FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/7 p. 2-4
  • Fitadiavana Filazana Mialoha Mendri-pitokisana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitadiavana Filazana Mialoha Mendri-pitokisana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zavatra ilaina raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona
  • Ny Antony Ahafahanao Mitoky Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fizarana 5: Grisia: Herim-panjakana Fahadimy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Aleksandra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Iza no Hanapaka ny Tany?
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/7 p. 2-4

Fitadiavana Filazana Mialoha Mendri-pitokisana

TSY ela taorian’ny niakaran’ilay mpanjaka makedônianina, izay nanjary fantatra ho Aleksandra Lehibe, teo amin’ny seza fiandrianana, tamin’ny 336 al.f.i., dia nitsidika ny toeram-pivavahana tany Delphes, tao afovoan-tanin’i Gresy, izy. Tsy inona akory fa ny handresy tany maro teo amin’izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany, no niriny fatratra. Naniry hahazo fanomezan-toky avy tamin’ireo andriamanitra anefa izy fa hahomby ny zavatra goavana nokasainy hatao. Araka ny angano, dia tsy azo natao ny naka hevitra tany amin’ny olona notsindrian-javatra tamin’ny andro izay nankanesany tany Delphes. Tsy naniry ny hody maina izy, ka nisisika sy nanery an’ilay mpisorona vavy mba hanome filazana mialoha. Kivy ratsy ravehivavy ka niantso hoe: “Tsy manaiky ho resy ianao izany, Razazalahy!” Nandray izany ho fambara tsara ilay mpanjaka tanora — dia fambara nampanantena fanafihana ara-tafika hahazoana fandresena.

Ho nahazo fanazavana tsara kokoa momba ny vokatry ny fanafihany anefa i Aleksandra, raha nandinika ireo faminaniana hita ao amin’ny Daniela, boky ao amin’ny Baiboly. Tamim-pahamarinana miavaka, dia nanambara mialoha ny handreseny haingana izy ireo. Araka ny lovantsofina, dia nanana fahafahana hahita izay noraketin’i Daniela an-tsoratra momba ny tenany i Aleksandra, tamin’ny farany. Araka an’ilay mpahay tantara jiosy atao hoe Josèphe, rehefa niditra tao Jerosalema ilay mpanjaka makedônianina dia nampisehoana ny faminanian’i Daniela — azo inoana fa ny toko faha-8 tamin’io boky io. (Daniela 8:5-8, 20, 21). Misy milaza fa noho izany, hono, no nitsimbinan’ny tafika nandravan’i Aleksandra, an’ilay tanàna.

Zavatra ilaina raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona

Na mpanjaka na olon-tsotra, na taloha na ankehitriny, ny olombelona dia nahatsapa ho nila filazana mialoha mendri-pitokisana momba ny hoavy. Amin’ny maha zavaboary manan-tsaina antsika, isika olombelona dia mandinika ny lasa, mahafantatra ny ankehitriny, ary liana indrindra ny amin’ny hoavy. Tena mety ny ilazan’ny ohabolana sinoa iray hoe: “Izay afaka mahita mialoha ireo fisehoan-javatra telo andro alohan’ny hitrangany, dia hanankarena mandritra ny an’arivony taona maro.”

Nandritra ireo taona, dia olona an-tapitrisany maro no nanandrana nandinika ny hoavy tamin’ny fakana hevitra tany amin’izay noheveriny ho andriamanitra. Raiso ho ohatra ireo Grika fahiny. Nanana toeram-pivavahana masina maro toy ireo tany Delphes sy Délos ary Dodone izy ireo, ary tany no nandehanany mba hanontaniany an’ireo andriamaniny momba ny raharaha ara-politika na ara-tafika, ary koa ny raharaha manokana toy ny fanaovana dia sy ny fanambadiana ary ny ankizy. Tsy mpanjaka na filohan’ny tafika ihany no nitady tari-dalana avy tany amin’ny faritra ara-panahy tamin’ny alalan’ny valin-teny azo avy tamin’ireny, fa foko sy tanàna-fanjakana iray manontolo koa.

Araka ny profesora iray, dia “mitombo izaitsizy tampoka ireo fikambanana manokan-tena ho an’ny fianarana momba ny hoavy”, ankehitriny. Kanefa, aleon’ny maro tsy miraharaha ilay hany loharanom-paminaniana araka ny marina — ny Baiboly. Ailik’izy ireo mazava tsara ny hoe mety hirakitra ilay fanazavana tadiavin’izy ireo ny faminanian’ny Baiboly. Tonga hatramin’ny fampitoviana ny faminanian’ny Baiboly amin’ny filazana mialoha nomen’ny olona notsindrian-javatra fahiny mihitsy aza, ny manam-pahaizana sasany. Ary mazàna no mitsara an-tendrony ny faminanian’ny Baiboly ireo mpisalasala amin’ny andro maoderina.

Manasa anao mba hanamarina ny firaketana an-tsoratra izahay. Inona no ahariharin’ny fampitahana amim-pitandremana ny filazana mialoha ataon’ny Baiboly sy ny valin-teny avy amin’ny olona tsindrian-javatra? Afaka mitoky amin’ny faminanian’ny Baiboly mihoatra noho ny amin’ny valin-teny avy amin’ny olona notsindrian-javatra fahiny ve ianao? Ary afaka manorina amim-pitokisana ny fiainanao amin’ireo faminanian’ny Baiboly ve ianao?

[Sary, pejy 3]

Nanambara mialoha fandresena haingan’i Aleksandra ny Baiboly

[Sary nahazoan-dalana]

Cortesía del Museo del Prado, Madrid, Spain

[Sary, pejy 4]

Aleksandra Lehibe

[Sary nahazoan-dalana]

Musei Capitolini, Roma

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Jeneraly Titus sy Aleksandra Lehibe: Musei Capitolini, Roma

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara