FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 1/5 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Androbe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Olona Misy Demonia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny fanasitranana zazalahy iray azon’ny demonia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 1/5 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha mandre feo ny Kristianina iray, voatery hidika ve izany fa avy amin’ny demonia ilay izy?

Tsia. Marina fa voalaza hoe manafika amin’izany fomba izany ny demonia. Kanefa, olona maro no mahare feo na mahatsapa zavatra hafahafa sy mampahatahotra, nefa rehefa manadihady izy, dia hitany fa aretina no mahazo azy.

Na dia tamin’ny taonjato voalohany aza, dia toa efa fantatra fa mitovy indraindray ny mahazo ny olona manana olana ara-pahasalamana sy ny olona tafihin’ny demonia. Mitantara momba ny ankizilahy iray nositranin’i Jesosy ny Matio 17:14-18. Toy ny hoe voan’ny androbe izy io, nefa raha ny marina, dia notafihin’ny demonia. Talohan’izay anefa, dia nahitana ‘demoniaka sy mararin’ny androbe’ teo amin’ireo marary maro nentina hositranin’i Jesosy. (Matio 4:24) Toa efa fantatra àry tamin’izany, fa tsy notafihin’ny demonia daholo izay rehetra voan’ny androbe. Aretina kosa no nahazo azy ireo.

Misy aretin-tsaina antsoina hoe schizophrénie, izay azo tsaboina tsara matetika. Voalaza fa mandre feo ny olona voan’izy io, na mahatsapa fa misy zavatra hafahafa mahazo azy.a Ankoatra izany, dia misy aretina hafa mety hiteraka fikorontanan’ny saina, ka hahatonga ny olona sasany hieritreritra fa tafihin’ny demonia izy. Tena tokony hampirisihina àry ny olona iray hamotopototra sao antony ara-pahasalamana, fa tsy fanafihan’ny demonia, araka ny fiheverany, no mahatonga azy handre feo, na hahatsapa hoe misy zavatra hafahafa mitranga aminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “On commence à percer le mystère des maladies mentales”, ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Septambra 1986, gazety naman’ny Tilikambo Fiambenana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara