Afaka Manompo any An-tany Hafa ve Ianao?
“EFA nofinofiko foana ny hanao ny asa misionera. Fony aho mbola mpitovo, dia nanompo tany Texas, any Etazonia aho. Toerana nilana mpitory betsaka mantsy tany. Niaraka tamiko tany ny vadiko, taorian’ny mariazinay. Rehefa teraka ny zanakay vavy, dia nieritreritra aho hoe: ‘Efa tsy anisany intsony aho izany e!’ Tanterahin’i Jehovah anefa ny nofinofy, indrindra fa raha mifandray amin’ny sitrapony ilay izy.” — Jesse, manompo any Ekoatera miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany telo amin’izao fotoana izao.
“Tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho afaka hanao zavatra toy izao aho, nefa tsy nahazo fampiofanana tao amin’ny sekolin’ny misioneran’i Gileada akory. Nientam-po erỳ aho rehefa nahita ny iray tamin’ireo olona nampianariko Baiboly nanao lahateny na nitory, ary nisaotra an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy izany fahafahana izany.” — Karen, vehivavy mpitovo izay nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny valo taona, tany Amerika Atsimo.
“Rehefa avy nitory manontolo andro nandritra ny 13 taona tany Etazonia izahay mivady, dia nihevitra aho fa nila ezaka vaovao izahay. Mbola tsy sambatra toy izany izahay; fomba fiaina hafa kely tokoa ilay izy.” — Tom, izay manao ny asan’ny mpisava lalana miaraka amin’i Linda vadiny, any amin’ny faritr’i Amazone.
Ireo fanehoam-pankasitrahana ireo dia avy amin’olona izay tsy afaka nahazo fampiofanana ho misionera tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, noho ny toe-javatra nisy azy ireo. Na izany aza, dia niainan’izy ireo ny fifaliana sy ny zava-tsarotra hita amin’ny fanompoana any an-tany hafa. Ahoana no nitrangan’izany? Natao ho anao ve ny fanompoana toy izany?
Ilaina ny antony manosika tsara
Tsy ny toe-tsaina tia misetra zava-tsarotra ihany no ilaina mba hahombiazana any amin’ny saha fitoriana any an-tany hafa. Ireo izay naharitra dia nahavita izany noho ny fananany antony manosika tsara. Sahala amin’ny apostoly Paoly, izy ireo dia nihevi-tena ho nanan-trosa, tsy tamin’Andriamanitra ihany anefa, fa tamin’ny olona koa. (Romana 1:14). Azon’izy ireo notanterahina tamin’ny fanaovana ny fanompoana tany amin’ny taniny ihany anie ilay fandidian’Andriamanitra hitory e! (Matio 24:14). Nahatsiaro tena ho nanan-trosa anefa izy ireo ka voatosika hanatratra sy hanampy ireo izay mahalana vao manana fahafahana handre ny vaovao tsara.
Ny faniriana hiasa any amin’ny faritany mamokatra kokoa matetika no antony manosika hafa iray izay mety koa. Iza amintsika moa, raha mahita mpanjono hafa mahazo trondro betsaka, no tsy hifindra hanatona akaiky kokoa an’izany faritra eo amin’ny kamory izany? Toy izany koa fa nampirisika ny maro hankany amin’izay misy “hazandrano be dia be”, ireo tatitra mampahery momba ireo fitomboana miavaka any an-tany hafa. — Lioka 5:4-10.
Tombano ny vidiny
Any amin’ny tany maro, dia tsy mahazo manao asa fivelomana ireo vahiny manao asa an-tsitrapo ara-pivavahana. Koa tsy maintsy mahavita tena ara-bola àry mazàna ireo izay maniry hanompo any an-tany hafa. Ahoana no niatrehana io zava-tsarotra ara-bola io? Maromaro no nivarotra ny tranony na nampanofa izany mba hahazoana ny vola ilaina. Ny hafa nivarotra ny fandraharahany. Ny sasany nanangom-bola ho amin’ilay zava-kendreny. Misy hafa koa manompo any an-tany hafa mandritra ny herintaona na roa taona, dia miverina any amin’ny taniny mba hiasa sy hanangom-bola, ary avy eo dia miverina indray mba hanompo.
Tsy isalasalana fa tombony amin’ny fipetrahana any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny vidim-piainana izay mazàna mora be mihitsy noho ny any amin’ny tany mandroso kokoa. Nahatonga ny sasany ho afaka hiaina ara-dalàna ihany izany, na dia kelikely ihany aza ny vola eo am-pelatanana. Mazava ho azy fa miankina be dia be amin’ny fari-piainana fidin’ny tena ny fandaniana atao. Na any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana aza, dia azo atao ny mahita fonenana mampiadana be, saingy lafo vidy kokoa.
