FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/9 p. 25-29
  • Jehovah no Harambatoko

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jehovah no Harambatoko
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahita fianakaviana ara-panahy
  • Mpisava lalana tsy nana-namana
  • Niaritra fanenjehana sy fanaovana sesitany
  • Fitomboana na dia teo aza ny fanoherana
  • Jehovah: “Mpamonjy”
  • Niaritra Fitsapana Nivaivay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Maherin’ny 50 Taona ‘Nitana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahazo Ray Be Fitiavana ny Kamboty Nafoy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Nanome An’i Jehovah Izay Mendrika Azy aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/9 p. 25-29

Jehovah no Harambatoko

NOTANTARAIN’I EMMANUEL LIONOUDAKIS

Vinitra i Neny ka hoy izy tamiko: “Raha mitana ny fanapahan-kevitrao ianao, dia tsy maintsy miala amin’ity trano ity.” Efa nanapa-kevitra ny hitory manontolo andro ny Fanjakan’Andriamanitra aho. Tsy zakan’ny fianakaviako anefa ilay fahafaham-baraka nihatra tamin’izy ireo vokatry ny nisamborana ahy imbetsaka.

NANETRY tena sy natahotra an’Andriamanitra ireo ray aman-dreniko. Nipetraka tany amin’ny vohitr’i Douliána, any amin’ny ilany andrefana amin’i Kreta, nosy grika, izy ireo, ary tao amin’io vohitra io no nahaterahako, tamin’ny taona 1908. Hatry ny fony mbola kely aho no efa nampianarin’izy ireo hatahotra sy hanaja an’Andriamanitra. Tiako ny Tenin’Andriamanitra na dia tsy nahita Baiboly teny an-tanan’ny mpampianatra na ny pretra ôrtôdôksa grika, mihitsy aza aho.

Rehefa nahavaky boky enina tamin’ny Études des Écritures, izay nosoratan’i C. T. Russell, sy ilay boky hoe La Harpe de Dieu, ny lehilahy iray nifanila trano taminay, dia nafana fo erỳ izy nilaza tamiko ireo fanazavana tao anatin’izy ireo, izay sady araka ny Soratra Masina no manokatra ny saina. Boky navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, izy ireo. Faly erỳ aho nahazo Baiboly iray sy boky maromaro avy tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Atena. Mbola tadidiko fa niari-tory hatramin’ny alina be izaho sy ilay mpifanila trano taminay, nivavaka tamin’i Jehovah sy nigoka fatratra ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ireo boky ireo, tao anatin’ny fahazavan’ny jiro labozia.

Roapolo taona aho fony nanomboka nizara tamin’ny hafa ilay fahalalana ara-baiboly vao azoko, ary mpampianatra tao amin’ny vohitra iray teny akaikinay aho tamin’izay. Tsy ela dia nisy efatra izahay no nanao fivoriana tsy tapaka mba hianarana Baiboly, tany Douliána. Nanely taratasy mivalona sy bokikely sy boky ary Baiboly izahay mba hanampiana ny hafa hianatra momba ilay hany fanantenana ho an’ny olombelona, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’ny 1931, dia anisan’ireo olona an’arivony maro naneran-tany izay nandray ilay anarana miorina amin’ny Baiboly hoe Vavolombelon’i Jehovah, izahay. (Isaia 43:10). Nandritra ny taona nanaraka an’io, dia nandray anjara tamin’ny ezaka manokana iray ho fampahafantarana izahay, ka nanazava tamin’ireo manam-pahefana ilay anaranay vaovao sy ny hevitra fonosin’izy io. Tafiditra tamin’io ezaka manokana io ny fanelezana bokikely iray izay tena nety tsara ho amin’izany. Nizaranay azy io avokoa ny pretra sy ny mpitsara sy ny polisy ary ny mpandraharaha rehetra tao amin’ny faritra nisy anay.

Araka ny efa nampoizina, dia nampirongatra fanenjehana ireo mpitondra fivavahana. Tamin’ilay nisamborana ahy voalohany, dia nahazo sazy 20 andro an-tranomaizina aho. Tsy ela taorian’ny nanafahana ahy, dia voasambotra indray aho ka nahazo sazy iray volana an-tranomaizina. Rehefa nasain’ny mpitsara iray nampitsahatra ny fitorianay izahay, dia ireto teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29 ireto no navalinay azy: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Tatỳ aoriana, tamin’ny 1932, dia nitsidika ilay fitambara-mpitory kelinay, tany Douliána, ny rahalahy iray solontenan’ny Watch Tower, ka samy natao batisa avokoa izahay efatra.

Nahita fianakaviana ara-panahy

Naniry hanao bebe kokoa teo amin’ny asa fitoriana aho ka nametra-pialana tsy ho mpampianatra intsony. Efa tafahoatra loatra tamin’i Neny izany, ka nasainy niala ny tokantrano aho. Faly nandray ahy tao an-tokantranony ny rahalahy kristianina iray nalala-tanana, tao amin’ny tanànan’i Iráklion, eto Kreta, rehefa neken’ny biraon’ny sampan’ny Watch Tower tany Atena ny hanaovany izany. Tamin’ny Aogositra 1933 àry, dia tonga teo amin’ny toerana fijanonan’ny aotobisy ireo rahalahy avy tao amin’ilay vohitra niaviako, mbamin’ny olona liana sasany, mba hanao veloma ahy. Fotoana tena nampihetsi-po tamin’izay, ary samy nitomany izahay rehetra, satria tsy azonay antoka raha mbola hisy fotoana hifankahitanay.

Lasa anisan’ny fianakaviana ara-panahy be fitiavana iray aho, tao Iráklion. Nisy rahalahy kristianina telo hafa sy anabavy iray niara-nivory tsy tapaka taminay, mba hanao fianarana sy hanolotra fanompoam-pivavahana. Ny tenako mihitsy no niaina ny fahatanterahan’ilay fampanantenan’i Jesosy, manao hoe: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny”. (Marka 10:29, 30). Notendrena hitory tao amin’io tanàna io sy tao amin’ireo vohitra teny akaikiny aho. Rehefa vitako ilay tanàna, dia tany amin’ireo vakim-paritr’i Iráklion sy i Lasithion indray no nanohizako ny asa.

Mpisava lalana tsy nana-namana

Nandany ora maro nandehanana isam-bohitra aho. Ambonin’izany, dia tsy maintsy nitondra zavatra vita an-tsoratra nilanja kilao maromaro aho, satria nahalana vao nisy fandefasana azy ireny. Tsy nanan-toerana hatoriana aho, ka nankao amin’ny trano iray fisotroana kafe tao amin’ilay vohitra, niandry mandra-pandehan’ny client farany, izay mazàna taorian’ny misasakalina, natory teo ambony sezalava iray, ary nifoha vao maraina be ny ampitso, talohan’ny nanombohan’ilay tompony hivarotra zava-pisotro. Parasy tsy hita isa no niara-natory tamiko teo amin’ireny sezalava ireny.

Na dia nangatsiaka aza mazàna ny fandraisan’ny olona, dia faly aho nanome an’i Jehovah ny herin’ny fahatanorako. Rehefa nahita olona iray liana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly aho, dia nanavao indray ny fahatapahan-kevitro hanohy an’io fanompoana mamonjy aina io izany. Namelombelona ahy koa ny fiarahako tamin’ireo rahalahiko ara-panahy. Nihaona tamin’izy ireo aho taorian’ny tsy naha teo ahy nandritra ny 20 ka hatramin’ny 50 andro, arakaraka ny halaviran’ny toerana nitoriako, niainga avy tao amin’ny tanànan’i Iráklion.

Mbola tena tadidiko tsara fa nahatsiaro ho tena nanirery aho indray tolakandro izay, indrindra noho ny fieritreretana fa hanao ny fivoriany toy ny mahazatra ireo rahalahiko sy anabaviko kristianina tany Iráklion, ny takarivan’iny. Mafy dia mafy ny faniriako hahita azy ireo ka tapa-kevitra aho fa hamita an-tongotra ilay 25 kilaometatra mahery nampisaraka anay. Mbola tsy nandeha haingana ohatr’izany aho. Namelombelona erỳ ny nankafy ilay fiarahana nahafinaritra tamin’ireo rahalahiko iny takariva iny sy ny nameno indray ny réservoir-ko ara-panahy, raha izany no ilazana azy!

Tsy ela dia nanomboka nahitam-bokatra ny ezaka mafy nataoko teo amin’ny fitoriana. Toy ny tamin’ny andron’ny apostoly, ‘ny olom-bonjena dia nanampin’ny Tompo ho isanay’. (Asan’ny Apostoly 2:47). Nanomboka nitombo ny isan’ireo mpivavaka amin’i Jehovah teto Kreta. Tsy nahatsiaro ho irery intsony aho rehefa nisy hafa niaraka tamiko teny amin’ny fanompoana. Nizaka ny mafy sy niaritra fanoherana feno halozana izahay. Mofo dipaina no sakafonay isan’andro, niampy izay atody na ôliva na legioma azonay ho takalon’ny zavatra vita an-tsoratra noraisin’ny olona nitorianay.

Tao amin’ny tanànan’i Ierápetra, any amin’ny ilany atsimoatsinanana amin’i Kreta, dia nitory tamin’i Minos Kokkinakis, mpivaro-damba, aho. Na dia teo aza ny fikirizako hanomboka fampianarana Baiboly taminy, dia tsy nanam-potoana firy izy noho izy be natao. Rehefa tapa-kevitra ny hihevitra ilay fianarany ho zava-dehibe anefa izy tamin’ny farany, dia nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Lasa mpitory ny vaovao tsara faran’izay be zotom-po sy narisika koa izy. Nampiaiky volana an’i Emmanuel Paterakis, tovolahy iray 18 taona niasa tao amin’i Kokkinakis, izany fiovany izany, ka tsy ela koa izy io dia nangataka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Akory ny hafaliako nahita azy nanao fandrosoana ara-panahy hatrany ka lasa misionera tamin’ny farany!a

Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo hatrany ilay kôngregasiôna tany amin’ilay vohitra niaviako, ka nanana mpitory 14 tamin’izay. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ilay andro namakiako taratasy iray avy tany amin’i Despina anabaviko iray tam-po amiko, izay nanambara fa nandray ny fahamarinana izy sy ireo ray aman-dreniko ka efa mpivavaka amin’i Jehovah vita batisa tamin’izay!

Niaritra fanenjehana sy fanaovana sesitany

Ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika dia nanomboka nihevitra ny asa fitorianay ho toy ny loza entin’ny andiam-balala mandrava, hany ka tapa-kevitra izy ireo ny hanamontsana anay. Tamin’ny Martsa 1938, dia nentina teo anatrehan’ny mpampanoa lalàna aho, ary nasain’izy io nandao ilay faritra avy hatrany. Ny navaliko azy dia hoe mahasoa ny asa fitorianay, raha ny marina, ary fahefana ambony kokoa, dia i Kristy Jesosy Mpanjakanay, no nandidy anay hanao an’io asanay io. — Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8.

Ny ampitson’iny, dia nampanantsoina tany amin’ny paositry ny polisy teo an-toerana aho. Nampahafantarina ahy tany fa nolazaina ho olona nampidi-doza ny vahoaka aho, ka nosazina hatao sesitany nandritra ny herintaona, tany amin’ny nosy Amorgos, any amin’ny Ranomasina Égée. Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nopetahana rojo vy aho ka nentina an-tsambo nankany amin’io nosy io. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa tany Amorgos. Akory ny hagagako rehefa afaka enim-bolana fa nisy Vavolombelona hafa iray natao sesitany tao amin’ilay nosy! Iza angaha izany, hoy ianareo? I Minos Kokkinakis, ilay olona nampianariko Baiboly, tany Kreta. Akory ny hafaliako nanana namana ara-panahy! Tsy ela taorian’izay, dia nanana tombontsoa nanao batisa azy tao amin’ny ranon’i Amorgos aho.b

Tsy ela taorian’ny niverenako teto Kreta, dia nosamborina indray aho, ary tamin’io indray mandeha io, dia natao sesitany nandritra ny enim-bolana, tany Néapolis, tanàna kely iray eto amin’ity nosy ity, aho. Rehefa tapitra ilay enim-bolana nanaovana ahy sesitany, dia nosamborina indray aho, ka naiditra am-ponja nandritra ny folo andro, ary avy eo dia nalefa efa-bolana tany amin’ny nosy iray natokana ho an’ireo kôminista natao sesitany. Takatro ny fahamarinan’ireo tenin’ny apostoly Paoly, manao hoe: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” — 2 Timoty 3:12.

Fitomboana na dia teo aza ny fanoherana

Rehefa nanjary teo ambany fifehezan’i Alemaina i Gresy nandritra ny taona 1940-1944, dia saika niato tanteraka ny asa fitorianay. Naverina nalamina haingana anefa ny vahoakan’i Jehovah teto Gresy, ka nanomboka indray ny asa fitorianay izahay. Niezaka nanonitra ny fotoana very izahay, ka nanohy tamim-paharisihana sy tamin-jotom-po ny asan’ilay Fanjakana.

Araka ny efa nampoizina, dia nirehitra indray ny fanenjehana ara-pivavahana. Matetika tokoa ireo pretra ôrtôdôksa grika no nanao zavatra tsy araka ny lalàna mba hanenjehana anay. Tao amin’ny vohitra iray, dia nisy pretra nambosy vahoaka mba hamelona rotaka ho fanoherana anay. Ilay pretra mihitsy no nanomboka nikapoka ahy, fa ny zanany lahy kosa nikapoka ahy avy tao andamosiko. Niolomay nankao amin’ny trano iray teo akaiky teo aho mba hahazoako fiarovana, fa ilay namako niara-nitory tamiko kosa, dia notaritaritina nankeo amin’ilay tany malalaka tao amin’ilay vohitra. Tao, dia norovidrovitin’ilay vahoaka romotra ny zavatra vita an-tsoratra tany amin’ilay namako, ary ny vehivavy iray izay moa dia tsy nitsahatra niantsoantso avy teny an-davarangany hoe: “Vonoy ho faty e!” Tamin’ny farany, dia nisy dokotera iray sy polisy iray sendra nandalo, namonjy anay.

Tatỳ aoriana, tamin’ny 1952, dia nosamborina indray aho ary nosazina hatao sesitany nandritra ny efa-bolana, izay nefaiko tany Kastelli Kissamos, eto Kreta. Taorian’izay avy hatrany, dia nahazo fampiofanana hitsidika ireo kôngregasiôna sy hanatanjaka azy ireny eo amin’ny ara-panahy aho. Rehefa avy nandany roa taona nanaovana an’io karazana asa fitetezam-paritany io aho, dia nanambady anabavy kristianina mahatoky iray, izay antsoina koa hoe Despina, sahala amin’ilay anabaviko iray tam-po amiko. Mpivavaka amin’i Jehovah tsy nivadika izy hatrizay nivadianay. Taorian’ny mariazinay, dia notendrena ho mpisava lalana manokana teto amin’ny tanànan’i Hania, eto Kreta, aho, ary mbola manompo eto ihany.

Nandritra ny efa ho 70 taona nanompoako manontolo andro, dia saika efa nitoriako daholo ny ankamaroan’ny faritra eto Kreta, izay nosy iray manana velarana 8 300 kilaometatra toradroa, ary manana halavana eo amin’ny 250 kilaometatra. Ny loharanom-pifaliana lehibe indrindra ho ahy dia ny nahitako fa ireo Vavolombelona vitsy azo nisaina tamin’ny rantsantanana, teto amin’ity nosy ity, tany amin’ireo taona 1930, dia nitombo ka efa maherin’ny 1 100 ankehitriny ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra marisika. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy fahafahana handray anjara tamin’ny fanampiana ny maro tamin’izy ireny mba hahazoany fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Baiboly, sy mba hananany fanantenana mahatalanjona momba ny hoavy.

Jehovah: “Mpamonjy”

Ny zavatra niainako dia nampianatra ahy fa mitaky fiaretana sy faharetana ny fanampiana olona hahafantatra an’ilay Andriamanitra marina. Manome amim-pahalalahan-tanana an’ireo toetra tena ilaina ireo i Jehovah. Nandritra ireo 67 taona nanompoako manontolo andro, dia imbetsaka aho no nisaintsaina ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina”. (2 Korintiana 6:4, 5). Nandritra ireo taona voalohandohany nanompoako indrindra no tena sahirana mafy ara-bola aho. Tsy nahafoy ahy sy ny fianakaviako mihitsy anefa i Jehovah. Hita ho Mpanampy mahery hatrany foana izy. (Hebreo 13:5, 6). Hitanay foana ny asan’ny tanany feno fitiavana, na teo amin’ny fanangonana ny ondriny izany, na teo amin’ny fanomezana izay nilainay.

Rehefa mitodika ny lasa aho ka mahita fa namony tamin’ny heviny ara-panahy ny tany hay, dia matoky aho fa tsy very maina foana akory ny asa vitako. Nandany ny herin’ny fahatanorako tamin’ny fomba faran’izay nahasoa aho. Nisy heviny kokoa noho ny asa hafa rehetra ny anton’asako tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Efa be taona aho ankehitriny, ka afaka mampirisika amin’ny foko manontolo ny tanora mba ‘hahatsiarovany ny Mpanao azy amin’ny andro fahatanorany’. — Mpitoriteny 12:1.

Na dia efa 91 taona aza aho, dia mbola afaka manokana 120 ora mahery eo amin’ny asa fitoriana, isam-bolana. Isan’andro, dia mifoha amin’ny 7.30 maraina aho ary mitory amin’ny olona eny amin’ny arabe, na any am-pivarotana, na eny amin’ireo zaridainam-panjakana. Mahapetraka gazety 150 isam-bolana aho amin’ny antsalany. Manasarotra ny fiainako, ankehitriny, ny zava-manahirana eo amin’ny fandrenesana sy ny fitadidiana, nefa hita fa tena manohana ahy ireo rahalahiko sy anabaviko ara-panahy be fitiavana, dia ilay fianakaviambeko ara-panahy, mbamin’ny fianakavian’ireo zanako roa vavy.

Ambonin’ny zava-drehetra, dia nianatra nametraka ny fitokisako tamin’i Jehovah aho. Tamin’ny fotoana rehetra, dia hita fa “harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy” izy. — Salamo 18:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana ny tantaram-piainan’i Emmanuel Paterakis, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1996, pejy faha-22-27.

b Mba hahitana ny fandresena azon’i Minos Kokkinakis tamin’ny fitsarana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1993, pejy faha-27-31. Nodimandry tamin’ny Janoary 1999 lasa teo i Minos Kokkinakis.

[Sary, pejy 26, 27]

Ambany: Miaraka amin’ny vadiko; ankavia: tamin’ny 1927; pejy ilany: miaraka amin’i Minos Kokkinakis (ankavia) sy Vavolombelona hafa iray, teo amin’ny Acropole, tamin’ny 1939, taoriana kelin’ny niverenako avy tany an-tsesitany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara