FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w05 1/8 p. 3-4
  • Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Vidiny ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Vidiny ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Lanjalanjao ny Fihetseham-ponao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mangidy ny Vokany na Tsy Misy Mahita Aza
    Mifohaza!—1991
  • Olana: Tsy Voafehy ny Fihetseham-po
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
w05 1/8 p. 3-4

Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Vidiny ve Ianao?

IZANY no tsapan’i Lena teo amin’ny fiainany. Hoy izy: “Nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny aho, satria nisy nametaveta foana tamin’ny mbola kely. Hoatran’ny hoe tsy misy ilana azy mihitsy aho.” Nilaza toy izao koa i Simone, rehefa nanao jery todika ny fahatanorany: “Tsapako hoe nisy tsy ampy teo amin’ny fiainako, ary nihevi-tena ho olona tsy misy fotony aho.” Olona maro ankehitriny no malahelo mafy, satria mitovy fihetseham-po amin’izy mirahavavy ireo. Milaza ny fikambanana iray mpanome torohevitra an-telefaonina ho an’ny zatovo, fa efa ho ny antsasaky ny miantso azy ireo no “mihevi-tena ho tsy misy ilana azy.”

Milaza ny manam-pahaizana sasany, fa lasa mihevi-tena ho tsy mahay na inona na inona ny olona, rehefa misy manambany. Mety hanjary hanana izany toe-tsaina izany izy, rehefa misy manabanty foana, na misy manakiana azy be loatra sady masiaka aminy, na koa misy manararaotra ka mampijaly azy. Na inona na inona anefa antony, dia ratsy foana ny vokatr’io toe-tsaina io ary mety hanimba mihitsy aza. Hita tamin’ny fandinihana vao haingana nataon’ny mpitsabo, fa lasa tsy matoky tena sy tsy matoky ny hafa, ny olona mihevi-tena ho tsy misy dikany. Vokatr’izany, dia lasa tsy mifandray tsara amin’ny namany sy ny havany akaiky izy. Izao no tatitra nivoaka taorian’ilay fandinihana: “Azo lazaina hoe ilay olona ihany no ‘manao’ izay hampisy ny toe-javatra atahorany hitranga.”

Mety ‘hakorontan’ny ahiahy maro be ny sain’ny’ olona manambany tena toy izany. (Salamo 94:19, Fandikan-teny Katolika) Mieritreritra izy fa tsy mahafa-po mihitsy izay ataony rehetra. Manamelo-tena avy hatrany izy, isaky ny misy zavatra tsy mety. Mety hidera azy ny olona noho ny zavatra tsara vitany, nefa tsy mino izy hoe marina izany. Mihevitra izy fa tsy afa-manoatra sady tsy mendrika ny ho sambatra, ka manao zavatra manimba ny tenany. Lasa niova be, ohatra, ny habetsahan’ny sakafo nohanin’i Lena, ilay vehivavy voaresaka tetsy aloha, satria nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny izy. “Tsy vitako mihitsy ny nanova ny toe-tsaiko”, hoy izy.

Ho raiki-tampisaka amin’ireny olona ireny foana ve izany fomba fihevitra miteraka “ahiahy” izany? Misy azo atao ve mba hialana amin’izany? Misy toro lalana sy torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly, izay nanampy olona maro mba tsy hihevi-tena intsony ho tsy misy vidiny. Inona avy no sasany amin’izany, ary ahoana no nanampian’izany azy ireo mba hahita fifaliana eo amin’ny fiainana? Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara