FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Androbe”
  • Androbe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Androbe
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hatao Raha Misy Olona Voan’ny Androbe?
    Mifohaza!—2013
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Volana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Androbe”

ANDROBE

Aretina mitaiza mamely ny rafi-pitatitra foibe, ary mahatonga olona hifanintona na ho verivery saina na tsy hahatsiaro tena. Mety hifanintona no sady tsy hahatsiaro tena koa anefa ilay olona. Mihetsika ilay aretina rehefa tsy miasa tsara ny atidoha. Misy karazany roa lehibe io aretina io: Mety hihinjitsinjitra be sady tsy hahatsiaro tena ilay olona, na mety ho verivery saina vetivety fotsiny fa tsy hifanintona.

Nanasitrana zazalahy voan’ny androbe i Jesosy Kristy, ny ampitson’ny fiovan-tarehy. Efa nanasitrana azy io ny mpianany fa tsy nahavita. (Mt 17:14-20) Hatramin’ny fahazazany izy io no nisy “fanahy mampahamoana sy mampaharenina” ka matetika no nazeran’ilay fanahy tamin’ny tany ary nataony nifanintontsintona sy namoaka roatram-bava. Niteny mafy an’ilay demonia i Jesosy, dia nivoaka izy io ka sitrana ilay zazalahy.​—Mr 9:14-29; Lk 9:37-43.

Olona nisy demonia no voalazan’ilay tantara teo hoe voan’ny androbe. Aretina toy ny aretina rehetra anefa ny androbe, raha ny marina. Tsy milaza ny Soratra Masina hoe misy demonia ny olona matoa voan’ny androbe. Milaza kosa aza ny Matio 4:24 fa nentin’ny olona mba hositranin’i Jesosy ny marary, anisan’izany ny olona “nisy demonia sy voan’ny androbe.” Hita tsara eo fa samy hafa ny hoe nisy demonia sy ny hoe voan’ny androbe.

Epilepsia no teny grika ho an’ny “androbe”, ary midika ara-bakiteny hoe “fanintona” izy io. Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa io teny io. Endriny hafa amin’ilay teny grika hoe seleniazômai kosa no nilazan’i Matio an’io aretina io. (Mt 4:24; 17:15) Midika ara-bakiteny hoe “nasian’ny volana” io seleniazômai io. Misy Baiboly mandika azy io hoe “adala manara-bolana”, fa Baiboly maoderina maro kosa no milaza hoe “voan’ny androbe”, ao amin’ireo andininy ireo.​—Kat.; Prot.; TV.

Mahaliana fa izao no lazain’ny boky iray momba io teny grika io: “Tamin’ny voalohany, ny dikan’ilay teny hoe seleniazômai, ‘nasian’ny volana’, dia avy amin’ny finoana iray niely patrana izay nahagaga fa tsy nety lefy. Maro be mantsy no nino fa misy vokany eo amin’ny olona ny volana, izany hoe mampihetsika aretina ny tsingerina sasany amin’izy io, indrindra raha aretina miverimberina. Tsy fantatra aloha raha mbola nisy ifandraisany tamin’io finoana io ihany ny teny hoe seleniazômai tamin’ny fotoana nanoratana ny Test[amenta] V[aovao], na efa lasa teny tsotra fotsiny izy io ka tsy nanana ilay heviny tamin’ny voalohany intsony.” Nanazava koa ilay rakipahalalana fa misy teny maoderina hafa avy amin’ny hoe ‘volana’, ary midika hoe voa kely ny saina. Efa ela anefa ny olona no tsy nino intsony hoe mahatonga aretina toy izany ny volana.​—Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i J. Orr, 1960, Boky III, p. 1941.

Marina fa nampiasa an’ilay hoe seleniazômai i Matio, nefa tsy midika izany fa ninonino foana izy hoe mampihetsika aretina ny volana arakaraka ny tsingeriny. Azo inoana fa nampiasa an’io teny grika io izy, satria fotsiny io teny io no nilazan’ny olona an’izay voan’ny androbe. Tena mitovy amin’ny fomba fisehon’ny androbe koa ny aretin’ilay zazalahy, araka ny notantarain’i Matio sy Marka ary Lioka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara