Ny Mahantra Mihamahantra Hatrany
“Tsy misy mihitsy fiaraha-monina afaka ny handroso sy ho sambatra, raha mahantra sy mahonena ny ankamaroan’ny olona ao aminy.”
IZANY no nambaran’ilay manam-pahaizana momba ny toe-karena atao hoe Adam Smith, tany amin’ireo taona 1700. Maro no miaiky fa vao mainka marina ireo teniny ireo ankehitriny. Misongadina kokoa ny fahasamihafan’ny manana sy ny tsy manana. Any Philippines, dia latsaka ny iray dolara isan’andro (na 6 000 FMG eo ho eo) no iveloman’ny ampahatelon’ny mponina. Minitra vitsivitsy monja anefa matetika no ahazoana izany vola izany any amin’ny firenena manankarena kokoa. Ny tatitra navoakan’ny Firenena Mikambana mahakasika ny fandrosoana tamin’ny taona 2002, dia mampiseho fa “ny karaman’ny 5 isan-jaton’ny olona manankarena indrindra eto an-tany, dia toy ny karaman’ny 5 isan-jaton’ny olona mahantra indrindra, ampitomboina 114.”
Azo lazaina hoe miadana ihany ny olona sasany, nefa maro be no mipetraka any amin’ny toerana tsy ahazoany lalana, na manangana trano tsizarizary any amin’izay azony anaovana izany. Misy aza mampalahelo kokoa noho izany, satria ny arabe no fonenany. Tapaka baoritra na selofanina kely no mba fandriany amin’ny tany. Maro amin’izy ireo no mitrongy vao homana. Ao ny mitsindroka fako, na mikarama mitaona entana mavesa-be. Ao koa ny manangona kapoaka, na tavoahangy, na taratasy, ary mivarotra izany avy eo.
Tsy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ihany anefa no ahitana tsy fitoviana eo amin’ny manankarena sy ny mahantra. “Misy ‘faritra mahantra’ any amin’ny firenena rehetra”, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Na any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Bangladesy, na any amin’ny tany mandroso toa an’i Etazonia, dia misy foana olona miady mafy vao mahita sakafo hohanina na trano hialofana, na dia manankarena toy inona aza ny sasany. Araka ny tatitra tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), dia mihalehibe hatrany ny hantsana mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra any Etazonia. Izao no voalaza tao: ‘Tamin’ny 2001, dia nitovy tamin’ny antsasaky ny tontalin’ny fidiram-bolan’ny mponina rehetra eto Etazonia, ny vola noraisin’ny ampahadimin’ireo manankarena indrindra eto Etazonia. Ny 3,5 isan-jaton’io tontalin’ny fidiram-bola io no azon’ny ampahadimin’ireo mahantra indrindra.’ Sahala amin’izany, na ratsy kokoa noho izany aza, ny zava-misy any amin’ny tany maro. Asehon’ny tatitra iray navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, fa latsaka ny roa dolara isan’andro (na 12 000 FMG eo ho eo), no iveloman’ny 57 isan-jaton’ny mponina eran-tany.
Manampy trotraka koa ny zava-nitranga tamin’ny 2002. Maro no sahiran-tsaina tamin’izay, rehefa nahare fa lasa mpanan-karena tamin’ny fomba nampiahiahy ny lehiben’ny orinasa sasany. Tsy niharihary aloha hoe nanao zavatra tsy ara-dalàna izy ireo, nefa lazain’ny gazety Harena (anglisy) fa maro no mino hoe lasa “mpanefohefo tamin’ny fomba nahagaga sy nanafintohina” ireo lehiben’ny orinasa ireo. Rehefa mijery ny zava-mitranga eran-tany ny sasany, dia manontany tena hoe: “Rariny ve raha lasa manam-bola be tampoka ny sasany, ary tsy hita pesipesenina mihitsy aza ny harenany, nefa be dia be no mahantra?”
Hisy foana ve ny fahantrana?
Tsy midika anefa izany hoe tsy misy manao na inona na inona hanampiana ny mahantra. Tsara fikasa tokoa ny manam-pahefana sy fikambanana sasany mpanao asa soa, ka manipy hevitra hitondrana fiovana. Mbola mahakivy anefa ny zava-misy. Na dia mendri-koderaina aza ny ezaka maro natao hanatsarana ny fiainan’ny mahantra, dia izao no voalazan’ilay tatitra navoakan’ny Firenena Mikambana mahakasika ny fandrosoana tamin’ny taona 2002: “Firenena maro no mahantra kokoa noho ny tamin’ny 10, na 20 taona lasa. Ny sasany aza mahantra noho ny tamin’ny 30 taona lasa.”
Midika àry ve izany fa tsy manana fanantenana ny mahantra? Manasa anao izahay hamaky ny lahatsoratra manaraka. Ho hitanao ao ny karazana fahendrena, izay hanampy anao dieny izao. Hahita vahaolana mety ho tsy noeritreretinao koa ianao ao.