantefa na oviana na oviana ny fatokisana an’Andriamanitra, fa mety hampidi-doza kosa indraindray ny fatokisana ny olombelona tsy lavorary. Mizotra ho amin’ny fahadisoam-panantenana, ohatra, ny olona mitoky amin’ny olombelona mba hanefa zavatra izay Andriamanitra ihany no afaka manao azy, anisan’izany ny fanomezana famonjena ary fitondrana fiadanana sy filaminana tanteraka. — Salamo 46:9; 1 Tesaloniana 5:3.

Raha ny marina, ny olombelona sy ny fikambanana naorin’olombelona dia tsy mendri-pitokisana raha tsy hoe manao asa mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra angaha izy ireny, ary mampiseho ny fanarahany an’ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Noho izany, raha tiantsika ny ho azon’ny hafa itokisana, dia tsy maintsy milaza ny marina, sy manao ny marina, ary azo ianteherana, isika. (Ohabolana 12:19; Efesiana 4:25; Hebreo 13:18). Rehefa manana fitondran-tena mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly ihany isika vao ho marim-pototra sy ho loharanon’ny fifanatanjahana sy fifampaherezana, ny fametrahan’ny hafa fitokisana amintsika.

Famerenana amin’ny laoniny ny fatokisana

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fototra mafy orina ametrahana fitokisana amin’Andriamanitra sy ampirisihana ny hafa hanao toy izany koa. Mahatoky sy tsy mivadika i Jehovah, azo atao foana ny matoky fa hanao izay nolazainy izy, satria ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. Tsy hitondra fahadisoam-panantenana na oviana na oviana ny fametrahana fitokisana amin’ilay Andriamanitra fitiavana. — Hebreo 6:18; Salamo 94:14; Isaia 46:9-11; 1 Jaona 4:8.

Ny olona tafaray ao amin’ny fananana fatokisana an’i Jehovah, ary miaina mifanaraka amin’ireo foto-pitsipiny, dia mahatsiaro ho voatosika mafy hifampatoky. Fifaliana toy inona moa ny mahita olona mendri-pitokisana eo amin’ny tontolo iray ao anatin’ny krizim-pitokisana! Alao sary an-tsaina hoe ho hafa toy inona izao tontolo izao raha toa isika afaka matoky tanteraka izay lazain’ny olona hafa rehetra na ataony! Izany no ho izy ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy, nampanantenain’Andriamanitra. Tsy hisy na oviana na oviana intsony izay mety ho krizim-pitokisana!

Tianao ve ny hiaina amin’izany fotoana izany? Raha izany no izy, dia manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah, hanamafy ny fatokisanao an’Andriamanitra sy ny fampanantenany, amin’ny fianaranao bebe kokoa momba izay takiny aminao mba hahazoana fiainana. Ny fianarana ny Baiboly dia manolotra porofo fa misy Andriamanitra, liana amin’izay hahasambatra ny olombelona izy, ary tsy ho ela dia hanao zavatra amin’ny alalan’ilay Fanjakany, mba hamahana ireo olana maneran-tany. Olona an-tapitrisany maro no efa nianatra nametraka ny fitokisany amin’Andriamanitra sy ny Teniny, dia ny Baiboly. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho aminao ny asa fampianarana Baiboly atolony maimaim-poana ho an’ny besinimaro. Na manorata any amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ mba hahazoana fanazavana fanampiny.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Mitarika ho amin’ny fahasimban’ny fifandraisan’ny olombelona ny tsy fananam-pitokisana an’Andriamanitra

[Teny notsongaina, pejy 6]

Rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika araka an’Andriamanitra ihany ny olombelona vao mendri-pitokisana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara