Misy Olona Tena Miahy ny Hafa Ve?
Nanjary toy ny riaka “ny ranomason’ny ampahorina”. Narotsak’ireo niharan’ny “fampahoriana” tsy hita isa maneran-tany izany ranomaso izany. Matetika ireo niharam-pahavoazana no mahatsiaro ho tsy ‘misy mpampionona’ — ho tsy manana olona tena miahy azy. — Mpitoriteny 4:1, NW.
NA DIA eo aza io ranomaso mandriaka io, dia tsy mihontsina eo anoloan’ny fijalian’ny mpiara-belona aminy ny sasany. Manakimpy ny masony eo anoloan’ny fanaintainan’ny hafa izy ireo, tahaka ny nataon’ilay mpisorona sy ilay Levita tao amin’ny fanoharan’i Jesosy Kristy, momba ny lehilahy iray izay nokapohina sy norobaina ary nilaozana rehefa saika maty teo amoron-dalana. (Lioka 10:30-32). Raha mbola somary mandeha tsara ihany ny zava-drehetra ho azy sy ny fianakaviany, dia tsy miahy ny amin’ny hafa izy. Raha ny marina, dia toy ny milaza izy ireo hoe: “Tsy raharahako izany!”
Tsy tokony hahagaga antsika izany. Nanambara mialoha ny apostoly Paoly fa amin’ny “andro farany”, dia olona maro no tsy hanana “firaiketam-po voajanahary”. (2 Timoty 3:1, 3, NW ). Nitaraina ny amin’ny fihetsika tsy miraharaha izay nitombo tsikelikely, ny mpandinika iray. “Ilay filôzôfia sy ny lovantsofina irlandey taloha ny amin’ny fiahiana sy ny fahaiza-mizara”, hoy izy, “dia nosoloana fitsipika vaovao iray ny amin’ny fifantohana amin’ny tena.” Maneran-tany, ny olona dia mifantoka amin’ny tenany, ary saika tsy miraika tanteraka amin’ny fahorian’ny hafa.
Ny ilana olona iray miahy ny hafa
Ilaina tokoa ny hisian’ny olona iray miahy. Eritrereto, ohatra, ilay lehilahy nanirery tany Alemaina, izay “hita nipetraka teo anoloan’ny televizionany — dimy taona taorian’ny nahafatesany tamin’ny andro Krismasy”. Io “mpitoka-monina io, izay nisara-panambadiana sy kilemaina” ary nahatsapa fahatezerana latsa-paka noho fitrangan-javatra nampalahelo teo amin’ny fiainany, dia tsy hita raha tsy lany ny volany tany amin’ny banky natao handoavana ny hofan-tranony. Tsy nisy olona tena niahy azy.
Eritrereto koa ireo olona tsy afa-manoatra, izay iharam-pahavoazana, noho ireo mpanjakazaka mahery sy mierina. Tany amin’ny faritra iray, dia olona tokony ho 200 000 (ampahefatry ny mponina) no “maty noho ny famoretana sy ny mosary”, taorian’ny nakana tamin-kerisetra ny taniny. Na, eritrereto ireo ankizy izay niharan’ny habibiana mila tsy hampino. Hoy ny tatitra iray: “Ny tahan’isan’ireo ankizy any [amin’ny tany iray] izay nanatri-maso habibiana maro samihafa — famonoana, fikapohana, fisavihana, izay indraindray nataon’ny zatovo hafa, dia mahazendana.” Afaka mahatakatra ny antony mety hahatonga ny olona iray iharan’ny tsy rariny toy izany, hanontany amin-dranomaso toy izao ianao: “Misy olona tena miahy ahy ve?”
Araka ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana, dia olona 1,3 arivo tapitrisa any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, no voatery mivelona amin’ny vola mirasanda amin’ny latsaka ny iray dolara amerikanina, isan’andro. Tsy maintsy manontany tena izy ireo raha misy olona miahy azy. Toy izany koa no mahazo ireo mpitsoa-ponenana an’arivony maro, izay “miatrika ilay safidy sarotra sy tsy mahafinaritra, ny hijanona ao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, na ao amin’ny tany iray tsy tia mandray vahiny, na hanandrana hiverina any an-tanindrazany izay mbola rotidrotiky [na ravan’] ny ady na, ny fisaratsarahana ara-poko”, hoy ny tatitra iray tao amin’ny The Irish Times. Nilaza izao zavatra mampihoron-koditra izao io tatitra io ihany: “Akimpio ny masonao, manisà hatramin’ny telo, efa ankizy iray sahady no maty — dia iray amin’ireo ankizy 35 000 izay ho faty amin’izao andro izao, noho ny tsy fahampian-tsakafo na ny aretina azo sorohina.” Tsy mahagaga raha maro no mitaraina noho ny fahoriana sy ny fahatsapana fahatezerana latsa-paka! — Ampitahao amin’ny Joba 7:11.
Tsy maintsy ho fahoriana toy izany ve ny fiainana? Raha jerena amin’ny zava-misy, moa ve misy olona izay tsy vitan’ny hoe miahy antsika fotsiny, fa manana ny hery hampitsaharana ny fahoriana sy hanasitranana ny fanaintainana rehetra izay mahazo ny olona?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony sy pejy 32: Reuters/Nikola Solic/Archive Photos
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
A. Boulat/Sipa Press