FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w08 1/6 p. 22
  • ‘Anarana Tsy Azo Tononina’ Hoe?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Anarana Tsy Azo Tononina’ Hoe?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza ilay anarana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Iza moa i Jehovah?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Ny anaran’Andriamanitra — Ny dikany sy ny fanononana azy
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
w08 1/6 p. 22

‘Anarana Tsy Azo Tononina’ Hoe?

MAMPAHALAZA ny tanànan’i Saint Louis any Etazonia ny Gateway Arch. Vy lehibe miolaka izy io, ary toy ny avana ny bikany. Mahatratra 192 metatra ny haavony. Misy fiangonana tsy dia avo antsoina hoe Katedraly Tranainy, eo akaikin’ny tongotr’izy io ilany.

Hoy ny bokikely Ny Tantaran’ny Katedraly Tranainy (anglisy), momba an’io fiangonana io: “Misy tapenaka tsara tarehy eo ambonin’ireo andry eo anoloan’ny varavarana fidirana. Voasokitra eo afovoan’io tapenaka io ilay anaran’Andriamanitra tsy azo tononina. Litera hebreo ilay izy ary vita tamin’ny ranom-bolamena.” Hita tsara ireo litera hebreo efatra יהוה (YHWH), araka ny hitantsika eo amin’ny sary.

Nieritreritra angamba ireo mpitondra fivavahana katolika tao amin’io faritra io tamin’ny 1834, fotoana nanorenana an’ilay katedraly, fa tokony homena toerana manokana ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Koa nahoana àry ny anaran’Andriamanitra no nolazaina fa “tsy azo tononina”?

Nohazavain’ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) ny zava-nitranga taoriana kelin’ny niverenan’ny Jiosy avy tany Babylona, izany hoe teo anelanelan’ny taona 600 sy 500 T.K. Hoy izy io: “Nihevitra ny Jiosy fa masina loatra ilay anarana hoe Iaveh [YHWH nampiana zana-tsoratra], ka nosoloany tamin’ny hoe ADONAI [Tompo] na ELOHIM [Andriamanitra]. ... Rehefa tsy nampiasa an’ilay anarana intsony ny Jiosy, dia lasa hadino ny tena fanononana azy io.” Tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra intsony àry ny olona. Tsy fantatra intsony tatỳ aoriana ny tena fanononana an’ilay anarana, ka nanjary tsy sahy nanonona azy io intsony ny olona.

Mbola tsy fantatra hoe ahoana marina no tena fanononana ny anaran’Andriamanitra. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy ny fampiasana ny anarany. Iza no tianao? Antsoin’ny namanao hoe “andriamatoa” na “ramatoa” ianao, sa antsoiny amin’ny anaranao? Na vahiny aza izy ka tsy hainy tsara ny manonona ny anaranao, dia mbola ho tianao ihany raha mampiasa ny anaranao izy. Sa tsy izany? Toy izany koa fa tian’Andriamanitra hampiasa ny anarany isika.

Ilay anarana hoe “Jehovah” no tena be mpampiasa. Izay rehetra tia an’Andriamanitra àry dia tokony hampiasa ny anarany mba hahafahany hifandray akaiky aminy. Hoy ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara