FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 15/4 p. 21-22
  • Fitaovana Manampy Amin’ny Fandikan-teny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitaovana Manampy Amin’ny Fandikan-teny
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanafihana Hafakely
    Mifohaza!—2012
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mankasitraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny Olona An-tapitrisany Maro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Inona no Baiboly Tokony Hovakinao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 15/4 p. 21-22

Fitaovana Manampy Amin’ny Fandikan-teny

I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no nanome ny Baiboly. Tiany hotorina “amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” mantsy ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. (Apokalypsy 14:6) Tiany hanana ny Teniny ny olona rehetra, ka nadika tamin’ny fiteny maro kokoa noho ny boky hafa eran-tany ny Baiboly. Niezaka mafy nandika ny tenin’Andriamanitra ho amin’ny fiteny hafa àry ny mpandika teny an’arivony.

Tsy ny Baiboly ihany anefa no adikan’ny mpandika teny. Manampy azy ireo handika lahatsoratra hafa indray aza izy io matetika. Mpandika teny maro àry no mampiasa Baiboly amin’ny fiteny isan-karazany. Ampitahain’izy ireo ny fomba nandikana ny teny sasany, mba hahitana fomba tsara handikana ireny teny ireny. Nampidirina ao anaty ordinatera mandika teny àry ny Baiboly satria tena manampy.

Sarotra be amin’ny ordinatera ny mandika teny. Misy manam-pahaizana aza milaza fa tsy ho vitan’ny ordinatera izany. Nahoana? Satria tsy misy heviny raha alahadahatra fotsiny ny teny. Samy manana ny mampiavaka azy mantsy ny fiteny tsirairay, eo amin’ny fomba fandaharana teny, fitsipi-pitenenana, ary hain-teny. Ezaka be no efa natao mba hampianarana an’izany rehetra izany ny ordinatera, nefa tsy tena nahomby. Zara raha azo ny ankamaroan’ny zavatra nadikany.

Malaza ho mahay momba ny ordinatera mandika teny i Franz Och. Nilaza izy fa mikaroka fomba vaovao izao ny manam-pahaizana, mba hanampiana ny ordinatera handika teny. Aoka hatao hoe maniry handika teny hindi ho amin’ny teny anglisy ianao. Makà aloha lahatsoratra mitovy, efa voadika amin’ireo fiteny ireo. Ampidiro ao anaty ordinatera ireo avy eo. Hampitaha ireo lahatsoratra roa ireo ilay ordinatera. Isaky ny mahita teny hindi iray miverimberina, ohatra, izy io, ary hitany fa mifanitsy amin’ny teny anglisy “house” (trano) ilay izy, dia hadikany hoe “house” iny teny hindi iny amin’ny manaraka. Mety ho mpamari-toetra midika hoe “lehibe”, “kely”, “tranainy”, na “vaovao” no eo akaikin’ilay teny. Ataon’ilay ordinatera lisitra àry ireo teny mifanitsy sy azo ampiarahina. Mety haharitra andro na herinandro vitsivitsy monja izany “fampiofanana” izany. Afaka mandika lahatsoratra hafa amin’izay ilay ordinatera rehefa avy “nampianarina.” Tsy manaraka fitsipi-pitenenana sy fomba fanoratra mety ilay fandikan-teny, nefa azo ihany ilay izy matetika, satria tafavoaka ny hevi-dehibe.

Miankina be dia be amin’ny hatsaran’ilay lahatsoratra nampidirina tany am-boalohany, sy ny habetsahan’ny teny tao anatiny, ny hatsaran’ny fandikan-teny hataon’ilay ordinatera. Ary amin’izany indrindra no ahitana hoe tena manampy ny Baiboly. Voadika tsara amin’ny fiteny maro be mantsy izy io, tsy sarotra tadiavina, ary ahitana lahatsoratra maro ao anatiny. Noho izany, dia ny Baiboly no voalohany ampiasain’ireo mpikaroka, rehefa hampianatra fiteny vaovao ny ordinatera izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara