Mamaly Fanontaniana Lehibe Amin’izao Androntsika Izao ny Baiboly
AZO ampiharina amin’izao andro izao ve ny Baiboly? Mba hahatonga ny valin’izany ho eny, dia tsy maintsy manana tari-dalana hatolotra ny mpamaky azy io boky tranainy io, dia tari-dalana mahakasika foto-kevitra mahaliana ny olona sy azony ampiharina amin’izao andro izao. Moa ve ny Baiboly manome torohevitra mahasoa mahakasika foto-kevitra izay tena misy vidiny tokoa eto amin’ny tontolo ankehitriny?
Andeha isika hijery raharaha roa iadian-kevitra amin’izao andro izao. Eo am-panaovana izany, dia hodinihintsika izay lazain’ny Baiboly mahakasika ireo raharaha ireo.
Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?
Noho ny toe-piainana misy eto an-tany amin’izao andro izao, dia anisan’ny fanontaniana fametraky ny olona indrindra ny hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny olona tsy manan-tsiny hijaly? Marim-pototra io fanontaniana io satria mihamaro kokoa hatrany ny olona iharan’ny vokatry ny heloka bevava feno herisetra, ny fandraisana kolikoly, ny fandripahana foko iray, ny loza mihatra amin’ny tena manokana sy ny toy izany.
Tamin’ny Jona 1998, ohatra, dia nisy fiarandalamby haingam-pandeha nidona tamin’ny tetezana iray tany avaratr’i Alemaina, ka nahafaty mpandeha maherin’ny zato. Na dia ireo mpamonjy voina sy mpamonjy trano may za-draharaha izay nikarakara ireo naratra sy maty aza dia nivalaketraka nahita ireo faty nikararàna. Nanontany toy izao ny evekan’ny Eglizy Evanjelika: “Andriamanitra ô, nahoana no voatery hitranga izao zavatra izao?” Na ilay eveka aza tsy nanome ny valiny.
Asehon’ny zavatra hita eo amin’ny fiainana fa rehefa mitondra fahoriana ireo tsy manan-tsiny, kanefa tsy mahazo fanazavana ny amin’izay antony mahatonga izany, dia manjary mahatsapa fahatezerana latsa-paka izy ireo indraindray. Eo indrindra ny Baiboly no afaka manampy, satria hazavainy ny antony mahatonga ny tsy manan-tsiny hizaka faharatsiana sy fijaliana.
Fony i Jehovah Andriamanitra namorona ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy, dia tsy fikasany ny hahatonga ny olombelona ho ory noho ny faharatsiana sy ny fijaliana. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka ny amin’izany? Ny antony dia satria, rehefa vitan’Andriamanitra ny famoronany, dia “hita[ny] izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany”. (Genesisy 1:31). Manontania tena hoe: ‘Raha mahamarika zavatra ratsy aho, moa ve aho hilaza azy io hoe “tsara indrindra”?’ Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa fa, rehefa nilaza Andriamanitra hoe “tsara indrindra” ny zava-drehetra, dia tsy nisy soritry ny faharatsiana teto an-tany. Koa oviana sy tamin’ny fomba ahoana àry no niandohan’ny faharatsiana?
Tsy ela taorian’ny namoronana an’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia nisy zavaboary ara-panahy mahery iray nanatona an-dravehivavy ka nilaza an-karihary fa mampisalasala ny fahamarinan’izay lazain’i Jehovah sy ny maha ara-dalàna ny fiandrianany. (Genesisy 3:1-5). Tatỳ aoriana io zavaboary io, izany hoe i Satana Devoly, dia nilaza fa hivadika amin’Andriamanitra ny olombelona rehefa ao anatin’ny fahoriana. (Joba 2:1-5). Ahoana no fihetsik’i Jehovah nanoloana izany toe-javatra izany? Navelany handeha ny fotoana, amin’izay dia hanjary hiharihary fa tsy afaka mandavorary ny diany ny olombelona rehefa tsy miankina aminy. (Jeremia 10:23). Rehefa misy zavaboary manao zavatra mifanohitra amin’ny lalàna sy foto-pitsipik’Andriamanitra, ny vokany dia ota, izay miteraka toe-piainana manimba. (Mpitoriteny 8:9; 1 Jaona 3:4). Na dia eo aza anefa izany tarehin-javatra ratsy izany, dia fantatr’i Jehovah fa hisy olombelona tsy hivadika aminy hatrany.
Enina arivo taona teo ho eo izay no lasa hatramin’io fikomiana tao Edena izay nampitondra faisana io. Ela loatra ve izany? Azon’i Jehovah naringana tao anatin’ireo taonjato maro lasa, i Satana sy ireo mpanohana azy. Kanefa tsy tsara kokoa ve ny niandry ambara-pisindan’ny fisalasalana rehetra mety hoeritreretina momba ny maha ara-dalàna ny fiandrianan’i Jehovah sy momba ny tsy fivadihan’ny olombelona aminy? Tsy marina ve fa, eo amin’ny fomba fitsarana ankehitriny, dia mety haka taona maro ny fanaporofoana izay marina sy izay diso eo amin’ny raharaha ara-pitsarana iray?
Raha heverina amin’ny halehiben’ireo raharaha iadian-kevitra atrehin’i Jehovah sy ny olombelona — izany hoe, ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao sy ny tsy fivadihan’ny olombelona — dia fahendrena tokoa ny namelan’Andriamanitra ny fotoana handeha! Ankehitriny dia hitantsika mazava izay mitranga rehefa tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra ny olombelona ka miandraikitra samirery ny raharahany. Faharatsiana miely patrana no vokany. Ary izany no mahatonga olona tsy manan-tsiny maro be hijaly amin’izao andro izao.
Soa ihany anefa fa tsy haharitra mandrakizay ny faharatsiana, araka ny asehon’ny Tenin’Andriamanitra. Raha ny marina, dia hofaranan’i Jehovah tsy ho ela ny faharatsiana sy ireo izay mahatonga azy io. “Fa ny ratsy fanahy kosa”, hoy ny Ohabolana 2:22, dia “hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” Ireo olona mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra kosa, etsy an-danin’izany, dia afaka miandrandra fotoana iray tsy hisian’ny “fahafatesana intsony, sady tsy [hisian’ny] alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Efa akaiky dia akaiky izao io fotoana io. — Apokalypsy 21:4.
Koa hazavain’ny Baiboly mazava tsara àry ny antony ijalian’ny tsy manan-tsiny. Omeny toky koa isika fa hifarana tsy ho ela ny faharatsiana sy ny fijaliana. Raha mbola mandia ireo zava-tsarotry ny fiainana amin’izao fotoana izao anefa isika, dia mila valin’ny fanontaniana lehibe hafa iray.
Inona no zava-kendren’ny fiainana?
Teo amin’ny tantaran’ny olombelona, dia mbola tsy nisy toy izao mihitsy angamba ny fiezahan’ny olona hahita ny tena hevitry ny fiainana. Maro no manontany tena hoe: ‘Nahoana aho no velona? Ahoana no ahafahako mampisy heviny ny fiainako?’ Tarehin-javatra maro samihafa no mahatonga azy ireo hametraka izany fanontaniana izany.
Mety ho potika ny fiainan’ny olona iray noho ny fahavoazana nahazo azy manokana. Teo am-piandohan’ny 1998, ohatra, dia nisy naka an-keriny sy namono ny ankizivavy iray 12 taona, nipetraka tany Bavière, any Alemaina. Herintaona tatỳ aoriana, dia niaiky ny reniny fa laniny tamin’ny fitadiavana zava-kendrena teo amin’ny fiainana ny andro tsirairay kanefa dia very maina fotsiny. Misy tanora sasany voatosika hanontany tena ny amin’ny hevitry ny fiainana. Mitady fiarovana sy fahafaham-po ary fahatsapana ho tsy atao an-kilabao izy ireo, kanefa dia mamoy fo ihany amin’ny farany noho ny fielezan’ny fihatsarambelatsihy sy ny fandraisana kolikoly. Misy olon-kafa manorina ny fiainany manodidina ny asa iray, kanefa eo izy ireo vao mahita fa, hay, ny fahefana sy ny laza ary ny fananana dia tsy manome fahafaham-po ilay faniriana ao anatiny ao, dia faniriana hahita antony hahavelomana.
Na inona na inona manosika olona iray hanadihady ny amin’ny zava-kendren’ny fiainana, dia mendrika hahazo valiny marim-pototra sy mahafa-po io fanontaniana io. Eto indray koa, dia mety ho tena hahasoa ny Baiboly. Izy io dia mampahafantatra an’i Jehovah ho Andriamanitra manana zava-kendrena, ho ilay manana antony marim-pototra amin’izay zava-drehetra ataony. Manontany izahay hoe: Hanorina trano ve ianao kanefa tsy manana antony hanaovana izany? Azo inoana fa tsia, satria mitaky fampiasana vola be sy mety haka volana maro na taona maro ny fanorenana trano iray. Matoa ianao manorina trano, dia mba hahafahan’ny tenanao na ny olon-kafa hipetraka ao. Azo ampiharina amin’i Jehovah ny lôjika mitovy amin’izany. Tsy ho nisahirana hamorona ny tany sy ireo zavamiaina eo amboniny izy, raha toa ka tsy nanana antony, na fikasana. (Ampitahao amin’ny Hebreo 3:4.) Inona no fikasany ny amin’ny tany?
Ny faminanian’i Isaia dia mampahafantatra an’i Jehovah ho “Andriamanitra (...) namorona ny tany sy nahavita azy”. Izy tokoa no “nandamina [ny tany]; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana”. (Isaia 45:18). Eny, hatramin’ny namoronana ny tany, dia efa fikasan’i Jehovah ny hahatonga azy io honenana. Hoy ny Salamo 115:16: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” Araka izany, dia asehon’ny Baiboly fa noforonin’i Jehovah ny tany mba honenan’ny olona mankato, izay hikarakara azy io. — Genesisy 1:27, 28.
Nahatonga an’i Jehovah hanova ny fikasany ve ny fikomian’i Adama sy i Eva? Tsia. Ahoana no mahatonga antsika hatoky be toy izany? Diniho izao hevitra izao: Efa an’arivony taona maro taorian’ilay fikomiana tany Edena no nanoratana ny Baiboly. Raha nafoin’Andriamanitra ilay fikasany tany am-boalohany, nahoana izany no tsy voalaza ao amin’ny Baiboly? Ny fanatsoahan-kevitra miharihary dia izao: Mitoetra ho tsy miova ny fikasany ho an’ny tany sy ny olombelona.
Ambonin’izany, dia tsy mandamòka na oviana na oviana ny fikasan’i Jehovah. Nanome izao toky izao tamin’ny alalan’i Isaia, Andriamanitra: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, — dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” — Isaia 55:10, 11.
Izay antenain’Andriamanitra amintsika
Mazava àry fa afaka matoky isika fa ho tanteraka izao fikasan’Andriamanitra izao: Hanjary ho fonenana mandrakizay ho an’ny olombelona mankato ny tany. Raha te ho anisan’ireo izay hahazo tombontsoa hiaina maharitra eto an-tany isika, dia tsy maintsy manao izay nolazain’i Solomona Mpanjaka hendry hoe: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:13; Jaona 17:3.
Ny hoe miaina mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah ho an’ny olombelona, dia midika hoe manao izay hahafantarana ilay Andriamanitra marina sy manaraka ireo zavatra takiny voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Raha manao izany dieny izao isika, dia afaka manantena fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa, ka ao isika dia tsy hitsahatra mihitsy hiana-java-baovao momba an’Andriamanitra sy ny zavatra noforoniny mahatalanjona. (Lioka 23:43, NW ). Izany ka zavatra antenaina mampientam-po!
Olona maro izay mitady zava-kendrena eo amin’ny fiainana no mitodika any amin’ny Baiboly ka mahita fahasambarana lehibe dieny izao. Ohatra, tsy nahita izay hevitry ny fiainana ny tovolahy iray antsoina hoe Alfred. Naharikoriko azy ny fitsabahan’ny fivavahana tamin’ny ady, ary nahatezitra azy ny fihatsarambelatsihy sy ny fandraisana kolikoly teo amin’ny politika. Nitsidika ireo Peaux-Rouges tany Amerika Avaratra i Alfred, noho ny fanantenana fa hahazo fanazavana momba ny zava-kendren’ny fiainana, kanefa diso fanantenana ihany izy rehefa niverina tany Eoropa. Noho ny famoizam-po, dia nitodika tany amin’ny zava-mahadomelina sy ny mozika tsy voafehy izy. Ny fandinihana tsy tapaka sy tamim-pitandremana ny Baiboly anefa no nanampy an’i Alfred hahafantatra ny tena zava-kendren’ny fiainana sy hahita fahafaham-po tatỳ aoriana.
Fahazavana azo ianteherana eo amin’ny lalantsika
Inona àry no fanatsoahan-kevitra azontsika atao momba ny Baiboly? Azo ampiharina amin’izao andro izao ve izy io? Izany tokoa, satria manome tari-dalana eo amin’ny raharaha iadian-kevitra ankehitriny izy io. Hazavain’ny Baiboly fa tsy avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana, ary ampiany isika hahita zava-kendrena mahafa-po eo amin’ny fiainana. Ankoatra izany, ny Baiboly dia manan-javatra maro holazaina mahakasika raharaha hafa izay tena mahaliana ny olona amin’izao andro izao. Voaboasana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny foto-kevitra toy ny fanambadiana, ny fitaizana zanaka, ny fifandraisan’ny samy olombelona, ary ny fanantenana ho an’ny maty.
Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia mba diniho izay raketin’ny Baiboly. Raha vao mahita ny tena hasarobin’ny tari-dalana omeny momba ny fiainana ianao, dia mety hiombom-pihetseham-po amin’ny mpanao salamo izay nitodika tany amin’ny Jehovah Andriamanitra mba hahazo tari-dalana ka nihira toy izao: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” — Salamo 119:105.
[Sary, pejy 6]
Fantatrao ve ny antony amelan’Andriamanitra ny tsy manan-tsiny hijaly?
[Sary, pejy 7]
Afaka manana fiainana misy zava-kendrena ianao