Ny Fikatsahantsika Fiainana Lava Kokoa
“Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana. Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.” — Joba 14:1, 2.
NA AMIN’IZAO andro izao aza, dia vitsy no hitsipaka an’io hevitra vokatry ny fisaintsainana ny hafohin’ny fiainana io, na dia 3 500 taona lasa teo ho eo aza izay no nanoratana azy io. Hitan’ny olona ho tsy mahafa-po foana ny hoe mandia vetivety ireo taonan’ny fahavitrihana, ary avy eo dia mihantitra sy maty. Nitombo be dia be, noho izany, ireo fomba natao hanalavana ny fiainana, nandritra ny tantara manontolo.
Tamin’ny andron’i Joba, dia nihinana ny vihim-biby ny Ejipsianina sao mba miverina indray ho amin’ny fahatanorana. Tsy nahomby anefa izany. Ny hamokarana ody faty hahazoana fiainana lava kokoa no iray tamin’ireo zava-nokendrena lehibe indrindra tamin’ny alsimia tamin’ny Moyen Âge. Mpanao alsimia maro no nihevitra fa hanome fiainana tsy ahitam-pahafatesana ny volamena voatr’olombelona, ary hanalava kokoa ny fiainana ny fihinanana sakafo amin’ny vilia volamena. Nihevitra ireo Taoista sinoa tamin’ny andro fahiny fa azon’izy ireo natao ny nanova ny toetoetra simikan’ny vatana, tamin’ny fampiasana teknika toy ny fisaintsainana, ny fampiasan-tena fanatsarana ny fisefoana, ary ny fitandreman-tsakafo, ka amin’izay, hono, dia ho azon’izy ireo atao ny hahazo ny tsy fahafatesana.
Ilay Espaniola mpamantatra tany vaovao, atao hoe Juan Ponce de León, dia fantatra ho nikaroka foana ilay loharanon’ny fahatanorana, saingy tsy nety afa-po tamin’izay fikarohana nataony. Ny dokotera iray tamin’ny taonjato faha-18 dia nanolo-kevitra toy izao, ao amin’ilay bokiny hoe Hermippus Redivivus: Tokony hisy virjiny tanora maromaro havela hihiboka ao anaty efitra kely iray, amin’ny lohataona, ka hangonina ao anaty tavoahangy ny fofonain’izy ireo, mba hampiasaina ho ranom-panafody mahela velona. Mazava ho azy fa tsy nisy nahomby ireny fomba rehetra ireny.
Amin’izao andro izao, 3 500 taona eo ho eo taorian’ny niraketan’i Mosesy an-tsoratra ilay tenin’i Joba, dia nandeha teny amin’ny volana ny olombelona, namorona fiarakodia sy ôrdinatera, ary nandinika akaiky ny ataoma sy ny sela. Mbola “vitsy andro sady vontom-pahoriana” ihany anefa isika, na dia eo aza izany fandrosoana ara-teknôlôjia rehetra izany. Marina fa, any amin’ny tany mandroso, dia nitombo be ny fanantenam-pahavelomana, tao anatin’ny taonjato farany. Matoa anefa nisy izany, dia satria teo indrindra indrindra ny fikarakarana ara-pitsaboana nohatsaraina, sy ny fitandremam-pahadiovana tamin’ny fomba nandaitra kokoa, ary ny fahazoana sakafo mahavelona kokoa. Ohatra, nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-19 ka hatreo am-piandohan’ireo taona 1990, dia nitombo ny salan’ny androm-piainan’ny olona tany Soeda, ka niakatra ho 75 taona ny an’ny lehilahy, raha 40 taona izany tany aloha, ary 80 taona kosa ny an’ny vehivavy, raha 44 taona izany tany aloha. Midika anefa ve izany fa nahazo fahafaham-po ilay hetahetan’ny olombelona hiaina mandritra ny fotoana lava kokoa?
Tsia, satria, na dia olona maro kokoa aza no tratra antitra any amin’ny tany sasany, dia mbola mihatra foana ilay teny nosoratan’i Mosesy taona maro lasa izay, manao hoe: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, (...) fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10). Hahita fiovana ve isika amin’ny hoavy tsy ho ela? Ho afaka hiaina mandritra ny fotoana lava be ve ny olombelona? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.