Hatraiza ny Fitiavanao ny Tenin’Andriamanitra?
“Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” — SALAMO 119:97.
1. Inona no fomba iray anehoan’ny olona matahotra an’Andriamanitra fa tiany ny Tenin’Andriamanitra?
LEHILAHY sy vehivavy an-jato tapitrisany maro no manana Baiboly. Sasanangy samy hafa anefa ny hoe manana Baiboly sy ny hoe tia ny Tenin’Andriamanitra. Afaka milaza marina ho tia ny Tenin’Andriamanitra ve ny olona iray raha mahalana izy vao mamaky azy io? Mazava ho azy fa tsia! Tsy mba toy izany kosa anefa ny olona sasany, satria na dia tsy nanisy fiheverana firy ny Baiboly aza izy ireo taloha, dia mamaky azy io isan’andro izy ireo ankehitriny. Nianatra ny ho tia ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary, tahaka ny mpanao salamo, dia manao ny Tenin’Andriamanitra ho fisaintsainany “mandrakariva” izy ireo, ankehitriny. — Salamo 119:97.
2. Inona no nanohana ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, tao anatin’ny toe-piainana sarotra?
2 Olona iray nianatra ny ho tia ny Tenin’Andriamanitra i Nasho Dori. Naharitra tamin’ny fanompoana an’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro izy, sy ireo mpiray finoana taminy, tao Albania, tanindrazany. Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny ampahany betsaka tamin’io fe-potoana io, hany ka kely ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly voarain’ireo Kristianina mahatoky ireo. Na izany aza anefa, dia nitoetra ho natanjaka ny finoan’ny Rahalahy Dori. Tamin’ny fomba ahoana? “Ny zava-nokendreko”, hoy izy, dia ny “hamaky ny Baiboly adiny iray isan’andro, fara fahakeliny, ary efa nanao izany nandritra ny 60 taona teo ho eo aho, talohan’ny nahapahina ny masoko.” Vao haingana no nisian’ny Baiboly manontolo amin’ny teny albaney, kanefa dia efa nianatra teny grika ny Rahalahy Dori tamin’ny fahazazany, ka namaky ny Baiboly tamin’io teny io izy. Nanohana ny Rahalahy Dori teo am-pamakivakiana fisedrana maro samihafa ny famakiana Baiboly tsy tapaka, ka afaka manohana antsika koa.
“Ataovy izay hananana faniriana mafy” ny Tenin’Andriamanitra
3. Tokony hamboly fihetsika manao ahoana ny Kristianina, manoloana ny Tenin’Andriamanitra?
3 “Tahaka ny zaza vao teraka”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Petera, “dia ataovy izay hananana faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny”. (1 Petera 2:2, NW ). Maniry fatratra ny rononon-dreniny ny zazakely iray. Tsy misy hafa amin’izany koa ireo Kristianina mahatsapa izay ilainy ara-panahy, satria fahafinaretana lehibe ho azy ireo ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra. Izany ve no tsapanao? Raha tsia, dia aza mamoy fo. Afaka mamboly faniriana mafy ny Tenin’Andriamanitra koa ny tenanao.
4. Mahafaoka inona ny fanaovana ny famakiana Baiboly ho fahazarana isan’andro?
4 Mba hanaovana izany, dia fehezo aloha ny tenanao mba hanao ho fahazarana tsy tapaka ny famakiana Baiboly — fahazarana isan’andro, raha azo atao. (Asan’ny Apostoly 17:11). Mety tsy ho afaka handany adiny iray isan’andro hamakiana Baiboly, toy izay nataon’i Nasho Dori, ianao, kanefa tena azo inoana fa afaka manokana fotoana ianao, isan’andro, mba handinihana ny Tenin’Andriamanitra. Kristianina maro no mifoha minitra vitsivitsy mialoha mba hisaintsainana andalan-teny ao amin’ny Baiboly. Misy fomba tsara kokoa noho izany azo anombohana ny andro ve? Ny hafa dia tia kokoa ny mamarana ny andro amin’ny famakiana ny Baiboly, aloha kelin’ny handehanana hatory. Ny hafa kosa indray dia mamaky ny Baiboly amin’ny fotoana hafa mety aminy. Ny zava-dehibe dia ny hamakiana tsy tapaka ny Baiboly. Avy eo, dia makà fotoana kelikely hisaintsainana ny zavatra novakinao. Andeha isika handinika ny ohatry ny olona sasany izay nandray soa tamin’ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra.
Mpanao salamo iray izay tia ny Lalàn’Andriamanitra
5, 6. Na dia tsy fantatsika aza ny anaran’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119, inona no azontsika fantarina momba azy, amin’ny famakiana sy fisaintsainana izay nosoratany?
5 Azo antoka fa nankasitraka lalina ny Tenin’Andriamanitra ilay nanoratra ny Salamo faha-119. Iza no nanoratra io salamo io? Tsy ampahafantarin’ny Baiboly ny mpanoratra azy io. Rehefa jerena anefa ny teny manodidina, dia fantatsika ny tsipiriany sasany momba azy, ary takatsika fa nandia zava-nanahirana izy teo amin’ny fiainany. Tsy mba tia ireo foto-pitsipika ara-baiboly toa azy, ny sasany tamin’ireo olom-pantany, izay noheverina ho mpivavaka tamin’i Jehovah. Na izany aza, dia tsy navelan’ilay mpanao salamo hanakana azy tsy hanao izay mahitsy ny fihetsik’izy ireny. (Salamo 119:23). Raha miara-miaina na miara-miasa amin’olona tsy manaja ireo fari-pitsipiky ny Baiboly ianao, dia mety ho hitanao ho mitovy amin’ny toe-javatra misy anao ny nisy an’ilay mpanao salamo.
6 Na dia tia an’Andriamanitra aza ilay mpanao salamo, dia tsy mba nihevi-tena ho marina velively. Niaiky tamim-pahatsorana izy fa tsy lavorary ny tenany. (Salamo 119:5, 6, 67). Na izany aza anefa, dia tsy navelany hifehy azy ny ota. “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?”, hoy ny fanontaniany. Hoy ny valin-teniny: “Ny fitandremana araka ny teninao.” (Salamo 119:9). Nanampy teny toy izao, avy eo, ilay mpanao salamo, tamin’ny fanantitranterana fa hery matanjaka manosika hanao ny tsara ny Tenin’Andriamanitra: “Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.” (Salamo 119:11). Matanjaka tokoa ny hery iray raha afaka manampy antsika tsy hanota amin’Andriamanitra!
7. Nahoana indrindra ny tanora no tena tokony hahatsapa fa ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro?
7 Fahendrena ho an’ny tanora kristianina ny mandinika ny tenin’ilay mpanao salamo. Iharam-panafihana ireo tanora kristianina amin’izao andro izao. Ho tian’ny Devoly aoka izany ny hanimba ireo tanora vao misandratra eo anivon’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Ny zava-kendren’i Satana dia ny hitaona ny tanora kristianina hanaiky ho resin’ny fanirian’ny nofo, ka handika ny lalàn’Andriamanitra. Matetika no manome taratry ny fisainan’ny Devoly ireo sarimihetsika sy fandaharana ao amin’ny televiziona. Toa manintona sy mahate ho tia ireo olo-malaza ao amin’ireny fandaharana ireny, ary aseho ho toy ny ara-dalàna ny firaisana maloto ifanaovan’izy ireny. Ny hafatra tiany hampitaina amin’izany ve? Izao: ‘Tsy mampaninona raha manao firaisana ny olona tsy mpivady, raha mbola tena mifankatia koa izy ireo.’ Mampalahelo fa tanora kristianina maro be isan-taona no rembin’izany fomba fisainana izany. Nanjary vaky sambo ny sasany raha ny amin’ny finoany. Misy àry ny fanerena! Mafy loatra ve anefa ny fanerena ka tsy ho azonareo tanora atao ny hiatrika izany amim-pahombiazana? Tsy izany velively! Nanome fomba iray ahafahan’ny tanora kristianina mandresy ny fanirian-dratsy i Jehovah. Afaka manohitra an’izay fiadiana rehetra tefen’ny Devoly izy ireo, ‘amin’ny fitandremana araka ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fandraketana ao am-pony ny teny nolazain’Andriamanitra’. Manao ahoana ny fotoana lanin’ny tenanao manokana amin’ny famakiana sy ny fisaintsainana tsy tapaka ny Baiboly?
8. Amin’ny ahoana ireo ohatra voasoritra eo amin’ity fehintsoratra ity no afaka manampy anao hampitombo ny fankasitrahanao ny Lalàn’i Mosesy?
8 Nihiaka toy izao ilay mpanoratra ny Salamo faha-119: “Endrey ny fitiavako ny lalànao!” (Salamo 119:97). Lalàna inona no tiany holazaina eo? Tsy inona akory fa ny teny nambaran’i Jehovah, anisan’izany ny fehezan-dalàna ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Raha vao manopy maso fotsiny ny sasany, dia mety hanilika an’io fehezan-dalàna io ho toy ny efa lany andro, ary mety hanontany tena izy ireo hoe ahoana no mety hitiavan’ny olona azy io. Afaka mahatakatra ny fahendrena raketin’io Lalàna io anefa isika rehefa misaintsaina ireo lafiny maro samihafa amin’ny Lalàn’i Mosesy, toy izay nataon’ilay mpanao salamo. Ankoatra ireo lafiny ara-paminaniana maro amin’ny Lalàna, dia teo koa ireo fepetra notakina momba ny fitandremam-pahasalamana sy ny sakafo, izay nampiroborobo ny fahadiovana sy ny fahasalamana tsara. (Levitikosy 7:23, 24, 26; 11:2-8). Nampirisika ny hanaovana ny marina teo amin’ny raharaham-barotra ny Lalàna ary nandrisika ireo Isiraelita hiombom-pihetseham-po tamin’ireo mpiray finoana taminy nahantra. (Eksodosy 22:25, 26; 23:6; Levitikosy 19:35, 36; Deoteronomia 24:17-21). Tsy tokony hasiana fiangarana ny famoahana didim-pitsarana. (Deoteronomia 16:19; 19:15). Rehefa nandia zavatra maro kokoa teo amin’ny fiainana ilay mpanoratra ny Salamo faha-119, dia tsy isalasalana fa hitany hoe tsara fiafara ireo izay nampihatra ny Lalàn’Andriamanitra, hany ka nihanitombo ny fitiavany azy io. Toy izany koa amin’izao andro izao: Rehefa mahita fahombiazana eo amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly ny Kristianina, dia mihamitombo ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankasitrahany azy io.
Printsy iray sahy niseho ho hafa
9. Namboly fihetsika nanao ahoana i Hezekia Mpanjaka, nanoloana ny Tenin’Andriamanitra?
9 Izay raketin’ny Salamo faha-119 dia mifanaraka tsara amin’izay fantatsika momba an’i Hezekia, fony izy mbola printsy tanora. Araka ny filazan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly sasany, dia mety ho i Hezekia no nanoratra ilay salamo. Na dia tsy azo antoka aza ny amin’izany, dia tena fantatsika kosa fa nanaja fatratra ny Tenin’Andriamanitra i Hezekia. Nasehony teo amin’ny fomba fiainany fa nifanaraka tanteraka tamin’ireo teny ao amin’ny Salamo 119:97 ny fihetseham-pony. Izao no lazain’ny Baiboly, mahakasika an’i Hezekia: “Nifikitra tamin’i Jehovah izy ka tsy niala tamin’ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.” — 2 Mpanjaka 18:6.
10. Inona no fampaherezana azon’ny Kristianina avy amin’ny ohatr’i Hezekia, raha toa ka tsy nobeazin’ny ray aman-dreny tia an’Andriamanitra ny tenany?
10 Voalazan’ny fitantarana rehetra fa tsy nihalehibe tao amin’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra i Hezekia. I Ahaza Mpanjaka, rainy, dia mpanompo sampy tsy nanam-pinoana. Fara fahakeliny, dia iray tamin’ireo zanany lahy, izany hoe rahalahy iray tam-po tamin’i Hezekia, no nodorany velona ho sorona ho an’ny andriamani-tsy izy! (2 Mpanjaka 16:3). Na teo aza izany ohatra ratsy izany, dia afaka ‘niaro ny lalan-kalehany tsy ho voaloton’ny’ fitaoman’ny mpanompo sampy i Hezekia, noho ny nahafantarany tsara ny Tenin’Andriamanitra. — 2 Tantara 29:2.
11. Araka ny fandinihan’i Hezekia, nanao ahoana ny niafaran’ilay rainy tsy nahatoky?
11 Rehefa nihalehibe i Hezekia, dia nahita nivantana ny fomba nitantanan’ilay rainy mpanompo sampy ny raharaham-pirenena. Nohodidinin’ny fahavalo i Joda. Teo i Rezina mpanjakan’i Syria, izay nanatevin-daharana an’i Peka, mpanjakan’ny Isiraely, teo amin’ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema. (2 Mpanjaka 16:5, 6). Teo koa ny Edomita sy ny Filistina, izay nanao fanafihana tamim-pahombiazana tao Joda, ka nahazo ny tanànan’i Joda sasany mihitsy aza. (2 Tantara 28:16-19). Ahoana no niatrehan’i Ahaza an’ireny fotoan-tsarotra ireny? Tsy nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah hoenti-manohitra an’i Syria i Ahaza, fa nitodika kosa tany amin’ny mpanjakan’i Asyria, ary nanome azy tsolotra volamena sy volafotsy, ka anisan’izany ireo avy tao amin’ny rakitry ny tempoly. Tsy nitondra fiadanana naharitra ho an’ny Joda anefa izany. — 2 Mpanjaka 16:6, 8.
12. Inona no nataon’i Hezekia, ka nahafahany nisoroka ny famerenana ireo fahadisoana nataon’ny rainy?
12 Tamin’ny farany, dia maty i Ahaza, ary tonga mpanjaka i Hezekia, teo amin’ny faha-25 taonany. (2 Tantara 29:1). Somary tanora ihany izy, kanefa tsy nisakana azy tsy ho tonga mpanjaka nahita fahombiazana izany. Tsy nanahaka ny fitondran-tenan’ilay rainy tsy nahatoky izy, fa nifikitra kosa tamin’ny Lalàn’i Jehovah, anisan’izany izao didy manokana nomena ny mpanjaka izao: “Rehefa mipetraka eo ambonin’ny sezam-panjakany [ny mpanjaka], dia aoka hadikany ho azy amin’ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ireo Levita mpisorona. Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao”. (Deoteronomia 17:18, 19). Tamin’ny famakiana isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, dia nianatra natahotra an’i Jehovah sy nisoroka ny famerenana ireo fahadisoan’ilay rainy tsy tia an’Andriamanitra, i Hezekia.
13. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina mahazo antoka fa, amin’ny heviny ara-panahy, dia ho vanona avokoa izay ataony rehetra?
13 Tsy ny mpanjakan’ny Isiraely ihany no nampirisihina handinika tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, fa ny Isiraelita rehetra natahotra an’Andriamanitra koa. Ny olona iray tena sambatra dia lazalazain’ny Salamo voalohany ho ‘[finaritra ao amin’ny lalàn’i Jehovah, NW ]; eny, ny lalàny no [vakiny amin’ny feo iva, NW ] andro aman’alina’. (Salamo 1:1, 2). Izao no lazain’ilay mpanao salamo, mahakasika ny olona toy izany: “Ny ataony rehetra vanona avokoa.” (Salamo 1:3, Fandikan-teny Katolika). Mifanohitra amin’izany kosa, dia izao no lazain’ny Baiboly, mahakasika ny olona tsy manam-pinoana an’i Jehovah Andriamanitra: “Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:8). Maniry ny ho sambatra sy hahita fahombiazana avokoa isika rehetra. Raha mamaky tsy tapaka ny Baiboly isika, ka tsy hoe mamaky fe mamaky fotsiny, dia anisan’ny afaka hanome fahasambarana antsika ny fanaovana izany.
Nanohana an’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra
14. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny Tenin’Andriamanitra?
14 Indray mandeha, dia nahita an’i Jesosy nipetraka teo anivon’ireo mpampianatra, tao amin’ny tempoly, tao Jerosalema, ireo ray aman-dreniny. “Talanjona” tokoa ireny manam-pahaizana momba ny Lalàn’Andriamanitra ireny “nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany”! (Lioka 2:46, 47). Fony i Jesosy 12 taona no nitrangan’izany. Eny, na dia mbola kely aza izy, dia nazava fa tia fatratra ny Tenin’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, dia nampiasa ny Soratra Masina mba hitenenana mafy ny Devoly i Jesosy, tamin’ny filazana hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. (Matio 4:3-10). Tsy ela taorian’izay, dia nitory tamin’ireo mponina tao an-tanànan’i Nazareta nahabe azy i Jesosy, tamin’ny fampiasana ny Soratra Masina. — Lioka 4:16-21.
15. Tamin’ny ahoana i Jesosy no namela ohatra rehefa nitory tamin’ny hafa?
15 Matetika i Jesosy no naka teny avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanohanana ny fampianarany. “Talanjona (...) noho ny fampianarany” ireo nihaino azy. (Matio 7:28). Ary tsy mahagaga izany, satria avy tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy ireo fampianaran’i Jesosy! Hoy i Jesosy: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy. Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’Izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.” — Jaona 7:16, 18.
16. Tonga hatramin’ny inona ny fanehoan’i Jesosy ny fitiavany ny Tenin’Andriamanitra?
16 Tsy toy ilay mpanoratra ny Salamo faha-119 i Jesosy, satria ‘tsy nisy tsy fahamarinana’ tao aminy. Tsy nanana ota izy, ary Zanak’Andriamanitra “nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana”. (Filipiana 2:8; Hebreo 7:26). Na dia lavorary aza anefa i Jesosy, dia sady nianatra ny Lalàn’Andriamanitra izy no nankato azy io. Izany no antony fototra nahafahany nihazona ny tsy fivadihany. Rehefa nampiasa sabatra i Petera noho ny fiezahany hanao izay tsy hahavoasambotra ilay Mpampianatra azy, dia niteny mafy an’ilay apostoly i Jesosy, ka nanontany hoe: “Ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” (Matio 26:53, 54). Eny, tamin’i Jesosy, ny fahatanterahan’ny Soratra Masina dia zava-dehibe kokoa noho ny fandosirana fijalijaliana alohan’ny hahafatesana, sy ny fandosirana fahafatesana nanala baraka. Izany ka fitiavana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka!
Olon-kafa nanahaka an’i Kristy
17. Nanao ahoana ny naha zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny apostoly Paoly?
17 Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina tahaka azy ny apostoly Paoly: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1). Tahaka ilay Mpampianatra azy, dia nampitombo fitiavana fatratra ny Soratra Masina i Paoly. Hoy ny fiekeny: “Ao anatiko lalina indrindra ao, dia tia aoka izany ny Lalàn’Andriamanitra aho.” (Romana 7:22, The Jerusalem Bible). Matetika i Paoly no naka teny avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 13:32-41; 17:2, 3; 28:23). Rehefa nanome toromarika farany an’i Timoty, mpiara-manompo taminy, izay niraiketan’ny fony, i Paoly, dia nanantitrantitra fa tokony hanana anjara asa lehibe eo amin’ny fiainana andavanandron’ny “olon’Andriamanitra” rehetra, ny Tenin’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:15-17.
18. Manomeza ohatra iray amin’ny andro ankehitriny, ny amin’ny olona naneho fanajana ny Tenin’Andriamanitra.
18 Mpanompo mahatokin’i Jehovah maro amin’ny andro ankehitriny no nanahaka koa ilay fitiavan’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra. Tany am-piandohan’ity taonjato ity, dia nahazo Baiboly iray avy tamin’ny namany ny tovolahy iray. Toy izao no nilazalazany ny vokatr’io fanomezana sarobidy io teo aminy: ‘Tapa-kevitra aho fa hampidiriko ho anisan’ny zavatra tsy maintsy hataoko eo amin’ny fiainako ny mamaky ampahany ao amin’ny Baiboly, isan’andro isan’andro.’ Tsy iza akory io tovolahy io fa i Frederick Franz, ary ny fitiavany ny Baiboly dia nahatonga azy hanana fiainana lava sy nahomby, teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ahatsiarovana azy amim-piraiketam-po ilay fahaizany nanonona tsy an-kijery toko manontolo ao amin’ny Baiboly.
19. Ahoana no andaharan’ny sasany ilay famakiana Baiboly isan-kerinandro, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika?
19 Manantitrantitra mafy ny amin’ny hamakiana tsy tapaka ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Isan-kerinandro, dia mamaky toko maromaro ao amin’ny Baiboly izy ireo, rehefa manomana ny iray amin’ireo fivoriany kristianina, dia ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Dinihina mandritra ilay fivoriana ny hevitra misongadina ao amin’ireo toko natao hovakina. Hitan’ny Vavolombelona sasany fa mety ny hitsinjarana ilay famakiana Baiboly isan-kerinandro ho fizarana fito kely kokoa, ka hamakiana fizarana iray isan’andro. Eo am-pamakiana izany, dia misaintsaina ny amin’izay vakiny izy ireo. Manao fikarohana fanampiny amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly izy ireo rehefa afaka manao izany.
20. Inona no ilaina mba hananana fotoana hamakiana tsy tapaka ny Baiboly?
20 Mila ‘maka amin’ny fotoana’ anaovana zavatra hafa angamba ianao mba hamakiana tsy tapaka ny Baiboly. (Efesiana 5:16, NW ). Ho be lavitra noho izay sorona atao anefa ny soa azo. Rehefa mamboly ilay fahazarana mamaky Baiboly isan’andro ianao, dia hitombo ny fitiavanao ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ho ela ianao dia ho voatosika hiombom-peo amin’ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Ny fihetsika toy izany dia hitondra soa lehibe ho antsika, dieny izao sy amin’ny hoavy, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nanehoan’ilay mpanoratra ny Salamo faha-119 fa tiany aoka izany ny Tenin’Andriamanitra?
◻ Lesona inona avy no azontsika tsoahina avy amin’ny ohatr’i Jesosy sy i Paoly?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tenantsika mampitombo ny fitiavantsika ny Tenin’Andriamanitra?
[Sary, pejy 10]
Tsy maintsy namaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ireo mpanjaka nahatoky. Ary ianao?
[Sary, pejy 12]
Na mbola kely aza i Jesosy, dia nanam-pitiavana ny Tenin’Andriamanitra