Jérôme — Mpisava Lalana teo Amin’ny Fandikana Baiboly, Saingy Fototry ny Adihevitra
TAMIN’NY 8 Aprily 1546, dia namoaka didy ny Konsilin’i Trente fa ny Vulgate latina “dia neken’ny Eglizy [Katolika] (...) ary tsy tokony hisy ho sahy handa azy io, na inona na inona fialan-tsininy”. Na dia arivo taona mahery talohan’izay aza no nahavitana tanteraka ny Vulgate, dia fototry ny adihevitra efa hatramin’ny ela izy io sy i Jérôme nandika azy. Iza moa i Jérôme? Nahoana izy sy ny fandikan-tenin’ny Baiboly nataony no niadian-kevitra? Misy heriny manao ahoana eo amin’ny fandikana Baiboly amin’izao andro izao ny asa sorany?
Ny fomba nahatongavany ho manam-pahaizana manokana
Eusebius Hieronymus no anaran’i Jérôme amin’ny teny latina. Tokotokony ho tamin’ny 346 am.f.i. izy no teraka tany Stridon, tany amin’ilay provansy romanina atao hoe Dalmatia, teo akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Italia sy i Slovenia amin’izao andro izao.a Somary nanankarena ihany ny ray aman-dreniny, ka mbola kely izy dia efa nahita ny tombontsoa nentin’ny vola, tamin’ny nampianarana azy tany Roma, teo ambany fitarihan’i Donatus, ilay mpahay fitsipi-pitenenana nalaza. Hita ho mpianatra tena nahay izy teo amin’ny fitsipi-pitenenana sy ny haisoratra ary ny filôzôfia. Nanomboka nianatra ny teny grika koa izy nandritra izany fe-potoana izany.
Rehefa nandao an’i Roma i Jérôme tamin’ny 366 am.f.i., dia nivezivezy teny ka tonga tany amin’ny tanànan’i Aquilée, any Italia, tamin’ny farany. Tany no nahafantarany voalohany ny hevitra momba ny fampihafian-tena. Nanintona azy sy ny maromaro tamin’ireo namany ireny hevitra momba ny fampihafian-tena tafahoatra ireny, ka nandany taona maromaro nampivelarana fomba fiaina toy izany izy ireo.
Nisy korontana tsy fanta-piaviana nahatonga azy ireo hisaraka, tamin’ny 373 am.f.i. Diso fanantenana i Jérôme ka nivezivezy niantsinanana namakivaky an’i Bitynia, sy i Galatia, ary i Kilikia, ka tonga tany Antiokia, any Syria, nony farany.
Novidiny lafo ilay dia lavitra nataony. Sady trotraka izy no tsy salama, ka saika resin’ny fanaviana. “Raha mba izao moa i Jesosy Kristy Tompo no mitondra ahy tampoka ho any aminao”, hoy ny nosoratany tamin’ny namana iray. “Simba ilay vatako mahia, izay osa na dia amin’ny fotoana mahasalama ahy aza.”
Toy ny hoe tsy ampy ny aretina sy ny fahatsapana ho manirery ary ny ady anaty, fa tsy ela i Jérôme dia mbola niatrika fotoan-tsarotra hafa koa, teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tao amin’ny nofy iray, dia nahita ny tenany ‘notaritaritina teo anoloan’ny fitsaran’Andriamanitra’ izy. Rehefa nasaina nampahafantatra ny tenany i Jérôme, dia hoy ny navaliny: “Kristianina aho.” Hoy anefa no navalin’ilay nitantan-draharaha: “Mandainga ianao, mpanara-dia an’i Cicéron ianao fa tsy mpanara-dia an’i Kristy.”
Hatreo, dia niompana indrindra tamin’ny fandinihana ireo asa soratry ny mpanompo sampy, fa tsy tamin’ny Tenin’Andriamanitra, ny fianarana nimatimatesan’i Jérôme. “Nampijalijalin’ny feon’ny fieritreretako aho”, hoy izy. Naniry mafy ny handamina ny raharaha i Jérôme, ka nivoady toy izao tao amin’ilay nofiny: “Tompo ô, raha mbola hitanao manana bokin’izao tontolo izao aho, na raha mbola hitanao mamaky izany, dia ho nanda Anao aho izay.”
Nilaza i Jérôme tatỳ aoriana fa tsy azo raisina ho tompon’andraikitra tamin’ny fanomezan-toky nataony tao amin’ny nofy izy. Na dia izany aza, dia tapa-kevitra izy fa hanatanteraka ilay voady nataony, na dia ny votoatiny fotsiny aza. Koa nandao an’i Antiokia àry i Jérôme, ary nanao izay hitokana-monina tany Chalcis, any an’efitr’i Syria. Revo tanteraka tamin’ny fandinihana ny Baiboly sy ny haisoratra teôlôjika izy tamin’ny naha mpitoka-monina azy. Hoy i Jérôme: “Tamin-jotom-po kokoa no namakiako ireo bokin’Andriamanitra, raha oharina tamin’ny zotom-poko tamin’ireo boky nataon’olona.” Nianarany koa ny fiteny siriàka nampiasaina teo an-toerana, ary noho ny fanampian’ny Jiosy iray izay niova ho Kristianina, dia nanomboka nianatra ny teny hebreo izy.
Ny asa nampanaovin’ny papa
Tokony ho dimy taona taorian’ny nitokanany monina, dia niverina tany Antiokia mba hanohy ny fianarany i Jérôme. Teo am-pahatongavany anefa, dia eglizy nisara-bazana tanteraka no hitany. Fony mbola tany an’efitra tokoa i Jérôme dia efa nangataka torohevitra tamin’ny Papa Damase, tamin’ny filazana hoe: “Nizara ho antoko telo ny eglizy, ary samy may ny hahazo ahy ny tsirairay amin’izy ireo.”
Tapa-kevitra i Jérôme tamin’ny farany fa hiandany tamin’i Paulinus, iray tamin’ireo lehilahy telo nilaza tena ho nisalotra ny anaram-boninahitra hoe evekan’i Antiokia. Neken’i Jérôme ny hanamasinan’i Paulinus azy, saingy nisy fepetra roa napetrany. Voalohany, dia nirin’i Jérôme ny hananany fahafahana hanatanteraka ireo vetsovetsom-pony tamin’ny naha mpitoka-monina azy. Ary faharoa, dia nantitranteriny ny mba hanafahana azy hatrany amin’izay mety ho andraikitra hitondra fivavahana ao amin’ny eglizy iray.
Niaraka tamin’i Paulinus tany amin’ny Konsilin’i Constantinople i Jérôme tamin’ny 381 am.f.i., ary niara-nanohy dia taminy nankany Roma. Vetivety dia tsikaritry ny Papa Damase fa sady nanam-pahaizana i Jérôme no havanana tamin’ny haifiteny. Tao anatin’ny herintaona, dia nasondrotra ho amin’ny toeram-boninahitra izy, ka nanjary sekretera manokan’i Damase.
Tsy afa-niala tamin’ny adihevitra i Jérôme tamin’ny naha sekretera azy. Angamba aza izy mihitsy no toa nahatonga izany. Ohatra, niaina tao anatin’ny fampihafian-tena hatrany izy na dia tao amin’ny lapa be rentin’ny papa aza. Noho izy nampirisika ny hanarahana ny fomba fiainany be fihafiana sy noho izy tsy nisalasala niteny nanohitra ny fanaranam-po araka izao tontolo izao nataon’ireo mpitondra fivavahana, dia nanjary maro fahavalo izy.
Na dia teo aza anefa ireo mpanakiana azy, dia notohanan’ny Papa Damase tanteraka izy. Nanana antony tsara ny papa nampirisihana an’i Jérôme hanohy ny fikarohana nataony momba ny Baiboly. Nisy dikan-tenin’ny Baiboly maro be tamin’ny teny latina nampiasaina tamin’izany fotoana izany. Maro tamin’izy ireny no tsy nadika tamim-pitandremana, ka nisy fahadisoana nibaribary. Nanahy ihany koa i Damase fa sao hozarazarain’ny fiteny ireo faritra tantanan’ny eglizy tany Atsinanana sy tany Andrefana. Vitsy tamin’ireo tany Atsinanana no nahay ny teny latina, ary vitsy kokoa no nahay ny teny grika tany Andrefana.
Tsy andrin’ny Papa Damase àry ny hisian’ny fandikan-teny latina iray nohavaozina, izany hoe fandikan-teny latina amin’ny Filazantsara. Ny fanirian’i Damase dia ny hisian’ny fandikan-teny iray izay handika araka ny marina ny teny grika tany am-boalohany, kanefa koa hampiasa teny latina mazava tsara. Iray tamin’ireo manam-pahaizana vitsy afaka hanao izany fandikan-teny izany i Jérôme. Noho izy niteny grika sy latina ary siriàka nisosa tsara, ary noho izy nahaihay ihany ny teny hebreo, dia ampy fahaizana ho amin’ilay asa izy. Koa rehefa nahazo lalana tamin’i Damase àry i Jérôme, dia nanomboka tetik’asa iray izay handany ireo 20 taona ho avy teo amin’ny fiainany.
Nihamafy ny adihevitra
Na dia haingam-piasa aoka izany aza i Jérôme teo amin’ny fandikana ny Filazantsara, dia nasehony fa nanana teknika mazava sy feno hakingan-tsaina izy. Nampitahainy avokoa ireo sora-tanana grika nisy tamin’izany fotoana izany, ka nasiany fanitsiana ireo andinin-teny latina, na teo amin’ny fomba fanoratra izany na teo amin’ny votoatin-kevitra, mba hampifanarahana azy akaiky kokoa amin’ny soratra grika.
Neken’ny besinimaro ny fandikan-tenin’i Jérôme amin’ny Filazantsara efatra, ary toy izany koa ilay Salamo nadikany ho amin’ny teny latina. Niorina tamin’ny Septante grika io fandikan-tenin’ny Salamo nohavaozina io. Mbola nisy mpanakiana ihany izy na izany aza. Hoy ny nosoratan’i Jérôme: “Nisy olona tsinontsinona izay ninia niampanga ahy hoe tsy nanaja ny fahefan’ireo olo-mandroso sy ny hevitr’izao tontolo izao manontolo, hono, aho tamin’ny fiezahako hanitsy andalan-teny ao amin’ny evanjely.” Nihamafy izany fanamelohana izany taorian’ny nahafatesan’ny Papa Damase tamin’ny 384 am.f.i. Tsy nifankahazo loatra tamin’ilay Papa vaovao i Jérôme ka nanapa-kevitra ny handao an’i Roma. Teto indray koa, dia nitodi-doha niantsinanana i Jérôme.
Ny nahatongavany ho manam-pahaizana tamin’ny teny hebreo
Tamin’ny taona 386 am.f.i., dia niorim-ponenana tany Betlehema i Jérôme, ka tao no nandaniany ny androm-piainany sisa. Nisy antokon’olom-bitsy nanaraka azy tany, izay tsy iza akory fa ireo mpomba azy tsy nivadika taminy. Anisan’ireny i Paula, vehivavy ambony sy mpanefohefo avy any Roma. Nitory taminy i Jérôme, ka vokatr’izany, dia nanaraka fomba fiaina feno fihafiana i Paula. Nisy mônasitera iray naorina teo ambany fitarihan’i Jérôme, noho ny fanohanana ara-bola avy amin’i Paula. Tao i Jérôme no nanohy ny asa fandalinana nataony ka nahavita tanteraka ilay asa goavana indrindra teo amin’ny fiainany.
Nanana fahafahana hanatsara ny fahazoany ny hevitry ny teny hebreo i Jérôme rehefa nipetraka tany Palestina. Nanakarama mpampianatra jiosy maromaro izy mba hanampy azy hahatakatra ny sasany tamin’ireo lafiny sarotra kokoa tamin’ilay fiteny. Tsy mora anefa ilay izy na dia teo aza ny mpampianatra. Hoy i Jérôme, mahakasika ny mpampianatra iray antsoina hoe Baraninas avy any Tiberiasy: “Toy inona ny fahasahiranako sy ny vola laniko tamin’ny nakana an’i Baraninas hampianatra ahy amin’ny alina!” Nahoana no tamin’ny alina izy ireo no nanao ny fianarany? Satria natahotra ny fiheveran’ny fiaraha-monina jiosy mahakasika ny fifaneraserana tamin’ny “Kristianina” i Baraninas!
Tamin’ny andron’i Jérôme, dia mazàna ny Jiosy no nanaraby an’ireo Jentilisa niteny hebreo, noho ny tsy nahaizan’izy ireo nanonona tsara ny feo an-tenda. Na dia izany aza anefa, dia hain’i Jérôme ihany ireny feo ireny, taorian’ny ezaka mafy nataony. Teny hebreo maro dia maro koa no nohazonin’i Jérôme ny fomba fanonona azy rehefa nadikany ho amin’ny teny latina izy ireny. Tsy vitan’ny hoe nanampy azy hitadidy ireo teny fotsiny io fomba io, fa nitahiry koa ny fomba fanonon’ny Hebreo azy tamin’izany fotoana izany.
Ny adihevitra lehibe indrindra nahakasika an’i Jérôme
Tsy fantatra mazava hoe ampahany manao ahoana amin’ny Baiboly no nokasain’ny Papa Damase hadikan’i Jérôme. Tsy misy isalasalana anefa ny fomba fijerin’i Jérôme an’ilay raharaha. Tena feno fikirizana sy fahatapahan-kevitra i Jérôme. Niredareda tao aminy ny faniriana hanao zavatra “mahasoa ny Eglizy sy mendrika ho an’ny taranaka fara aman-dimby”. Tapa-kevitra ny handika ny Baiboly manontolo ho amin’ny teny latina àry izy, ka hanavao ny dikan-teny ao anatiny.
Ho an’ny Soratra Hebreo, dia ny Septante no nokasain’i Jérôme hampiorenana ny dika teniny. Noheverin’ny maro ho avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra nivantana io dikan-teny grika ho an’ny Soratra Hebreo io. Tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i. no nandikana voalohany azy io. Araka izany, dia niely hatraiza hatraiza teo amin’ireo Kristianina niteny grika tamin’izany fotoana izany, ny Septante.
Rehefa nandroso anefa ilay fandikan-teny nataon’i Jérôme, dia hitany fa nisy tsy fitoviana teo amin’ireo sora-tanana grika, tsy nisy hafa tamin’izay hitany tamin’ny latina. Nitombo ny fahadisoam-panantenan’i Jérôme. Nanjary nanatsoaka hevitra izy tamin’ny farany fa, mba hanaovana fandikan-teny azo ianteherana, dia tsy maintsy manilika ireo sora-tanana grika izy, anisan’izany ilay Septante nohajaina fatratra, ary mandeha mivantana any amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany.
Niteraka fanoherana io fanapahan-kevitra io. Nopetahan’ny sasany anarana i Jérôme, ka nataony hoe mpanao hosoka amin’andinin-teny, mpanimbazimba an’Andriamanitra, satria namela ny lovantsofin’ny eglizy fa niandany kosa tamin’ny Jiosy. Na dia i Augustin, teôlôjianina nisongadina indrindra tamin’izany aza, dia niangavy an’i Jérôme mba hiverina tamin’ny Septante, ka nilaza hoe: “Raha toa ny fandikan-teninao ka manomboka vakina matetika kokoa any amin’ny eglizy maro, dia ho zavatra hampalahelo ny hoe tsy maintsy hisy fahasamihafana hipoitra eo amin’ny Eglizy latina sy ny Eglizy grika, eo am-pamakiana ny Soratra Masina.”
Eny, natahotra i Augustin sao dia hizarazara ny eglizy raha ny fandikan-teny latinan’i Jérôme, izay niorina tamin’ny soratra hebreo, no hampiasain’ny eglizy tandrefana, fa ny eglizy grikan’ny Tatsinanana kosa mbola hampiasa ny dikan-tenin’ny Septante ihany.b Fanampin’izany, dia naneho ny fisalasalany i Augustin, mahakasika ny tsy nampiasana ny Septante fa nifidianana fandikan-teny iray izay i Jérôme ihany no afaka niaro azy.
Nanao ahoana ny fihetsik’i Jérôme teo anoloan’ireny mpanohitra rehetra ireny? Tsy nivaona tamin’ny toetra maha izy azy i Jérôme ka tsy niraharaha an’ireo mpanakiana azy. Nanohy niasa nivantana avy tamin’ny teny hebreo izy, ary tamin’ny taona 405 am.f.i., dia efa nahavita ny Baiboliny latina izy. Taona maro tatỳ aoriana, ilay fandikan-teniny dia nomena anarana hoe Vulgate, izay manondro dikan-teny iray eken’ny besinimaro (ilay teny latina hoe vulgatus, dia midika hoe “mahazatra, natao ho an’ny besinimaro”).
Zava-bita naharitra
Tsy fanavaozana fotsiny ny fandikan-teny iray efa nisy akory ny fandikan-tenin’i Jérôme amin’ny Soratra Hebreo. Mihoatra lavitra noho izany izy io. Tao anatin’ireo taranaka ho avy, dia nanova ny fizotran’ny fianarana Baiboly sy ny fandikana Baiboly izy io. “Ny Vulgate”, hoy ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant, “dia mitoetra ho zava-bita lehibe indrindra sy nisy heriny indrindra teo amin’ny sehatry ny literatiora, tamin’ny taonjato fahefatra.”
Na dia nasiaka fiteny sy tia fifandirana aza i Jérôme, dia naompany indray ho amin’ny soratra hebreo ara-tsindrimandry ny fikarohana natao momba ny Baiboly, ary niasa irery izy tamin’ny fanaovana izany. Natsilo maso izy, ary izany no nentiny nianatra sy nampitaha ireo sora-tanana tranainy hebreo sy grika amin’ny Baiboly, izay tsy ananantsika intsony amin’izao andro izao. Nialoha lalana an’ireo Masôreta jiosy koa ny asa nataony. Noho izany, dia loharanon-kevitra iray sarobidy mba hampitahana ireo dikan-tenin’ny Baiboly hafa ny Vulgate.
Na dia tsy manala tsiny ny fihetsika tafahoatra nananan’i Jérôme sy ny fomba fijeriny ara-pivavahana aza ireo tia ny Tenin’Andriamanitra, dia afaka mankasitraka ny ezaka mafy nataony. Izy tokoa no nisantatra ny fandikana Baiboly, saingy fototry ny adihevitra. Eny, tratran’i Jérôme ny tanjona nokendreny, dia ny hanao zavatra izay “mendrika ny taranaka fara aman-dimby”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tapitra miombon-kevitra avokoa akory ireo mpahay tantara, mahakasika ny daty sy ny filaharan’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jérôme.
b Rehefa nandeha ny fotoana, dia hita fa ny fandikan-tenin’i Jérôme no nanjary ny Baiboly fototra fampiasan’ny fivavahana kristianina tandrefana. Mbola ny Septante kosa no fampiasan’ny fivavahana kristianina tatsinanana, mandraka ankehitriny.
[Sary, pejy 28]
Sary vongana mampiseho an’i Jérôme, any Betlehema
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Ambony ankavia: sora-tanana hebreo: Courtesy of The Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem; Ambany ankavia: sora-tanana siriàka: Reproduced by kind permission of The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin; Ambony afovoany: sora-tanana grika: Courtesy of Israel Antiquities Authority