Ireo Fefy Misakana ny Fampitan-kevitra
MISIONERAN’NY Watch Tower mipetraka atsy Sierra Leone, eto Afrika Andrefana, i Robert. Indray andro, taoriana kelin’ny nahatongavany tao amin’io tany io, rehefa nandeha teny an-dalana izy, dia nahamarika fa nihirahira hoe: “Vazaha! Vazaha!”, ireo ankizy teo an-toerana. Nijery ny manodidina azy i Robert, izay Amerikana mainty hoditra, hoe aiza ilay vazaha, kanefa tsy nisy olon-kafa teo. Takany tamin’izay fa, hay, izy no niantefan’ny antsoantson’ireo ankizy!
Tsy nisy haratsiam-panahy akory tamin’ilay hirahira. Nasehon’ireo ankizy fotsiny ny fanekeny hoe avy tamin’ny kolontsaina tsy nitovy tamin’ny azy i Robert. Ny fiantsoana an’i Robert hoe vazaha no fomba tsara indrindra noheverin’izy ireo hanehoana izany tsy fitoviana izany.
Ny fomba ananan’ny kolontsaina heriny eo amin’ny maha-isika antsika
Ny kolontsaina dia nofaritana amin’ny ankapobeny hoe “fitambaran’ny hevitra iombonana, (...) ireo fomba amam-panao, zavatra inoana, sy fahalalana, izay mampiavaka fomba fiaina iray”. Mianatra zava-tsarobidy ara-kolontsaina maro isika amin’ny alalan’ny fampianarana mivantana, kanefa mandray zavatra betsaka koa isika na dia tsy mahatsapa izany akory aza. Nilaza toy izao ny mpanao fikarohana iray: “Manomboka amin’ny fotoana ahaterahan’ny [zaza iray], ireo fomba amam-panao teo amin’ny nahaterahany dia mamolavola ny zavatra iainany sy ny fitondran-tenany. Amin’ny fotoana ahafahany miresaka, izy dia olona kely vokatry ny kolontsainy, ary amin’ny fotoana maha-lehibe azy ka ahafahany mandray anjara amin’ny zavatra atao ao amin’io [kolontsainy io], ny fahazarany dia ny fahazaran’izy io, ny zavatra inoany dia ny zavatra inoan’izy io, ny zavatra tsy vitany dia ny zavatra tsy vitan’izy io.”
Amin’ny fomba maro, ny kolontsaina dia manamora kokoa ny fiainana ho antsika. Rehefa ankizy isika dia mianatra haingana ny fomba ampifaliana ny ray aman-drenintsika. Mitarika antsika eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra momba ny fomba fanao sy ny zavatra hotafina ary ny fomba ifandraisana amin’ny hafa, ny fahafantarana izay azo ekena sy tsy azo ekena ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika.
Mazava ho azy fa tsy miankina amin’ny fiaviantsika ara-kolontsaina fotsiny ny maha-isika antsika isam-batan’olona. Ao anatin’ny kolontsaina tsirairay dia misy fiovaovana eo amin’ny olona. Faritan’ny fototarazo sy ny zavatra diavintsika eo amin’ny fiainana ary ny anton-javatra maro be hafa koa ny maha-isika antsika. Na dia izany aza, dia ny kolontsaina no fitaratra entintsika hijerena izao tontolo izao.
Ny kolontsaintsika, ohatra, no manapaka ny amin’ny fiteny ampiasaintsika, ary tsy izany ihany fa ny fomba ampiasana azy io koa. Any amin’ny faritr’i Moyen-Orient, ny olona dia mihevitra ho sarobidy ny fahaiza-maneho ny heviny amim-pahakingana amin’ny alalan’ny teny maro, ka mampiasa famerimberenana sy teny an’ohatra. Mifanohitra amin’izany, ny olona any amin’ny tany sasany any Extrême-Orient dia mihazona ho faran’izay kely ny fampitan-kevitra am-bava. Mampiseho taratr’io fiheverana io ny ohabolana japoney iray hoe: “Ny vavanao no hahafaty anao.”
Mifehy ny fomba iheverantsika ny fotoana ny kolontsaintsika. Any Soisa, raha tara folo minitra ianao amin’ny fotoana iray nifanaovana, dia antenaina ny hialanao tsiny. Any amin’ny tany hafa, dia afaka ny ho tara adiny iray na adiny roa ianao, ary zara raha hisy fialan-tsiny hantenaina aminao.
Mampianatra antsika zava-tsarobidy koa ny kolontsaintsika. Eritrereto ny mety ho tsapanao raha misy milaza aminao hoe: “Mihamahazo aina be ianao izany. Tena mihamatavy ianao!” Raha toa ianao ka nihabe tao amin’ny kolontsaina afrikana iray izay anisiana vidiny ny hangeza, dia azo inoana fa ho faly ianao noho ilay fanamarihana. Raha toa anefa ianao ka notezaina tao amin’ny kolontsaina tandrefana iray izay ananana fiheverana ambony momba ny hanifisana, dia azo inoana fa hampalahelo anao ilay filazana amim-pahatsorana.
‘Ny fombanay no tsara indrindra!’
Ny zavatra manembantsembana matetika aoka izany ny fampitan-kevitra eo amin’ireo samy hafa kolontsaina dia ny hoe mirona hihevitra ny kolontsainy manokana ho tsara kokoa ny olona hatraiza hatraiza. Mihevitra ny ankamaroantsika fa mety sy araka ny tokony ho izy ary tsara kokoa noho izay rehetra azo isafidianana ny zavatra inoantsika, ny zava-tsarobidy amintsika, ny fanaon-drazantsika, ny fomba fitafintsika, sy ny hevitsika momba ny hatsaran-tarehy. Mirona koa hitsara ny kolontsaina hafa araka ny zava-tsarobidy amin’ny antokon’olona misy antsika, isika. Antsoina hoe fanamboniana ny an’ny tena ny fisainana toy izany. Manao fanamarihana toy izao ny The New Encyclopædia Britannica: “Azo lazaina hoe saika hita hatraiza hatraiza (...) ny fanamboniana ny an’ny tena. Saika ny kolontsaina rehetra maneran-tany no misy olona mihevitra ny fomba fiainany manokana ho ambony noho ny an’ny mpiara-monina izay mifandray akaiky aminy mihitsy aza.”
Roanjato taona lasa izay, dia nilaza ilay raharaha tamin’ny fomba nivantambantana ny tompomenakely anglisy iray, ka nanao hoe: “[Avy amin’izay] hitako, dia adaladala ny vahiny.” Nanoratra toy izao ny mpampanonta ilay boky misy fanononana teny nalaina izay nisehoan’ireo teny ireo: “[Izy io] dia tsy maintsy hadiva ho fihetseham-po hatraiza hatraiza notenenina hatramin’izay.”
Tondraka ireo porofon’ny tsy fileferana amin’ireo olona hafa kolontsaina. Na dia mpanoratra tantaram-pitiavana alemana aza no nanoratra itỳ teny manaraka itỳ tany am-boalohany, tamin’ireo taona 1930, dia matetika no lazaina fa i Hermann Göring, mpitarika nazia, no nanonona azy itỳ: “Rehefa mandre ny teny hoe kolontsaina aho, dia maka ny basy poletako.”
Afaka mitarika ho amin’ny fanavakavahana, izay mety hitarika ho amin’ny fankahalana sy ny fifandrafiana avy eo, ny fiheverana mahery feno fanamboniana ny an’ny tena. I Richard Goldstone no mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana Iraisam-pirenena Ady Heloka Bevava izay mamotopototra ny amin’ny heloka bevava tamin’ny ady tatsy Rwanda sy tany Iogoslavia teo aloha. Mikasika ireo zava-bita baribariàna tamin’ireo ady roa ireo, dia hoy izy: “Afaka mitranga na aiza na aiza io karazan-javatra io. Eto ianao mahita tany roa samy hafa, izay manana kolontsaina sy tantara miavaka tsara, kanefa habibiana mitovy [no] nataon’ireo mpiara-monina nifamely. Io karazana ady ara-pirazanana na ara-pivavahana tsy mifaditra ovana io, dia fanavakavahana fotsiny tonga hatramin’ny herisetra. Tsy maintsy lazaina hoe tsy manana ny maha-olona azy na lazaina fa azon’ny demonia, ilay antokon’olona iharam-pahavoazana. Rehefa vita izany, ilay izy dia manafaka ny olon-tsotra amin’ny fisakanan’ny feon’ny fieritreretany, izay ho nandrara azy ireo, raha ny ara-dalàna, [tsy] hanao zavatra mahatsiravina toy izany.”
Fanalalahana ny fomba fijerintsika
Mazàna ireo izay be itoviana amintsika, olona izay mitovy toe-tsaina sy zavatra heverina ho sarobidy amintsika, no olona fidintsika ho namantsika. Mitoky amin’izy ireo sy mahatakatra ny fiheviny isika. Mahatsiaro ho afa-boly isika miaraka aminy. Raha mihevitra isika fa hafahafa na tsy ara-dalàna ny fitondran-tenan’ny olon-kafa iray, dia azo inoana fa hiombon-kevitra amintsika ireo namantsika satria miombona fiheverana an-tendrony amintsika izy ireo.
Inona àry no tombony azontsika amin’ny fampitan-kevitra amin’ny hafa, izay tsy mitovy amintsika noho ny fiaviany ara-kolontsaina? Voalohany aloha, ny fampitan-kevitra tsara dia hanampy antsika hahatakatra ireo antony mahatonga ny hafa hihevitra sy hanao zavatra toy ny ataony. Hoy i Kunle, Afrikana tandrefana: “Ankizy maro eto Afrika no tsy ampirisihina mihitsy hiresaka eo am-pisakafoana. Any amin’ny tany eoropeana sasany anefa, dia ampirisihana ny hiresahana amin’ny fotoan’ny sakafo. Inona no mitranga rehefa miara-misakafo amin’ny Afrikana ny Eoropeana? Manontany tena ilay Eoropeana hoe nahoana no toa lasa fisainana mangina eo amin’ny sakafony ilay Afrikana. Etsy an-danin’izany, dia manontany tena ilay Afrikana hoe nahoana no mipentsompentsona tahaka ny voronkely ilay Eoropeana!” Mazava fa ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, dia mahavita zavatra betsaka mba hanesorana ny fitsarana an-tendrony ara-tsosialy ny fahatakaran’ny andaniny sy ny ankilany ny fiaviana ara-kolontsain’ny tsirairay avy.
Rehefa tonga amin’ny fahalalana olona hafa kolontsaina isika, dia tsy vitan’ny hoe tena manatsara ny fahatakarantsika ny fihevitry ny olon-kafa, fa mahatakatra tsara kokoa ny an’ny tenantsika koa. Nanoratra toy izao ny manam-pahaizana iray mpandinika ny olombelona: “Ny zavatra farany ho tsikaritry ny mponina iray any anatin’ny ranomasina lalina any dia ny rano. Tsy hanjary hahatsapa ny fisian’izy io izy raha tsy hoe misy zavatra kisendrasendra mitondra azy ho eo ivelany ka mampahafantatra azy ny rivotra angaha. (...) Ny fahaiza-mijery ny kolontsain’ny fiaraha-monina misy ny tena manokana, [ilay kolontsaina] amin’ny fitambarany, (...) dia mitaky fomba fijery ny zava-misy, [fomba fijery] izay mahalana vao ananana, raha toa ka ananana.” Na dia izany aza, amin’ny fifampikasohantsika amin’ny kolontsaina hafa, dia tahaka ilay mponina an-dranomasina izay nampahafantarina rivotra isika; manjary tsapantsika ny fisian’ny “rano” ara-kolontsaina ipetrahantsika. Naneho ilay raharaha tamin’ny fomba mahafinaritra toy izao i Thomas Abercrombie, mpanoratra: “Ny olona iray tsy mba voasinton’ny kolontsaina vahiny iray mihitsy dia tsy afaka mahatakatra mihitsy ny gadran’ny kolontsainy manokana.”
Raha fintinina, ny fahatakarana ny kolontsaina hafa dia afaka manatsara ny fiainantsika amin’ny fanalalahana ny fomba fijerintsika, ka ho takatsika tsara kokoa ny fihevitry ny tenantsika sy ny an’ny hafa. Na dia afaka ny ho fefy mampisaraka ny fampitan-kevitra aza ny lova ara-kolontsaina sy ny fisainana manambony ny an’ny tena, dia tsy voatery ho toy izany izy ireny. Azo ravana ireny fefy ireny.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Saika ny kolontsaina rehetra maneran-tany no misy olona mihevitra ny fomba fiainany manokana ho ambony noho ny an’ny mpiara-monina izay mifandray akaiky aminy mihitsy aza.” — The New Encyclopædia Britannica
[Sary, pejy 7]
Afaka mianatra ny hankafy ireo zavatra tsara ao amin’ny kolontsaina hafa isika
[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]
Globe: Mountain High Maps® Copyright © 1995 Digital Wisdom, Inc.