Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?
1. Inona no nahatonga an’i Paoly sy ny namany ho any Makedonia?
1 Niala tany Antiokia any Syria ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 49 tany ho any, mba hanao ny dia misionerany faharoa. Nikasa ho any Efesosy sy ny tanàna hafa any Azia Minora izy, saingy nahazo fahitana tamin’ny alalan’ny fanahy masina, izay niangavy azy mba ‘hiampita mankany Makedonia.’ Faly izy sy ny namany nanaiky an’ilay fanasana, ka afaka nanorina ny fiangonana voalohany tao amin’io faritra io. (Asa. 16:9, 10; 17:1, 2, 4) Tena mila mpiasa maro koa izao ny firenena sasany, mba hanao ny asa fijinjana. (Mat. 9:37, 38) Afaka manampy ve ianao?
2. Nahoana ny mpitory sasany no tsy mieritreritra ny hifindra any an-tany hafa mihitsy?
2 Mba te ho misionera toa an’i Paoly angamba ianao, nefa tsy tena mbola nieritreritra ny hifindra any an-tany hafa. Mety tsy ho afaka hanatrika ny sekolin’i Gileada, ohatra, ianao, satria efa be taona, na anabavy mpitovo, na manan-janaka mbola kely. Tsy nieritreritra ny hifindra koa angamba ianao, satria hoatran’ny tsy hahay fiteny vahiny mihitsy. Na koa efa mila ravin’ahitra any an-tany hafa ianao, ka tsy te hifindrafindra intsony. Resaho amin’i Jehovah ny toe-javatra misy anao. Mety ho hitanao fa tsy voatery hisakana anao tsy hanitatra faritany any an-tany hafa izany.
3. Inona no manaporofo fa afaka mitory any an-tany hafa ny mpitory, na dia tsy misionera nahazo fiofanana aza?
3 Misionera nahazo fiofanana ihany ve vao afaka mifindra? Inona no nanampy an’i Paoly sy ny namany hahomby? Niantehitra tamin’i Jehovah sy ny fanahiny masina izy ireo. (2 Kor. 3:1-5) Ka na tsy afaka mahazo fiofanana manokana aza ianao noho ny toe-javatra misy anao, dia mbola afaka ny hahomby foana ianao raha mitory any an-tany hafa. Tadidio koa fa mahazo fiofanana foana ianao mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Ary na atao aza hoe efa fikasanao ny hanatrika ny sekolin’i Gileada na sekoly hafa mitovitovy amin’izany, dia mbola mahasoa anao foana ny mifindra. Lasa manana traikefa amin’ny fanompoana any an-tany hafa mantsy ianao, ary tena ilainao izany any aoriana rehefa hasaina hanao sekoly manokana ianao.
4. Inona no manaporofo fa afaka mifindra koa na dia ireo be taona aza?
4 Be taona: Tena ilaina any amin’ny tany mila fanampiana ireo Kristianina matotra efa be taona nefa azo lazaina hoe salama. Efa misotro ronono ve ianao? Na dia tsy vola be aza no raisin’ny Kristianina sasany efa misotro ronono, dia mahavelona azy tsara izany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Kely lavitra ny fandaniany any, anisan’izany ny fitsaboana, raha mitaha amin’ny fandaniany any amin’ilay tany niaviany.
5. Milazà fitantarana momba ny rahalahy iray efa misotro ronono, izay nifindra tany an-tany hafa.
5 Nifindra tany amin’ny firenena iray be mpizaha tany any Azia Atsimoatsinanana ny rahalahy iray efa misotro ronono, avy any amin’ny tany iray miteny anglisy. Nisy antoko-mpitory miteny anglisy nahitana mpitory sivy tany. Vahiny 30 000 no nipetraka tao amin’ilay toerana, ka ireo no nitoriana. Nahatratra 50 ny mpanatrika fivoriana, tao anatin’ny roa taona. Hoy ilay rahalahy: “Tena nitondra fitahiana lehibe ho ahy ny fifindrako teto. Raha hotantaraina izany, dia ny fotoana indray no tsy ho ampy!”
6. Milazà fitantarana momba ny anabavy mpitovo iray nifindra tany an-tany hafa.
6 Anabavy mpitovo: Anabavy maro tokoa no ampiasain’i Jehovah mba hampiely ny vaovao tsara any amin’ny tany mila mpitory maro kokoa. (Sal. 68:11) Naniry hanompo any an-tany hafa ny anabavy mpitovo iray. Natahotra anefa ny ray aman-dreniny sao manino-maninona any izy. Izay firenena tsy nisy korontana ara-politika sy tsy dia mahantra loatra àry no nofidin’ilay anabavy. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana izy, ary nahazo fanampiana sy fanazavana tena nilaina. Nahazo fitahiana maro izy, nandritra an’ireo enin-taona nipetrahany tany. Hoy izy: “Tsy ho afaka hahita mpianatra firy aho, raha tany aminay. Afaka nitarika fampianarana be dia be anefa aho rehefa nanitatra faritany, sady afaka nanatsara ny fahaizako mampianatra.”
7. Milazà fitantarana momba ny fianakaviana iray nanompo tany an-tany hafa.
7 Fianakaviana: Afaka mifindra any an-tany hafa koa, na dia ireo manan-janaka aza. Nanandrana nanao izany ny mpivady manan-janaka roa, izay valo taona sy folo taona. Hoy ilay anabavy: “Faly be izahay fa lehibe teto ny zanakay, ka afaka nifanerasera tamin’ny mpisava lalana manokana sy misionera. Nandray soa be dia be izahay, satria nanitatra faritany.”
8. Azo atao ve ny mifindra any an-tany hafa nefa tsy voatery mianatra fiteny vahiny? Hazavao.
8 Fanahiana momba ny fiteny: Tsy te hifindra any an-tany hafa ve ianao, satria hoatran’ny tsy ho vitanao mihitsy ny hianatra fiteny vahiny? Mety hisy olona mampiasa ny fiteninao anefa any amin’ny tany sasany, ary ilaina ny mpitory maro kokoa mba hanampy azy ireny. Misy mpifindra monina maro miteny anglisy any amin’ny tany iray miteny espaniola. Nifindra tany àry ny mpivady iray miteny anglisy. Nalefan’ny biraon’ny sampana tany amin’izy ireo ny mombamomba an’ireo fiangonana miteny anglisy mila fanampiana. Nifidy fiangonana iray izy mivady, ary nitsidika tany indroa. Rehefa nody izy ireo, dia nahenany ny fandaniana fanaony isam-bolana, ary nanangom-bola izy nandritra ny herintaona. Nanampy azy ireo hahita trano tsy dia lafo ireo rahalahy, rehefa tapa-kevitra ny hifindra izy ireo.
9, 10. Inona no zavatra azon’ireo mpitory mipetraka any an-tany hafa atao? Nahoana?
9 Ireo nifindra monina: Mipetraka any an-tany hafa ve ianao izao, ary tany angamba no nahalalanao ny fahamarinana? Mety hila mpitory maro kokoa ny any amin’ilay tany niavianao. Afaka miverina any ve ianao mba hanampy amin’ny fitoriana? Mety ho mora kokoa aminao ny hahita asa sy trano onenana, satria ianao tompon-tany. Mety tsy hanahirana anao koa ny resaka fiteny. Ankoatra izany, dia mety ho vonona handray kokoa an’ilay hafatra ny olona, raha ianao no mitory aminy, fa tsy vahiny.
10 Nitsoa-ponenana tany Italia ny lehilahy iray avy any Albania. Nahazo asa tsara izy, ary nandefa vola ho an’ny fianakaviany. Rehefa nahita ny fahamarinana izy, dia nampianatra teny albaney an’ireo Italianina mpisava lalana manokana, izay hanompo any Albania. Hoy ilay rahalahy: “Namonjy an’ilay tany nialako ry zareo. Vonona ny hifindra izy na dia tsy hainy aza ilay fiteny. Tsy tokony hijanona tany Italia mihitsy aho, satria Albaney!” Tapa-kevitra ilay rahalahy fa hiverina any Albania, mba hanampy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Hoy izy: “Nanenenako ve ny nandao an’ilay asa nahazoam-bola tany Italia? Tsia! Nahita asa tsara aho teto. Amiko, dia ny fanompoana an’i Jehovah amin’izay rehetra ananana no asa tsara indrindra sy tena mahafaly!”
11, 12. Inona no azon’ny mpitory atao, raha mieritreritra ny hifindra any an-tany hafa izy?
11 Fiomanana azo atao: Saika hiankandrefana i Paoly sy ny namany, talohan’ny nandehanany tany Makedonia. “Tsy navelan’ny fanahy masina” anefa izy ireo, ka lasa nianavaratra. (Asa. 16:6) Nosakanan’i Jesosy indray izy ireo, rehefa tonga teo akaikin’i Bitynia. (Asa. 16:7) Mbola manara-maso ny asa fitoriana foana izao i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy. (Mat. 28:20) Raha mieritreritra ny hifindra any an-tany hafa àry ianao, dia mivavaha ka mangataha tari-dalana amin’i Jehovah.—Lioka 14:28-30; Jak. 1:5; jereo ilay efajoro hoe “Ahoana no Ahalalana Raha Mila Fanampiana Ilay Tany Tianao Hifindrana?”
12 Anontanio ny anti-panahy na Kristianina matotra hafa, raha mety aminao ny mifindra any an-tany hafa. (Ohab. 11:14; 15:22) Mamakia lahatsoratra avy ao amin’ny bokintsika, izay miresaka momba ny fanompoana any an-tany hafa. Manaova koa fikarohana momba an’ilay tany tianao hifindrana. Afaka mandalo kely any ve ianao, ka mandinika an’ilay faritra mandritra ny fotoana kelikely? Manorata any amin’ny biraon’ny sampan’ilay tany mba hahazoana fanazavana fanampiny, ka izay adiresy ao amin’ny Diary farany ampiasaina. Tsy ianao anefa no mandefa an’ilay taratasy fa ny anti-panahy eo an-toerana, satria tokony hanao fanamarihana ao izy ireo alohan’ny handefasany azy.—Jereo Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 111-112.
13. Ahoana no hanampian’ny biraon’ny sampana anao? Inona kosa no tsy maintsy karakarainao manokana?
13 Handefa fanazavana tena ilainao momba an’ilay tany ny biraon’ny sampana, mba hahafahanao mandray fanapahan-kevitra. Tsy handefa taratasy fiantohana eo amin’ny resaka ara-bola sy filasiana anefa izy ireo. Tsy hikarakara ny vizà na taratasy hafa ara-panjakana koa izy ireo, na hoe hitady trano hipetrahanao. Ianao ihany no tokony hanadihady sy hisahana an’izany alohan’ny hifindrana. Ianao koa no tokony hifandray amin’ny ambasady, mba hahazoanao ny fanazavana ilaina momba ny vizà na taratasy ilaina mba hahitana asa. Tokony ho afaka hikarakara ny fivelomany sy ny taratasiny ara-panjakana ireo mifindra monina.—Gal. 6:5.
14. Inona no fitandremana tsy maintsy atao, alohan’ny hitsidihana na hifindrana any amin’ny tany misy fandrarana?
14 Tany misy fandrarana: Tsy maintsy malina ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny tany sasany, rehefa manao fanompoana. (Mat. 10:16) Raha tsy mitandrina ny mpitory tonga mitsidika na mifindra ao amin’ilay tany, dia hahita olana ireo rahalahy tompon-tany. Raha mieritreritra ny hifindra amin’ny tany toy izany àry ianao, dia manorata aloha any amin’ny biraon’ny sampana misy anao, amin’ny alalan’ny anti-panahinareo.
15. Ahoana no azon’ny mpitory sasany anitarana ny fanompoany, raha tsy afaka mifindra any an-tany hafa izy?
15 Ahoana raha tsy afaka mifindra ianao? Aza atao mahakivy anao izany. Angamba misy “varavarana misokatra ho amin’ny asa” amin’ny endriny hafa, nosokafana ho anao. (1 Kor. 16:8, 9) Mety hahafantatra toerana akaiky kokoa ilana fanampiana ny mpiandraikitra ny faritrareo. Angamba ianao afaka manampy fiangonana na antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana. Mety ho afaka hampitombo ny fanompoanao koa ianao ao amin’ny fiangonana misy anao. Na inona na inona toe-javatra misy anao, ny tena zava-dehibe dia ny hoe manompo amin’ny fo manontolo.—Kol. 3:23.
16. Inona no tokony hataontsika, raha misy Kristianina maniry hanompo any an-tany hafa?
16 Raha mahafantatra mpitory matotra te hanompo any an-tany hafa ianao, dia ampaherezo sy tohano izy. I Syria any Antiokia no tanàna fahatelo lehibe indrindra nanerana ny Fanjakana Romanina (taorian’i Roma sy Aleksandria), tamin’ny fotoana nialan’i Paoly tao. Lehibe ilay faritany, ary azo inoana fa tena nila an’i Paoly ny fiangonan’i Antiokia, ary halahelo be ry zareo raha hilaozany. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nanakivy an’i Paoly ireo rahalahy tao mba tsy handehanany. Tsy izay hahasoa ny faritaniny fotsiny no nifantohan’izy ireo, fa nataony an-tsaina hoe “ny tanimbary dia izao tontolo izao.”—Mat. 13:38.
17. Nahoana isika no tokony hieritreritra ny ‘hiampita mankany Makedonia’?
17 Nandray fitahiana be dia be i Paoly sy ny namany, noho izy ireo nanaiky hifindra tany Makedonia. Nahita an’i Lydia izy ireo rehefa tonga tao Filipy, tanàna iray teo amin’ilay faritra. “Nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba handraisany tsara ny teny notorin’i Paoly.” (Asa. 16:14) Alao sary an-tsaina ny fifalian’i Paoly sy ireo namany, rehefa natao batisa i Lydia sy ny ankohonany manontolo! Betsaka ny olona tso-po toa an’i Lydia any amin’ny tany maro, ary mbola tsy nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo. Raha ‘miampita mankany Makedonia’ ianao, dia mety hahita azy ireny ary ho faly hanampy azy.
[Efajoro, pejy 5]
“Ahoana no Ahalalana Raha Mila Fanampiana Ilay Tany Tianao Hifindrana?”
• Jereo ny Diary vaovao. Diniho hoe firy ny salanisan’ny mpitory raha mitaha amin’ny isan’ny mponina.
• Mampiasà Fanondroana mba hahitana lahatsoratra momba an’ilay tany na fitantarana avy any.
• Miresaha amin’ny mpitory efa nitsidika an’ilay tany, na efa nipetraka tany.
• Raha mieritreritra ny hifindra ao amin’ny tany iray ampiasana ny fiteninao ianao, dia jereo ny Internet na boky tsy ara-pivavahana, mba hahitana hoe firy ny olona mampiasa ny fiteninao any.