FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/12 p. 24
  • Voasakana ny Fikasana Hangalatra Tatsy Afrika Andrefana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voasakana ny Fikasana Hangalatra Tatsy Afrika Andrefana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa Mamely ny Mpandroba Mitam-piadiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Valin’ny fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Vavahady
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitandrema Amin’ny Mpangalatra Fiara!
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/12 p. 24

Voasakana ny Fikasana Hangalatra Tatsy Afrika Andrefana

Notantarain’i Eunice Ebuh

“Nikasa ny hanafika ny mpandroba, tamin’ny andro fanaovana ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna ato an-tranonay. Misokatra midanadana ny vavahady mba hidiran’ireo anadahy sy rahavavy ary olona liana. Azo inoana fa fantatr’ireo mpandroba ny fahazaranay sy ny fotoam-pivoriana. Azonay antoka fa nangalatra fiarakodia tany ho any izy ireo ary nihaodihaody teo akaikin’ny vavahadinay tamin’ilay andro sy fotoana fanaovana ny fianarana ny boky.

“Sendra ny herinandro fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany anefa ilay herinandro nahatongavan’izy ireo. Tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay no nivory fa tsy tao an-trano. Nisy fivorian’ny loholona nony tapitra ny fivoriana. Raha ny tokony ho izy, dia tokony ho efa nody izahay sy ny ankizy, saingy nasain’ny vadiko, izay loholona, niandry azy izahay. Nilaza izy fa tsy ho ela. Koa niandry izahay.

“Taorian’izany, dia tsy velona ny fiarakodia. Tsy hain’ny vadiko sy ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany ny nanamboatra azy. Na ilay mécanicien nantsoina koa aza dia tsy afaka nanamboatra azy io.

“Voatery nandeha nody an-tongotra ny ankizy. Nandeha nody koa aho afaka fotoana kelikely. Tamin’ny folo ora teo ho eo aho vao tonga. Samy tsy nisy niditra ny tokotaninay tamin’ny fiarakodia na izaho na ny ankizy, ka tsy voatery namoha ilay vavahady be.

“Nony niditra ny efitra fatoriako aho, dia nahare poa-basy mafy be. Nanontany tena aho hoe inona no nitranga. Niezaka niantso an-telefaonina ny polisy aho, nefa tsy nandeha ny telefaonina. Nidina ny tohatra haingana aho ary nanidy ny varavaram-by fidirana, avy eo dia nihazakazaka nanidy ny varavarana afovoany. Nopihiko ny jiro. Nisahotaka ny zanako, koa nilaza tamin’izy ireo aho mba ho tony. Niara-nivavaka izahay nangataka ny fiarovan’i Jehovah. Nandritra izany fotoana izany dia mbola nitolona mba hamelona ny fiarakodia tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny vadiko.

“Nitsirika teo am-baravarankely aho ary nahita lehilahy nitsitra teo amin’ny arabe, tany ivelan’ny vavahady. Toa lasa ireo mpandroba, koa nampidiriko tao anatin’ny fiarakodiako ilay lehilahy naratra ary nentiko haingana tany amin’ny hopitaly. Nety ho nampidi-doza izany, nefa tsy maintsy nanao zavatra aho. Nampalahelo fa maty izy ny ampitso.

“Na dia teo aza izany zava-doza izany, dia nety ho mbola ratsy lavitra ny tarehin-javatra. Ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nidika fa tsy nanao fianarana ny boky tao an-trano izahay. Ny fahasimban’ny fiarakodia dia nidika fa tsy nandeha nody tamin’ny fiarakodia izahay mianakavy. Ny vadiko, izay azo antoka fa tsy maintsy ho nosamborin’ireo mpandroba, dia tsy tonga tato an-trano raha tsy efa alim-be. Ireo anton-javatra ireo sy ny hafa dia niaro anay tamin’io alina io.

“Fialofana sy batery fiarovana ho anay i Jehovah. Izany dia araka ny lazain’ilay andinin-teny hoe: ‘Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miari-tory foana ny mpiambina.’ ” — Salamo 127:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara