Rehefa Mamely ny Mpandroba Mitam-piadiana
AO Ikoyi, faritanàna manankarena iray manamorona tanàn-dehibe, atsy Afrika Andrefana, dia manjary toerana mimanda ireo trano fonenana. Maro aminy no manana fefy mahatratra telo metatra ny haavony ary nasiana vy maranitra, vakin-tavoahangy na tariby matsilotsilo. Misy mpiambina koa eo amin’ny vavahady lehibe mihidy karetsaka, nasiana bara sy rojo vy ary kadanà. Misy bara vy ny varavarankely. Sarahin’ny varavarana vy ny efitra fatoriana sy ny efitra hafa. Amin’ny alina, dia vahana ireo alikabe, toy ny berize alemà na ny Rottweiller. Mandroaka ny haizina ny jiro mazava be, ary maneno malefaka ny fitaovana fanaraha-maso elektrônika rehefa ara-dalàna ny zava-drehetra.
Eken’ny rehetra ny ilana hanamafisana ny hidin-trano. Hoy ny fitarainan’ireo lohateny an-gazety: “Mandroba ny Mponina ny Mpangalatra Mitam-piadiana”, “Tsy Voafehy intsony ireo Ankizy Mpandroba”, “Hotakotaka Noho ny Fanafihan’ny Andian-jiolahy [Tanàna Iray]”. Izany no toe-draharaha any amin’ny tany maro. Araka ny nambaran’ny Baiboly, dia miaina amin’ny fotoan-tsarotra tokoa isika. — 2 Timoty 3:1.
Maneran-tany dia mitombo ny fanaovana heloka bevava, ka tafiditra amin’izany ny fandrobana ampiasana fiadiana. Mihamitombo koa ny tsy fahaizan’ny fitondram-panjakana na ny tsy fahavononany hiaro ny olom-pirenena ao aminy. Any amin’ny tany sasany, dia vitsy an’isa sady tsy ampy fitaovam-piadiana ny polisy, ka tsy afa-manao zavatra ho an’ireo miantso vonjy. Mpitazana maro no tsy te hiditra an-tsehatra.
Voatery miaro tena ireo iharam-pahavoazana satria tsy afaka miantehitra na amin’ny fanampian’ny polisy na amin’ny fanampian’ny olona. Nilaza toy izao ny loholona kristianina iray any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana: “Raha miantso vonjy ianao, dia handratra na hamono anao ny mpandroba. Aleo tsy miantehitra amin’ny fanampiana ivelany. Tsara raha toa ka misy izany, saingy aza manantena na mangataka izany satria mety hahitanao fahasahiranana fanampiny fotsiny.”
Ny fiarovan-tena sy ny Tenin’Andriamanitra
Na dia tsy naman’izao tontolo izao aza ny Kristianina, dia eto amin’izao tontolo izao izy ireo. (Jaona 17:11, 16). Koa tahaka ny olon-kafa rehetra, dia mandray fepetra araka ny antonony izy ireo mba tsy hananany ahiahy. Tsy tahaka ny olona maro tsy manompo an’i Jehovah anefa ny vahoakan’Andriamanitra, fa mitady fiarovan-tena kosa, mifanaraka hatrany amin’ireo foto-pitsipika kristianina.
Mifanohitra amin’izany kosa, ny olona any amin’ny tany afrikanina sasany dia mampiasa majika rehefa mitady fiarovan-tena amin’ny fandrobana. Asian’ny mpimasy tataka kely eo amin’ny hatotanana, tratra, na lamosin’ny olona iray mitady fanampiana aminy. Kosehiny amin’ny ranom-panafody majika avy eo ilay tataka, tononiny ny teny majika, ary dia heverina fa ho voaro amin’ny fanafihan’ny mpandroba ilay olona. Ny hafa indray mametraka ody na ranom-panafody majika ao an-tranony, satria mino izy ireo fa tsy haninona azy ny mpandroba noho izany “antoka” izany.
Tsy misy ifandraisan’ny tena Kristianina amin’izay mety ho karazana majika. Melohin’ny Baiboly ny spiritisma amin’ny endriny rehetra, ary ara-drariny izany, satria ireo fanao ireo dia mampifandray ny olona amin’ny demonia, izay tena mampirisika ny herisetra eto ambonin’ny tany. (Genesisy 6:2, 4, 11). Milaza mazava toy izao ny Baiboly: ‘Aza manandro’. — Levitikosy 19:26.
Ny sasany mitady mafy ny tsy fananana ahiahy, ka mitondra basy eny aminy. Ny Kristianina anefa dia mihevitra ho zava-dehibe ny tenin’i Jesosy, izay nanao hoe: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Ny vahoakan’Andriamanitra dia ‘nanefy ny sabany ho fangady’, ka tsy mividy basy mba hiarovan-tena amin’ny mpandroba na ny mpanafika. — Mika 4:3.
Ahoana ny amin’ny fampiasana mpiambina mitam-piadiana? Na dia anjaran’ny tsirairay aza ny manapa-kevitra ny amin’izany, dia tadidio fa ny fanaovana izany dia hahatonga olon-kafa hitana basy. Inona moa no hantenain’ny mpampiasa iray fa hataon’ny mpiambina raha toa ka tonga ny mpandroba? Moa ve tsy ny hitifiran’ny mpiambina ilay mpandroba, raha ilaina izany, mba hiarovana ny olona sy ny fananana ambenany?
Mety ho toa hadalana eo imason’ireo izay tsy mahalala an’Andriamanitra ny toerana tanan’ny Kristianina, izay mandà ny fampiasana majika sy ny fitaovam-piadiana ho fomba fiarovana. Manome toky antsika toy izao anefa ny Baiboly: “Izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” (Ohabolana 29:25). Na dia miaro ny vahoakany amin’ny fitambarany aza i Jehovah, dia tsy miditra an-tsehatra amin’ny zava-miseho rehetra kosa izy ho fiarovana ny mpanompony amin’ny mpandroba. Olo-nahatoky tamin’ny fomba niavaka i Joba, kanefa navelan’Andriamanitra ny mpandroba handroba ny biby fiompin’i Joba sy hamono ireo mpanompony. (Joba 1:14, 15, 17). Navelan’Andriamanitra hahita “loza [avy] tamin’ny jiolahy” koa ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 11:26). Na dia izany aza, dia mampianatra ny mpanompony Andriamanitra mba hiaina araka ireo foto-pitsipiny, izay mampihena ny mety hitrangan’ny halatra. Omeny azy koa ny fahalalana izay manampy azy ireo hanana fihetsika mety tsy hahitam-pahavoazana firy eo anoloan’ny fanandramana handroba.
Fampihenana ny mety hitrangan’ny fandrobana
Izao no nomarihin’ilay olon-kendry taloha ela be: “Ny haben’ny ananan’ny manan-karena (...) no tsy ahitany tory.” (Mpitoriteny 5:11). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mety hitebiteby aoka izany noho ny tahotra ny hamoy ny fananany ireo izay manan-javatra maro, hany ka tsy mahita tory noho ny fanahiana momba izany.
Koa ny fomba iray hampihenana, tsy ny tebiteby ihany, fa ny mety hitrangan’ny fandrobana koa àry, dia ny tsy manangona fananana lafo vidy be dia be. Nanoratra toy izao ny apostoly nahazo tsindrimandry: “Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao — ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana ny fananan’ny tena — dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:16, NW ). Ny faniriana manosika ny olona hividy zavatra lafo vidy no manosika ny hafa hangalatra koa. Ary ny “fampideraderana ny fananan’ny tena” dia mety ho fanasana an’ireo izay mirona handroba.
Ny fiarovana hafa iray amin’ny halatra, ankoatra ny hoe tsy misehoseho, dia ny mampiseho fa tena Kristianina ny tena. Raha toa ianao ka mampiseho fitiavana ny hafa, sy manao ny marina eo amin’ny fifampiraharahana ataonao, ary marisika eo amin’ny fanompoana kristianina, dia afaka ny hahazo laza tsara eo amin’ny fiaraha-monina ianao hoe olona mahitsy sy mendri-panajana. (Galatiana 5:19-23). Mety ho fiarovana tsara lavitra noho ny fitaovam-piadiana izany laza kristianina izany.
Rehefa manafika ny mpandroba mitam-piadiana
Inona anefa no tokony hatao raha sanatria ka tafiditra an-trano ihany ny mpandroba ka mifanehatra amin’ny tena? Tadidio fa zava-dehibe kokoa noho ny fananana ny aina. Hoy i Kristy Jesosy: “Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. Ary izay (...) ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.” — Matio 5:39, 40.
Torohevitra feno fahendrena izany. Na dia tsy voatery hampahafantatra amin’ireo mpanao heloka bevava ny momba ny fananany aza ny Kristianina, dia azo inoana kokoa fa hanjary hampiasa herisetra ny mpandroba raha tsapany fa misy fanoherana, na tsy fanarahana izay asainy hatao, na fitaka. Maro amin’izy ireny no “olona tsy mahalala henatra intsony”, ka mora mety hasiaka sy tsy hangoraka. — Efesiana 4:19.
