FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w09 15/10 p. 32
  • Manokàna Fotoana Hianarana Baiboly!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manokàna Fotoana Hianarana Baiboly!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanomezana ho An’ny Fianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Manan-kery ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Tena Ilaina ny Fianarana Samirery sy ny Fianaram-pianakaviana!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
w09 15/10 p. 32

Manokàna Fotoana Hianarana Baiboly!

NOVAN’NY Filan-kevi-pitantanana ny fandaharam-pivorian’ny fiangonana, ka manam-potoana kokoa hianarana samirery sy hanaovana fianaram-pianakaviana isika. Ampianaro tsy tapaka àry ny vady aman-janakao, ary ataovy mifanaraka amin’izay ilain’izy ireo izany. Tokony hiara-mianatra Baiboly koa ny mpivady tsy manan-janaka. Hianatra samirery kosa ny mpitovo.

Maro no nankasitraka ny Filan-kevi-pitantanana, noho ilay fanovana. Izao, ohatra, no tenin’ny anti-panahy iray atao hoe Kevin: “Tsy hitanay izay teny hilazana ny fankasitrahanay. Niara-nidinika izahay anti-panahy hoe ahoana no hanarahana tsara ilay fampirisihan’ny Filan-kevi-pitantanana hoe mila manao fianaram-pianakaviana amin’ilay takariva tsy misy fivoriana.”

Hoy i Jodi, vadin’ny anti-panahy iray: “Telo vavy ny zanakay: 15 taona, 11 taona, ary 2 taona. Nifindra tany amin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana izahay, vao haingana. Sarotra sady ela be ny fanomanana ny fivoriana rehetra. Noho ilay fanovana, dia nanjary nanana takariva hanaovana fianaram-pianakaviana izahay!”

Hoy i John sy JoAnn, mpisava lalana maharitra: “Tapatapaka taloha ny fianaram-pianakavianay, satria betsaka ny asa tsy maintsy natao teo anivon’ny fiangonana. Tena avy amin’i Jehovah mihitsy io fanovana io. Hitanay fa mihatsara ny fifandraisanay aminy, rehefa ampiasainay araka ny tokony ho izy ilay fotoana tsy andehanana mivory.”

Mpitovo i Tony, ary 25 taona any ho any. Ny talata hariva izy no mianatra samirery, ary andro hafa no manomana fivoriana. Hoy anefa izy: “Tena tsy andriko izay hahatongavan’ny talata.” Nahoana? “Fotoana manokana iarahako amin’i Jehovah io.” Nanazava izy hoe: “Mandinika foto-kevitra manatsara ny fifandraisako aminy aho, mandritra ny adiny roa eo ho eo. Manam-potoana kokoa hianarana aho izao, ka afaka misaintsaina ireo andinin-teny manazava ilay foto-kevitra.” Inona no vokany? “Manjary latsa-paka ato am-poko ny fampianaran’i Jehovah. Nianatra momba ny fifankatiavan’i Davida sy Jonatana, ohatra, aho, tao amin’ny boky Fahatakarana. Hitako tao fa tsy tia tena i Jonatana. Nanjary nazava kokoa tamiko àry ny atao hoe tena namana. Tsy andriko mihitsy izay hahatongavan’ny talata hariva mba hianarana zava-tsarobidy toy izany!”

Manam-potoana kokoa hianarana samirery sy hanaovana fianaram-pianakaviana izao ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Ampiasao tsara àry io fotoana io, dia handray soa be dia be ianao!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara