Fanontanian’ny Mpamaky
Tokony hanome vola na zavatra ho an’ny mpiasam-panjakana ve ny Kristianina rehefa mampanao asa azy, sa azo heverina ho kolikoly izany?
Miezaka haneho fahendrena ny Kristianina rehefa miatrika ny zava-misy eo amin’ny faritra misy azy. Takany fa izay azo ekena sy ara-dalàna ao amin’ny tany iray, dia mety tsy ho azo atao mihitsy any an-tany hafa. (Ohabolana 2:6-9) Tokony hotadidin’ny Kristianina foana, fa tsy maintsy manalavitra ny kolikoly izay te “hitoetra ao amin’ny tabernakelin’[i Jehovah].”—Salamo 15:1, 5; Ohabolana 17:23.
Inona no atao hoe kolikoly? Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), fa “ny hoe kolikoly dia fanomezana zavatra ho an’ny ... manam-pahefana iray, mba tsy hanaovany izay tokony hataony na handikany ny lalàna, ho tombontsoan’ilay manome zavatra azy.” Manao kolikoly àry ny olona iray, na aiza na aiza misy azy, raha manome vola na zavatra hafa, mba tsy hampiharan’ny mpitsara na polisy ny lalàna, na mba tsy hiraharahan’ny mpanara-maso ireo fahadisoana na fandikan-dalàna ataony. Manao kolikoly koa izay mody manome zavatra, mba hahazoana fikarakarana manokana, toy ny hoe alefa aloha rehefa misy filaharana. Tsy fanehoam-pitiavana koa ny fihetsika toy izany.—Matio 7:12; 22:39.
Manao kolikoly ve anefa ny olona iray, raha manome vola na zavatra ho an’ny mpiasam-panjakana, mba hahazoany fikarakarana ara-dalàna, na mba tsy hampifilafilana azy? Izao no mety hitranga any amin’ny tany sasany: Raha tsy omena zavatra ny manam-pahefana, dia mety tsy hampiditra ny ankizy hianatra na handray olona marary ao amin’ny hopitaly na hanome taratasy fahazoan-dalana hifindra monina. Mety hangataka andro koa izy ireo vao hikarakara ny fangatahana fahazoan-dalana.
Miovaova araka ny tany ny fanomezana falimpo sy ny fiheveran’ny olona azy ireny amin’ny ankapobeny. Mety hihevitra ny Kristianina sasany fa tsy mandika ny toro lalan’ny Baiboly izy, rehefa manome zavatra ny manam-pahefana mba hamitany ny asany, raha tsy misy lalàna voadika, ka efa fanao ao amin’ilay tany na efa antenain’ny manam-pahefana ny hanaovana izany. Mety hoheverina ho fampitomboana ny karama kelin’ny mpiasam-panjakana aza izany, any amin’ny tany sasany. Tadidio anefa fa tsy mitovy ny hoe manolotra fanomezana noho ny fikarakarana ara-dalàna, sy ny hoe manao kolikoly mba hahazoana fikarakarana manokana tsy ara-dalàna.
Tsy nety nanome zavatra ho an’ny mpanara-maso, na ny mpiasan’ny doanina, na ny olon-kafa kosa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, na dia efa fanao ao amin’ilay tany aza izany, raha mifanaraka amin’ny lalàna ny zavatra nampanaoviny. Malaza ho olona mahitsy sy marina ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny faritra misy azy, ka izany no ahazoany ilay fikarakarana, izay tsy ho azon’ny ankamaroan’ny olona, raha tsy mandoa vola na manome zavatra.—Ohabolana 10:9; Matio 5:16.
Araka ny hitantsika teo, dia anjaran’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay ny manapa-kevitra raha toa izy ka hanome zavatra, na tsia, mba hahazoana fikarakarana ara-dalàna na hialana amin’ny fitondrana tsy ara-drariny. Tokony hanao izay hananany feon’ny fieritreretana madio foana anefa izy, mba tsy hanalany baraka ny anaran’i Jehovah na hanafintohinany ny hafa.—Matio 6:9; 1 Korintianina 10:31-33; 2 Korintianina 6:3; 1 Timoty 1:5.