Mipetraka ao amin’ny trano lehibe iray misy mpanofa maro be i Samuel. Notampenan’ny mpandroba ny fidirana amin’ilay trano lehibe ary nandeha isaky ny efitrano fonenana izy ireo nandroba. Nahare poa-basy, varavarana novakina sy olona nikiakiaka sy nitomany ary nidradradradra i Samuel. Tsy nisy azo nandosirana. Nilaza tamin’ny vadiny sy ny zanany telo lahy i Samuel mba handohalika eo amin’ny gorodona, hanangana ny tanany, hanakimpy ny masony, ka hiandry. Rehefa nirohotra niditra ny mpandroba dia niresaka tamin’izy ireo i Samuel sady niondrika; fantany mantsy fa raha nijery azy ireo nifanatrika izy, dia mety hihevitra izy ireo fa hahatadidy azy ireo izy any aoriana. “Mandrosoa”, hoy izy. “Alao izay rehetra tianareo. Azonareo alaina ny zavatra rehetra. Vavolombelon’i Jehovah izahay ary tsy hanohitra anareo.” Tsy nampoizin’ireo mpandroba izany. Nandritra ny adiny iray teo ho eo, dia lehilahy 12 nirongo fiadiana, tamin’ny fitambarany, no niditra nanao andiany. Na dia nangalarin’izy ireo aza ny firavaka sy ny vola ary ireo fitaovana elektrônika, dia tsy nandaroka na nikapa tamin’ny kalaza ilay fianakaviana, izy ireo, toy ny nataony tamin’ny hafa tao amin’ilay trano lehibe. Nisaotra an’i Jehovah ny fianakavian’i Samuel fa voatsimbina ny ainy.
Asehon’io ohatra io fa amin’ny resaka vola sy fananana ara-nofo, dia mety hampihena ny mety hisian’ny fahavoazana ny tsy fanoheran’ireo olona idiran’ny mpandroba.a
Mety ho fiarovana amin’ny fahavoazana indraindray ny fanaovan’ny Kristianina fanambarana. Rehefa nanafika ny tranon’i Ade ny mpandroba, dia hoy izy tamin’izy ireo: “Fantatro fa sarotra ny fiainana ho anareo, ary izany no antony anaovanareo izao asa izao. Mino izahay Vavolombelon’i Jehovah fa hanana sakafo ampy ho an’ny tenany sy ny fianakaviany ny olona rehetra indray andro any. Hiaina amim-piadanana sy amim-pahasambarana daholo ny rehetra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Nanalefaka ireo mpandroba izany. Hoy ny iray taminy: “Miala tsiny izahay tonga eto an-tranonareo, nefa aoka ho takatrareo fa noana izahay.” Na dia nalain’izy ireo avokoa aza ny fananan’i Ade, dia tsy nikasika azy sy ny fianakaviany izy ireo.
Aoka ho tony hatrany
Tsy mora ny mitoetra ho tony ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza, indrindra fa raha ny hampitahotra ny olona mba hilefitra no kendren’ireo mpandroba voalohany indrindra. Hanampy antsika ny vavaka. Ren’i Jehovah na dia ny fitarainana mangina sy fohy ataontsika aza. Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (Salamo 34:15). Mahare antsika i Jehovah, ary afaka manome antsika ny fahendrena mba hiatrehana amim-pahatoniana ny toe-javatra, na inona izany na inona. — Jakoba 1:5.
Ankoatra ny vavaka, dia manampy mba ho tony koa ny manapa-kevitra mialoha ny amin’izay hataonao sy izay tsy hataonao raha sanatria ka tonga ny mpandroba. Mazava ho azy fa tsy azo atao ny mahafantatra mialoha ny toe-javatra hisy ny tena. Na izany aza, dia tsara ny mitadidy ao an-tsaina foto-pitsipika sasany, tsy misy hafa amin’ny hoe fahendrena ny mitadidy ao an-tsaina ireo fepetra fiarovana, raha sanatria ka ao anatin’ny trano iray mirehitra ny tena. Manampy anao ho tony hatrany sy tsy hisahotaka ary tsy hiharam-pahavoazana, ny mieritreritra mialoha.
Voalaza mazava toy izao ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny halatra: “Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ny faharatsiana”. (Isaia 61:8). Nanome tsindrimandry an’i Ezekiela mpaminaniny i Jehovah mba hanoratra ny fandrobana ho anisan’ny fahotana tena lehibe. (Ezekiela 18:18). Asehon’io boky ao amin’ny Baiboly io koa anefa fa mamela heloka sady mamindra fo Andriamanitra rehefa mibebaka sy mamerina izay nangalariny ilay olona. — Ezekiela 33:14-16.
Na dia miaina eo amin’ny tontolo iray anjakan’ny heloka bevava aza ny Kristianina, dia mifaly noho ny fanantenana fiainana tsy hisian’ny halatra intsony eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy izao no ampanantenaina ao amin’ny Baiboly raha ny amin’izany fotoana izany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny [ny vahoakan’Andriamanitra], ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” — Mika 4:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mazava ho azy, fa misy fetra ny fanarahana izay asain’ny mpandroba hatao. Tsy hanaiky handika ny lalàn’Andriamanitra ny mpanompon’i Jehovah na ahoana na ahoana. Tsy hanaiky fotsiny hovetavetaina, ohatra, ny Kristianina.