Ny Kolontsaina eo An-toerana sy ny Foto-pitsipika Kristianina — Azo Ampiarahina ve Ireo?
VOATENDRY ho misionera tany amin’ny tany afrikanina iray i Stephen, Vavolombelona avy any Eoropa avaratra. Fony izy nitsangantsangana tany an-tanàna niaraka tamin’ny rahalahy iray teo an-toerana, dia taitra izy rehefa noraisin’ilay rahalahy ny tanany.
Zavatra tsy nampoizin’i Stephen izany hoe hitsangantsangana eny amin’ny arabe feno olona somebiseby izany, ka hifampitantana amin-dehilahy hafa iray. Midika ho lehilahy miray amin’ny lehilahy mantsy izany fanao izany any amin’ny kolontsain-dry zareo. (Romana 1:27). Tamin’ilay rahalahy afrikanina anefa, dia fihetsika nampiseho fisakaizana tsotra fotsiny ny fifampitantanana. Nidika ho fanilihana ilay fisakaizana ny fanakifihana ilay tanana.
Nahoana no tokony hampanahy antsika ny fahasamihafana ara-kolontsaina? Voalohany indrindra dia satria maniry hanatanteraka ilay asa nanendren’Andriamanitra azy, dia ny ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’, ny vahoakan’i Jehovah. (Matio 28:19, NW ). Ho fanatontosana io asa io, dia nifindra toerana ny sasany mba hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Tsy maintsy mahatakatra ny hevitry ny kolontsaina samy hafa izay hitany izy ireny, ary tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’izany, raha tiany ny hahita fahombiazana ao amin’ilay toerana vaovao misy azy. Ho afaka hiara-miasa amim-pirindrana amin’ireo rahalahiny sy anabaviny izy ireo amin’izay, sady hahita vokatra be kokoa eo amin’ny fanompoana ampahibemaso.
Ankoatra izany, eto amin’ity tontolo misamboaravoara ity, dia olona maro no nandositra niala ny tanindrazany izay misy fikorontanana ara-politika na ara-toe-karena, ka nanorim-ponenana any an-tany hafa. Azo inoana àry, fa ho tojo fomba vaovao isika rehefa mitory amin’ireny mpiara-monina vaovao ireny. (Matio 22:39). Amin’ny fotoana voalohany ifampikasohantsika amin’ny fomba amam-panao hafa, dia mety ho sakodiavatra isika momba azy ireny.
Ireo raharaha voafaritra mazava tsara
Anisan’ny rafitra tsy azo sarahina amin’ny fitambaran’olona, ny kolontsaina. Koa tsy misy ilana ny ho “marina loatra” àry, ka hamotopototra momba izao fanao madinika rehetra izao mba hahitana raha mifanaraka amin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly izy ireny na tsia! — Mpitoriteny 7:16.
Etsy an-danin’izany kosa, dia ilaina ny mamantatra ireo fanao eo an-toerana izay mandika mazava ny foto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Tsy sarotra anefa ny manao izany, amin’ny ankapobeny, satria eo ny Tenin’Andriamanitra ‘mba hanitsiana izay diso’. (2 Timoty 3:16). Fanao any amin’ny tany sasany, ohatra, ny fampirafesana, nefa ny fari-pitsipika araka ny Soratra Masina ho an’ny Kristianina marina dia hoe vady mbola velona iray monja no tokony hananan’ny lehilahy iray. — Genesisy 2:24; 1 Timoty 3:2.
Mitovy amin’izany koa, ireo fomba sasany arahina rehefa misy maty mba hampanalavirana ireo fanahy ratsy, na miorina amin’ny finoana fa tsy mety maty ny fanahy, dia tsy ho azon’ny Kristianina marina ekena. Misy olona manolotra emboka manitra na vavaka ho an’ireo efa lasana mba hampandosirana ny fanahy ratsy. Ny hafa miandry faty na manao fandevenana fanindroany mihitsy aza ho fikendrena ny hanampy ilay olona nody mandry hiomana ho amin’ny fiainana ‘any ankoatra’. Mampianatra antsika anefa ny Baiboly fa rehefa maty ny olona dia ‘tsy mahalala na inona na inona’ izy, ary noho izany dia tsy afaka manao soa na manao ratsy na amin’iza na amin’iza. — Mpitoriteny 9:5; Salamo 146:4.
Mazava ho azy fa misy fanao maro izay tsy mifanipaka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mahazo famelombelomana erỳ isika rehefa tojo kolontsaina mbola iroboroboan’ny toe-tsaina mampiseho fitiavana mandray vahiny, ka takin’ny fahalalam-pomba ny hiarahabana amin-kafanana na dia ny olon-tsy fantatra aza, sy ny hampiantranoana azy rehefa ilaina izany! Rehefa ny tenanao mihitsy no entina toy izany, moa ve ianao tsy voatosika hanaraka io ohatra io? Raha izany no izy, dia azo antoka fa hanatsara ny toetra mahakristianina anao izany. — Hebreo 13:1, 2.
Iza amintsika moa no maniry ny hampiandrasina? Mahalana no mitranga izany any amin’ny tany sasany, satria heverina ho zava-dehibe ny fahamarinam-potoana. Milaza amintsika ny Baiboly fa Andriamanitry ny filaminana i Jehovah. (1 Korintiana 14:33). Noho izany, dia nametra “andro sy ora” hamaranana ny faharatsiana izy, ary manome toky antsika fa “tsy ho diso aoriana” io fisehoan-javatra io. (Matio 24:36; Habakoka 2:3, NW ). Ireo kolontsaina izay manohana ny fahamarinam-potoana araka ny antoniny, dia manampy antsika ho tia filaminana sy haneho fanajana araka ny tokony ho izy ny olon-kafa sy ny fotoanan’izy ireny. Azo antoka fa mifanaraka amin’ny foto-pitsipiky ny Soratra Masina izany. — 1 Korintiana 14:40; Filipiana 2:4.
Ahoana ny amin’ireo fanao tsy manimba?
Na dia hita mazava ho tsy mifanipaka amin’ny fomba fiaina kristianina aza ny fanao sasany, dia tsy mba toy izany kosa ny hafa. Ahoana anefa ny amin’ireo fanao izay tsy azo faritana ho tsara na ratsy? Fanao maro no tsy manimba na tsy mitera-pahavoazana, ka afaka mampiseho ny fananantsika fahaiza-mandanjalanja ara-panahy ny fihetsitsika manoloana azy ireny.
Ohatra, misy fomba fiarahabana maro — ny fandraisan-tanana, ny fiondrehana, ny fanorohana na ny famihinana mihitsy aza. Toy izany koa fa misy fanao maro samihafa mifehy ny fahalalam-pomba rehefa misakafo. Miray lovia ny olona any amin’ny tany sasany. Fanehoam-pankasitrahana azo ekena, na faniry mihitsy aza ny mandrezatra, any amin’ny tany sasany, nefa tsy azo ekena kosa any an-kafa, ary kilasina ho tsy fahalalam-pomba fara tampony mihitsy.
Aoka ianao tsy hitsara hoe iza amin’ireny fanao tsy manimba ireny no tianao na tsy tianao manokana, fa mifantoha kosa amin’ny fanehoana fihetsika mety manoloana azy ireny. Mampirisika antsika ny torohevitra tsy tontan’ny ela ao amin’ny Baiboly, mba tsy hanao ‘na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namantsika ho mihoatra noho ny tenantsika’. (Filipiana 2:3). Mitovy amin’izany koa no lazain’i Eleanor Boykin ao amin’ilay bokiny hoe This Way, Please—A Book of Manners: “Ny fo feno hatsaram-panahy no zavatra ilainao voalohany indrindra.”
