Mety ho Azonao ny Rahalahinao
“Mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao”. — MATIO 18:15.
1, 2. Inona no torohevitra azo ampiharina nomen’i Jesosy, mahakasika ny fomba ikarakarana fahadisoana?
TSY ampy herintaona sisa dia ho tapitra ny fanompoan’i Jesosy. Nanana lesona lehibe hampianarina ny mpianany izy. Azonao vakina ao amin’ny Matio toko faha-18 ireo lesona ireo. Ny iray dia momba ny maha zava-dehibe ny hanetrentsika tena toy ny ankizy. Nantitranterin’i Jesosy, nony avy eo, fa tsy maintsy halavirintsika ny hanafintohina “na dia iray aza amin’ireny madinika (...) ireny”, ary tokony hiezahantsika harenina ireo “madinika” mania, mba tsy hahavery azy ireny. Nanome torohevitra sarobidy azo ampiharina i Jesosy nony avy eo, momba ny fandaminana zava-manahirana eo amin’ny samy Kristianina.
2 Mety hotsaroanao ny teniny nanao hoe: “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” (Matio 18:15-17). Rahoviana no tokony hampiharantsika io torohevitra io, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika eo am-panaovana izany?
3. Amin’ny ankapobeny, ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny fahadisoan’ny hafa?
3 Nantitranterin’ny lahatsoratra teo aloha fa noho isika rehetra tsy lavorary ka mirona hanao fahadisoana, dia mila miezaka hamela heloka isika. Tena ilaina indrindra izany, rehefa misy alahelo vokatry ny teny na zavatra nataon’ny Kristianina iray hafa. (1 Petera 4:8). Matetika no tsara indrindra ny mamela ilay fanafintohinana handalo, izany hoe mamela heloka sy manadino. Azontsika heverina ho fandraisana anjara amin’ny fisian’ny fihavanana ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina ny fanaovana izany. (Salamo 133:1; Ohabolana 19:11). Na izany aza, dia mety hisy toe-javatra mahatonga anao hihevitra fa tsy maintsy mandamina raharaha iray miaraka amin’ny rahalahinao na ny rahavavinao izay nanome alahelo anao, ianao. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia manome tari-dalana ireo tenin’i Jesosy etsy ambony.
4. Amin’ny ankapobeny, ahoana no azontsika ampiharana ny Matio 18:15 eo anoloan’ny fahadisoan’ny hafa?
4 Nanoro hevitra i Jesosy fa, “rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Fahendrena izany. Milaza izany toy izao ny fandikan-teny alemà sasany: Asehoy azy “eo ambany maso efatra” ny fahadisoany, izany hoe, eo ambany masonao sy ny azy. Mazàna no mora vahana kokoa ny olana iray rehefa amin-katsaram-panahy no ilazanao izany, rehefa mitokana ianareo. Mety ho mora kokoa amin’ny rahalahy iray izay nanao na nilaza zavatra nanafintohina na henjana, ny miaiky ilay fahadisoana aminao irery. Raha misy olon-kafa mihaino eo, ny tsy fahalavorarian’olombelona dia mety hampirona azy handa ny fahadisoany na hiezaka hanamarina ny zavatra nataony. Rehefa mitondra ilay raharaha “eo ambany maso efatra” anefa ianao, dia mety ho hitanao fa, hay, tsy fifankahazoan-kevitra ilay izy, fa tsy hoe fahotana na fahadisoana niniana natao akory. Rehefa samy mahatakatra ianareo fa tsy fifankahazoan-kevitra ilay izy, dia azonareo alamina izany, ka tsy hamela raharaha iray tsy dia manao ahoana hitombo sy hanimba ny fifandraisanareo ianareo. Azo ampiharina àry ilay foto-pitsipika ao amin’ny Matio 18:15, na dia amin’ny fanafintohinana madinika eo amin’ny fiainana andavanandro aza.
Inona no tian’i Jesosy holazaina?
5, 6. Raha jerena amin’ny teny manodidina, karazan’ota manao ahoana no notondroin’ny Matio 18:15, ary inona no mampiseho izany?
5 Raha ny marimarina kokoa, dia mifandray amin’ny raharaha lehibe kokoa ilay torohevitra nomen’i Jesosy. Hoy izy: “Raha manota (...) ny rahalahinao”. Amin’ny heviny malalaka, rehefa mety ho fahadisoana na fahalemena dia azo atao hoe ‘ota’. (Joba 2:10; Ohabolana 21:4; Jakoba 4:17). Toa manondro anefa ny teny manodidina fa tsy maintsy ho fahotana lehibe ilay tian’i Jesosy holazaina. Lehibe tokoa ilay izy, matoa mety ho nahatonga ilay nanao ratsy hoheverina ho “tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra”. Inona no tian’izany holazaina?
6 Fantatry ny mpianatr’i Jesosy nandre ireo teny ireo fa ny mpiray tanindrazana taminy dia tsy nifanerasera tamin’ny Jentilisa. (Jaona 4:9; 18:28; Asan’ny Apostoly 10:28). Ary nohalavirin’izy ireo tanteraka ny mpamory hetra, izay lehilahy jiosy ray, jiosy reny, kanefa nivadika ho ratsy fitondra ny vahoaka. Koa raha lazaina amin’ny fomba hentitra àry, dia fahotana lehibe no nasiana firesahana tao amin’ny Matio 18:15-17, fa tsy fanafintohinana na fanomezana alahelo anao manokana, ka azonao avela sy hadinoina fotsiny. — Matio 18:21, 22.a
7, 8. a) Karazan’ota manao ahoana no tokony hotsarain’ny loholona? b) Karazan’ota manao ahoana no azo alamina eo amin’ny Kristianina roa, mifanaraka amin’ny Matio 18:15-17?
7 Teo ambanin’ny Lalàna, dia tsy ampy fotsiny ny famelan-keloka avy tamin’ny olona iray tafintohina, raha ny amin’ny fahotana sasany. Tokony hambara tany amin’ireo loholona (na mpisorona), ka halamin’izy ireo ny raharaha momba ny blasfemia, ny fivadiham-pinoana, ny fanompoan-tsampy, sy ny fahotana momba ny lahy sy ny vavy, toy ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Toy izany koa ny ao amin’ny kôngregasiôna kristianina. (Levitikosy 5:1; 20:10-13; Nomery 5:30; 35:12; Deoteronomia 17:9; 19:16-19; Ohabolana 29:24). Mariho anefa fa azo alamina eo amin’ny olona roa ilay karazan’ota noresahin’i Jesosy eto. Ireto misy ohatra: Entin’ny fahatezerana na ny fialonana ny olona iray ka manendrikendrika ny namany. Manao fanekena ny Kristianina iray fa hanao ny asa iray amin’ny alalan’ny fitaovana sasany sy hamita ilay asa amin’ny fotoana iray. Ny iray hafa manaiky hamerim-bola araka ny fandaharam-potoana iray na amin’ny fotoana voafaritra tsara iray. Manome toky ny olona iray fa raha ampiofanin’ilay mpampiasa azy izy, dia tsy hifaninana aminy (na dia miova asa aza izy), ary tsy hiezaka haka ny clients-ny, mandritra ny fe-potoana iray nifanarahana na ao anatin’ny faritra voatondro iray.b Raha tsy mitana ny teniny ny rahalahy iray ka tsy mibebaka noho ny fahadisoana toy izany, dia ho fahotana lehibe izany. (Apokalypsy 21:8). Azo alamina eo amin’ireo olona roa voakasika anefa ny fahadisoana toy izany.
8 Ahoana anefa no fomba handaminanao ilay raharaha? Matetika no noheverina ho misy dingana telo ny zavatra nolazain’i Jesosy. Andeha hodinihintsika tsirairay izy ireo. Tsy hihevitra azy ireo ho fomba fanaovan-javatra hentitra toy ny lalàna, isika, fa hiezaka kosa hahatakatra ny hevitra fonosiny, ka tsy hanadino mihitsy ny tanjontsika atosiky ny fitiavana.
Milofosa hahazo ny rahalahinao
9. Inona no tokony hotadidintsika, raha ny amin’ny fampiharana ny Matio 18:15?
9 Nanomboka ny teniny toy izao i Jesosy: “Raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao”. Mazava fa tsy miorina amin’ny fiahiahiana fotsiny izany dingana izany. Tokony hanana porofo ianao na hahafantatra zavatra voafaritra tsara, izay azonao ampiasaina mba hanampiana ilay rahalahinao hahita fa nanao ratsy izy ka mila mandamina ilay raharaha izy. Tsara ny hanaovana izany tsy misy hataka andro, mba tsy hamelana ilay raharaha hitombo na hamelana ny fihetsik’ilay rahalahinao hanjary ho latsa-paka. Ary aza hadinoina fa mety hanimba anao koa ny mieritreritra foana momba ilay izy. Koa satria tokony hitokana ianareo rehefa mifampiresaka momba ilay izy, dia mifeheza tena tsy hiresaka mialoha amin’ny hafa mba hahazoana ny fangoraham-pon’ny hafa na mba hanatsaranao ny fiheveranao ny tenanao. (Ohabolana 12:25; 17:9). Fa nahoana? Noho ilay tanjonao.
10. Inona no hanampy antsika hahazo ny rahalahintsika?
10 Tokony ho zava-kendrenao ny hahazo ny rahalahinao, fa tsy ny hanasazy, na hampietry, na hahabankirompitra azy. Raha tena diso tokoa izy, dia mety ho simba ny fifandraisany amin’i Jehovah. Azo antoka fa irinao ny hihazona azy ho Kristianina rahalahinao. Azo inoana kokoa fa hahomby ianao, raha mitoetra ho tony ka tsy mampiasa teny henjana na feo miampanga, mandritra ilay fifampiresahanareo mitokana. Mandritra izany fifanatrehana amim-pitiavana izany, dia tadidio fa samy olombelona tsy lavorary sy mpanota ianareo. (Romana 3:23, 24). Mety ho hita mora foana izay vahaolana, raha takany fa tsy nifosa azy ianao, ary hitany fa maniry amim-pahatsorana ny hanampy azy ianao. Hampiseho taratry ny fahendrena tokoa izany fifampiresahana amin-katsaram-panahy sy mazava izany, raha hita fa samy nanana anjara fahadisoana ianareo, na raha hita fa tsy fifankahazoan-kevitra tokoa no fototr’ilay olana. — Ohabolana 25:9, 10; 26:20; Jakoba 3:5, 6.
11. Na dia tsy mihaino antsika aza ny olona iray nanafintohina, inona no azontsika atao?
11 Raha ampianao izy hahita fa nisy fahadisoana tao, ary lehibe ilay izy, dia mety ho voatosika hibebaka izy. Rehefa jerena anefa ny zava-misy, dia mety ho vato misakana ny avonavona. (Ohabolana 16:18; 17:19). Koa na dia tsy miaiky ny fahadisoany sy tsy mibebaka aza izy eo am-boalohany, dia mety hiandry kely ianao vao hanohy ilay raharaha. Tsy nilaza akory i Jesosy hoe ‘mankanesa any aminy indray mandeha monja, dia asehoy azy ny fahadisoany’. Koa satria fahotana azonao alamina ilay izy, dia eritrereto ny hanatonana azy indray, amin’ilay toe-tsaina voalaza ao amin’ny Galatiana 6:1, sy “eo ambany maso efatra”. Mety hahomby ianao. (Ampitahao amin’ny Joda 22, 23.) Ahoana anefa raha miaiky ianao fa nisy fahotana natao tokoa, ary tsy hibebaka izy?
Fitadiavana ny fanampian’ny Kristianina matotra
12, 13. a) Inona no dingana faharoa nosoritan’i Jesosy, mahakasika ny fomba ikarakarana fahadisoana? b) Inona avy no tokony hotandremana eo am-panaovana io dingana io?
12 Ho tianao ve raha malaky manary toky ny aminao ny hafa, raha meloka ho nanao fahadisoana lehibe ianao? Azo antoka fa tsia. Nasehon’i Jesosy, araka izany, fa, aorian’ilay dingana voalohany, dia tsy tokony hanary toky ianao eo amin’ny fiezahanao hahazo ny rahalahinao, hihazona azy ho tafaray aminao sy amin’ny hafa eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, amin’ny fomba azony ekena. Nosoritan’i Jesosy toy izao ny dingana faharoa: “Raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo.”
13 Nilaza i Jesosy hoe mitondrà “olona iray na roa”. Tsy nilaza akory izy hoe aorian’ny nanaovana ilay dingana voalohany, dia mahazo miresaka amin’olona maro hafa momba ilay olana ianao, na mifandray amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany, na manoratra any amina rahalahy momba ilay olana. Na dia mety hiaiky aza ianao fa nisy fahadisoana tokoa, dia mbola tsy tena voaporofo tanteraka ilay izy. Tsy irinao ny hampiely filazana diso izay mety hivadika ho fanendrikendrehana avy aminao. (Ohabolana 16:28; 18:8). Tena nolazain’i Jesosy anefa ny hitondrana olona iray na roa. Fa nahoana? Ary mety ho iza moa ireo olona ireo?
14. Iza no azontsika entina miaraka amintsika rehefa manao ilay dingana faharoa?
14 Miezaka hahazo ny rahalahinao ianao, amin’ny fampiekena azy fa nisy fahotana natao tokoa, ary amin’ny fanampiana azy hibebaka, mba hihavanany aminao sy amin’Andriamanitra. Mba hahavitana izany, dia ho tsara raha vavolombelona nahita ilay fahadisoana, ny “olona iray na roa” entina. Angamba teo izy ireo fony nitranga ilay fahadisoana, na fantany amin’ny fomba marim-pototra ny zavatra natao (na tsy natao) tamin’ny raharaha ara-barotra iray. Raha tsy misy ny vavolombelona toy izany, ireo olona entinao dia mety ho za-draharaha amin’ilay zavatra iadian-kevitra, ka noho izany dia afaka manaporofo raha nisy fahadisoana tokoa na tsia. Ankoatra izany, raha ilaina izany any aoriana, dia ho afaka ny hijoro ho vavolombelona ny amin’izay nolazaina izy ireo, ka hanamafy ireo zava-misy naroso sy ny ezaka natao. (Nomery 35:30; Deoteronomia 17:6). Koa tsy antoko tsy momba ny atsy na ny aroa fotsiny, na mpitsara ady fotsiny àry izy ireo; na izany aza, ny maha eo azy ireo dia manampy mba hahazoana ilay rahalahinao sady rahalahin’izy ireo koa.
15. Nahoana no mety hanampy ny fitondrana loholona kristianina, raha voatery manao ilay dingana faharoa isika?
15 Tsy voatery ho loholona ao amin’ny kôngregasiôna ireo olona entinao. Kanefa ny lehilahy matotra izay loholona dia mety ho afaka hanampy amin’ny alalan’ireo toetrany ara-panahy. Ireny loholona ireny dia ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ranovelona ao amin’ny tany karankaina, ary alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana’. (Isaia 32:1, 2). Za-draharaha izy ireo eo amin’ny fiaraha-manjohy hevitra sy eo amin’ny fanitsiana rahalahy sy anabavy. Ary manana antony marim-pototra hatokisana ireny ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ ireny, ilay nanao ratsy.c (Efesiana 4:8, 11, 12, NW ). Mety hiteraka rivo-piainana vaovao ny firesahana ny amin’ilay raharaha eo anatrehan’ny olona matotra toy izany, sy ny fiaraha-mivavaka amin’izy ireo, ka mety handamina izay toa tsy azo nalamina. — Ampitahao amin’ny Jakoba 5:14, 15.
Ezaka farany hahazoana ilay rahalahinao
16. Inona no dingana fahatelo nosoritan’i Jesosy?
16 Raha tsy mahalamina ilay raharaha ny dingana faharoa, dia azo antoka fa tafiditra amin’ilay dingana fahatelo ireo mpiandraikitra ao amin’ny kôngregasiôna. “Ary raha tsy mety mihaino [ny olona iray na roa nentina] izy, dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” Inona no voafaoka amin’izany?
17, 18. a) Ohatra inona no manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe ‘manambara amin’ny fiangonana’? b) Ahoana no ampiharantsika io dingana io amin’izao andro izao?
17 Tsy mihevitra izany ho toro lalana mba hiresahana ilay fahotana na fahadisoana any amin’ny fivoriana mahazatra na manokana ataon’ny kôngregasiôna manontolo, isika. Azontsika fantarina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fomba fanaovan-javatra mety. Jereo izay tokony ho natao teo amin’ny Isiraely fahiny, raha nisy fikomiana sy hatendan-kanina ary fimamoana: “Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ny rainy, na ny feon’ny reniny, ka tsy zakany anarina, dia hosamborin’ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin’ny loholona amin’ny tanànany, eo amin’ny vavahadin’ny tanàna onenany, dia hiteny amin’ny loholona amin’ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa [tendan-kanina sady mpimamo, NW ]. Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany”. — Deoteronomia 21:18-21, izahay no manao sora-mandry.
18 Tsy ilay firenena manontolo na ny mpiray foko taminy manontolo akory no nihaino sy nitsara ny fahotan’ilay lehilahy. Ireo nekena ho “loholona” kosa no nikarakara ilay raharaha, noho izy ireo solontenan’ilay kôngregasiôna. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 19:16, 17, momba ny raharaha iray nokarakarain’ny ‘mpisorona sy ny mpitsara tamin’izany andro izany’.) Toy izany koa amin’izao andro izao, fa rehefa tena ilaina ny manao ilay dingana fahatelo, dia ireo loholona, izay misolo tena ny kôngregasiôna, no mikarakara ilay raharaha. Mitovy ihany ny tanjona, dia ny hahazo ilay rahalahy kristianina, raha mbola azo atao koa. Hita taratra izany amin’ny fanaovan’izy ireo zavatra ara-drariny, tsy misy fitsarana an-tendrony na fiangarana.
19. Hilofo hanao inona ireo loholona voatendry hihaino ilay raharaha?
19 Hiezaka mafy izy ireo mba hamantatra tsara ny zava-misy sy hihaino ireo vavolombelona ilaina mba hanaporofoana raha tena nisy fahotana natao tokoa (na raha mbola mitohy ilay izy). Irin’izy ireo ny hiaro ny kôngregasiôna amin’ny fahasimbana sy ny hisakana ny fidiran’ny toe-tsain’izao tontolo izao. (1 Korintiana 2:12; 5:7). Hiezaka izy ireo ny “hananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra”, mifanaraka amin’ny toetra araka ny Soratra Masina ananan’izy ireo. (Titosy 1:9). Antenaina fa tsy ho tahaka ireo Isiraelita voalazan’ny mpaminanin’i Jehovah toy izao, ilay nanao ratsy: “Niantso Aho, fa tsy namaly hianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino hianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.” — Isaia 65:12.
20. Inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy hitranga, raha tsy mety mihaino sy mibebaka ilay nanota?
20 Amin’ny toe-javatra somary vitsy ihany anefa vao mampiseho fihetsika toy izany ilay nanota. Raha izany no izy, dia mazava ny toromarika nomen’i Jesosy: “Aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.” Tsy nanoro hevitra ny hahatonga antsika tsy hiantra na haniry hanisy ratsy olona, ny Tompo. Tsy misy olakolaka mihitsy anefa ny toromarika nomen’ny apostoly Paoly ny amin’ny handroahana tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna ny mpanota tsy mibebaka. (1 Korintiana 5:11-13). Na izany fandroahana izany aza amin’ny farany, dia mety hahatratrarana ilay tanjona, dia ny hahazoana ilay mpanota.
21. Inona no fahafahana mbola misokatra ho an’ny olona iray voaroaka tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna?
21 Hitantsika avy amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay zanaka adala, fa mety hitranga izany. Araka ny voalazan’ilay fanoharana, rehefa avy nitoetra elaela tany ivelan’ny tokantranon-drainy feno fitiavana ilay nanota, dia “nody ny sainy”. (Lioka 15:11-18). Noresahin’i Paoly tamin’i Timoty fa hibebaka ny olona sasany nanao ratsy, rehefa mandeha ny fotoana, ka “hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny Devoly”. (2 Timoty 2:24-26). Manantena tokoa isika fa hahatsapa izay veriny sy ho tonga saina rehefa avy eo, ireo rehetra nanota tsy nibebaka, izay tsy maintsy noroahina tsy ho ao amin’ny kôngregasiôna. Sady verin’izy ireo tokoa mantsy ny fankasitrahan’Andriamanitra, no verin’izy ireo ilay fiarahana mafana sy fifaneraserana tamin’ny Kristianina tsy mivadika.
22. Ahoana no mbola mety hahazoantsika ny rahalahintsika ihany amin’ny farany?
22 Tsy nihevitra ny jentilisa sy ny mpamory hetra ho tsy azo navotana intsony, i Jesosy. Nibebaka i Matio Levy, iray tamin’ny mpamory hetra, ka ‘nanaraka an’i Jesosy’ tamim-pahatsorana, ary voafidy ho apostoly mihitsy aza. (Marka 2:15; Lioka 15:1). Noho izany, raha misy mpanota “tsy mety mihaino ny fiangonana” amin’izao andro izao, ka roahina tsy ho ao, dia azontsika antenaina ny hahita azy hibebaka ka hanitsy ny lalany, any aoriana. Rehefa manao izany izy, ka tonga mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna indray, dia ho faly isika fa nahazo ilay rahalahintsika tafaverina ao amin’ny valan’ny fanompoam-pivavahana marina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hoy ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy i Strong: “Ny mpamory hetra voalaza ao amin’ny Test[amenta] Vaovao dia noheverina ho mpamadika sy mpivadi-pinoana, voaloton’ny fifaneraserany matetika tamin’ny mpanompo sampy, ary nanaiky an-tsitrapo hampiasain’ny mpampahory ho fitaovana. Nokilasina ho anisan’ny mpanota izy ireny. (...) Natokantokana izy ireny, nihatakatahan’ny olona tsara fitondran-tena, ka ny hany sakaizany na namany dia teo amin’ireo nailikiliky ny fiaraha-monina, toa azy ireny ihany.”
b Azo ampidirina ao anatin’ilay karazan’ota tian’i Jesosy holazaina, ny raharaha ara-barotra na ny raharaha ara-bola ahitana soritra fanambakana, hosoka, na fitaka. Manondro izany ny nilazan’i Jesosy fanoharana iray momba ny mpanompo (mpiasa) nananan-trosa ka tsy nahaloa. Nolazainy io fanoharana io, taorian’ny nanomezany ilay toromarika voarakitra ao amin’ny Matio 18:15-17.
c Hoy ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Zava-mitranga indraindray ny hoe ny olona iray nanao ratsy dia hanisy fiheverana bebe kokoa ny tenin’olona roa na telo (indrindra raha olona mendri-panajana izy ireo), noho ny tenin’olona iray, indrindra fa raha tsy mifanara-kevitra aminy io olona io.”
Tadidinao Ve?
◻ Amin’ny karazan’ota manao ahoana, voalohany indrindra, no iharan’ny Matio 18:15-17?
◻ Inona no tokony hotadidintsika, raha voatery manao ny dingana voalohany isika?
◻ Mety hanampy ny fitondrana an’iza, raha tsy maintsy manao ilay dingana faharoa isika?
◻ Iza avy no tafiditra amin’ilay fanaovana ny dingana fahatelo, ary ahoana no mbola mety hahazoantsika ilay rahalahintsika ihany amin’ny farany?
[Sary, pejy 18]
Nanalavitra ny mpamory hetra ny Jiosy. Niala tamin’ny lalany i Matio ka nanaraka an’i Jesosy
[Sary, pejy 20]
Matetika no afaka mandamina raharaha iray “eo ambany maso efatra” isika