FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/9 p. 4-7
  • Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny anjara asan’i Satana
  • Ahoana no fomba fiasan’i Satana?
  • Antony maro samihafa mahatonga ny aretina
  • Ilay vahaolana maharitra
  • Ilay Zava-miafin’ny Tsy Fahasalamana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Rehefa Marary ny Mpianakavy Iray
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Tsy Nivadika Tamin’Andriamanitra i Joba
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Raharaha iray iankinan’ny aina mahakasika anao
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/9 p. 4-7

Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary?

TOKONY HO TSY NISY MIHITSY NY ARETINA. Noforonin’Andriamanitra mba hiaina mandrakizay ao anatin’ny fahasalamana tonga lafatra isika. I Satana, zavaboary ara-panahy iray, no nahatonga ny aretina sy ny fanaintainana ary ny fahafatesana hamely ny fianakavian’olombelona, fony izy nitarika an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva, ho amin’ny fahotana. — GENESISY 3:1-5, 17-19; ROMANA 5:12.

MIDIKA ve izany fa ny aretina rehetra dia vokatra mivantan’ny fanembantsembanana avy amin’ny tontolo ara-panahy? Araka ny nomarihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia maro no mihevitra izany amin’izao andro izao. Nihevitra toy izany ny reniben’i Owmadji kely. Moa ve anefa ny aretim-pivalanana nahazo an’i Owmadji — izay indraindray aretina mahafaty ny ankizy madinika atỳ amin’ny tany mafana — tena avy amin’ireo fanahy tsy hita maso?

Ny anjara asan’i Satana

Mamaly io fanontaniana io amin’ny fomba mazava tsara ny Baiboly. Voalohany aloha, dia asehony fa tsy afaka manan-kery eo amin’ny velona ny fanahin’ireo razambentsika. Rehefa maty ny olona, dia “tsy mba mahalala na inona na inona” izy. Tsy manana fanahy izay velona aorian’ny fahafatesana izy. Matory ao amin’ny fasana, izay “tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena”, izy ireo. (Mpitoriteny 9:5, 10). Tsy afaka mahatonga ny velona harary velively ny maty!

Kanefa, ny Baiboly dia mampiharihary fa tena misy ireo fanahy ratsy. Ilay zavaboary ara-panahy fantatra ankehitriny ho Satana, no ilay mpikomy voalohany teo amin’izao rehetra izao manontolo. Nisy hafa nanaraka azy, ary nanjary nantsoina hoe demonia. Afaka mahatonga ny aretina ve i Satana sy ireo demonia? Efa nitranga izany. Famoahana demonia ny sasany tamin’ireo fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy. (Lioka 9:37-43; 13:10-16). Kanefa, ny ankamaroan’ireo fanasitranana nataon’i Jesosy dia tsy fanasitranana aretina avy tamin’ireo demonia nivantana. (Matio 12:15; 14:14; 19:2). Toy izany koa amin’izao andro izao, fa noho ny antony araka ny natiora, fa tsy noho ny hery avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona, no mahatonga ny aretina amin’ny ankapobeny.

Ahoana ny amin’ny filalaovana ody? Manome toky antsika toy izao ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.” Hoy ny Jakoba 4:7: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” Eny, afaka miaro ny olony mahatoky amin’ny filalaovana ody sy izay hery hafa rehetra avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona, Andriamanitra. Izany no heviny iray amin’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” — Jaona 8:32.

‘Ahoana ny amin’i Joba?’, hoy ny mety ho fanontanian’ny sasany. ‘Tsy fanahy ratsy iray ve no nahatonga azy harary?’ Eny, milaza ny Baiboly fa avy tamin’i Satana ny aretin’i Joba. Naningana anefa ny toe-javatra nisy an’i Joba. Nanana ny fiarovan’Andriamanitra tamin’ny fanafihana nivantana avy tamin’ny demonia, efa hatramin’ny ela i Joba. Avy eo i Satana dia nihaika an’i Jehovah hamely an’i Joba, ary satria raharaha lehibe no voakasika, dia nanala tamin’ny ampahany ny fiarovany tamin’ilay mpanompony izy, tamin’io toe-javatra iray io.

Kanefa, nanisy fetrany Andriamanitra. Rehefa namela an’i Satana hampijaly an’i Joba izy, dia afaka nahatonga an’i Joba harary nandritra ny fotoana kelikely i Satana, nefa tsy afaka namono azy. (Joba 2:5, 6). Tamin’ny farany, dia nifarana ny fijalian’i Joba, ary nahazo valisoa tondraka avy tamin’i Jehovah izy, noho ny tsy fivadihany. (Joba 42:10-17). Efa voarakitra hatry ny ela ao amin’ny Baiboly sy miharihary amin’ny rehetra, ireo foto-pitsipika voaporofon’ny tsy fivadihan’i Joba. Tsy misy ilana oha-pitsapana iray hafa toy izany intsony.

Ahoana no fomba fiasan’i Satana?

Saika amin’ny toe-javatra rehetra, dia ny nakan’i Satana fanahy an’ilay mpivady olombelona voalohany sy ny nahalatsahan’izy ireo tao amin’ny fahotana, no hany fifandraisana misy eo amin’i Satana sy ny aretin’ny olombelona. Tsy izy sy ny demoniany no antony mivantana mahatonga ny aretina tsirairay. Kanefa, i Satana dia hanandrana hitaona antsika foana hanao fanapahan-kevitra tsy mampiseho fahendrena sy hampanaiky lembenana ny finoantsika, zavatra izay mety hiteraka fahasimban’ny fahasalamantsika. Tsy namosavy, namono, na namely an’i Adama sy i Eva tamin’ny aretina izy. Nandresy lahatra an’i Eva tsy hankato an’Andriamanitra izy, ary nanaraka ny lalan’ny tsy fankatoavany i Adama. Anisan’ny vokatr’izany ny aretina sy ny fahafatesana. — Romana 5:19.

Indray mandeha dia nokaramain’ny mpanjakan’i Moaba hanozona ny firenen’ny Isiraely, izay nitoby teo amin’ny sisin-tanin’i Moaba sady nandrahona azy ireo, ny mpaminany nivadika iray nantsoina hoe Balama. Nanandrana nanozona ny Isiraely i Balama, nefa tsy nahomby satria teo ambany fiarovan’i Jehovah ilay firenena. Nanomboka nisarika ny Isiraely hanao fanompoan-tsampy sy fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy àry ireo Moabita. Nahomby io paikady io, ka namoy ny fiarovan’i Jehovah ny Isiraely. — Nomery 22:5, 6, 12, 35; 24:10; 25:1-9; Apokalypsy 2:14.

Afaka mianatra lesona lehibe iray avy amin’izany fisehoan-javatra fahiny izany isika. Ny fanampian’Andriamanitra dia miaro ireo mpanompony mahatoky, amin’ny famelezana mivantana avy amin’ireo fanahy ratsy. Kanefa, i Satana dia mety hanandrana hanosika ny isam-batan’olona hampanaiky lembenana ny finoany. Mety hanandrana hisarika azy ireo hanao fahalotoam-pitondran-tena izy. Na, tahaka ny liona mierona, dia mety hanandrana hampitahotra azy ireo mba hanaovany zavatra amin’ny fomba izay tsy hahazoany ny fiarovan’Andriamanitra, i Satana. (1 Petera 5:8). Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hiantso an’i Satana hoe “ilay manana ny herin’ny fahafatesana”. — Hebreo 2:14.

Nanandrana nandresy lahatra an’i Hawa mba hampiasa ody atao fiaro sy sampy ho fiarovana amin’ny aretina, ilay reniben’i Owmadji. Inona no ho nitranga raha nilefitra i Hawa? Ho nampiseho tsy fahampiam-pitokisana tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy, ary tsy ho afaka nitoky tamin’ny fiarovany intsony. — Eksodosy 20:5; Matio 4:10; 1 Korintiana 10:21.

Nanandrana nandresy lahatra an’i Joba koa i Satana. Tsy ampy ny fanesorana taminy ny fianakaviany sy ny hareny ary ny fahasalamany. Nomen’ny vadiny izao torohevitra tena ratsy izao koa i Joba: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” (Joba 2:9). Avy eo izy dia notsidihin’ireo “namana” telo lahy izay niara-niezaka nampiaiky azy hoe izy no tokony homen-tsiny noho ny aretiny. (Joba 19:1-3). Tamin’izany fomba izany, i Satana dia nanararaotra ny fahosan’i Joba, mba hanandramana hanakivy azy sy hanozongozona ny fatokisany ny fahitsian’i Jehovah. Kanefa, nanohy niantehitra tamin’i Jehovah ho ny hany fanantenany i Joba. — Ampitahao amin’ny Salamo 55:22.

Mety hanjary ho ketraka koa isika, rehefa marary. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mailaka i Satana hanandrana hampanao antsika zavatra amin’ny fomba izay hahatonga antsika hampanaiky lembenana ny finoantsika. Noho izany, rehefa mamely ny aretina, dia zava-dehibe ny hitadidiana fa ny antony fototra mahatonga ny fijaliantsika dia azo inoana fa ny tsy fahalavorariana nolovana, fa tsy ny hery iray avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona. Tadidio fa nanjary jamba nandritra ny taona maro i Isaka nahatoky, talohan’ny hahafatesany. (Genesisy 27:1). Tsy ireo fanahy ratsy akory no antony nahatonga izany, fa ny fahanterany. Maty teo am-piterahana i Rahely, tsy noho i Satana akory fa noho ny fahosan’olombelona. (Genesisy 35:17-19). Tamin’ny farany, dia maty avokoa ireo olona nahatoky fahiny — tsy noho ny famosaviana na ny fanozonana akory, fa noho ny tsy fahalavorariana nolovana.

Fandrika ny fieritreretana fa manan-kery mivantana eo amin’ny aretina rehetra mahazo antsika ireo fanahy tsy hita maso. Mety hiteraka ao amintsika tahotra izaitsizy an’ireo fanahy izany. Amin’izay, rehefa marary isika, dia mety halaim-panahy hanandrana hampitony an’ireo demonia, fa tsy hanalavitra azy ireo. Raha afaka mampitahotra antsika mba hampiasantsika fanao mifandray amin’ny spiritisma i Satana, dia ho famadihana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, izany. (2 Korintiana 6:15). Tokony hotarihin’ny tahotra miharo fanajana an’Andriamanitra isika, fa tsy hotarihin’ny tahotra miharo finoanoam-poana an’ilay Fahavalony. — Apokalypsy 14:7.

Efa nanana ny fiarovana tsara indrindra amin’ireo fanahy ratsy i Owmadji kely. Araka ny apostoly Paoly, dia mihevitra azy ho “masina” Andriamanitra, satria mpino ny reniny, ary afaka mivavaka amin’Andriamanitra mba homba ny zanany vavy amin’ny alalan’ny fanahy masina. (1 Korintiana 7:14). Nahazo izany fahalalana araka ny marina izany i Hawa, ka afaka nitady fitsaboana nandaitra ho an’i Owmadji, fa tsy niantehitra tamin’ireo ody atao fiaro.

Antony maro samihafa mahatonga ny aretina

Tsy mino an’ireo fanahy ny ankamaroan’ny olona. Rehefa marary izy ireo, dia mankany amin’ny dokotera — raha afaka mandeha any. Mazava ho azy fa mety hankany amin’ny dokotera ny marary iray, nefa mbola tsy sitrana ihany. Tsy afaka manao fahagagana ny dokotera. Olona minomino foana maro azo sitranina anefa no tsy mankany amin’ny dokotera, raha tsy efa diso aoriana loatra. Manandrana fomba fanasitranana amin’ny alalan’ny spiritisma aloha izy ireo, ary rehefa tsy mahomby izany, vao mankany amin’ny dokotera izy amin’ny farany. Maro no matimaty foana.

Maty aloha be ny hafa noho ny tsy fahalalana. Tsy mahalala ireo soritr’aretina izy ireo, no sady tsy mahalala izay dingana tokony hatao mba hisakanana ny aretina. Manampy mba hisorohana fijaliana tsy amin’ny antony ny fahalalana. Tsara homarihina fa vitsy kokoa ny zanak’ireo reny mahay taratasy no maty raha oharina amin’ny an’ireo tsy mahay taratasy. Eny, mahafaty ny tsy fahalalana.

Antony iray hafa mahatonga ny aretina ny fanaovana tsirambina. Ohatra, maro no marary satria mamela bibikely handady eo amin’ny sakafo, alohan’ny hihinanana azy io, na satria tsy manasa tanana ilay olona, alohan’ny hikarakarany ny sakafo. Mampidi-doza koa ny matory tsy mampiasa lay aro moka, any amin’ny faritra be tazomoka.a Raha ny amin’ny fahasalamana, dia mazàna no marina ny hoe “aleo misoroka toy izay mitsabo”.