Io fomba mampiseho fanetren-tena io dia hisakana antsika tsy hanamavo ny fanaon’ny hafa. Hahatsiaro ho voatosika hanao ny dingana voalohany isika, ka hianatra ny fomba fiainan’ny olon-kafa, handray anjara amin’ny fanaony ary hanandrana ny tsiron-tsakafony, fa tsy hiahotra na hiahiahy ny amin’ny zavatra rehetra izay toa tsy mahazatra. Raha mitoetra ho malala-tsaina isika ka vonona hanandrana fomba vaovao, dia hanao teny fiderana ny mpampiantrano antsika, na ireo hafa firenena miara-monina amintsika. Handray soa koa ny tenantsika raha ‘mihamalalaka’ ny fontsika sy ny fomba fijerintsika zavatra. — 2 Korintiana 6:13.
Raha manakana ny fandrosoana ara-panahy ilay fanao
Ahoana raha tojo fanao izay tsy mifanipaka amin’ny Soratra Masina nefa tsy manampy eo amin’ny fandrosoana ara-panahy, isika? Mety ho tia mangataka andro, ohatra, ny olona any amin’ny tany sasany. Io toetra tsy sarotiny eo amin’ny fiainana io dia mety hampihena ny fihenjanana, saingy azo antoka fa hanasarotra kokoa ny fanatanterahantsika ny fanompoantsika “amin’ny fomba feno”. — 2 Timoty 4:5, NW.
Ahoana no ahafahantsika mampirisika ny hafa hanalavitra ny fanaovana “ampitso lava” amin’ireo zava-dehibe? Tadidio fa “ny fo feno hatsaram-panahy no zavatra ilainao voalohany”. Raha atosiky ny fitiavana isika, dia ho afaka hanome ny ohatra, ary hanazava amim-pahalemem-panahy avy eo, fa mahasoa ny tsy hiandrasana rahampitso mba hanaovana izay tokony hatao anio. (Mpitoriteny 11:4). Etsy an-danin’izany, dia tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanao sorona ny fifampitokisana noho ny faniriana hahita vokany fotsiny. Raha tsy eken’ny hafa avy hatrany ny fanoloran-kevitsika, dia tsy tokony hanjakazaka aminy isika na hanamparantsika ny fahadisoam-panantenantsika izy. Ny fitiavana foana no tsy maintsy heverina ho zava-dehibe kokoa, fa tsy ny faniriana hahita vokany. — 1 Petera 4:8; 5:3.
Asio fiheverana izay tian’ny olona eo an-toerana
Ilaintsika ny manao izay hahazoana antoka fa marim-pototra ny fanoloran-kevitra ataontsika, fa tsy hoe fiezahana hampanaiky ny fitiavantsika zavatra manokana fotsiny. Isan-karazany, ohatra, ny fomba fitafy. Any amin’ny faritra maro dia mety ny hanaovan’ny lehilahy karavato rehefa mitory ny vaovao tsara, nefa mety hoheverina ho mihaja loatra izany any amin’ny tany mafana sasany. Matetika no manampy mba hitari-dalana ny fijerena izay fitafiana heverin’ny olona eo an-toerana fa mety ho an’ny mpandraharaha mifandray amin’ny besinimaro. Zava-dehibe ny hananantsika “saina mahay mitsara zavatra” rehefa miatrika raharaha saro-pady toy ny fitafiana. — 1 Timoty 2:9, 10, NW.
Ahoana raha tsy tiantsika ny fanao iray? Tokony hailika avy hatrany ve izy io? Tsy voatery ho izany. Zavatra azo nekena tsara tao amin’io fiaraha-monina afrikanina manokana io ilay fanao mahakasika ny fifampitantanan’ny samy lehilahy voalaza terỳ aloha kokoa. Tsy sakodiavatra firy intsony ilay misionera rehefa nahamarika fa nisy lehilahy hafa nifampitantana, nandehandeha teny rehetra teny.
Nitsidika kôngregasiôna izay nisy mpikambana samy hafa fiaviana ny apostoly Paoly nandritra ny dia misionera be dia be nataony. Tsy isalasalana fa niseho matetika ny fifandonana noho ny fahasamihafana ara-kolontsaina. Noho izany, i Paoly dia nahay nifanaraka tamin’ireo fanao rehetra, araka izay azony natao, no sady nifikitra mafy tamin’ireo foto-pitsipiky ny Baiboly. “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra”, hoy izy, “mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.” — 1 Korintiana 9:22, 23; Asan’ny Apostoly 16:3.
Mety hanampy antsika hanapa-kevitra ny amin’izay tokony ho fihetsitsika manoloana ireo fanao vaovao, ny fanontaniana vitsivitsy mifanentana. Ahoana, hoy ny mpitazana, raha manaraka fanao sasany, na raha tsy mety manaraka izany isika? Ho voasintona amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ve izy ireo noho ny fahitany antsika miezaka manaraka ny kolontsainy? Etsy an-danin’izany kosa, mety ‘homen-tsiny ve ny fanompoana’ raha manaraka fanao iray eo an-toerana isika? — 2 Korintiana 6:3.
Raha irintsika ny ho tonga ‘zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’, dia mety ho voatery hanova fomba fijery sasany efa latsa-paka isika, momba izay atao hoe mety sy tsy mety. Matetika no miankina amin’ny toerana onenantsika fotsiny no “mahamety” sy “tsy mety” ny fomba fanaovan-javatra iray. Araka izany, ny fifampitantanan’ny samy lehilahy dia fanehoam-pisakaizana any amin’ny tany iray, nefa azo inoana fa hampihen-danja ny hafatra momba ilay Fanjakana kosa izany any amin’ny tany maro hafa.
Misy indray anefa fanao hafa izay azo ekena any amin’ny faritra maro samihafa, ary angamba mety amin’ny Kristianina mihitsy aza, saingy tsy maintsy maneho fitandremana isika.
Mitandrema sao mihoa-pefy!
Nilaza i Jesosy Kristy fa na dia tsy azo esorina hiala amin’izao tontolo izao aza ny mpianany, dia tsy maintsy mitoetra ho “tsy naman’izao tontolo izao” izy ireo. (Jaona 17:15, 16). Tsy mora anefa indraindray ny manavaka ny tsipika manelanelana ny atao hoe tapany tsy misaraka amin’ny tontolon’i Satana sy ny atao hoe kolontsaina fotsiny. Manenika saika ny kolontsaina rehetra, ohatra, ny mozika sy ny dihy, na dia mitana toerana lehibe kokoa aza izy ireo any amin’ny tany sasany.
Mety ho mora amintsika erỳ ny hirona kokoa hanao fitsarana miorina amin’izay fiaviantsika fa tsy amin’ireo antony marim-pototra araka ny Soratra Masina. Nahazo fanendrena hiasa tany Espaina i Alex, izay rahalahy alemà. Tany amin’ny toerana nisy azy teo aloha, dia tsy tena tia mandihy ny olona, fa tany Espaina kosa, dia anisan’ny kolontsaina ny dihy. Fony izy sambany vao nahita rahalahy iray sy anabavy iray nanao dihy nihetsiketsika be fanao teo an-toerana, dia sahiran-tsaina izy. Ratsy ve, sa angamba dihin’izao tontolo izao, io dihy io? Hampihen-danja ny fari-pitsipika arahiny ve izy raha manaraka io fanao io? Nianaran’i Alex fa na dia hafa noho ny an’ny Alemà aza ilay mozika sy dihy, dia tsy nisy antony tokony hiheverana fa nampihen-danja ny fari-pitsipika kristianina ireo rahalahiny sy anabaviny espaniola. Ny fahasamihafana ara-kolontsaina no nahatonga azy ho sahiran-tsaina.
Kanefa, i Emilio, izay rahalahy tia manao dihin-drazana espaniola, dia manaiky fa eo ny loza. “Marihiko fa mitaky ny fifampikasihana be loatra eo amin’ny olon-droa lahy sy vavy ny karazana dihy maro”, hoy ny nohazavainy. “Mpitovo aho, ka takatro fa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-pon’ny iray amin’ireo miara-mandihy izany, fara faharatsiny. Indraindray ny dihy dia ampiasaina ho fanararaotana mba hanehoana firaiketam-po amin’ny olona iray manintona ny tena. Ho fiarovana ny fanaovana izay hahazoana antoka fa tsy manimba ilay mozika, ary voahazona ho faran’izay kely ny fifampikasihana ara-batana. Kanefa, voatery miaiky aho fa tena sarotra ny mihazona rivo-piainana teôkratika, rehefa miaraka mandeha mandihy ny antokona rahalahy sy anabavy tanora mbola mpitovo.”
Azo antoka fa tsy irintsika ny hampiasa ny kolontsaintsika ho fanararaotana mba hanaranam-po amin’ny fitondran-tena araka an’izao tontolo izao. Nanana ny toerany teo amin’ny kolontsain’ny Isiraelita ny hira sy ny dihy, ary fony izy ireo nafahana avy tany Egypta, ny fankalazana nataony teo amin’ny Ranomasina Mena, dia nahafaoka hira sy dihy. (Eksodosy 15:1, 20). Tsy nitovy tamin’ny an’ilay tontolo mpanompo sampy nanodidina azy anefa ny karazana mozika sy dihin’izy ireo manokana.
Nampalahelo anefa fa teo am-piandrasana ny fiverenan’i Mosesy avy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nanjary tsy nanam-paharetana ny Isiraelita, ka nanao ombilahy kely volamena, ary rehefa avy nihinana sy nisotro dia “nitsangana hilalao”. (Eksodosy 32:1-6). Rehefa ren’i Mosesy sy i Josoa ilay feon-kiran’izy ireo, dia nampikorontan-tsaina azy avy hatrany izany. (Eksodosy 32:17, 18). “Nihoa-pefy” ny Isiraelita, ka nanome taratr’ilay tontolo mpanompo sampy nanodidina azy izao ny hirany sy ny dihiny.
Toy izany koa amin’izao andro izao, ny mozika sy ny dihy, amin’ny ankapobeny, dia mety ho azo ekena eo amin’ny toerana misy antsika, ary mety tsy hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny hafa. Raha atao maizimaizina anefa ny jiro, no sady ampiana jiro mirehitra mitsitapitapy, na koa alefa ny mozika misy ban-kira hafa kely, dia mety hanome taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao ilay zavatra azo nekena teo aloha. “Ka izany mihitsy ange no kolontsaina eto aminay e”, hoy angamba ny olona iray. Nampiasa fialan-tsiny nitovy tamin’izany i Arona fony izy nanaiky endri-pialam-boly sy endri-panompoam-pivavahan’ny mpanompo sampy. Diso ny nilazalazany azy ireny ho “andro firavoravoana ho an’i Jehovah”. Tsy azo nekena io fialan-tsiny maivan-danja io. Noheverina ho ‘[fahafaham-baraka, NW ] teo amin’ny fahavalony’ mihitsy aza ny fitondran-tenan’izy ireo. — Eksodosy 32:5, 25.
Manana ny toerany ny kolontsaina!
Mety hanafintohina antsika ireo fanao tsy mahazatra amin’ny voalohany, nefa tsy voatery ho tsy azo ekena avokoa izy rehetra. Noho ny fanampian’ny ‘saina efa zatra nampiasaina tsara’ ananantsika, dia azontsika atao ny mamaritra hoe fanao inona avy no azo ampiarahina amin’ny foto-pitsipika kristianina, ary inona avy kosa no tsy toy izany. (Hebreo 5:14). Raha manana fo feno hatsaram-panahy sy fitiavana ny mpiara-belona amintsika isika, dia hanana fihetsika mety, manoloana ireo fanao tsy manimba.
Rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona eo an-toerana na any an-tany lavitra isika, ny fananana fomba fijery voalanjalanja momba ireo kolontsaina isan-karazany, dia hahatonga antsika ho ‘zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’. Ary azo inoana fa handray anjara amin’ny fananantsika fiainana misy heviny sy mahaliana ary mahafinaritra ny fandraisantsika tsara an’ireo kolontsaina maro samihafa.
[Sary, pejy 20]
Maro ny fomba mety tsara azon’ny Kristianina ifampiarahabana
[Sary, pejy 23]
Afaka mitarika ho amin’ny fiainana misy heviny sy mahaliana ny fananana fomba fijery voalanjalanja momba ireo kolontsaina maro samihafa