FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/12 p. 10-15
  • An’i Jehovah ny Famonjena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • An’i Jehovah ny Famonjena
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mamonjy ny olona mahitsy i Jehovah
  • Mamonjy ny vahoakany amin’ny mpampahory i Jehovah
  • Mamonjy ireo mitoky aminy Andriamanitra
  • Mamonjy ireo mpihazona tsy fivadihana i Jehovah
  • Mamonjy foana ny vahoakany i Jehovah
  • Famonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay
  • Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Atao hoe Famonjena?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • “Mijanòna, fa ho Hitanareo ny Famonjen’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/12 p. 10-15

An’i Jehovah ny Famonjena

“Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika”. — SALAMO 68:20.

1, 2. a) Nahoana no azontsika lazaina fa Loharanom-pamonjena i Jehovah? b) Ahoana no anazavanao ny Ohabolana 21:31?

MPAMONJY ny olona tia azy i Jehovah. (Isaia 43:11). Nahafantatra izany avy tamin’ny zavatra niainany manokana i Davida, mpanjaka malazan’ny Isiraely, ka nihira toy izao tamin’ny fony manontolo: “An’i Jehovah ny famonjena”. (Salamo 3:8). Nampiasa izany teny izany ihany ny mpaminany Jona, fony izy nivavaka tamin-kafanam-po tao an-kibon’ilay hazandrano be. — Jona 2:10.

2 Fantatr’i Solomona zanak’i Davida koa fa Loharanom-pamonjena i Jehovah, satria hoy izy: “Voaomana ny soavaly ho amin’ny andro iadiana; fa an’i Jehovah ihany ny [famonjena, NW ]”. (Ohabolana 21:31). Tany Moyen-Orient fahizay, ny omby dia nitarika angadin’omby, ny ampondra nitondra enta-mavesatra, ny ramole nitaingenan’ny olona, ary ny soavaly dia nampiasaina tamin’ny ady. Talohan’ny nidiran’ny Isiraelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina anefa, dia nodidian’Andriamanitra ilay ho mpanjakan’izy ireo mba “tsy hanana soavaly maro”. (Deoteronomia 17:16). Tsy hilaina ny soavaly fitondra miady satria hamonjy ny vahoakany, i Jehovah.

3. Fanontaniana inona avy no mendrika hodinihintsika?

3 “Andriamanitry ny famonjena” i Jehovah Tompo Manam-piandrianana. (Salamo 68:20). Mampahery erỳ ny mieritreritra izany! Inona anefa no “famonjena” efa notontosain’i Jehovah? Ary iza no efa novonjeny?

Mamonjy ny olona mahitsy i Jehovah

4. Ahoana no ahafantarantsika fa mamonjy ny olona tia an’Andriamanitra i Jehovah?

4 Izay rehetra manana fiainana mahitsy noho izy mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena, dia afaka manovo fampaherezana avy amin’ny tenin’ny apostoly Petera manao hoe: “Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana”. Mba hanaporofoana ny heviny, dia nilaza i Petera fa “tsy namela izao rehetra izao taloha [Andriamanitra], fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. — 2 Petera 2:5, 9.

5. Tao anatin’ny toe-piainana nanao ahoana no nanompoan’i Noa tamin’ny naha “mpitory ny fahamarinana” azy?

5 Alao sary an-tsaina ange ny tenanao hoe ao anatin’ilay toe-piainana nisy tamin’ny andron’i Noa e. Tonga eto an-tany ireo demonia mitafy nofo. Mitondra amin-kasiahana ny olona ny taranak’ireny anjely tsy nankato ireny, ka ‘heni-doza ny tany’. (Genesisy 6:1-12). Tsy mahavita mampiala an’i Noa amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa ny fandrahonana mafy. Vao mainka aza izy tonga “mpitory ny fahamarinana”. Miara-manorina sambo fiara iray izy sy ny fianakaviany, tsy misalasala mihitsy fa amin’ny andro ahavelomany no hanafoanana ny faharatsiana. Nanameloka izany tontolo izany ny finoan’i Noa. (Hebreo 11:7). Mitovy amin’ilay tamin’ny andron’i Noa ny toe-piainana misy amin’izao andro izao, ka izany dia manondro azy ho ny andro farany ho an’ity fandehan-javatra ratsy ity. (Matio 24:37-39; 2 Timoty 3:1-5). Hanao sahala amin’i Noa àry ve ianao ka ho mpitory ny fahamarinana amim-pahatokiana, miara-manompo amin’ny vahoakan’Andriamanitra eo am-piandrasanao ny famonjen’i Jehovah?

6. Ahoana no anaporofoan’ny 2 Petera 2:7, 8 fa mamonjy ny olona mahitsy i Jehovah?

6 Mbola nanome porofo fanampiny i Petera fa mamonjy ny olona mahitsy i Jehovah. Nilaza ilay apostoly fa ‘novonjen[’Andriamanitra] i Lota marina, izay ory dia ory [noho ireo tsy mpiraharaha lalàna nanaram-po tamin’ny fitondran-tena tsy voafehy, NW ] (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan-andro isan-andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ireo ny lalàna)’. (2 Petera 2:7, 8; Genesisy 19:1-29). Nanjary fomba fiainan’ny olona an-tapitrisany maro amin’izao andro farany izao ny fahalotoam-pitondran-tena. Sahala amin’i Lota ve ianao, ka ‘ory dia ory noho ny fanaranam-po amin’ny fitondran-tena tsy voafehy’ ataon’ny olona maro aoka izany amin’izao andro izao? Raha izany no izy, ary raha manao ny marina ianao, dia mety ho anisan’ireo hovonjen’i Jehovah ianao, rehefa hofaranana ity fandehan-javatra ratsy ity.

Mamonjy ny vahoakany amin’ny mpampahory i Jehovah

7. Ahoana no anaporofoan’ny fifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraelita tany Ejipta fa manafaka ny vahoakany amin’ny fampahoriana izy?

7 Raha mbola maharitra koa ity fandehan-javatra tranainy ity, dia hahita fanenjehana sy fampahoriana avy amin’ny fahavalo ireo mpanompon’i Jehovah. Afaka matoky anefa izy ireo fa hamonjy azy ireo i Jehovah, satria efa namonjy ny vahoakany nampahorina tamin’ny lasa izy. Aoka hatao hoe Isiraelita iray nanaovan’ny Ejipsianina tsindry hazo lena ianao, tamin’ny andron’i Mosesy. (Eksodosy 1:1-14; 6:8). Nandefasan’Andriamanitra loza nisesy i Ejipta. (Eksodosy 8:1–10:29). Rehefa naka ny ain’ireo voalohan-teraka ejipsianina ny loza fahafolo nahafaty, dia navelan’i Farao handeha ny Isiraely, kanjo taorian’izay dia novoriny ny tafiny ary nenjehiny izy ireo. Tsy ela anefa dia ringana tao amin’ny Ranomasina Mena izy sy ny olony. (Eksodosy 14:23-28). Miara-miredona ity hira ity, amin’i Mosesy sy ny Isiraely manontolo ianao, manao hoe: “Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. Ny kalesin’i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ny Ranomasina Mena. Ny lalina nanarona azy: nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.” (Eksodosy 15:3-5). Loza toy izany no miandry ireo rehetra mampahory ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao.

8, 9. Manomeza ohatra iray avy ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, izay manaporofo fa mamonjy ny vahoakany amin’ny fampahoriana i Jehovah.

8 Mpitsara no nampihatra ny rariny teo amin’ireo Isiraelita nandritra ny taona maro, taorian’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Indraindray dia nijaly ilay vahoaka noho ny fampahorian’ireo firenena hafa, kanefa nampiasa ireo mpitsara nahatoky Andriamanitra, mba hanafahana azy. Na dia mety hanao toa azy ireo aza isika ka ‘hitaraina noho ireo mampahory sy mampalahelo antsika’, dia hamonjy antsika koa i Jehovah noho isika mpanompony tsy mivadika. (Mpitsara 2:16-18; 3:9, 15). Manome toky antsika ny amin’izany, raha ny marina, ny bokin’ny Mpitsara ao amin’ny Baiboly, no sady manome toky antsika ny amin’ny famonjena lehibe kokoa hataon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay Mpitsara voatendriny.

9 Andeha isika hiverina any amin’ny andron’i Baraka Mpitsara. Noho ny fanompoam-pivavahana diso sy ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra, dia nizaka fitondrana henjana nandritra ny 20 taona ireo Isiraelita, teo ambany fanapahan’i Jabina, mpanjaka kananita. I Sisera no komandin’ilay tafika kananita goavana nisy miaramila tsy toko tsy forohana. Kanefa ‘tsy nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Isiraely’, na dia nety ho niisa efatra tapitrisa teo ho eo aza ilay firenena. (Mpitsara 5:6-8). Nibebaka sy niantso an’i Jehovah ireo Isiraelita. Notarihin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Debora mpaminanivavy i Baraka, ka namory lehilahy 10 000 teo amin’ny Tendrombohitra Tabara. Ary nosarihin’i Jehovah hiakatra ilay fahavalo terỳ amin’ny lohasaha ambanin’i Tabara manerinerina terỳ. Nirodorodo ny tafik’i Sisera mbamin’ny kalesy fitondra miady 900, namakivaky ilay tany lemaka sy ny fanambanin’ny ony Kisona izay maina. Nisy oram-be nivatravatra anefa nampisondrotra ny ony Kisona tamin’ny rano be nanafotra. Rehefa nandeha nidina ny Tendrombohitra Tabara, takon’ilay oram-baratra, i Baraka sy ny olony, dia nanatri-maso ny fandravana nentin’ny fahatezeran’i Jehovah. Nasesin’ny olon’i Baraka notifirina tsirairay ireo Kananita raiki-tahotra sy vaky nandositra, ka tsy nisy niangana. Izany ka fampitandremana ho an’ireo mpampahory antsika izay sahisahy ratsy miady amin’Andriamanitra! — Mpitsara 4:3-16; 5:19-22.

10. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa hovonjen’Andriamanitra amin’ny mpampahory azy ny mpanompony amin’izao andro izao?

10 Hovonjen’i Jehovah amin’izay fahavalo rehetra mampahory azy, ny mpanompony amin’izao andro izao, toy ny namonjeny ny Isiraely natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny fotoana nisian’ny loza nandrahona. (Isaia 43:3; Jeremia 14:8). Namonjy an’i Davida “tamin’ny tànan’ny fahavalony rehetra” Andriamanitra. (2 Samoela 22:1-3). Koa na dia ampahorina sy enjehina aza isika noho isika vahoakan’i Jehovah, dia aoka isika ho be herim-po, satria hanafaka antsika amin’ny fampahoriana ilay Mpanjakany Mesianika. Eny, “hamonjy ny fanahin’ny malahelo [izy]. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy”. (Salamo 72:13, 14). Akaiky tokoa izany fanavotana izany.

Mamonjy ireo mitoky aminy Andriamanitra

11. Inona no ohatra nomen’i Davida tanora mahakasika ny fianteherana amin’i Jehovah?

11 Tsy maintsy mitoky amin’i Jehovah amin-kerim-po isika, mba hahitana ny famonjeny. Niantehitra tamin-kerim-po tamin’Andriamanitra i Davida fony izy nivoaka mba hifanandrina tamin’i Goliata goavam-be. Alao sary an-tsaina ange ilay Filistina nakadiribe e, nijoro teo anoloan’i Davida tanora izay niantsoantso hoe: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefompohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ny miaramilan’ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady.” Tsy ela dia maty i Goliata, ary resy tanteraka ny Filistina. Mazava fa namonjy ny vahoakany i Jehovah. — 1 Samoela 17:45-54.