Miharihary fa tsy maintsy tombanana ny fandaniana, alohan’ny hifindrana any amin’ny toerana iray. Tsy vitan’ny hoe manao kajy izay ho lany eo amin’ny ara-bola fotsiny anefa izany. Mety hampahafantatra zavatra bebe kokoa ny amin’izany angamba ny tenin’ny olona sasany izay manompo any Amerika Atsimo.
Ilay zava-tsarotra lehibe indrindra
“Tena ady mafy tamiko ny fianarana ny teny espaniola”, hoy ny tsaroan’i Markku, avy any Failandy. “Nihevitra aho hoe satria tsy nahay ilay fiteny ny tenako dia ho elaela aho vao ho afaka hanompo amin’ny maha mpanampy amin’ny fanompoana. Akory ny hatairako rehefa nasaina nitarika fianarana ny boky aho rehefa afaka roa volana monja! Mazava ho azy fa nisy fotoana maro nahasanganehana. Nahita fahasahiranana indrindra aho tamin’ny anarana. Indray mandeha, dia nantsoiko hoe ‘Rahalahy Chancho (kisoa)’ ny Rahalahy Sancho, ary tsy hohadinoiko mihitsy ilay niantsoako an-dRanabavy Salamea hoe ‘Malasea (ratsy fanahy)’. Soa ihany fa be faharetana ireo rahalahy sy anabavy.” Tatỳ aoriana i Markku dia nanompo tao amin’io tany io nandritra ny valo taona tamin’ny naha mpiandraikitra ny fizaran-tany, niaraka tamin’i Celine vadiny.
Mitantara toy izao i Chris, vadin’i Jesse voalaza tetsy aloha: “Tadidiko ilay fitsidihana voalohany nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, telo volana monja taorian’ny nahatongavanay teto. Fantapantatro ihany fa nampiasa fanoharana ilay anadahy, sady nilaza zavatra mahafinaritra mba hiezahana hanohinana ny fonay, kanefa tsy nety azoko izay nolazainy. Teo ihany dia latsaka ny ranomasoko, tao amin’ilay efitrano. Tsy ranomaso kely ilay izy, fa nigogogogo nitomany aho. Niezaka nanazava ilay fihetsiko tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany aho, taorian’ilay fivoriana. Tsara fanahy be izy ary nilaza tamiko ilay teny efa filazan’ny hafa rehetra tamiko manao hoe: ‘Ten paciencia, hermana’ (‘Manàna faharetana, ranabavy a’). Nihaona indray izahay, roa na telo taona tatỳ aoriana, ary niresaka nandritra ny 45 minitra, faly fa afaka nifankahazo resaka.”
“Zavatra tena ilaina ny fianarana”, hoy ny rahalahy hafa iray. “Arakaraka ny ezaka atontontsika ao amin’ny fianarana ilay fiteny no anatsarantsika ny fahaizantsika mampita hevitra.”
Miara-manaiky ny rehetra fa mitondra soa maro ny ezaka toy izany. Rehefa mikely aina mianatra fiteny vaovao ny olona iray, dia manjary manana fanetren-tena sy faharetana ary fikirizana. Misy toe-javatra maro azo hararaotina mba hitoriana ny vaovao tsara amin’olon-kafa. Ny fianarana ny fiteny espaniola, ohatra, dia mahatonga ny olona iray ho afaka hampita hevitra amin’ny fiteny iray ampiasain’ny olona maherin’ny 400 tapitrisa maneran-tany. Maro amin’ireo izay voatery nody tany amin’ny taniny tatỳ aoriana, no mbola afaka nampiasa ny fahaizany ilay fiteny mba hanampiana olona izay ny fiteny espaniola no tenin-drazany.
Ahoana rehefa manina ny any amin’ny tena?
“Fony izahay tonga voalohany tany Ekoatera tamin’ny 1989”, hoy ny tsaroan’i Deborah, izay niara-nanompo tamin’i Gary vadiny tany amin’ny faritr’i Amazone, “dia manina mafy ny tany aminay aho tamin’izay. Nianatra niantehitra kokoa tamin’ireo anadahy sy rahavavy tao amin’ny kôngregasiôna aho. Nanjary toy ny fianakaviako izy ireo.”
Nanao izao fanamarihana izao i Karen, izay voalaza tetsy am-piandohana: “Nanao izay tsy hahatonga ahy ho manina ny tany aminay aho, tamin’ny fandraisako anjara isan’andro tamin’ny fanompoana. Tsy nanonofinofy ny tany aminay aho tamin’izany fomba izany. Notadidiko tao an-tsaina koa fa nirehareha ny amin’ny asa nataoko tany an-tany hafa ny ray aman-dreniko tany aminay. Nampirisika ahy tamin’izao teny izao foana i Neny: ‘Mahay mikarakara anao tsaratsara kokoa noho ny tenako i Jehovah.’ ”
Toy izao ny teny niharo vazivazy nanampin’i Makiko avy any Japon: “Vizana be aho rehefa avy mandany ny andro manontolo eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Koa rehefa tonga ao an-trano aho ka manomboka manimanina, dia mazàna aho no resin-tory. Noho izany, dia tsy maharitra ela loatra ilay fihetseham-po.”
Ahoana ny amin’ireo zanaka?
Rehefa misy zanaka, dia tsy maintsy asiana fiheverana ny zavatra ilain’izy ireo, toy ny fianarana. Mahakasika izany, dia nisy nifidy ny hampianatra ny zanany tao an-trano fa ny hafa kosa nampiditra ny zanany tany amin’ireo sekoly teo an-toerana.
Nifindra tany Amerika Atsimo niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa ary ny reniny, i Al. Hoy izy: “Hitanay fa ny fampidirana ny ankizy hianatra tany an-tsekoly dia nanampy azy ireo hianatra ilay fiteny haingana dia haingana. Azo lazaina hoe afaka niteny nisosa tsara ilay fiteny izy ireo, tao anatin’ny telo volana.” Ireo zatovo roa lahy zanak’i Mike sy i Carrie kosa, dia nianatra tamina sekoly ara-dalàna izay mampianatra amin’ny alalan’ny fifanoratana. Nanao izao fanamarihana izao ireo ray aman-dreny: “Hitanay fa tsy azo navela hataon’ny zanakay samirery ny fianarana toy izany. Tsy maintsy nandray anjara tamin’ilay fianarana izahay ary nanao izay hahazoana antoka fa maharaka hatrany ilay fianarana nasaina nataony izy roa lahy.”
Nilaza ny fihetseham-pony mahakasika ireo zanany roa lahy, i David sy i Janita, avy any Aostralia. “Tianay hahita mivantana ny fomba iainan’ny hafa ireo zanakay lahy. Mora erỳ ny mihevitra fa ny fomba fiaina nahabe antsika no filamatra, kanefa ankavitsiana ny olona manaraka izany, raha ny tena izy. Hitan’izy ireo koa fa ireo foto-pitsipika teôkratika dia mandaitra maneran-tany, na manao ahoana na manao ahoana ilay tany na ilay kolontsaina.”
“Vao efa-taona monja aho rehefa nifindra avy tany Angletera ny fianakavianay, tamin’ny 1969”, hoy i Ken, namisavisa ny lasa. “Na dia diso fanantenana aza aho fa tsy nipetraka tao anaty trano bongo nitafo bozaka, araka izay tao an-tsaiko, dia noheveriko fa nahazo ny fitaizana nampientam-po indrindra mety ho azon’ny tanora aho. Nampalahelo ahy foana ireo ankizy hafa izay tsy mba nandia izany! Noho ny fifaneraserana tsara tamin’ireo misionera sy mpisava lalana manokana, dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana mpanampy aho teo amin’ny fahasivy taonako.” Mpiandraikitra mpitety faritany izao i Ken.
“Tena taninay tokoa izao i Ekoatera”, hoy ny fieken’i Gabriella, zanakavavin’i Jesse. “Faly tokoa aho fa nanapa-kevitra ny hankatỳ ny ray aman-dreniko.”
Etsy an-danin’izany, dia nisy ankizy tsy afaka nizatra tamin’ny toe-javatra vaovao, noho ny antony maro samihafa, ka voatery nody tany amin’ny taniny ny mpianakaviny. Izany no antony maha mety ny hitsidihana ilay tany hafa, alohan’ny hifindrana any. Amin’izany fomba izany dia azo atao ny mandray fanapahan-kevitra miorina amin-javatra fantatry ny tena mivantana.
Fitahiana noho ilay fifindrana
Tsy azo lavina fa mahafaoka zava-tsarotra sy sorona maro ny fifindrana any an-tany hafa. Hitan’ireo nifindra ve fa mendrika hatao ilay izy? Aoka izy ireo no hilaza izany amintsika.
Jesse: “Tao anatin’ireo folo taona naha teto amin’ny tanànan’i Ambato anay, dia hitanay ny nitomboan’ny isan’ny kôngregasiôna 2 lasa 11. Nanana tombontsoa hanampy teo amin’ny fanokafana ny dimy tamin’ireo kôngregasiôna ireo izahay, ary niasa tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana roa. Faly koa izahay fa nisy roa isan-taona tamin’ny antsalany ny isan’ny mpianatra Baiboly nampianay hahafeno fepetra ho amin’ny batisa. Tokana ihany ny zavatra nanenenako, dia ny tsy nahatongavako teto, folo taona taloha kokoa.”
Linda: “Mampahery be anay ny fankasitrahan’ny olona ny vaovao tsara sy ny fankasitrahany ny ezaka ataonay. Tany amin’ny tanàna kely iray any anaty ala mikitroka, ohatra, dia nisy mpianatra ny Baiboly nantsoina hoe Alfonso. Takatr’izy io fa tena hitondra soa ny fanaovana lahateny ampahibemaso ao amin’ny faritra misy azy. Vao avy nifindra tao amin’ilay trano hazo vao naoriny izy. Iray amin’ireo trano hazo vitsivitsy monja teo an-tanàna izy io. Nanapa-kevitra i Alfonso fa ny tranony no hany trano mendrika an’i Jehovah teo an-tanàna, ka niverina nifindra tany amin’ilay trano bongony nitafo bozaka izy ary nomeny an’ireo rahalahy ny tranony mba hampiasaina ho Efitrano Fanjakana.”
Jim: “Avo folo heny noho ny tany Etazonia ny fotoana laninay iresahana mivantana amin’olona eny amin’ny fanompoana. Fanampin’izany, dia tsy mirotoroto kokoa ny fiainana eto. Tsy isalasalana fa misy fotoana bebe kokoa ho an’ny fianarana sy ny fanompoana eny amin’ny saha.”
Sandra: “Mitondra fahafaham-po lehibe ho ahy ny fahitana fa afaka manova olona hihatsara ny fahamarinana ara-baiboly. Nisy fotoana niarahako nianatra Baiboly tamin’i Amada, 69 taona, izay tompon’ny trano kely iray fivarotana enta-madinika. Notampohany rano indroan’ny famarana foana ny ronono impolon’ny famarana. Vao mainka izy namitaka ny mpividy satria nataony tsy feno tsara ny fatran’io ronono nitampoka io rehefa namidiny. Rehefa avy nianarany anefa ilay foto-kevitra eo ambanin’ny lohatenikely hoe ‘Miteraka Fahasambarana ny Fanaovana ny Marina’, ao amin’ny toko faha-13 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, dia natsahatr’i Amada ireo fanao ratsy ireo. Hafaliana moa ny ahy nahita azy natao batisa fotoana kelikely taorian’izay!”
Karen: “Mbola tsy voatery niantehitra mafy tamin’i Jehovah toy izany mihitsy aho, ary mbola tsy nampiasainy be toy ny nataoko teto mihitsy. Nihalalina kokoa sy nihamafy kokoa ny fisakaizako tamin’i Jehovah.”
Ahoana ny aminao?
Nandritra ireo taona, dia Vavolombelona an’arivony maro no nifindra toerana mba hanompo any an-tany hafa. Misy mijanona mandritra ny herintaona na roa taona, ny hafa mandritra ny fotoana tsy voafetra. Entiny miaraka aminy ny traikefa sy fahamatorana ara-panahy ary ny vola ananany, mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, any an-tany hafa. Azon’izy ireo natao ny nanompo tany amin’ny faritra izay tsy azon’ireo mpitory teo an-toerana nanompoana satria zara raha nisy asa fivelomana tany. Maro no nividy fiarakodia mba hamitana ireo faritany izay tsy ho tratra raha tsy izany. Ny hafa kosa tia kokoa ny fiainana an-tanàn-dehibe, ka tonga mpikambana nampiorina tsara ireo kôngregasiôna lehibe izay vitsy loholona izy ireo. Samy nanizingizina anefa izy rehetra tsy an-kanavaka, fa betsaka kokoa noho izay nomeny ny zavatra azony raha ny fitahiana ara-panahy no asian-teny.
Afaka mandray anjara amin’ny tombontsoa hanompo any an-tany hafa ve ianao? Raha mamela anao hanao izany ny toe-javatra misy anao, nahoana raha mamotopototra ny amin’ny mety ho fahafahana hanao fifindrana toy izany? Ny dingana voalohany sy tena ilaina dia ny fanoratana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana ao amin’ilay tany izay eritreretinao hanompoana. Ny fanazavana voafaritra tsara izay azonao dia hanampy anao hamaritra ny mety ho fahafahanao hahita fahombiazana amin’izany. Fanampin’izany, dia misy soso-kevitra azo ampiharina maro mety ho hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Mialà Amin’ny Taninao sy ny Havanao” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1988. Amin’ny fanaovana planina araka ny tokony ho izy, sy noho ny fitahian’i Jehovah, dia angamba ianao koa ho afaka hahita ilay fifaliana amin’ny fanompoana any an-tany hafa.
[Sary, pejy 24]
Tom sy Linda, eo amin’ny lalan-kely mitokana iray mankany amin’ireo indianina shuar
[Sary, pejy 25]
Maro no manompo ao Quito, renivohitr’i Ekoatera
[Sary, pejy 25]
Makiko eo am-pitoriana any amin’ny Tendrombohitra Andes
[Sary, pejy 26]
Manompo any Ekoatera efa hatramin’ny dimy taona izao ry Hilbig mianakavy