Nanome An’i Jehovah Izay Mendrika Azy aho
NOTANTARAIN’I TIMOLEON VASILIOU
Nosamborina aho noho ny nampianarako ny Baiboly tao amin’ny vohitr’i Aidhonochori. Nanaisotra ny kiraroko ny polisy ka nanomboka nikapoka ny faladiako. Arakaraka ny nitohizan’ilay kapoka no nahadonto ny tongotro ka tsy nandrenesako fanaintainana intsony. Alohan’ny hanazavako izay nitarika ho amin’io fampijaliana io, izay fahita teto Gresy tamin’izany fotoana izany, dia avelao aho aloha hitantara ny fomba nahatongavako ho mpampianatra Baiboly.
TSY ela taorian’ny nahaterahako tamin’ny 1921, dia nifindra tao amin’ny tanànan’i Rodholívos, any avaratr’i Gresy, izahay mianakavy. Sarotra nofehezina aho nandritra ny fahatanorako. Nanomboka nifoka sigara aho teo amin’ny faha-11 taonako. Tatỳ aoriana, dia nanjary mpisotro gaigilahy sy mpiloka aho, ary saika isan’alina, dia nandeha tany amin’ireo fikoranana tsy voafehy. Nanan-talenta teo amin’ny mozika aho, ka niditra tao amin’ny tarika iray teo an-toerana. Tao anatin’ny herintaona teo ho eo, dia nahay nitendry ny ankamaroan’ireo zavamanenon’ilay tarika aho. Na izany aza, dia nazoto nianatra sy tia rariny koa aho.
Tany am-piandohan’ny taona 1940, raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia nasaina hitendry zavamaneno tamin’ny fandevenana zazavavy kely iray ilay tarikay. Teo an-tokotanim-pasana, dia nitomany ireo havana aman-tsakaiza fa tsy nahatana ny alahelony. Namoy fo tanteraka izy ireo ka nanohina ahy lalina izany. Nanomboka nanontany tena aho hoe: ‘Fa nahoana isika no maty? Tsy misy afa-tsy izao androm-piainantsika fohy izao ve eto amin’ity fiainana ity? Aiza no ahafahako mahita ny valin’izany?’
Nahamarika Testamenta Vaovao iray teo amin’ny talantalana iray tao an-tranoko aho, andro vitsivitsy taorian’izay. Nalaiko izy io ka nanomboka novakiko. Rehefa novakiko ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:7 momba ny ady amin’ny ambaratonga lehibe, izay anisan’ny famantarana ny fanatrehany, dia nanomboka takatro fa tsy maintsy mihatra amin’izao androntsika izao ireo teniny ireo. Novakiko imbetsaka io Soratra Grika Kristianina io tao anatin’ireo herinandro nanaraka izany.
Avy eo aho, tamin’ny Desambra 1940, dia nitsidika fianakaviana iray teo akaikinay — mpitondratena iray sy ireo zanany dimy. Nisy bokikely maro nifanongoa tao amin’ny efitr’izy ireo mifanolotra amin’ny tafo, ka tao anatin’ireo no nahitako bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Un gouvernement désirable, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Nijanona tao amin’io efitra io aho ka novakiko hatramin’ny farany ilay bokikely. Ny zavatra novakiko, dia nanjary nampiaiky ahy tanteraka fa miaina tokoa ao amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika, ary tsy ho ela i Jehovah Andriamanitra dia hamarana ity fandehan-javatra ity, ka hanolo azy io amin’ny tontolo vaovao marina iray. — 2 Timoty 3:1-5, NW; 2 Petera 3:13.
Ny tena nampiaiky volana ahy dia ilay porofo araka ny Soratra Masina nampiseho fa hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo mahatoky, ary tsy hisy intsony ny fijaliana sy ny fahafatesana ao amin’izany tontolo vaovao eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra izany. (Salamo 37:9-11, 29; Apokalypsy 21:3, 4). Raha mbola teo am-pamakiana ilay bokikely aho, dia nisaotra an’Andriamanitra tao amin’ny vavaka, noho ireo zavatra ireo, ary nangataka azy mba hampahafantatra ahy izay zavatra takiny. Nanjary nazava tamiko fa mendrika ny hifikirako tamin’ny fanahiko rehetra i Jehovah Andriamanitra. — Matio 22:37.
Fampiharana ny zavatra nianarako
Nanomboka tamin’io fotoana io, dia niala tamin’ny sigara aho, tsy nimamo intsony, ary tsy niloka intsony. Novoriko daholo izy dimy zanak’ilay mpitondratena sy izy telo mianadahy zandriko, ka nohazavaiko tamin’izy ireo ny zavatra nianarako tao amin’ilay bokikely. Tsy ela izahay rehetra dia nanomboka nampiely izay kely fantatray. Nanjary fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah izahay teo amin’ny fiaraha-monina, na dia mbola tsy nihaona tamina Vavolombelona mihitsy aza. Hatrany am-boalohany mihitsy, dia efa nanokana 100 ora mahery isam-bolana niresahana tamin’ny hafa ireo zavatra mahatalanjona nianarako, aho.
Nankany amin’ny ben’ny tanàna ny iray tamin’ireo pretra ôrtôdôksa grika teo an-toerana mba haneho ny fitarainany momba anay. Andro vitsivitsy talohan’io anefa, dia nahita soavaly iray very ny tanora Vavolombelona iray ka namerina azy io tany amin’ny tompony. Tsy fantatray akory izany zava-nitranga izany, kanefa vokatr’izany fanaovana ny marina izany, dia nanaja ny Vavolombelona ilay ben’ny tanàna, ka tsy nety nihaino an’ilay pretra.
Indray andro, tokotokony ho tamin’ny Oktobra 1941, raha mbola nitory tao an-tsena aho, dia nisy olona niresaka momba ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay nipetraka tao amin’ny tanàna iray teo akaiky teo. Polisy izy io taloha, ary Christos Triantafillou no anarany. Nandeha tany aminy aho ary nanjary fantatro fa Vavolombelona efa hatramin’ny 1932 izy. Faly erỳ aho rehefa nomeny zavatra vita an-tsoratra maro tranainy kokoa, izay an’ny Watch Tower! Tena nanampy ahy hanao fandrosoana ara-panahy izy ireny.
Tamin’ny 1943, dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano aho. Tamin’izay fotoana izay aho dia nitarika fampianarana Baiboly tao amin’ireo vohitra telo teny amin’ny manodidina — tao Dhravískos sy Palaeokomi ary Mavrolofos. Nampiasaiko ho fitaovana nampianaranay Baiboly ilay boky hoe La Harpe de Dieu. Tatỳ aoriana, dia nanana tombontsoa nahita ny niforonan’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah efatra tao amin’io faritra io aho.
Fitoriana na dia teo aza ny vato nisakana
Tsy teo ambany fifehezan’i Alemaina intsony i Gresy tamin’ny 1944, ary taoriana kelin’izay, dia naorina ny fifandraisana tamin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Atena. Ny biraon’ny sampana dia nanasa ahy handray anjara tamin’ny fitoriana tany amin’ny faritany iray izay zara raha nisy olona nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Rehefa nifindra tany aho, dia niasa tao amin’ny toeram-pambolena iray nandritra ny telo volana, ary nolaniko tamin’ny fanompoana kosa ny tapany sisa tamin’ny taona.
Tamin’io taona io, dia fitahiana ho ahy ny nahitako ny nanaovana batisa ny reniko sy ilay mpitondratena ary ireo zanany, afa-tsy i Marianthi, zanany faravavy, izay vita batisa tamin’ny 1943, ary lasa vady malalako, tamin’ny Novambra tamin’io taona io. Tonga Vavolombelona vita batisa koa ny raiko, telopolo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1974.
Naharay avy tamin’ny biraon’ny sampana Ny Tilikambo Fiambenana voalohany natao kopia tamin’ny duplicateur izahay, teo am-piandohan’ny taona 1945. Ny lahatsoratra nisongadina tao amin’izy io dia nitondra ny lohateny hoe “Mandehana Hianareo, dia Ataovy Mpianatra ny Firenena Rehetra”. (Matio 28:19). Nandao ny tokantranonay avy hatrany izahay sy i Marianthi mba hiasa tany amin’ny faritany lavitra, tany atsinanan’ny Ony Strymon. Nisy Vavolombelona hafa nanatevin-daharana anay tatỳ aoriana.
Matetika izahay no nandeha tsy nikiraro mba hankanesana tany amin’ny vohitra iray, ka nahavita kilaometatra maro, namakivakiana hady sy tendrombohitra. Nataonay izany mba hitsitsiana ny kiraronay, satria tsy nanana hisoloana izahay raha sanatria simba ny kiraronay. Nandritra ny taona 1946 ka hatramin’ny 1949, dia rotidrotiky ny ady an-trano i Gresy, ka tena nampidi-doza ny fanaovana dia lavitra. Nahazatra ny nahita faty niampatra teny an-dalambe.
Tsy nahakivy anay ireo zava-tsarotra fa nanohy nanompo tamin-jotom-po izahay. Imbetsaka aho no nitovy fihetseham-po tamin’ny mpanao salamo, izay nanoratra hoe: “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko: Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” (Salamo 23:4). Nandritra io fotoana io, dia matetika izahay no tsy tao an-tokantrano nandritra ny herinandro maro, ary nandany 250 ora isam-bolana teo amin’ny fanompoana aho indraindray.
Ny fanompoanay tany Aidhonochori
Iray tamin’ireo vohitra notsidihinay tamin’ny 1946 i Aidhonochori, izay manerinerina eo amin’ny tendrombohitra iray. Tao no nihaonanay tamin’ny lehilahy iray izay nilaza taminay fa nisy lehilahy roa te hihaino ilay hafatra ara-baiboly tao amin’ilay vohitra. Natahotra ny mpiara-monina taminy anefa io lehilahy io, ka tsy te hitondra anay tany amin’izy roa lahy. Hitanay ihany anefa ny tranon’izy ireo ary noraisiny tsara izahay. Rehefa afaka minitra vitsivitsy, dia feno olona ilay efitra fandraisam-bahiny, raha ny marina! Na, havany izy ireo, na, namany akaiky. Gaga tanteraka aho nahita azy ireo naka toerana ka nihaino tsara an’izay nolazainay. Tsy ela dia fantatray fa efa tsy andrin’izy ireo mihitsy ny hihaonany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy tsy nisy na iray aza tao amin’ilay faritra, nandritra ny fotoana nifehezan’i Alemaina an’i Gresy. Inona no nanaitra ny fahalianan’izy ireo?
Nitana toerana ambony tao amin’ny antoko kominista teo an-toerana ireo loham-pianakaviana roa ireo, ary nampiditra hevitra kominista teo amin’ny vahoaka. Avy eo anefa, dia sendra nahita ilay boky hoe Gouvernement, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower, izy ireo. Vokatry ny namakian’izy ireo azy io, dia niaiky izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany azo antenaina ho fitondram-panjakana tonga lafatra sy marina.
Niari-tory niresaka tamin’izy roa lahy sy ireo namany izahay hatramin’ny misasakalina. Afa-po tanteraka izy ireo, satria nahazoany valiny miorina amin’ny Baiboly ireo fanontaniana napetrany. Tsy ela taorian’izay anefa, dia nanao tetika hamonoana ahy ireo Kominista tao amin’ilay vohitra, satria izaho no noheverina ho rangory fototry ny afo nahatonga ny mpitarika azy ireo taloha hiova lasy. Marihina kely eto fa anisan’ireo nanatrika tamin’iny alina voalohany iny ilay lehilahy nilaza tamiko momba ireo olona liana tao amin’ilay vohitra. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandroso teo amin’ny fahalalana ny Baiboly izy, natao batisa, ary tonga loholona kristianina tatỳ aoriana.
Fanenjehana tamin-kalozana
Tsy ela taorian’ny nihaonanay tamin’ireo Kominista taloha ireo, dia nivatravatra niditra tao amin’ny trano iray nitarihanay fivoriana ny polisy roa. Nanambana basy izy ireo nisambotra ny efatra taminay, ka nitondra anay tany amin’ny paositry ny polisy. Tany dia nandevilevy anay ilay lietnà, izay nifandray akaiky tamin’ireo mpitondra fivavahana tao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika. Tamin’ny farany, dia nanontany izy hoe: “Inona no hataoko aminareo ireo?”
“Andao hodarohana e!”, hoy ny firedon’ireo polisy hafa nijoro tao andamosinay.
Efa alina be ny andro tamin’izay. Nanidy anay tao amin’ny lakaly ireo polisy, dia lasa nandeha tao amin’ilay trano fisotroan-toaka teo anila teo. Efa mamomamo izy ireo niverina, ary nentina tany ambony aho.
Rehefa hitako fa mamomamo izy ireo, dia takatro fa mety hovonoin’izy ireo ho faty aho. Nivavaka tamin’Andriamanitra àry aho mba hanomezany ahy ny tanjaka hiaretana izay rehetra mety ho tsy maintsy hozakaiko. Naka hazo lavalava maromaro izy ireo, ary, araka ny notantaraiko terỳ am-piandohana, dia nanomboka nikapoka ny faladiako. Nokapohin’izy ireo ny vatako manontolo taorian’izay, ary avy eo, dia natsipin’izy ireo niverina tao anatin’ilay lakaly aho. Olon-kafa indray, avy eo, no navoakan’izy ireo ka nanomboka nokapohiny.
Teo anelanelan’izany, dia nohararaotiko io fotoana io mba hanomanana ireo tanora Vavolombelona roa hafa hiatrika ilay fitsapana niandry azy. Izaho indray anefa no nofidin’ireo polisy haverina tany ambony. Nesorin’izy ireo ny akanjoko, ary nikapoka ahy adiny iray teo ho eo ny dimy tamin’izy ireo, ka nanitsaka ny lohako tamin’ny baotina miaramila nanaovany. Natsipin’izy ireo teny an-tohatra aho avy eo, ka niampatra teo, tsy nahatsiaro tena nandritra ny adiny 12 teo ho eo.
Rehefa nafahana izahay tamin’ny farany, dia nampiantranoin’ny fianakaviana iray tao amin’ilay vohitra izahay ny alin’iny, ka nokarakarainy. Ny ampitson’iny, dia namonjy fodiana izahay. Reraka sy trotraka izaitsizy noho ny kapoka nahazo anay izahay, ka adiny valo no nanaovanay ilay dia, izay tokony ho dia an-tongotra adiny roa, raha ny ara-dalàna. Nivonto be ny tenako noho ireo kapoka nahazo ahy, hany ka saika tsy fantatr’i Marianthi aho.
Fitomboana na dia teo aza ny fanoherana
Tamin’ny 1949, raha mbola nitohy ihany ilay ady an-trano, dia nifindra teto Thessalonique izahay. Voatendry ho mpikarakara lefitra ny kôngregasiôna tao amin’ny iray tamin’ireo kôngregasiôna efatra teto Thessalonique aho. Nony afaka herintaona, dia efa nitombo be ilay kôngregasiôna ka namorona kôngregasiôna hafa iray izahay, ary izaho no voatendry ho mpikarakara ny kôngregasiôna, na mpiandraikitra mpitantan-draharaha, tao. Herintaona tatỳ aoriana, dia efa ho avo roa heny ny fitomboan’ilay kôngregasiôna vaovao, ary dia mbola nisy kôngregasiôna hafa iray koa noforonina!
Tezitra tamin’ny fitomboan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Thessalonique ireo mpanohitra. Indray andro, tamin’ny 1952, rehefa nody avy niasa aho, dia hitako fa efa kila forehitra ny tranonay. Kely fotsiny no tsy nahafaty an’i Marianthi tao. Rehefa tany am-pivoriana izahay ny alin’iny, dia voatery nanazava ny antony nanaovanay akanjo naloto — namoy ny zavatra hafa rehetra tokoa mantsy izahay. Tena nangoraka sy nanohana be anay anefa ireo rahalahinay kristianina.
Tamin’ny 1961, dia voatendry ho amin’ny asa fitetezam-paritany aho, ka nitsidika kôngregasiôna samy hafa isan-kerinandro mba hanatanjahana ireo rahalahy teo amin’ny lafiny ara-panahy. Nandritra ireo 27 taona nanaraka, dia nitsidika ireo fizaran-tany sy distrika tany Macédoine sy Thrace ary Thessalie, izahay sy i Marianthi. Na dia saika jamba tanteraka aza i Marianthi malalako nanomboka tamin’ny 1948, dia niara-nanompo tamiko tamin-kerim-po izy, ka niaritra fitsapam-pinoana maro. Nosamborina sy notsaraina ary naiditra am-ponja imbetsaka koa izy. Nanomboka niharatsy, avy eo, ny fahasalamany, ary maty tamin’ny 1988 izy, taorian’ny fotoana lava niadiana tamin’ny kansera.
Tamin’io taona io ihany, dia voatendry ho mpisava lalana manokana teto Thessalonique aho. Taorian’izay 56 taona mahery nanompoako an’i Jehovah izay, dia mbola afaka miasa mafy sy mandray anjara amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoana aho. Indraindray aho dia nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny olona liana 20 be izao, isan-kerinandro.
Nanjary takatro fa isika dia tena miaina amin’ny fotoana anombohan’ny fandaharam-pampianarana lehibe iray izay hitohy ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah sy mandritra ny arivo taona. Heveriko anefa fa tsy fotoana tokony hampiadam-pamindra antsika izao, na hangatahantsika andro, na handaniantsika fotoana hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny nofontsika. Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny nanampiany ahy hanefa ilay fampanantenana nataoko tany am-piandohana, satria tena mendrika ny hifikirantsika sy hotompointsika amin’ny fanahintsika rehetra i Jehovah.
[Sary, pejy 24]
Manao lahateny fony mbola voarara ny asa fitorianay
[Sary, pejy 25]
Miaraka amin’i Marianthi vadiko