12. Nahoana no mety hahasoa ny mahatsiaro an’i Eleazara, lehilahy maherin’i Davida?

12 Rehefa mifanandrina amin’ny mpanenjika isika, dia mety hilaintsika ny ‘hiseho ho lehilahy’ sy ny hitoky amin’Andriamanitra amin’ny fomba feno kokoa. (Isaia 46:8-13, fanamarihana ambany pejy; Ohabolana 3:5, 6). Mariho ity zava-nitranga tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Efesa-damina ity. Nandositra teo anatrehan’ny tafiky ny Filistina ny Isiraely. Tsy hoe nataon’ny tahotra tsy afa-nihetsika anefa i Eleazara, iray tamin’ireo lehilahy telon’i Davida nahery indrindra. Nijanona teo amin’ny saha nisy vary hordea izy, ka tamin’ny tanana anila no namelezany ireo Filistina tamin’ny sabatra. Tamin’izany no ‘nanaovan’i Jehovah famonjena lehibe ho an’ny Isiraely’. (1 Tantara 11:12-14; 2 Samoela 23:9, 10). Tsy misy manantena ny handresentsika tafika iray amin’ny tanana anila. Na izany aza, dia mety ho irery sy teren’ny fahavalo isika indraindray. Moa ve isika hiantehitra amim-bavaka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny famonjena? Moa ve isika hitady ny fanampiany mba tsy hamadihantsika ny mpiray finoana amintsika, any amin’ireo mpanenjika?

Mamonjy ireo mpihazona tsy fivadihana i Jehovah

13. Nahoana no sarotra ny nihazona ny tsy fivadihana tamin’Andriamanitra tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely?

13 Mba hahazoana famonjena avy amin’i Jehovah, dia tsy maintsy mihazona tsy fivadihana aminy isika na inon-kidona na inon-kihatra. Nandia fitsapana isan-karazany ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny. Eritrereto izay mety ho natrehinao raha niaina tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely ianao. Ny fahasiahan’i Rehoboama dia nanosika ny foko folo hiendaka taminy sy hamorona ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra. (2 Tantara 10:16, 17; 11:13, 14). I Jeho no mpanjaka tsara indrindra tamin’io fanjakana avaratra io, kanefa na dia izy aza dia ‘tsy nandeha tamin’ny lalàn’i Jehovah tamin’ny fony rehetra’. (2 Mpanjaka 10:30, 31). Na izany aza, dia nisy mpihazona tsy fivadihana tany amin’ilay fanjakan’ny foko folo. (1 Mpanjaka 19:18). Naneho finoana an’Andriamanitra izy ireo, ary dia nomba azy ireo izy. Mihazona ny tsy fivadihanao amin’i Jehovah ve ianao, na dia eo aza ireo fitsapana ny finoanao?

14. Famonjena inona no nataon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Mpanjaka Hezekia, ary inona no nahatonga an’i Babylona handresy ny Joda?

14 Nitondra loza aman’antambo ho an’ny fanjakan’ny Isiraely ny tsy firaharahana ny Lalàn’Andriamanitra niely patrana teo aminy. Rehefa nandresy azy tamin’ny 740 al.f.i. ny Asyrianina, dia tsy isalasalana fa nisy olona avy tamin’ny foko folo nandositra nankany amin’ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda, ka tany izy ireo dia afaka nanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tao amin’ny tempoliny. Tamin’ireo mpanjakan’ny Joda 19 avy amin’ny taranak’i Davida, dia niavaka noho ny fifikirany tamin’Andriamanitra ny 4, izany hoe, i Asa sy i Josafata sy i Hezekia ary i Josia. Tonga mba hamely an’i Joda tamin’ny tafika mahery ny Asyrianina, tamin’ny andron’i Hezekia izay mpihazona tsy fivadihana. Ho valin’ny fangatahan’i Hezekia, dia nampiasa anjely iray monja Andriamanitra mba hamonoana Asyrianina 185 000, indray alina monja, ka namonjy ny mpivavaka taminy! (Isaia 37:36-38). Tatỳ aoriana, ny tsy fitandreman’ny olona ny Lalàna sy ny tsy fanarahany ny fampitandreman’ireo mpaminanin’Andriamanitra dia nahatonga an’i Babylona handresy ny Joda sy handrava an’i Jerosalema, renivohiny, sy ny tempoly, tamin’ny 607 al.f.i.

15. Nahoana no nila niaritra ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona, ary ahoana no nanaovan’i Jehovah famonjena tamin’ny farany?

15 Nila fiaretana ireo Jiosy natao sesitany mba hihazonana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra, fony izy ireo babo tany Babylona nandritra ny sahabo ho 70 taona nanjombona. (Salamo 137:1-6). Mpihazona tsy fivadihana tsara homarihina, i Daniela mpaminany. (Daniela 1:1-7; 9:1-3). Alao sary an-tsaina ange ny hafaliany e, rehefa nanan-kery ilay didin’i Kyrosy mpanjaka persanina tamin’ny 537 al.f.i., ka namela ireo Jiosy hiverina tany Joda, mba hanorina indray ny tempoly! (Ezra 1:1-4). An-taonany maro no efa niaretan-dry Daniela mbamin’ny hafa, kanefa hitan’izy ireo ihany tamin’ny farany ny fionganan’i Babylona sy ny famonjena ny vahoakan’i Jehovah. Tokony hanampy antsika mba haneho fiaretana izany, eo am-piandrasantsika ny fandravana an’i “Babylona Lehibe”, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. — Apokalypsy 18:1-5.

Mamonjy foana ny vahoakany i Jehovah

16. Famonjena inona no nataon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Estera Vadi-mpanjaka?

16 Mamonjy foana ny vahoakany i Jehovah, rehefa tsy mivadika amin’ny anarany izy ireo. (1 Samoela 12:22; Isaia 43:10-12). Eritrereto ny amin’ny andron’i Estera Vadi-mpanjaka, tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. Notendren’i Ahasoerosy Mpanjaka (Kserksesy I) ho praiminisitra i Hamana. Romotra i Hamana satria tsy nety niankohoka taminy ilay Jiosy natao hoe Mordekay. Nanao teti-dratsy handringanana azy sy ny Jiosy hafa rehetra tao amin’ny Empira Persanina, i Hamana. Nolazainy fa mpandika lalàna ny Jiosy, ary nampiany sisi-bola izany, ka navela hampiasa ny peratry ny mpanjaka izy, mba hanisiana tombo-kase ny taratasy iray nandidy ny hamongorana ny Jiosy. Nanana herim-po i Estera nampiharihary tamin’ny mpanjaka fa taranaka jiosy ny tenany, ary nataony vaky betroka ny teti-dratsin’i Hamana nikasa hamono olona. Tsy ela dia i Hamana no nahantona teo amin’ilay hazo nomaniny indrindra mba hamonoana an’i Mordekay. Natao praiminisitra i Mordekay, ka nomen-dalana mba hamela ny Jiosy hiaro tena. Nahazo fandresena lehibe teo amin’ny fahavalony izy ireo. (Estera 3:1–9:19). Tokony hanatanjaka ny finoantsika io fisehoan-javatra io, fa hanao zavatra i Jehovah mba hamonjena ireo mpanompony mankato, amin’izao andro izao.

17. Ahoana no nandraisan’ny fankatoavana anjara tamin’ny famonjena ireo Kristianina jiosy tany Jodia tamin’ny taonjato voalohany?

17 Ny antony hafa iray mahatonga an’Andriamanitra hamonjy ny vahoakany, dia noho izy ireo mankato azy sy ny Zanany. Aoka ianao haka ny toeran’ireo Jiosy mpianatr’i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra”. (Lioka 21:20-22). Mandeha ireo taona, ary manontany tena ianao hoe rahoviana ihany vao ho tanteraka ireo teny ireo. Avy eo, dia tonga ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny 66 am.f.i. Nanodidina an’i Jerosalema ny tafika rômanina notarihin’i Cestius Gallus, ka nandroso hatrany amin’ny mandan’ny tempoly. Tampoka teo, toa tsy hita akory izay antony, dia nisinda ny Rômanina. Inona no hataon’ireo Kristianina jiosy? Nandositra niala an’i Jerosalema sy i Jodia izy ireo, hoy ny filazan’i Eusèbe, ao amin’ilay bokiny hoe Ecclesiastical History (Boky faha-3, toko faha-5, 3). Voatsimbina ny ain’izy ireo satria nankato ilay fampitandreman’i Jesosy ara-paminaniana izy ireo. Mailaka toy izany koa ve ianao, manaraka ny tari-dalana omen’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” izay notendren’i Jesosy hanapaka ny “fananany” rehetra? — Lioka 12:42-44.

Famonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay

18, 19. a) Inona ilay famonjena nanjary azo natao noho ny fahafatesan’i Jesosy, ary ho an’iza ilay izy? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ny apostoly Paoly?

18 Namonjy ny ain’ireo Kristianina jiosy tany Jodia ny fanarahana ny fampitandreman’i Jesosy. Manjary azo atao anefa ny famonjena ny “olona rehetra” ho amin’ny fiainana mandrakizay, noho ny fahafatesan’i Jesosy. (1 Timoty 4:10). Nanjary nila fanavotana ny olombelona rehefa nanota i Adama ka namoy ny ainy sady nivarotra ny taranak’olombelona ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana. (Romana 5:12-19). Fanaronana ota ara-panoharana fotsiny ireo sorona biby natao teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Hebreo 10:1-4). Teraka tsy nandova ota na tsy fahalavorariana i Jesosy, satria tsy nanana ray olombelona izy sady niharihary fa ‘nanaloka’ an’i Maria ny fanahy masin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny fotoana nampitoe-jaza azy ka mandra-pahaterak’i Jesosy. (Lioka 1:35; Jaona 1:29; 1 Petera 1:18, 19). Rehefa maty i Jesosy, noho izy nihazona ny tsy fivadihany tamin’ny fomba tonga lafatra, dia nanolotra ny ainy lavorary izy, mba hanavotana sy hanafahana ny olombelona. (Hebreo 2:14, 15). Tamin’izany no ‘nanoloran’i Kristy ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra’. (1 Timoty 2:5, 6). Tsy ny rehetra akory no handray soa avy amin’io fandaharam-pamonjena io, kanefa eken’Andriamanitra ny fampiharana ny soa entin’izy io amin’izay manaiky azy io amim-pinoana.

19 Nividy indray ny taranak’i Adama, i Kristy, rehefa natolony ho an’Andriamanitra tany an-danitra, ny vidin’ny sorom-panavotany. (Hebreo 9:24). Tamin’izany no nahazoan’i Jesosy vady, dia ny Ampakarina voaforon’ireo voahosotra 144 000 mpanara-dia azy, izay hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra. (Efesiana 5:25-27; Apokalypsy 14:3, 4; 21:9). Tonga “Rain’ny mandrakizay” koa izy, ho an’ireo izay manaiky ny sorony ka mahazo fiainana mandrakizay eto an-tany. (Isaia 9:5, 6; 1 Jaona 2:1, 2). Izany ka fandaharana mampiseho fitiavana! Miharihary ny fankasitrahan’i Paoly an’izany, ao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry faharoa ho an’ny Kristianina tany Korinto. Haseho ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany. Raha ny marina, dia tapa-kevitra i Paoly fa tsy hamela na inona na inona hanakana azy tsy hanampy ny olona handray soa avy amin’ilay fandaharana mahatalanjona nataon’i Jehovah mba hamonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no porofo araka ny Soratra Masina fa mamonjy ny olony mahitsy Andriamanitra?

◻ Ahoana no ahafantarantsika fa mamonjy izay mitoky aminy sy mihazona ny tsy fivadihany, i Jehovah?

◻ Inona no fandaharana nataon’Andriamanitra mba hamonjena ho amin’ny fiainana mandrakizay?

[Sary, pejy 12]

Nitoky tamin’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny famonjena”, i Davida. Ary ianao?

[Sary, pejy 14]

Mamonjy foana ny vahoakany i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny andron’i Estera Vadi-mpanjaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara