FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/9 p. 3
  • Ilay Zava-miafin’ny Tsy Fahasalamana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Zava-miafin’ny Tsy Fahasalamana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny niforonan’ilay zava-miafina
  • Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ny fitsaboana afrikana nentin-drazana: mifanaraka amin’ireo fitsipika kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitandrema Amin’ny Fanahy Ratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Avy amin’Andriamanitra ve ireo fanasitranana mahagaga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/9 p. 3

Ilay Zava-miafin’ny Tsy Fahasalamana

VOAN’NY ARETIM-PIVALANANA I OWMADJI KELY. Nanahy ny amin’ny fahaverezan-drano malia i Hawa, reniny; reny fa vao haingana no namoy ny zanany noho izany, ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy tao an-tanàna. Naniry hitondra an’i Owmadji tany amin’ny mpimasy iray teo amin’ilay foko, ny reniben’i Owmadji, rafozambavin’i Hawa. “Ny fanahy ratsy no mahatonga io zaza io harary”, hoy izy. “Tsy nety nanome azy ody atao fiaro ianao, ary manomboka izao ny zava-manahirana!”

FAHITA any amin’ny faritra maro eto an-tany io toe-javatra io. Olona an-jato tapitrisany maro no mino fa antony miafina mahatonga ny aretina ireo fanahy ratsy. Marina ve izany?

Ny niforonan’ilay zava-miafina

Mety tsy hino ny tenanao manokana fa mahatonga aretina ireo fanahy tsy hita maso. Raha ny marina, dia mety hanontany tena ny amin’ny antony ieritreretan’ny olona izany ianao, satria nasehon’ireo mpahay siansa fa avy amin’ny virosy sy ny bakteria ny ankamaroan’ireo aretina. Tadidio anefa fa tsy nahafantatra momba ireny mpitondra aretina bitika ireny foana ny olombelona. Tamin’ny nanamboaran’i Antonie van Leeuwenhoek ny mikraoskaopy, tamin’ny taonjato faha-17, vao nanjary hitan’ny mason’ny olombelona ny tontolo bitika tsy hita afa-tsy amin’ny mikraoskaopy. Na dia tamin’izany aza, dia tsy nanomboka nahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny mpitondra aretina sy ny aretina ny siansa, raha tsy noho ireo zavatra hitan’i Louis Pasteur tamin’ny taonjato faha-19.

Koa satria tsy fantatra ireo antony mahatonga ny aretina, nandritra ny ankamaroan’ny tantaran’ny olombelona, dia nisy hevitra maro niharo finoanoam-poana nipoitra, anisan’izany ilay teôria hoe ny rofy rehetra dia avy amin’ireo fanahy ratsy. Milaza fomba iray izay toa nahafahan’izy io nivoatra tsikelikely ny The New Encyclopædia Britannica. Milaza izy io fa ireo mpanasitrana tany am-boalohany dia nanandrana nanasitrana ireo marary tamin’ny karazana fakan-kazo sy ravinkazo samy hafa ary izay zavatra hafa teo am-pelatanany. Nandaitra ny sasany tamin’ireny fanafody ireny indraindray. Tamin’izay, dia nampian’ilay mpanasitrana fombafomba sy fanao misy finoanoam-poana maro be, izay natao mba hanafenana ilay tena fanafody, ilay fomba fanasitranana. Araka izany, dia nataon’ilay mpanasitrana izay hahazoana antoka fa hanohy hanatona azy ny olona. Tamin’izany fomba izany, dia nanjary nifono zava-miafina ny fitsaboana, ary nampirisihina ny olona mba hitodika any amin’ny hery avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona mba hahazoana fanampiana.

Mbola ampiasaina any amin’ny tany maro ihany ireny fanasitranana araka ny fanaon-drazana ireny. Maro no milaza fa avy amin’ny fanahin’ireo razana efa maty ny aretina. Milaza ny hafa fa Andriamanitra no mahatonga antsika harary, ary sazy noho ny fahotantsika ny aretina. Na dia mahatakatra aza ny olona mahafanta-javatra fa ara-biôlôjika ny tena niavian’ny aretina, dia mety ho mbola hatahotra ny fitaoman’ny hery any ivelan’ny tontolon’ny olombelona ihany izy ireo.

Ireo mpanao ody ratsy sy ireo mpanasitrana araka ny fanaon-drazana dia mampiasa an’io tahotra io mba hanararaotana olona. Inona àry no tokony hinoantsika? Manampy ve ny fitodihana any amin’ireo fanahy mba hahazoana fitsaboana? Inona no lazain’ny Baiboly?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara