Ny Antony Ahafahanao Mitoky Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
TAFIDITRA tao anatin’ny ady naharitra iray tamin’ny Empira Romanina i Pyrrhus, mpanjakan’i Épire any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Gresy. Naniry mafy hahazo fanazavana azo nitokisana ny amin’ny ho vokany izy, ka nandeha naka hevitra tany amin’ny toeram-pivavahana tany Delphes. Azo nadika tamin’izao fomba roa manaraka izao anefa ny valin-teny azony: 1) “Lazaiko aminao, ry zanak’i Aeacus, fa afaka mandresy ny Romanina ianao. Handeha ianao ary hiverina, ka tsy ho faty an’ady any mihitsy.” 2) “Lazaiko aminao fa afaka mandresy anao ny Romanina, ry zanak’i Aeacus. Handeha ianao ary tsy hiverina intsony, fa ho faty any an’ady ianao.” Nifidy ny hino ilay valin-teny voalohany avy tamin’olona notsindrian-javatra izy, ka nandeha niady tamin’i Roma. Resy tanteraka i Pyrrhus.
Nahatonga ny valin-teny avy tamin’olona notsindrian-javatra ho malaza ho nanjavozavo sy nety hisy heviny roa ny toe-javatra toy izany. Ahoana anefa ny amin’ny faminanian’ny Baiboly? Milaza ny mpanakiana sasany fa tsy tsara kokoa noho ireo valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra ireo faminaniana hita ao amin’ny Baiboly. Ireny mpanakiana ireny dia manombantombana fa ireo faminaniana ara-baiboly dia filazana feno hafetsena fotsiny momba ny fisehoan-javatra ho avy, nataon’olona mahira-tsaina be sy mahay misaina be, mazàna ny kilasin’ny mpisorona. Lazainy fa noho ny zavatra niainany fotsiny na tamin’ny alalan’ny olona fantany manokana, hono, ireny lehilahy ireny dia nahita mialoha ilay fizotran’ny toe-javatra sasany. Amin’ny fampitahana ireo toetra mampiavaka ny faminanian’ny Baiboly amin’ireo valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra, dia ho haintsika kokoa ny hanatsoaka hevitra araka ny tokony ho izy.
Ireo lafin-javatra mifanohitra
Ny marika mampiavaka ireo valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra dia ny fananany heviny roa. Tany Delphes, ohatra, ireo valin-teny nomena dia notononina tamin’ny feo tsy mazava. Nanjary nilain’ireo mpisorona ny nilaza ny hevitr’izy ireny sy ny namorona soratra azo nomena heviny nifanipaka. Ny ohatra mampiseho tsara izany dia ilay valin-teny nomena an’i Crésus, mpanjakan’i Lydia. Rehefa naka hevitra tany amin’ilay toeram-pivavahana izy, dia nilazana fa “raha niampita ny onin’i Halys i Crésus, dia handresy empira mahery iray”. Raha ny marina, dia ny empirany ihany no ilay “empira mahery” resy! Rehefa niampita ny onin’i Halys i Crésus mba hanafika an’i Kapadokia, dia resin’i Kyrosy Persanina.
Mifanohitra tanteraka amin’ny valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra izay mpanompo sampy, ireo faminanian’ny Baiboly fa fantatra noho ny fomba filazany zavatra araka ny marina sy mazava. Ohatra iray ny amin’izany ny faminaniana momba ny fianjeran’i Babylona, izay voarakitra ao amin’ny bokin’i Isaia ao amin’ny Baiboly. Roanjato taona teo ho eo talohan’ny nitrangan’io fisehoan-javatra io, dia nilaza mialoha tamin’ny an-tsipiriany sy araka ny marina ny nanonganan’i Media-Persia an’i Babylona, i Isaia mpaminany. Nambaran’ilay faminaniana fa hitondra ny anarana hoe Kyrosy ilay mpandresy, ary naharihariny ilay tetikady nandritana ny loharano avy tamin’ilay hadivory sy ny nidirana tao amin’ny tanàna mimanda iray avy teo amin’ny vavahady nidanadana. Tanteraka araka ny marina izany rehetra izany. (Isaia 44:27–45:2). Nambaran’ny faminaniana tamin’ny fomba marina tsara koa fa ho foana tsy hisy mponina i Babylona amin’ny farany. — Isaia 13:17-22.
Diniho koa ity karazam-pampitandremana mazava tsara nambaran’i Jona mpaminany ity: “Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” (Jona 3:4). Tsy mety hisy heviny roa eto! Nanaitra mafy sy nivantana aoka izany ilay hafatra, hany ka avy hatrany ny mponina tao Ninive ‘dia nino an’Andriamanitra ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana’. Ho vokatry ny fibebahan’ny mponin’i Ninive, dia tsy nitondra loza ho azy ireo tamin’io fotoana io i Jehovah. — Jona 3:5-10.
Nampiasaina mba hampiharana fitaomana ara-politika ny valin-teny avy tamin’olona tsindrian-javatra. Matetika ireo mpanapaka sy filoha ara-tafika no nampiasa ilay hevitra tiany kokoa mba hampandrosoana ny tombontsoany sy ny fikasany manokana, ka nanome azy io “endrika toy ny hoe avy tamin’ireo andriamanitra”. Kanefa, ireo hafatra ara-paminanian’Andriamanitra dia nomena tsy nisy fijerena tombontsoan’olona manokana.
Indro misy ohatra: I Natana, mpaminanin’i Jehovah, dia tsy niahotra nananatra an’i Davida Mpanjaka izay nania. (2 Samoela 12:1-12). Nandritra ny fanapahan’i Jeroboama II teo amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely, i Hosea sy i Amosa mpaminany dia nanao fanakianana henjana an’ilay mpanjaka mpikomy sy ny mpanohana azy, noho ny fivadiham-pinoany sy ny fitondran-tenany nanala baraka an’Andriamanitra. (Hosea 5:1-7; Amosa 2:6-8). Ny tena henjana indrindra dia izao fampitandreman’i Jehovah an’ilay mpanjaka tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany izao: “Hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’i Jeroboama.” (Amosa 7:9). Nofoanana ny taranak’i Jeroboama. — 1 Mpanjaka 15:25-30; 2 Tantara 13:20.
Tamin’ny ankabeazan’ny fotoana, dia nandoavam-bola ny valin-teny avy tamin’olona notsindrian-javatra. Nahazo ilay valin-teny tiany ilay nandoa vola be kokoa. Ireo izay naka hevitra tany amin’ny toeram-pivavahana tany Delphes dia nandoa vola be ho an’ny fanazavana tsy nisy vidiny, ka tamin’izany dia nameno ny tempolin’i Apollon sy ireo trano fanampiny tamin’ny harena be. Mifanohitra amin’izany kosa ireo faminaniana sy fampitandreman’ny Baiboly, izay nomena tsy nisy fandoavam-bola na fizahan-tavan’olona na dia kely akory aza. Izany no izy, na nanao ahoana na nanao ahoana toerana na haren’ilay olona niantefan’izany, satria ny mpaminany marina tsy azo nomena kolikoly. Afaka nanontany tamim-pahatsorana toy izao i Samoela mpaminany sady mpitsara: “Teo an-tànan’iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko?” — 1 Samoela 12:3.
Koa satria tany amin’ny toerana voafaritra tsara ihany no nahazoana ny valin-teny avy tamin’olona notsindrian-javatra, dia voatery nanao ezaka be ny olona iray mba handehanana tany. Ho an’ny sarambaben’ny olona, dia faran’izay sarotra ny nankany amin’ny ankamaroan’ireo toerana, satria tany Dodone tany amin’ny Tendrombohitr’i Tomarus tany Épire sy tany Delphes tany amin’ny faritra be tendrombohitra afovoan’i Gresy, no nisy azy ireny. Mazàna, ireo nanankarena sy ireo nanam-pahefana ihany no afaka naka hevitra tany amin’ireo andriamanitra tany amin’ny toeram-pivavahana toy izany. Ambonin’izany, dia andro vitsivitsy monja nandritra ny taona no nampiharihariana “ny sitrapon’ireo andriamanitra”. Nifanohitra tanteraka tamin’izany, fa naniraka nivantana an’ireo mpitondra hafany ara-paminaniana ho eny amin’ny olona i Jehovah Andriamanitra mba hanambara ireo faminaniana izay nilaina ho ren’izy ireo. Nandritra ny sesitanin’ireo Jiosy tany Babylona, ohatra, dia nanana mpaminany telo fara, fahakeliny, nanompo teo anivon’ny vahoakany Andriamanitra — i Jeremia tany Jerosalema, i Ezekiela niaraka tamin’ireo tany an-tsesitany, ary i Daniela tany amin’ny renivohitry ny Empira Babylonianina. — Jeremia 1:1, 2; Ezekiela 1:1; Daniela 2:48.
Nomena nitokana mazàna ireo valin-teny avy tamin’olona notsindrian-javatra, mba hahafahan’ilay nandray azy hanodinkodina ny heviny araka izay nety taminy. Mifanohitra amin’izany fa matetika ny faminanian’ny Baiboly no nomena ampahibemaso, mba hahafahan’ny rehetra handre ilay hafatra sy hahatakatra ny heviny. Imbetsaka i Jeremia mpaminany no niteny ampahibemaso tany Jerosalema, na dia fantany aza fa tsy tian’ireo mpitondra sy ireo mponina teo amin’ilay tanàna ny hafatra nentiny. — Jeremia 7:1, 2.
Ankehitriny dia heverina ho anisan’ny tantara tranainy ny valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra. Tsy mahasoa ny olona miaina amin’ny fotoan-tsarotra misy antsika izy ireny. Tsy misy valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra toy izany mifandray amin’izao androntsika izao na ny hoavintsika. Tena mifanohitra amin’izany ireo faminanian’ny Baiboly, satria anisan’ny ‘tenin’Andriamanitra izay velona sy mahery’. (Hebreo 4:12). Ireo faminanian’ny Baiboly izay efa tanteraka dia manome ohatra ny amin’ny fifampiraharahan’i Jehovah amin’ny olona ary mampiharihary lafiny lehibe amin’ny fikasany sy ny toetrany. Fanampin’izany, ireo faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly dia miandry ny fahatanterahany amin’ny hoavy tsy ho ela. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera, rehefa nilazalaza izay hitranga: “Misy lanitra vaovao [ilay Fanjakana Mesianika any an-danitra] sy tany vaovao [fitambaran’olona marina iray] izay andrasantsika, araka ny fampanantenany [ny an’Andriamanitra], ary tsy maintsy hitoeran’ny fahamarinana ireo.” — 2 Petera 3:13, NW.
Iny fampitahana fohy ny faminanian’ny Baiboly sy ny valin-teny avy amin’olona tsindrian-javatra ao amin’ny fivavahan-diso iny, dia tena mety hitarika anao hanatsoaka hevitra toy ny an’ilay boky mitondra ny lohateny hoe The Great Ideas toy izao: “Raha ny amin’ny fahalalan’ny olombelona mety maty izay hitranga, dia toa miavaka ireo mpaminany hebreo. Mifanohitra amin’ireo mpisikidy na ireo mpaminany mpanompo sampy (...) dia tsy voatery mampiasa hafetsena na famitahana izy ireo mba hamantarana ny zava-miafin’Andriamanitra. (...) Ny ankamaroan’ny teny ara-paminanian’izy ireo dia toa mazava tsara, fa tsy sahala amin’ny an’ireo olona tsindrian-javatra. Fara faharatsiny, ny zava-kendrena dia toa ny hampiharihary, fa tsy ny hanafina, ny fikasan’Andriamanitra momba ny raharaha toy izany, satria iriny ny hahitan’ny olona mialoha ny sitrapony.”
Hitoky amin’ny faminanian’ny Baiboly ve ianao?
Afaka mitoky amin’ny faminanian’ny Baiboly ianao. Raha ny marina, dia afaka manome ho an’i Jehovah sy ny fahatanterahan’ny teny ara-paminaniany ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao ianao. Ny faminanian’ny Baiboly dia tsy tantara maty momba ny faminaniana efa tanteraka. Faminaniana maro hita ao amin’ny Soratra Masina izao no eo an-dalam-pahatanterahana na miandry ny fahatanterahany amin’ny hoavy tsy ho ela. Raha tsaraina avy amin’ny lasa, dia afaka matoky tanteraka isika fa ho tanteraka koa ireo. Koa satria mifantoka amin’ny androntsika sy mahafaoka ny hoavintsika ireny faminaniana ireny, dia haneho fahendrena isika raha mandray azy ireny ho zava-dehibe.
Tena afaka mitoky amin’izao faminanian’ny Baiboly hita ao amin’ny Isaia 2:2, 3 izao ianao: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra (...). Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. Amin’izao andro izao, dia olona an-tapitrisany maro no manaiky ny fanompoam-pivavahana ambony amin’i Jehovah sy mianatra mandeha amin’ny atorony. Hanararaotra ny fahafahana hianatra bebe kokoa ny amin’ireo lalan’Andriamanitra sy handray fahalalana araka ny marina momba azy sy ny fikasany ve ianao mba handehanana amin’ny atorony? — Jaona 17:3.
Mitaky ny hanaovantsika zavatra maika ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly hafa iray. Raha ny mahakasika ny hoavy tsy ho ela, dia nihira ara-paminaniana toy izao ny mpanao salamo: “Ny mpanao ratsy hofongorana; (...) rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy”. (Salamo 37:9, 10). Inona no ilaina, araka ny hevitrao, mba tsy ho azon’ilay fandringanana mananontanona ny ratsy fanahy, anisan’izany ireo izay mihomehy an’ireo faminanian’ny Baiboly? Toy izao ny valiny ao amin’io salamo io ihany: “Izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” (Salamo 37:9). Ny hoe miandry an’i Jehovah dia midika hoe mametraka fitokisana tanteraka amin’ny fampanantenany sy mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny fari-pitsipiny. — Ohabolana 2:21, 22.
Hanao ahoana ny fiainana rehefa ireo izay miandry an’i Jehovah no honina eo amin’ny tany? Eto indray koa, dia mampiharihary ny faminanian’ny Baiboly fa misy hoavy miandry ny olombelona mankato. Nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.” (Isaia 35:5, 6). Nanoratra ireto teny manome toky ireto ny apostoly Jaona: “Hofafany [Jehovah] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: (...) Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Apokalypsy 21:4, 5.
Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa bokim-paminaniana azo itokisana ny Baiboly. Ary miombon-kevitra tanteraka amin’ny apostoly Petera izay nampirisika toy izao izy ireo: “Manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro”. (2 Petera 1:19). Ny fanirianay amim-pahatsorana dia ny hahazoanao fampaherezana avy amin’ny fahatsinjovana mamirapiratra izay atolotry ny faminanian’ny Baiboly amin’ny hoavy!
[Efajoro/Sary, pejy 6]
NY TOERAM-PIVAVAHANA TANY DELPHES no nalaza indrindra tany Gresy fahiny.
Nahatonga ilay mpisorona vavy ho toy ny nihetsehan’ny tromba ny etona nahamamo
[Sary]
Nipetraka teo ambony seza avo ilay mpisorona vavy, ary nilaza ny valin-teniny
Ninoana ho nirakitra fanambarana avy tamin’i Apollon andriamanitra, ireo feo navoakany
[Sary nahazoan-dalana]
Tripod: From the book Dictionary of Greek and Roman Antiquities; Apollo: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck
[Sary, pejy 7]
Tsy azo nitokisana tanteraka ireo filazana mialoha tany amin’ny toeram-pivavahana tany Delphes
[Sary nahazoan-dalana]
Delphes, Gresy
[Sary, pejy 8]
Afaka manana fatokisana tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny tontolo vaovao ianao