Nahatonga olona an-tapitrisany maro harary sy ho faty aloha be ny fomba fiaina tsy mampiseho fahendrena. Nanimba ny fahasalaman’ny maro ny fahamamoana, ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fidorohana zava-mahadomelina, ary ny fampiasana sigara sy paraky. Raha misy olona manana ireo fahazaran-dratsy ireo, ary avy eo dia marary, moa ve izany satria izy namosavin’olona na nasian’ny famelezan’ny fanahy iray? Tsia. Izy no tokony homena tsiny noho ny aretiny. Ny fanomezana tsiny ireo fanahy dia ho fandavana andraikitra, noho ny fomba fiaina tsy mampiseho fahendrena.

Mazava ho azy fa misy zavatra sasany tsy azontsika fehezina. Ohatra, mety ho tojo mikraoba mitondra aretina na ny fandotoana isika. Izany no nitranga tamin’i Owmadji. Tsy nahafantatra ny antony nahatonga ilay aretim-pivalanana ny reniny. Tsy marary matetika tahaka ireo ankizy hafa ny zanany, satria mihazona ny tranony sy ny tokotaniny ho madio izy, ary manasa foana ny tanany, alohan’ny hikarakarany sakafo. Marary anefa ny ankizy rehetra indraindray. Misy otrikaretina organika 25 samy hafa afaka mitondra aretim-pivalanana. Azo inoana fa tsy hisy mihitsy olona hahafantatra hoe iza tamin’ireo no nitondra aretina ho an’i Owmadji.

Ilay vahaolana maharitra

Tsy fahadisoana avy aminAndriamanitra ny aretina. “Andriamanitra tsy azon’ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy”. (Jakoba 1:13). Raha marary ny iray amin’ireo mpivavaka aminy, dia manohana azy ara-panahy i Jehovah. “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.” (Salamo 41:3). Eny, manana fangoraham-po Andriamanitra. Maniry ny hanampy antsika izy, fa tsy ny hampijaly antsika.

Eny tokoa, manana vahaolana maharitra ho an’ny aretina i Jehovah — ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ireo olona mahitsy fo dia avotana avy amin’ny toetrany mpanota, ary amin’ny farany dia hahazo fahasalamana tonga lafatra sy fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Matio 5:5; Jaona 3:16). Ireo fahagagana nataon’i Jesosy dia fampisehoana mialoha ilay tena fanasitranana izay hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanesotra an’i Satana sy ny demoniany koa Andriamanitra. (Romana 16:20). Eny tokoa, manomana zavatra mahatalanjona ho an’ireo izay maneho finoana azy i Jehovah. Mila ny hanam-paharetana sy hiaritra fotsiny isika.

Mandra-pahatongan’izany, Andriamanitra dia manome fahendrena sy fitarihana ara-panahy azo ampiharina amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny firahalahiana maneran-tany voaforon’ireo mpivavaka mahatoky. Asehony amintsika ny fomba hanalavirana ireo fahazaran-dratsy izay miteraka zava-manahirana ara-pahasalamana. Ary manome antsika tena namana, izay hanampy antsika rehefa mitranga ireo zava-manahirana, izy.

Eritrereto indray ny amin’i Joba. Ny fandehanana tany amin’ny mpimasy iray dia ho ny zavatra ratsy indrindra ho azony natao! Ho nanesotra taminy ny fiarovan’Andriamanitra izany, ary ho namoy ireo fitahiana rehetra izay niandry azy taorian’ny fitsapana mafy azy izy. Tsy nanadino an’i Joba Andriamanitra, ary tsy hanadino antsika izy. “Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy”, hoy i Jakoba mpianatra. (Jakoba 5:11). Raha tsy milavo lefona mihitsy isika, isika koa dia handray fitahiana mahatalanjona, amin’ny fotoana mety amin’Andriamanitra.

Inona no nitranga tamin’i Owmadji kely? Nahatadidy lahatsoratra iray momba ny fitsaboana amin’ny fanafody manarina ny fahaverezan-drano malia, tao amin’ny Mifohaza!, naman’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, ny reniny.b Nanaraka ny toromarika tao izy ary nikarakara ilay ranon-javatra mba hosotroin’i Owmadji. Tomady sy salama tsara izao ilay zazavavikely.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Efa ho antsasaky ny arivo tapitrisa no voan’ny tazomoka. Tokony ho roa tapitrisa isan-taona no matin’ilay aretina, indrindra fa atỳ Afrika.

b Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Septambra 1985, pejy 24-25, “De l’eau et du sel pour sauver des vies”.

[Sary, pejy 7]

Nanome vahaolana maharitra ho an’ny aretina i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara