FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/8 p. 10-13
  • Filôzôfia Grika — Nanatsara ny Kristianisma ve Izy Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Filôzôfia Grika — Nanatsara ny Kristianisma ve Izy Io?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Jodaisma nomena endriny grika”
  • “Helenisma nomena endriny kristianina”
  • “Kristianisma nomena endriny grika” sy “filôzôfia kristianina”
  • Loto manimba
  • Ny fahamarinana
  • Tafiditra tao Amin’ny Jodaisma sy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ary ny Silamo Ilay Hevitra
    Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
  • Ireo Rain’ny Eglizy​—Mpanohana ny Fahamarinana Ara-baiboly Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Platon
    Mifohaza!—2013
  • Fiainana Aorian’ny Fahafatesana — Inona no Inoan’ny Olona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/8 p. 10-13

Filôzôfia Grika — Nanatsara ny Kristianisma ve Izy Io?

“Na dia nanohitra ny kolontsaina grika sy romanin’ny mpanompo sampy aza ny Kristianisma, dia nandray filôzôfia grika sy romanina maro izy io, raha ny marina.” — The Encyclopedia Americana.

TAMIN’IREO izay tena nampihatra fitaomana lehibe teo amin’ny fisainan’ny “Kristianina”, dia tsy azo lavina fa i “Masindahy” Augustin no mitana toerana lehibe indrindra. Araka ny The New Encyclopædia Britannica, dia ny “sain[’i Augustin] no toerana nifangaroan’ny fivavahan’ny Testamenta Vaovao sy ny lovantsofina platônikan’ny filôzôfia grika, ka nahatonga azy ireo hifangaro tanteraka. [Ny sainy] ihany koa no fitaovana nampitana ny vokatr’io fifangaroana io ho ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia ny Fivavahana Katolika tamin’ny Moyen Âge, sy ny Fivavahana Protestanta tamin’ny Renaissance”.

Nateza tokoa ny lova navelan’i Augustin. Hoy i Douglas T. Holden, raha niresaka momba ny hoe tonga hatraiza ny fitaoman’ny filôzôfia grika teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina: “Nanjary nifangaro be tamin’ny filôzôfia grika ny teôlôjia kristianina, hany ka namolavola olona izay manana fisainana grika amin’ny sivy ampahafolon’ny fisainany, ary fisainana kristianina amin’ilay ampahafolony sisa.”

Mino mafy ny manam-pahaizana sasany fa izany fitaoman’ny filôzôfia izany dia nampitombo hatsarana ny Kristianisma tany am-boalohany, ka nanatsara ny fampianaran’izy io, sy nahatonga azy io hampiaiky kokoa. Izany tokoa ve no izy? Ahoana ary oviana no nitrangan’izany fitaoman’ny filôzôfia grika izany? Nanatsara tokoa ny Kristianisma ve izy io, sa nandoto azy?

Ahalalan-javatra ny manaraka ny fizotran-javatra maromaro nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo al.f.i. ka hatramin’ny taonjato fahadimy am.f.i., amin’ny fandinihana ireto teny efatra tsy mahazatra ireto: 1) “Jodaisma nomena endriny grika”, 2) “Helenisma nomena endriny kristianina”, 3) “Kristianisma nomena endriny grika”, ary 4) “filôzôfia kristianina”.

“Jodaisma nomena endriny grika”

Tena zavatra mifanohitra ilay teny voalohany hoe “Jodaisma nomena endriny grika”. Ilay fivavahana voalohany narahin’ny Hebreo, izay naorin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia tsy tokony ho voaloton’ny hevi-diso ara-pivavahana. (Deoteronomia 13:1; Ohabolana 30:5, 6). Efa hatrany am-piandohana anefa, dia nandrahona ny hanimba ny fahadiovan’izany fanompoam-pivavahana izany ireo fanao sy fisainana ara-pivavahan-diso nanodidina azy io, anisan’izany ny fitaomana avy tamin’ny Ejipsianina sy ny Kananita ary ny Babylonianina. Mampalahelo fa namela ilay fanompoam-pivavahany marina ho simba tanteraka ny Isiraely. — Mpitsara 2:11-13.

Taonjato maro tatỳ aoriana, fony nanjary anisan’ny Empira Grika teo ambany fifehezan’i Aleksandra Lehibe, i Palestina fahiny, tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia nihalalina mbola tsy nisy toy izany, izany fahasimbana izany, ary namela lova nateza sy nanimba tsikelikely. Naka Jiosy ho ao amin’ny tafiny i Aleksandra. Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fisainana ara-pivavahan’ny Jiosy ilay fifandraisana nananany tamin’ilay vao nandresy azy. Tafiditry ny fisainana helenistika ny fanabezana teo amin’ny Jodaisma. I Jason, Mpisoronabe, dia nalaza noho ny nanorenany sekoly ambony grika tao Jerosalema, tamin’ny 175 al.f.i., mba hampandrosoana ny fianarana momba an’i Homère. 

Mahaliana fa niezaka hampiseho ny tantara ao amin’ny Baiboly ho toy ny tahirin-tantara nomena endriny grika, ny Samaritanina iray, izay nanao ny asa sorany tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faharoa al.f.i. Raha ny marina, dia milaza tsy mivantana ny amin’ireo angano grika manaitra ny filan’ny nofo ny boky apôkrifa jiosy, toy ny Jodita sy ny Tobia. Nisy filôzôfa jiosy maromaro nipoitra, izay niezaka nampifanaraka ny fisainana grika tamin’ny fivavahan’ny Jiosy sy ny Baiboly.

Ny olona heverina ho tompon’antoka voalohany indrindra tamin’izany, dia i Philon, Jiosy iray tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Izy no nilaza tena ho tompon’ireo zavatra nampianarin-dry Platon (taonjato fahefatra al.f.i.), sy ireo mpanara-dia an’i Pythagore, ary ny Stôika. Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny Jiosy ny fiheveran’i Philon. Hoy i Max Dimont, mpanoratra jiosy, raha namintina an’io fitsofohan’ny fisainana grika io tao amin’ny kolontsaina jiosy: “Nandray ny fisainan’i Platon sy ny lôjikan’i Aristote ary ny siansan’i Euclide ireo manam-pahaizana jiosy, ka nandinika ny Torah tamin’ny alalan’ny fitaovana vaovao. (...) Nampian’izy ireo fanjohian-kevitra grika ny fanambaran’Andriamanitra nomena ny Jiosy.”

Tatỳ aoriana, dia lasan’ny Romanina ny Empira Grika, ka teo ambany fifehezan’izy ireo i Jerosalema. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fiovana mbola lehibe lavitra izany. Tamin’ny taonjato fahatelo am.f.i., dia naka ilay endriny farany, izay fantatra ankehitriny amin’ny fitambarany hoe Neôplatônisma, ny foto-pampianarana filôzôfika sy ara-pivavahan’ireo filôzôfa izay niezaka mafy hampivelatra sy handravona ny hevitr’i Platon. Azo antoka fa nisy fiantraikany lalina teo amin’ny Kristianisma nivadi-pinoana io firehan-kevitra io.

“Helenisma nomena endriny kristianina”

Nandritra ireo taonjato dimy voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy avara-pianarana nitady hampiseho fa nisy fifandraisana ny filôzôfia grika sy ny fahamarinana voambara ao amin’ny Baiboly. Hoy ilay boky hoe A History of Christianity: “Ireo mpandala ny metafizika kristianina dia nilazalaza ny Grika tamin’ireo am-polony taona maro talohan’i Kristy, ho nitolona mafy, nefa nitolona an-jambany, mba hahafantatra an’Andriamanitra, ka azo lazaina ho niezaka naka sary an-tsaina an’i Jesosy avy tamin’ny fisainana atenianina tsy nisy fotony, mba hamoronana Kristianisma avy tamin’ny fisainana poaka atin-dry zareo mpanompo sampy.”

I Plotin (205-270 am.f.i.), mpialoha lalana ireo filôzôfa toy izany, dia nanorina rafi-pisainana izay niompana indrindra indrindra tamin’ny teôrian-kevitr’i Platon. Nandroso ilay hevitra hoe fanahy misaraka amin’ny vatana, i Plotin. Hoy ny Profesora E. W. Hopkins momba an’i Plotin: “Ny teôlôjiany (...) dia nisy heriny lehibe teo amin’ireo nitarika ny fomba fijery kristianina.”

“Kristianisma nomena endriny grika” sy “filôzôfia kristianina”

Nanomboka tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nanao ezaka tamim-pahatapahan-kevitra mba hanaitra ny sain’ireo avara-pianarana mpanompo sampy, ireo filôzôfa “kristianina”. Na dia teo aza ny fampitandremana mazava nomen’ny apostoly Paoly mahakasika ny “fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”, dia nampidirin’ireny mpampianatra ireny ho anisan’ny fampianarany ireo hevitra filôzôfika avy tamin’ny kolontsaina helenistika nanodidina azy. (1 Timoty 6:20). Ny ohatr’i Philon dia toa nilaza fa nety ho azo natao ny nampifanaraka ny Baiboly tamin’ireo hevitr’i Platon. — Ampitahao amin’ny 2 Petera 1:16.

Mazava ho azy fa ny fahamarinana ara-baiboly no tena niharam-pahavoazana. Filôzôfia iray teo amin’ny Grika sy ny Romanina ny fandalana ny maha olona, ka niezahan’ireo mpampianatra “kristianina” naseho fa nifanaraka tamin’izy io ny Kristianisma. Ny Neôplatônisma no nataon’i Clément avy any Aleksandria sy i Origène (taonjato faharoa sy fahatelo am.f.i.) ho fototra niorenan’izay nanjary natao hoe “filôzôfia kristianina”. I Ambroise (339-397 am.f.i.), evekan’i Milan, dia ‘nandray ny fahalalana farany indrindra azon’ny Grika, na fahalalana kristianina izany na nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy — indrindra fa ny asa soratr’i Plotin, ilay mpanompo sampy mpandala ny Neôplatônisma’. Kristianisma tamin’ny endriny grika sy romanina no niezahan’i Ambroise nomena ireo Latina nahita fianarana. Nanaraka ny ohatra nomeny i Augustin.

Taonjato iray tatỳ aoriana, dia niezaka nampivady ny filôzôfia neôplatônika sy ny teôlôjia “kristianina” i Dionysius Areopagita (nantsoina koa hoe i Dionysius sandoka), izay azo inoana fa moanina syrianina. Araka ny rakipahalalana iray, ‘ny asa sorany dia nampisy fironana mazava ho amin’ny Neôplatônisma, tamin’ny ampahany betsaka tamin’ny foto-pampianarana sy ny lafiny ara-panahin’ny Kristianina tamin’ny Moyen Âge. Izany fironana izany no namaritra ireo lafiny maro samihafa tamin’ny toetoetra ara-pivavahana nampiavaka ny foto-pampianarana kristianina hatramin’izao andro izao’. Faniratsirana an-kitsirano an’ilay fampitandreman’ny apostoly Paoly ny amin’ny “filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana” re izany! — Kolosiana 2:8.

Loto manimba

Nomarihina fa “ireo Kristianina mpandala ny filôzôfian’i Platon dia sady nametraka ny fanambaran’Andriamanitra ho eo amin’ny toerana voalohany, no nihevitra ny filôzôfian’i Platon ho ny fitaovana tsara indrindra azo nampiasaina mba hahatakarana sy hiarovana ireo fampianaran’ny Soratra Masina sy ny lovantsofin’ny eglizy”.

Niaiky ny fisian’ny fanahy tsy mety maty ny tenan’i Platon. Mifono heviny lehibe àry ny hoe ny iray amin’ireo fampianaran-diso lehibe indrindra tafatsofoka tao amin’ny teôlôjia “kristianina”, dia ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Ny fanekena an’io fampianarana io dia tsy azo hamarinina velively amin’ny hoe nahatonga ny Kristianisma hanintona kokoa ny sarambaben’olona ny fanaovana izany. Tsy nampianatra ny foto-pampianaran’i Platon momba ny fanahy ny apostoly Paoly, fony izy nitory tany Atena, foiben’ny kolontsaina grika. Ilay foto-pampianarana kristianina momba ny fitsanganana amin’ny maty kosa no notoriny, na dia sarotra tamin’ny ankamaroan’ireo Grika nihaino azy aza ny nanaiky izay nolazainy. — Asan’ny Apostoly 17:22-32.

Mifanohitra amin’ny filôzôfia grika, ny Soratra Masina dia mampiseho mazava fa tsy zavatra ananan’ny olona iray akory ny fanahy, fa izy mihitsy no fanahy. (Genesisy 2:7, NW ). Foana tsy misy intsony ilay fanahy, eo amin’ny fahafatesana. (Ezekiela 18:4). Milaza amintsika toy izao ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.” Tsy ampianarina ao amin’ny Baiboly ny foto-pampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.

Ny fampianarana mamitaka hafa iray dia nifandray tamin’ny toeran’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy: ilay fiheverana hoe nitovy tamin’ny Rainy izy. Hoy ny fanazavan’ilay boky hoe The Church of the First Three Centuries: “Ny foto-pampianarana momba ny andriamanitra telo izay iray (...) dia nipoitra avy tamin’ny loharano iray izay tsy nifandray mihitsy tamin’ny loharanon’ilay Soratra Masina jiosy sy kristianina.” Inona izany loharano izany? “Nivelatra [ilay foto-pampianarana] ka natao grefy tamin’ny Kristianisma, tamin’ny alalan’ireo Ray nandray ny hevitr’i Platon.”

Eny tokoa, rehefa nandeha ny fotoana ka nihananan-kery teo amin’ireo Rain’ny Eglizy ny Neôplatônisma, dia nihamaro ny mpanohana ny andriamanitra telo izay iray. Ny filôzôfia neôplatônika tamin’ny taonjato fahatelo dia toa nahafahan’izy ireo nampifanaraka ilay zavatra tsy azo nampifanarahina: ny fanaovana Andriamanitra telo hiseho ho toy ny Andriamanitra iray. Tamin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra filôzôfika no nilazan’izy ireo fa afaka ny ho Andriamanitra iray ny persona telo, nefa samy mbola hihazona ny maha izy azy manokana!

Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa dia mampiseho mazava fa i Jehovah irery ihany no Andriamanitra Tsitoha, i Jesosy Kristy dia Zanany noforoniny izay ambany kokoa noho izy, ary ny fanahy masina dia ny heriny miasa. (Deoteronomia 6:4; Isaia 45:5; Asan’ny Apostoly 2:4; Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14). Sady manala baraka an’ilay hany Andriamanitra marina ny foto-pampianarana momba ny andriamanitra telo izay iray no mampikorontan-tsaina ny olona, ka mahatonga azy hiala amin’ny Andriamanitra iray izay tsy takatry ny sainy.

Niharam-pahavoazana koa tamin’ilay fitaoman’ny Neôplatônisma teo amin’ny fisainan’ny Kristianina, ilay fanantenana miorina amin’ny Soratra Masina momba ny Fanjakana Arivo Taona. (Apokalypsy 20:4-6). Nalaza tamin’ny fanamelohana an’ireo mpino ny Fanjakana Arivo Taona i Origène. Nahoana no notoheriny mafy io foto-pampianarana miorina mafy amin’ny Baiboly io, dia ny fanjakana arivo taonan’i Kristy? Mamaly toy izao ny The Catholic Encyclopedia: “Noho ny Neôplatônisma izay niorenan’ny foto-pampianarany (...), dia tsy afaka niandany tamin’ireo mpino ny Fanjakana Arivo Taona [i Origène].”

Ny fahamarinana

Tsy nisy nifandraisany tamin’ny fahamarinana ireo fizotran-javatra notononina tetsy ambony. Tsy inona akory io fahamarinana io fa ny fitambaran’ny fampianarana kristianina manontolo, araka izay hita ao amin’ny Baiboly. (2 Korintiana 4:2; Titosy 1:1, 14; 2 Jaona 1-4). Ny Baiboly no hany loharanon’ny fahamarinana. — Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16.

Nampiasa fomba maro samihafa feno hafetsena mba hanatsatsoana izany fahamarinana izany anefa ilay fahavalon’i Jehovah sy ny fahamarinana sy ny olombelona ary ny fiainana mandrakizay, dia i Satana Devoly, ilay “mpamono olona” sy “rain’ny lainga”. (Jaona 8:44; ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:3.) Anisan’ireo fitaovana mahery indrindra nampiasainy ny fampianaran’ireo filôzôfa grika mpanompo sampy — fampianarana izay taratry ny toe-tsainy, raha ny marina — mba hanovana ny votoatin’ny fampianarana kristianina sy izay mahaforona azy io.

Io fampifangaroana ny fampianarana kristianina sy ny filôzôfia grika io, izay zavatra tsy mety hifangaro, dia tsy inona akory fa fiezahana hanatsatso ny fahamarinana ara-baiboly, ka mampihena ny heriny ary mahatonga azy tsy hanintona firy an’ireo olona mpandefitra sy tso-po ary vonon-kianatra, izay mitady ny fahamarinana. (1 Korintiana 3:1, 2, 19, 20). Manaisotra koa ny fahadiovana mangatsakatsaky ny foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly, izany fifangaroana izany, hany ka manjavozavo ny fahitana ilay tsipika mampisaraka ny fahamarinana sy ny lainga.

Amin’izao andro izao, dia naverina tamin’ny laoniny, teo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, Lohan’ny kôngregasiôna, ny fampianarana kristianina marina. Ireo mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana koa dia afaka mahafantatra mora foana ny tena kôngregasiôna kristianina, amin’ny alalan’ny voa vokarin’izy io. (Matio 7:16, 20). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia vonona no sady dodona ny hanampy ny olona toy izany mba hahitan’izy ireny ilay ranon’ny fahamarinana tsy misy fangarony, sy mba hanampy azy ireny hihazona ilay lova, dia ny fiainana mandrakizay atolotr’i Jehovah Raintsika. — Jaona 4:14; 1 Timoty 6:19.

[Sary, pejy 11]

Augustin

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Soratra grika: Avy amin’ilay boky hoe Ancient Greek Writers: Plato’s Phaedo, 1957, Ioannis N. Zacharopoulos, Athens; Platon: Musei Capitolini, Roma

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara