Betela — Tanànan’ny Tsara sy ny Ratsy
MANJARY tsara laza na ratsy laza ny tanàna sasany noho ireo zava-miseho eo aminy. Tsy mahazatra kosa anefa ny amin’i Betela, satria nanjary sady fantatra ho tsara izy no fantatra ho ratsy. I Jakoba patriarika no nanome anarana an’ilay tanàna hoe Betela, izay midika hoe “Tranon’Andriamanitra”. Arivo taona tatỳ aoriana anefa, dia niantso an’ilay tanàna hoe “Tranon’ny Fahasimbana”, i Hosea mpaminany. Ahoana no nahatonga an’io tanàna tsara io hiova ho ratsy avy eo? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantarany?
Nanomboka tamin’ny 1943 al.f.i. ny fifandraisan’i Betela tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, fony mbola velona i Abrahama. Lozy, ilay anarany kananita tany am-boalohany, no nahafantarana ilay tanàna, tamin’izany fotoana izany. Teo amin’ny havoana, tany amin’ny 17 kilaometatra teo ho eo tany avaratr’i Jerosalema, no nisy azy io. Alao sary an-tsaina hoe, avy eny amin’ny toerana avo iray mahatazana tsara, eo amin’ny havoana manodidina an’i Betela, i Abrahama sy i Lota zana-drahalahiny, no mibanjina ireo lemaka lonaka erỳ amin’ny Lohasahan’i Jordana iva kokoa. Tamim-pahaiza-mandanjalanja no nisarihan’i Abrahama ny sain’i Lota ho amin’ny fahasahiranana hita teo amin’ny fanomezana kijana ny andiam-biby maro be nananan’izy ireo. Hoy izy: “Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao, dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho.” — Genesisy 13:3-11.
Tsy nanantitrantitra ny zony hifidy voalohany i Abrahama. Navelany kosa ilay zandry olona hifidy ny anjara tsara indrindra. Azontsika tahafina io fihetsika tsara dia tsara nasehon’i Abrahama io. Azontsika atao ny mandamina ireo raharaha mampifanditra, raha ny tenantsika no manomboka miteny amim-pahatoniana sy manao zavatra amin’ny fomba tsy misy fitiavan-tena. — Romana 12:18.
Taona maro tatỳ aoriana, fony nilasy tao Lozy i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, dia nahazo nofy nahatalanjona. Nahita “tohatra niorina tamin’ny tany [izy], ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny”. (Genesisy 28:11-19; ampitahao amin’ny Jaona 1:51.) Nisy heviny lehibe ilay nofy. Ireo anjely hitan’i Jakoba dia hanampy azy, eo am-panatanterahana ilay fampanantenana nomen’Andriamanitra azy, nahakasika ny taranany. Ny toerana avo nisy an’i Jehovah terỳ ambonin’ilay tohatra dia nampiseho fa izy no hitarika ireo anjely amin’io asa io.
Nanohina lalina an’i Jakoba izany fahazoana antoka ny amin’ny fanohanan’Andriamanitra izany. Rehefa nifoha tamin’ilay nofy izy, dia niantso ilay toerana hoe Betela, izay midika hoe “Tranon’Andriamanitra”, ary nivoady toy izao tamin’i Jehovah: “Izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.”a (Genesisy 28:20-22). Nekeny fa avy tamin’Andriamanitra ny zavatra rehetra nananany, ka niriny ny hamerina ampahany betsaka tamin’izany ho mariky ny fankasitrahany.
Manana ireo anjely izay manompo ho tombontsoany koa ny Kristianina amin’izao andro izao. (Salamo 91:11; Hebreo 1:14). Azon’ireny Kristianina ireny atao koa ny maneho ny fankasitrahany ny fitahiana rehetra noraisiny amin’ny ‘fisaorany be dia be an’Andriamanitra’. — 2 Korintiana 9:11, 12.
Nanjary firenena ny taranak’i Jakoba, rehefa nandeha ny fotoana. Nandresy an’ilay mpanjaka mpanompo sampy tao Betela i Josoa mpitarika azy ireo, efa ho tany am-piandohan’ny nanafihana an’i Kanana. (Josoa 12:16). Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nipetraka tany akaikin’i Betela i Debora mpaminanivavy, ka nitantara tamin’ny olona ny tenin’i Jehovah. Nitsidika tsy tapaka an’i Betela koa i Samoela fony izy nitsara ny firenen’ny Isiraely. — Mpitsara 4:4, 5; 1 Samoela 7:15, 16.
Tonga foiben’ny fivadiham-pinoana i Betela
Nitsahatra anefa ny fifandraisan’i Betela tamin’ny fanompoam-pivavahana madio rehefa nizara roa ny Fanjakana tamin’ny 997 al.f.i. Nataon’i Jeroboama Mpanjaka ho foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahy kely izay noheverina fa nampiseho an’i Jehovah, i Betela. (1 Mpanjaka 12:25-29). Izany no antony niresahan’i Hosea an’i Betela hoe “Betavena”, izay midika hoe “Tranon’ny Fahasimbana”, fony izy naminany ny amin’ny handringanana an’i Betela. — Hosea 10:5, 8.
Na dia nanjary foiben’ny fahasimbana ara-panahy aza i Betela, dia mbola nanome lesona lehibe foana ireo zava-niseho nifandray tamin’io tanàna io. (Romana 15:4). Ny iray tamin’izany lesona izany dia mahakasika mpaminany iray tsy voalaza anarana, izay nirahina avy tao Joda nankany Betela, mba hanambara mialoha ny handringanana ireo alitarany sy mpisorony. Nasain’i Jehovah niverina tany Joda, izay tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy, izy, ary tsy tokony hihinan-kanina na hisotro rano. Nanambara faminaniana tamim-pahasahiana teo anatrehan’i Jeroboama, mpanjakan’ny Isiraely, io mpaminany io, ka niantso loza ho an’ilay alitaran’i Betela. Avy eo anefa dia tsy nankato an’Andriamanitra izy, tamin’ny nihinanany hanina tao an-tranon’ny mpaminany antitra iray tao Betela. Nahoana? Nandainga taminy io mpaminany antitra io ka nilaza fa nisy anjelin’i Jehovah nandidy azy hampiantrano mpaminany iray toa azy. Nitarika ho amin’ny fahafatesany aloha be ny tsy fankatoavan’ilay mpaminany avy tany Joda. — 1 Mpanjaka 13:1-25.
Ahoana no tokony ho fihetsitsika, raha manipy hevitra ny hanaovantsika zavatra toa mampisalasala, ny mpiray finoana iray? Tadidio fa mety hanimba na dia ny torohevitra omena amim-pikasana tsara aza, raha diso ilay izy. (Ampitahao amin’ny Matio 16:21-23.) Raha mitady ny fitarihan-dalana avy amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny kosa isika, dia hanalavitra ilay fahadisoana nampidi-doza nanjo ilay mpaminany tsy voalaza anarana. — Ohabolana 19:21; 1 Jaona 4:1.
Nanao dia nianavaratra mba haminany ny hamelezana an’i Betela koa i Amosa mpaminany, 150 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanameloka mafy ireo mpihaino azy izay feno fankahalana i Amosa, ka anisan’izany i Amazia mpisorona izay nilaza tamim-piavonavonana tamin’i Amosa mba ‘handeha handositra hankany amin’ny tanin’ny Joda’. Tsy nanan-tahotra anefa i Amosa nanambara tamin’i Amazia ny amin’ireo loza hanjo ny fianakavian’io mpisorona io. (Amosa 5:4-6; 7:10-17). Ny ohatra navelany dia mampahatsiahy antsika fa afaka manome fahasahiana an’ireo mpanompony i Jehovah, na dia mavomavo aza izy ireny. — 1 Korintiana 1:26, 27.
Tamin’ny farany, dia noravan’i Josia, Mpanjakan’ny Joda nahatoky, ‘ny alitara tao Betela, nodorany ny fitoerana avo ka notorotoroiny ho vovoka, ary nodorany ny Aseraha’. (2 Mpanjaka 23:15, 16). Azon’ireo loholona tahafina, amin’izao andro izao, ny ohatra tsara dia tsara navelany, amin’ny fanarahana amin-jotom-po ny toromarik’Andriamanitra, ary amin’ny fitarihan-dalana eo amin’ny fitandroana ny fahadiovan’ny kôngregasiôna.
Ireny zava-niseho teo amin’ny tantaran’i Betela ireny dia milazalaza mazava tsara ny vokatry ny fahitsiana sy ny faharatsiana, ny vokatry ny fankatoavana sy ny tsy fankatoavana an’i Jehovah. Taona maro talohan’izay, dia efa napetrak’i Mosesy teo anoloan’ny firenen’ny Isiraely, izao safidy izao: “Efa nataoko teo anoloanao andro-any ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza”. (Deoteronomia 30:15, 16). Ny fisaintsainana ny tantaran’i Betela dia hampirisika antsika hampahafantatra ny tenantsika ho tafaray amin’ny “Tranon’Andriamanitra”, dia ilay toeran’ny fanompoam-pivavahana marina, fa tsy ho tafaray amin’ny “Tranon’ny Fahasimbana” kosa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Samy nanolotra an-tsitrapo ny ampahafolon-karena i Jakoba sy i Abrahama.
[Sary, pejy 23]
Ireo sisan-javatra eo amin’ny toerana nisy an’i Betela, izay nanorenan’i Jeroboama foibe iray ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahy kely