FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/1 p. 28-31
  • “Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanàna iray nanamorona ny tany efitra
  • Nitady hamorona empira iray i Zénobie
  • ‘Manaitra ny fony’ hamely an’i Zénobie ny emperora iray
  • Rava ilay tanàna tany an’efitra
  • Hafa Indray no Mitana ny Toeran’ireo Mpanjaka Roa
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana
    Mifohaza!—2003
  • Tadmora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/1 p. 28-31

“Ilay Andriambavy Mainty Volo Tany An-tany Efitr’i Syria”

MANJA ny fihodirany, fotsy botsiaka ny nifiny, mainty sy mamirapiratra ny masony. Sady nahita fianarana izy no tena nahay fiteny maro. Voalaza ho nanan-tsaina kokoa noho i Cléopâtre io mpanjakavavy mpiady io, ary angamba aza nitovy hatsaran-tarehy taminy. Noho izy sahy nanohitra ilay firenena natanjaka indrindra nanapaka tamin’ny androny, dia nitana anjara ara-paminaniana tao amin’ny tantara nampangitakitaka iray ao amin’ny Soratra Masina izy. Ela be taorian’ny nahafatesany, dia noderain’ireo mpanoratra izy, ary nomen’ireo mpanao sary hosodoko endrika tonga lafatra. Niantso azy ho “andriambavy mainty volo tany an-tany efitr’i Syria” ny poety iray tamin’ny taonjato faha-19. I Zénobie, mpanjakavavin’i Palmyre, tanàna syrianina, io vehivavy noderaina fatratra io.

Ahoana no nampahalaza an’i Zénobie? Toe-javatra ara-politika inona no nahatonga azy hahazo fahefana? Inona no azo lazaina momba ny toetrany? Ary anjara asa ara-paminaniana inona no notanan’io mpanjakavavy io? Diniho aloha ny haitoetany momba ny faritra nisehoan’ilay tantara.

Tanàna iray nanamorona ny tany efitra

I Palmyre, tanànan’i Zénobie dia tokony ho 210 kilaometatra avaratratsinanan’i Damas, any amin’ny sisiny avaratry ny Tany Efitr’i Syria; eo amin’io faritra io no misolampy ho tany lemaka ny tandavan-tendrombohitry ny Anti-Liban. Tokony ho antsasa-dalana manelanelana ny Ranomasina Mediterane any andrefana sy ny Ony Eofrata any Atsinanana, no nisy an’io tanàna lonaka an’efitra io. I Tadmora no mety ho nahafantaran’i Solomona Mpanjaka azy io, toerana izay tena nilain’ny fanjakany noho ny antony roa: noho izy io toby miaramila niaro ny sisin-tany avaratra, ary noho izy io toerana lehibe sy fampitohizana ireo tanàna fandalovan’ireo mpanao diabe tany an’efitra. Noho izany, dia “nanorina an’i Tadmora tany an-efitra” i Solomona. — 2 Tantara 8:4.

Tsy miresaka na inona na inona momba an’i Tadmora ny tantara nandritra ny arivo taona nanaraka ny fitondran’i Solomona Mpanjaka. Raha toa ka marina fa izy io ihany no Palmyre, dia nanomboka nalaza izy io fony tonga provansy niaro ny Empira Romanina tamin’ny fahavalony i Syria, tamin’ny 64 al.f.i. “Zava-dehibe ho an’i Roma i Palmyre teo amin’ny sehatra roa: ara-toe-karena sy ara-tafika”, hoy i Richard Stoneman tao amin’ny bokiny hoe Palmyra and Its Empire—Zenobia’s Revolt Against Rome. Teo amin’ny lalana lehibe falehan’ny mpivarotra, nampitohy an’i Roma tamin’i Mezopotamia sy ny Atsinanana, no nisy an’io tanànan’ny palmie io; noho izany, dia teo no nandalo ireo entam-barotra sarobidy teo amin’ny tontolo fahiny: zava-manitra avy any Inde Atsinanana, lasoa avy any Chine sy entam-barotra hafa avy any Persa, Mezopotamia Ambany sy ireo tany mediteraneana. Niankina tamin’ny fanafarana ireo entam-barotra ireo i Roma.

Ara-tafika, ny provansin’i Syria dia toy ny faritra nanelanelana ireo fanjakana nifandrafy, dia i Roma sy i Persa. Nosarahin’ny ony Eofrata tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina taminy tao atsinanana i Roma, nandritra ireo 250 taona voalohany amin’ny Fanisan-taona Iraisana. Nifanolotra tamin’ny tany efitra i Palmyre, teo andrefan’ny tanànan’i Dora-Eoropos teo amin’i Eofrata. Niaiky ny toerana tena lehibe notanany ny emperora romanina toa an-dry Hadrien sy Valérien, ka nitsidika an’i Palmyre. Nanampy tamin’ny hakanton’ireo rafitranon’i Palmyre i Hadrien, ary nanao fanomezana betsaka tamim-pahalalahan-tanana. Nomen’i Valérien valisoa ny andriana palmyreana iray nantsoina hoe Odenath, izay vadin’i Zénobie, tamin’ny fanondrotana azy ho konsiolin’i Roma, tamin’ny 258 am.f.i.; resin’i Odenath tamin’ny ady mantsy i Persa, ary nitariny hatrany Mezopotamia ny sisin-tanin’ny Empira Romanina. Nandray anjara lehibe tamin’ny niakaran’ny vadiny teo amin’ny fahefana i Zénobie. Nanoratra toy izao i Edward Gibbon, mpahay tantara: “Heverina fa, tamin’ny ampahany lehibe, dia avy tamin’ny fahamalinan’[i Zénobie] sy ny herin-tsainy, no nahitan’i Odenath fahombiazana.”

Tao anatin’izany fotoana izany, dia nanapa-kevitra ny hihaika ny fahambonian’i Roma i Shâpur mpanjakan’i Persa, ka nanambara ny fiandrianany teo amin’ireo provansin’i Persa rehetra taloha. Nandroso niankandrefana izy nitarika tafika mahatahotra iray, ary namabo ireo miaramila romanina nitoby tao an-tanànan’i Nisibis sy i Carrhae (Harana), ary nanohy ka nandrava ny avaratr’i Syria sy i Kilikia. Ny tenan’ny emperora Valérien mihitsy no tonga nitarika ny miaramilany mba hifanandrina tamin’ireo mpanafika, saingy resy ka nosamborin’ny Persanina.

Nihevitra i Odenath fa fotoana nety indrindra tamin’izay mba handefasana fanomezana lafo vidy sy hafatra fangataham-pihavanana ho an’ilay mpanjaka persanina. Nandidy tamim-piavonavonana ny hanariana ireo fanomezana tao Eofrata i Shâpur Mpanjaka, ary nitaky ny hisehoan’i Odenath teo anatrehany ho toy ny babo nitalaho. Ho setrin’izany, dia namory tafika iray voaforon’ireo mpifindrafindra monina tany an’efitra sy ny sisa tamin’ny tafika romanina, ny Palmyreana; ary nanomboka namely ireo Persanina izay nanao tari-dositra tamin’izay. Teo anoloan’ny paikady “mamely dia mandositra” nataon’ireo mpiady tany an’efitra, dia tsy nanam-piarovana firy ireo miaramilan’i Shâpur, izay efa reraky ny ady sady navesatra noho ireo entana nobaboina, ka voatery nandositra.

Ho fankasitrahana azy noho ny nandreseny an’i Shâpur, dia nanome azy ny anaram-boninahitra hoe corrector totius Orientis (governoran’ny Atsinanana rehetra) i Gallien, zanakalahin’i Valérien sady mpandimby azy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao ny tenany ho “mpanjakan’ireo mpanjaka” i Odenath.

Nitady hamorona empira iray i Zénobie

Tamin’ny 267 am.f.i., fony izy teo amin’ny fara tampon’ny asany, dia voalaza fa novonoin’ny zana-drahalahiny, izay nitady valifaty i Odenath sy ilay zanany lahy tokony handova azy. Nandray ny toeran’ny vadiny i Zénobie satria mbola kely loatra i Wahballat zanany. Tsara tarehy, naniry laza, nahay nitantan-draharaha, zatra nandray anjara tamin’ny ady niaraka tamin’ny vadiny efa nodimandry, ary nahay fiteny maromaro nisosa tsara izy, ka nahazo ny fanajana sy ny fanohanan’ireo olom-peheziny — zavatra niavaka teo amin’ireo Bédouins (arabo mpifindrafindra monina). Tia nianatra i Zénobie ary nanangona ireo avara-pianarana nanodidina azy. Voalaza ho “Fitahirizam-boky velona sy tahirim-pahalalana mandehandeha” i Cassius Longinus, filôzôfa sady mpikabary, izay iray tamin’ireo mpanolo-tsaina azy. Hoy ny fanazavan’ilay mpanoratra atao hoe Stoneman: “Nandritra ireo dimy taona taorian’ny nahafatesan’i Odenath (...) dia neken’ny vahoakany tanteraka ho andriambavin’ny Atsinanana i Zénobie.”

Teo an-danin’ny faritany nanapahan’i Zénobie, i Persa, izay nanjary osa noho famelezana nataon’izy mivady taminy, ary tetsy an-kilany, i Roma, izay niharava. Izao no nosoratan’i J. M. Roberts, mpahay tantara, momba ny toe-piainana nisy tao amin’ny Empira Romanina tamin’izany fotoana izany: “Fotoana nahatsiravina ho an’i Roma ny taonjato fahatelo (...) na teo amin’ny sisin-taniny atsinanana na teo amin’ny andrefana, ary tao anatiny kosa dia nanomboka ny fe-potoana vaovao nisian’ny ady an-trano sy ny ady toeran’ny mpandimby teo amin’ny fitondrana. Emperora 22 (ankoatra ireo nihambo ho toy izany) no nanapaka.” Ilay andriambavy syrianina kosa, dia mpanjaka tokana tsy refesi-mandidy tafaorina tsara teo amin’ny fanjakany. “Noho izy nifehy ny fifandanjan-kerin’ireo empira roa [persanina sy romanina]”, hoy ny nomarihin’i Stoneman, “dia nitady hamorona anankiray fahatelo, izay hanapaka iretsy roa izy.”

Nanana fahafahana hanita-pahefana tamin’ny naha mpanjaka azy i Zénobie tamin’ny 269 am.f.i., fony niseho tany Ejipta ny olona iray nihambo ho mpandova fiandrianana, izay nanda ny fitondran’i Roma. Nidina haingana nankany Ejipta ny tafik’i Zénobie, nandresy ilay mpikomy, ka naka ilay tany. Nanambara ny tenany ho mpanjakavavin’i Ejipta izy, ka nampanefy vola madinika tamin’ny anarany. Izao dia niitatra avy teo amin’ny ony Neily ka hatrany amin’ny ony Eofrata ny fanjakany. Tamin’io fotoana io izy no tonga “mpanjakan’ny atsimo” noresahin’ny faminanian’i Daniela ao amin’ny Baiboly, satria nanapaka ny faritra atsimon’ny tanindrazan’i Daniela ny fanjakany tamin’izay. (Daniela 11:25, 26). Nandresy ny ankamaroan’ny faritanin’i Azia Minora koa izy.

Nohamafisin’i Zénobie sy nohatsarainy aoka izany i Palmyre, renivohiny, hany ka tonga anisan’ireo tanàn-dehibe teo amin’ny tontolo romanina. Notombanana ho maherin’ny 150 000 ny mponina tao aminy. Tranom-panjakana, tempoly, zaridaina, andry sy tsangambato mirenty no nameno ilay tanàna, voahodidin’ny manda, voalaza fa nirefy 21 kilaometatra. Nanemitra ny arabe lehibe indrindra ny andry mitafo, voaforona laharan’andry kôrintianina 1 500 eo ho eo, ary maherin’ny 15 metatra ny haavony. Ilay tanàna dia feno sary vongana sy sary sokitra mampiseho lohan’ireo olona mahery fo sy mpanasoa nanankarena. Nanangana sary vongana roa nampiseho azy sy ny vadiny efa nodimandry i Zénobie tamin’ny 271 am.f.i. Namirapiratra toy ny firavaka teo amoron’ny tany efitra i Palmyre.

Iray tamin’ireo trano kanto indrindra naorina tao Palmyre, ny Tempolin’ny Masoandro, ary tsy isalasalana fa nitana toerana lehibe teo amin’ny sehatra ara-pivavahan’ilay tanàna izy io. Azo inoana fa nivavaka tamin’andriamanitra iray nisy ifandraisana tamin’ilay andriamanitra masoandro koa, i Zénobie. Tany nisy fivavahana maro anefa i Syria tamin’ny taonjato fahatelo. Tao amin’ny faritra nanapahan’i Zénobie, dia teo ireo nitonona ho Kristianina, teo ny Jiosy, ny astrôlôgy sy ny mpivavaka tamin’ny masoandro sy ny volana. Ahoana no fihetsiny teo anoloan’ireo karazam-panompoam-pivavahana samihafa natao tao amin’ny fanjakany? Izao no nomarihin’i Stoneman mpanoratra: “Ny mpitondra hendry iray dia tsy hanao tsinontsinona izay rehetra fanao toa mety ho an’ny vahoakany. (...) Nantenaina fa niandany tamin’i Palmyre ireo andriamanitra.” Toa nilefitra tamin’ny fivavahana i Zénobie. Kanefa, tena “niandany tamin’i Palmyre” tokoa ve ireo andriamanitra? Inona no niandry tsy ela an’i Palmyre sy ilay “mpitondra hendry” teo aminy?

‘Manaitra ny fony’ hamely an’i Zénobie ny emperora iray

Tonga emperoran’i Roma i Aurélien tamin’ny 270 am.f.i. Nahatohitra sy nahafehy ny baribariàna tany avaratra ireo antoko miaramilany. Tamin’ny 271 am.f.i., i Aurélien izay nampiseho “ny mpanjakan’ny avaratra” tao amin’ny faminanian’i Daniela tamin’izay, dia ‘nanaitra ny heriny sy ny fony hamely ny mpanjakan’ny atsimo’, nasehon’i Zénobie. (Daniela 11:25a). Nalefan’i Aurélien faingana nivantana tany Ejipta ny sasany tamin’ny miaramilany, ary notarihiny niantsinanana namakivaky an’i Azia Minora ny ampahany lehibe tamin’ny tafiny.

Ny mpanjakan’ny atsimo, ilay firenena nanapaka notarihin’i Zénobie, dia ‘nanafika [an’i Aurélien] nitondra miaramila maro sady mahery indrindra’, teo ambany fifehezan’ny jeneraly roa, dia i Zabda sy i Zabay. (Daniela 11:25b). Kanefa, voababon’i Aurélien i Ejipta ary avy eo izy dia nandefa mpanafika tany Azia Minora sy Syria. Resy tao Emèse (Homs ankehitriny) i Zénobie, ka nandositra tao Palmyre.

Rehefa nanao fahirano an’i Palmyre i Aurélien, dia nandositra nankany Persa niaraka tamin’ny zanany lahy i Zénobie mba hitady fanampiana, kanjo voasambotry ny Romanina teo amin’ny Ony Eofrata. Nilavo lefona ny tanànan’i Palmyre tamin’ny 272 am.f.i. Nitondra tamin-katsaram-panahy ny mponina tao i Aurélien, nanangona entana nobaboina be dia be, anisan’izany ilay sampy tao amin’ny Tempolin’ny Masoandro, ary nanainga nankany Roma. Nitsimbina ny ain’i Zénobie ilay emperora romanina, ary nanao azy ho ny zava-nanintona indrindra tamin’ny laharam-pandreseny, izay namakivaky an’i Roma tamin’ny 274 am.f.i. Nandany ny fiainany sisa tamin’ny naha vehivavy nanan-kaja romanina izy.

Rava ilay tanàna tany an’efitra

Volana vitsivitsy taorian’ny namaboan’i Aurélien an’i Palmyre, dia naripak’ireo Palmyreana ny miaramila najanony tao. Rehefa tonga tany an-tsofin’i Aurélien ny tatitra momba io fikomiana io, dia nodidiany avy hatrany ny hanjohian’ny miaramilany ny dian’ireo, ka nofaizina tamin’ny valifaty nahatsiravina ny mponina tamin’izay. Nentina ho andevo ireo izay afa-nandositra ilay fandripahana tsy nisy indrafo. Norobaina sy noravana ka tsy azo namboarina intsony, ilay tanàna nirehareha. Araka izany, dia nitotongana ho amin’ny toerany taloha, tamin’ny naha “Tadmora tany an-efitra” azy, ilay renivohitra naresaka.

Rehefa nanohitra an’i Roma i Zénobie, dia samy tsy nahafantatra izy sy ny emperora Aurélien fa nanao ny anjara ny “mpanjakan’ny atsimo” sy ny “mpanjakan’ny avaratra” izy ireo, ka nanatanteraka tapany tamin’ny faminaniana iray be tsipiriany, nosoratan’ny mpaminanin’i Jehovah, 800 taona teo ho eo talohan’izay. (Daniela toko faha-11). Noho ny toetrany manaitra, dia nampitolagaga sy nankasitrahan’ny maro i Zénobie. Ny zava-dehibe indrindra anefa, dia ny anjarany tamin’ny nampisehoany vondrona politika iray nambara mialoha tao amin’ny faminanian’i Daniela. Tsy naharitra nihoatra ny dimy taona ny fitondrany. I Palmyre, ilay renivohitry ny fanjakan’i Zénobie, dia vohitra kely sisa amin’izao andro izao. Na dia ilay Empira Romanina natanjaka aza dia efa nanjavona hatramin’ny ela be, ka nanome toerana ho an’ireo fanjakana maoderina. Inona no hitranga amin’ireny fanjakana ireny? Ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly izay azo antoka, no hamaritra ny fiafaran’izy ireny koa. — Daniela 2:44.

[Efajoro, pejy 29]

Lova Navelan’i Zénobie

Nanorina tempoly iray ho an’ny masoandro ny Emperora Aurélien rehefa niverina tany Roma, taorian’ny nandreseny an’i Zénobie, mpanjakavavin’i Palmyre. Napetrany tao amin’izy io ireo sary vongan’ilay andriamanitra masoandro, izay nentiny avy tany amin’ny tanànan’i Zénobie. Nilaza toy izao ilay gazetiboky hoe History Today, nanazava ny fizotran-javatra avy eo: “Tamin’ireo asa rehetra nataon’i Aurélien, ny nahitana vokany naharitra indrindra angamba dia ilay nanorenany tamin’ny 274 ar.J.K., ny fankalazana isan-taona ny masoandro tamin’ny sôlstisin’ny ririnina, tamin’ny 25 Desambra. Rehefa tonga kristianina ilay empira, dia nafindra ho amin’io daty io ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Kristy mba hahatonga ilay fivavahana vaovao ho azo ekena kokoa ho an’ireo izay nifaly tamin’ireo lanonana fahiny. Hafahafa ny hoe avy amin’ilay emperora vavy Zénobie indrindra no (...) nankalazan’[ny olona] ny Krismasintsika.”

[Sarintany/Sary, pejy 28, 29]

(Jereo ny gazety)

RANOMASINA MEDITERANE

SYRIA

Antiokia

Emèse (Homs)

PALMYRE

Damas

MEZOPOTAMIA

Eofrata

Carrhae (Harana)

Nisibis

Dora-Eoropos

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

Andry mitafo: Michael Nicholson/Corbis

[Sary, pejy 29]

Vola madinika romanina, angamba mampiseho an’i Aurélien

[Sary, pejy 30]

Tempolin’ny masoandro tao Palmyre

[Sary nahazoan-dalana]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck

[Sary, pejy 31]

Ny Mpanjakavavy Zénobie mandahateny amin’ireo miaramilany

[Sary nahazoan-dalana]

Giovanni Battista Tiepolo, Queen Zenobia Addressing Her Soldiers, Samuel H. Kress Collection, Photograph © Board of Trustees, National Gallery of Art, Washington

[Sary nahazoan-dalana, pejy 28]

Detail of: Giovanni Battista Tiepolo, Queen Zenobia Addressing Her Soldiers, Samuel H. Kress Collection, Photograph © Board of Trustees, National Gallery of Art, Washington

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara